Hevitry ny Nofy

1. TenWords ( 07/03/2016 12:54)
ARAKA ITY TOKO SY ANDININY ITY DIA SITRAKAY NY HITARI-DALANA ANTSIKA HAHALALA IZAY LAZAIN'NY MPAHARY AMINTSIKA FA IZY NO MILAZA HOE : Izao no lazan’ i Jehovah ny Iray Masin’ ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ ny zavatra ho avy no anontanio Ahy..." Isaia 45:11

Joba 31:14
Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany, Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
novalian'i rhaj0 ny 09/03/2016 16:09
2. endriny ( 07/03/2016 15:54)
Ary raha ohatra aho manonofy latsaka any anaty antsana matetika dia inona kay no mety dikany aza fady?
3. rhaj0 ( 07/03/2016 16:14)
Nisy namana ho'a nanofy hoe, noenjehin'olona hono izy, ary rehefa tratra izy, dia hotry ny hoe tsindromin'ilay mpanenjika ny ao andamosiny ao, fa tafatsoaka ihany izy; nefa avy eo tratra indray, etsetra... Farany izy taitra ihany.

Kay nisy boky tavela tao am-pandriana, ary izy mipelipelika tao io, dia ilay boky no "nanindrona ny lamosiny".. dia toa nanavy koa izy teo, ka ny fievre no nampihetsiketsika azy tao.


Izaho koa matetika dia manonofy hoe, mirimorimo mafy ny tontolo, na izaho no mihazakazaka, na hotry ny mitaingina montagne russe ireny, fa dia fanina aho io. Fa isaka ny manavy ihany aho no voan'izay.


Saingy io moa, toa ny zava-drehetra ho an'ny sasany, rahefa "tsy takatry ny hoza-doha", dia misy ny sasany tonga dia akapony any @ "finoana" ny resaka.



Fa na izany na tsy izany, dia mba tantarao ihany azany ny nofinareo ao andinihana azy...


Ny psy aloha dia milazalaza izao fa ...
https://www.psychologytoday.com/blog/sleep-newzzz/201505/how-do-scientists-study-dreams

Ary ny neuroscientist indray koa ohatra dia ...
http://www.scientificamerican.com/article/the-science-behind-dreaming/
4. endriny ( 08/03/2016 04:33)
Fa tadidiko taloha tamin'ny mbola kely: Manonofy hoe mipipy eo ambony vato, kay eo am-pandriana... efa manomboka mafampana izay ianao vao taitra...
5. TenWords ( 08/03/2016 07:41)
Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny nofy rehetra no manana dikany ( " Fa ny haben’ ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben’ ny teny no isehoan’ ny rediredin’ ny adala." )
Ka ity nofinao matetika ity ohatry ny manambara tsy fahampian-tsokay ao aminao.

endriny:

Ary raha ohatra aho manonofy latsaka any anaty antsana matetika dia inona kay no mety dikany aza fady?
6. booboo ( 08/03/2016 11:07)
hahahahahahahaha ! iny indray no tsy nampoiziko ! tsy ampy sokay :-D :-D :-D :-D :-D
7. rhaj0 ( 08/03/2016 15:31)
Ka rahefa asiana lojikany izany ilay nofy, ohatra hoe, "tsy ampy sokay", dia pehana hoe, "tena izay ilay izy", ao @ sokay...

Fa rehefa tsy takatry ny hoza-doha, na koa, rehefa mba te-hiriaria ny imagination, dia azo amoromporonana koa,ary itompotompoana hoe, "tena izay ilay izy", ao @ Baiboly...
8. papotsy ( 08/03/2016 16:45)
le manuf ng tkn ho fantantsik f mis nofy ten av amn'Atr f mis kus av am satana e. k tanjemu ts ho voafitak a.
9. rhaj0 ( 08/03/2016 17:45)
Ahitsiko kely:
Fa rehefa tsy takatry ny hoza-doha, na koa, rehefa mba te-hiriaria ny imagination, dia azo amoromporonana koa, ary itompotompoana hoe, "tena izay ilay izy", ao @ Baiboly...
Dia raha "ratsy" ilay nofy, dia ... "tena izay ilay izy": devoly
Raha "tsara' kosany, dia ... "tena izay ilay izy" : Atra.
10. papotsy ( 08/03/2016 18:56)
a3 ts voater we n tsar f0n lu le av amin'Atr e! f met mis ratsy ku a. ohtr: fambar loz met itrang, zavtr entin hananaran anw...etc
11. papotsy ( 08/03/2016 19:00)

rhaj0:

Ahitsiko kely:
Fa rehefa tsy takatry ny hoza-doha, na koa, rehefa mba te-hiriaria ny imagination, dia azo amoromporonana koa, ary itompotompoana hoe, "tena izay ilay izy", ao @ Baiboly...
Dia raha "ratsy" ilay nofy, dia ... "tena izay ilay izy": devoly
Raha "tsara' kosany, dia ... "tena izay ilay izy" : Atra.
12. endriny ( 09/03/2016 15:35)

TenWords:

Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny nofy rehetra no manana dikany ( " Fa ny haben’ ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben’ ny teny no isehoan’ ny rediredin’ ny adala." )
Ka ity nofinao matetika ity ohatry ny manambara tsy fahampian-tsokay ao aminao.

endriny:

Ary raha ohatra aho manonofy latsaka any anaty antsana matetika dia inona kay no mety dikany aza fady?


Misaotra anao, fa dia andeha ho any amin'ny farmasia aho hividy sokay aloha izany
13. rhaj0 ( 09/03/2016 16:09)
nataoko fa "sokatry" no nosoratan'i TenWords, ka hoe tsy ampy sa be "sokatry" ny namana Endriny :-)

hors-suzE ee... hors-suzE... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2022