Noporofoin'ingahy Benedicte fa tsy ilaina mihintsy ny mainty hoditra

1. endriny ( 19/02/2016 06:26)
Ahoana angaha hoy ianao?

Tamin'ny fitsidihana nataony tany Meksika dia nilaza ity RR ity fa azo ampiasaina ny fiarovana mba hialana amin'ny fianahan'ny Zika eo amin'ny vehivavy. Haintsika tsara fa any Amerika no misy ny Zika ary tany tsy mainty hoditra ireo... Kanefa aty Afrika tany mainty hoditra dia raran'ny Vatikanina fatratra ny fampiasana fimailo hiarovana amin'ny SIDA fa izay atao hoe fanajana tena izay ihany hono dia tsy voan'ny SIDA ianao

Hafa ihany zareo ny tsy mainty a... mahazo tombony foana... Naninona aza aho no mainty sy ngita volo ohatran'ity... izao aho voatery mipasoka volo isan-kerinandro, mbola miandry jiro hirehitra indraindray vao vita ny voloko...
novalian'i endriny ny 20/02/2016 05:26
2. RBNIR ( 19/02/2016 08:53)
endriny:

Ahoana angaha hoy ianao?

Tamin'ny fitsidihana nataony tany Meksika dia nilaza ity RR ity fa azo ampiasaina ny fiarovana mba hialana amin'ny fianahan'ny Zika eo amin'ny vehivavy. Haintsika tsara fa any Amerika no misy ny Zika ary tany tsy mainty hoditra ireo... Kanefa aty Afrika tany mainty hoditra dia raran'ny Vatikanina fatratra ny fampiasana fimailo hiarovana amin'ny SIDA fa izay atao hoe fanajana tena izay ihany hono dia tsy voan'ny SIDA ianao

Hafa ihany zareo ny tsy mainty a... mahazo tombony foana... Naninona aza aho no mainty sy ngita volo ohatran'ity... izao aho voatery mipasoka volo isan-kerinandro, mbola miandry jiro hirehitra indraindray vao vita ny voloko...

Maninona moa no voatery pasohana, adala angah Andriamanitra nanome anao an'io,
Ny mpijery no tokony hiova fo fa tsy ny zavatra nataon'ny nahary no haratsiana....
3. stahtam ( 19/02/2016 08:58)

[quote=endriny]
Ahoana angaha hoy ianao?

Tamin'ny fitsidihana nataony tany Meksika dia nilaza ity RR ity fa azo ampiasaina ny fiarovana mba hialana amin'ny fianahan'ny Zika eo amin'ny vehivavy. Haintsika tsara fa any Amerika no misy ny Zika ary tany tsy mainty hoditra ireo... Kanefa aty Afrika tany mainty hoditra dia raran'ny Vatikanina fatratra ny fampiasana fimailo hiarovana amin'ny SIDA fa izay atao hoe fanajana tena izay ihany hono dia tsy voan'ny SIDA ianao

Hafa ihany zareo ny tsy mainty a... mahazo tombony foana... Naninona aza aho no mainty sy ngita volo ohatran'ity... izao aho voatery mipasoka volo isan-kerinandro, mbola miandry jiro hirehitra indraindray vao vita ny voloko...
[quote]=stahtam
Toa mba mahita anao liana @ resaka fivavahana ihany aho indraindray ka hoy aho hoe nahoana no dia hevitra sy fisainan'olombelona (malaza!!! angamba?) izay vovoka sy kankana no toa avoitranao sy toa ekenao mikitikitika ny maha ianao anao, fa moa adala ve sanatria Ilay namorona anao @ izao maha ianao anao izao no toa dia manambany tena be tsy misy tahaka izany? fa angaha moa i Vatikanina raha maneran-tany dia ho voafaokany ao koa ianao?Noforonina tahaka anao izy fa aza matahotra azy.Fanomezan-tsiny Ilay Mpamorona antsika (ho samy hafa) ny fanambanian-tena tahaka izao ataonao izao fa aza mety ho voatarik'izany.
4. rhaj0 ( 19/02/2016 11:35)
Raha ny fahazoako azy, dia TSY manambani-tena ny namana Endriny, fa milaza zava-misy : tena tsinontsinoavina, hoz'izy rahefa Mainty, fa rahefa hafa kosa, dia be fitsinjovana... eto izany i Vatican.

F'izany hoe, raha mbola ny fahitako azy ihany, dia "mivoatra" i Vatican eee... Ny Mainty koa izao izany afaka mimailo @ izay.

F'angha tsy tena manja i Fransisy ee : ny "vérité absolue" sy ny "dogme" kay mi-évoluer ihany :-)
5. endriny ( 20/02/2016 05:26)
Mety hoe masiaka be ilay filazako azy fa aza fady e...

Saingy izay no marina ... Tsy dia olana na matin'ny SIDA aza ny olona aty Afrika fa manjary tsy misy ihinanan'ny fotsy hoditra ny harena...

Miverina kely tamin'ny foto-kevitry ny Katolika sy ny Kristianina fahiny aho hoe: "Ny homo ihany no voan'ny SIDA sy ireo saodaomita" dia tsy navela mihintsy ny fampiasana ny kapaoty ho fiarovana ny sida af manjary mampitombo ny fijangajangana hono...

Saingy mampanotany tena hoe iza ary no tena mangetaheta ny olona mipetraka eo amoron'ny ony sa ny olona eny an-tendrombohitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7143