Ho vita ihany koa ny amin'ity fitondrana Rajao ity e

1. endriny ( 04/03/2016 06:57)
Diso misetrasetra loatra ny zanany lahy, ary tena miasa ohatran'ny mafia mihintsy. Dia alainy daholo izay toerana henony hoe misy vato na volamena. Tsy vitan'ny hoe alainy fotsiny moa fa vonoiny mihintsy ny olona...

Mafy tsy nisy ohatran'i Beda e! Fa dia mba miomana ihany ry zareo a
novalian'i endriny ny 11/03/2016 07:14
2. tovorandria ( 05/03/2016 18:18)
ka azy mianakavy anie i dago iray manontolo ry endriny e.
ny fari-piainan´ny vahoaka mitotongana andro amn´alina fa izy mianakvy manakarena tampoka ao anatin´ny 1 segôndra daholo, nohon´ny fivarotany ny bois de rose sy ny harem-pirenena hafa koa.
ôtran´ny efa voahozona ho ampijaliana mitsy ny gasy
3. endriny ( 08/03/2016 04:52)
Fa dia mahay sinema ny mpitondra ary mihevitra ny olona ho tena badouraly mitovy aminy koa a... Nanao fanadihadiana hono ny teo anivon'ny zandary, ary ny mpitarika ambony mihintsy no nasaina nilaza fa tsy mitombina ny hoe tany Marotsopohy ilay Jaolahy kely... dia nanao antso avo I JAobe fa fanalam-baraka sy fanendrikendrehana fotsiny io... Dia nasainy nibaboka ny tompon'ny tany fa tsy nisy maty izany, fa tifi-danitra no tany... Dia ny nampihomehy anefa dia ny teo an'ivon'ny zandary nilaza hoe olona manao fanamiana miaramila ilay nitifitra tany fa tsy zandary na miaramila akory...

Aza badoraly ihany fa tssss.... ho ela velona ny vahoaka ary ny mpitondra hiongana haingana
4. tovorandria ( 09/03/2016 21:31)
raha tsy ireo olona eo amin´ny fitondrana ireo no miova, isan´izany ny filoha, piraiminisitra, minisitra, ny mpitsara(eny anosy) , ny pôlisy sy ny olona any amin´ny birao rehetra any, dia tss inon´inona hiova eo. Hiova inona tampoka eo ny vahoaka? ny mpitondra ary manao izay danin´ny kibony ko.
Kanefa ireo tia kely sy tsy maty manota ireo tsy hiova izany na haniry nify aza ny akoho, za dia efa kivy tanteraka mieritreritra ny manjo ny vahoaka, nefa tsy afa-manoatra satria na nahavita fianarana aza ianao, tss hivaky loha amin´izany, ny havany ihany no abotrabotrainy tsara.
5. endriny ( 11/03/2016 07:14)
Eto aloha dia efa mahakivy tanteraka e... Tokony hiala eto mihintsy angamba ny Malagasy dia soloina sinoa sy frantsay ary kaomaorianina daholo isika vao handroso i Madagasikara...

Manomboka eny amin'ny WC poblika ny fametsena amin'ny famerim-bola, mandalo eny ambony alitara ary mipaka hatrany Iavoloha.... Hihihihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1544