Ny fakampanahy sy ny fizahantoetra

1. gasy1zay ( 27/01/2016 15:54)
Mba te hizara kely ny momba ny fakampanahy sy ny fizahantoetra satria misy olona manafangaro azy roa ireo.

Ny fakampampanahy dia avy @ devoly/satana, ny fomba fisehony dia zavatra toa tsara na mahafinaritra manintona anao ( maso, saina, fo) ary miteraka faniriana/fitsiriritana sns... nefa mitondra anao handika ny teny/didy/sitrapon'Andriamanitra ary mety hanalavitra anao @ fahasoavana sy ny fitahian'Andriamatra.

Ny fakampanahy izany dia ohatrany tsara ny fiandohany fa ratsy ny fiafarany raha tafaroboka ianao.

Ny fizahantoetra indray dia mifanohitra @ izay, avy amin'Andriamanitra izy io, ny fomba fisehony dia toa zavatra sarotra tsy tianao ho lalovana @ fiainanao nefa raha mifikitra @ Andriamanitra ianao mandritry io fotoana io ary mitahiry ny finoanao dia ho hitanao tokoa ny voninahitr'Andriamanitra.

Ny fizahantoetra izany dia toa zavatra ratsy na sarotra lalovanao nefa dia ho tsara fiafara raha mitazona ny finoana ianao.

Marihina anefa fa mandritry ny fizahantoetra dia mety tonga koa ny fakampanahy handavo anao, hanozongozona ny finoanao.

Mahereza :)

novalian'i rhaj0 ny 05/02/2016 17:13
2. Fiffi ( 27/01/2016 17:48)
Ny fakampanahy: afaka misaina tsara aloha mba tsy ho voasintona am io.....

...tena marina fa tsy mora nefa tena azo atao tsara raha tena mihaina am fivavahana mba tsy ho voatarika...

"Ny fizahantoetra izany dia toa zavatra ratsy na sarotra lalovanao nefa dia ho tsara fiafara raha mitazona ny finoana ianao."

...aleo aloha io ho dinihako tsara.....

ohatra: (tsy dé azoko tsara manko lé tena dikan'io teny io....)
3. rhaj0 ( 27/01/2016 19:15)
ilay "fakam-panahy" (sy "fizahan-toetra), dia rahefa ao @ ilay "vavaka nampianarin'ny Tompo", dia @ dikany original, dia jereo anie "Le Notre Père" ato eee...
https://oratoiredulouvre.fr/prier/Le-Notre-Pere.php

1- indraidray ilay "tentation" dia mitohy resaka hoe, "délivre-nous du Mal/Mauvais/Diable..". Io izany ilay resaka "Devoly" an'i Gasy1zay. Nefa ho'a, indraidray anefa, indrindra ireo maoderina, dia "delivre-nous du Mauvais" na "du Tentateur" no lazain'ny mpahay azy eee...
--- koa raha izany, dia ilay "fakam-panahy" izany dia tsy voatery ho Devolivoliment izany foana

2- indraindray indray anefa ilay "tentation" dia lazain'ilay mpahay azy hoe "épreuve". Io izany ilay resaka "fizahan-toetra" an'i Gasy1zay. Dia nefa dia mbola mitohy @ resaka Mal/Mauvais ihany ilay vavaka...
--- koa raha izany, dia ilay "fizahan-toetra" koa izany kay mety ho Devolivoliment koa

Fehiny: ndao hivanitika fa tsss.... :-)

4. gasy1zay ( 27/01/2016 19:59)

Fiffi:

Ny fakampanahy: afaka misaina tsara aloha mba tsy ho voasintona am io.....

...tena marina fa tsy mora nefa tena azo atao tsara raha tena mihaina am fivavahana mba tsy ho voatarika...

"Ny fizahantoetra izany dia toa zavatra ratsy na sarotra lalovanao nefa dia ho tsara fiafara raha mitazona ny finoana ianao."

...aleo aloha io ho dinihako tsara.....

ohatra: (tsy dé azoko tsara manko lé tena dikan'io teny io....)

Ny fizahantoetra ohatra dia marary ianao ary ilay aretina (zavatra ratsy na sarotra)mahazo anao dia tsy ahitana fanafany na tsy fantatry ny dokotera, dia io ilay izahan'Andriamanitra toetra anao hoe hatoky azy ve ianao, mbola hivavaka sa sanatria handeha hanantona mpanao sikidy hanontany hoe nisy nanao mosavy ve? Raha mahatoky azy ianao dia hiseho aminao ny voninahiny dia ho tsapanao fa tena mahay manasitrana izy, vokany = faly ianao ary mitombo ny finoanao.
Ohatra ao @ baiboly dia i Joba

Ny fizahantoetra izany amin'Andriamanitra dia hoe hahatoky azy ve ianao ary hijoro @ finoana sa tsia?

Mandritra ny fizahantoetra anefa indraindray dia iny koa i satana/devoly maka fanahy anao hoe aza mivavaka intsony fa jereo ty mahazo anao, na maka fanahy anao hoe ary @ dadarabe misy manasitrana io ...

Izay no nambarako teo ambony hoe rehefa mandalo fizahantoetra ianao dia mety ho tratry ny fakampanahy ihany koa satria fantatry satana tsara fa @ io fotoana io ianao no "vulnérable"
5. booboo ( 28/01/2016 12:08)
Izaho koa tsy maharaka loatra... Araka² ny solomaso tokoa anie izany ilay izy e. Samy afaka manana endrika tsara sy ratsy aby izy roa ireo manko. Dia raha tsy tafavoaka @ ilay izy dia fakampanahy, raha tafavoaka tao dia fizahan-toetra ?
Zaho ndray mitovy hevitra @ Oogway hoe " aaaah, Shifu, il n'y a que des nouvelles, pas de bonnes ou mauvaises " :-D :-D :-D
6. vahiny2004 ( 28/01/2016 14:39)
Fakam-panahy : zavatra fantatrao pertinement fa ratsy ary tsy mety , nefa ohatry ny manintona anao : ohatra vadin'olona, volan'olona

Fizaha-toetra : épreuve , toy ny aretina , olana maro samihafa . Fizaha-toetra angamba mifanaraka @ hoe matanjaka ara-tsaina na ara-pinoana

Ohatra misy azy 2 : raha alain'olona ny vadinao, tratry ny fakam-panahy izy dia ianao izany voazaha toetra hoe matanjaka ve ny fitiavanao azy ka hamela azy ianao :-D
7. vahiny2004 ( 28/01/2016 14:40)
tentation et épreuve marina izy @ teny baiko
8. rhaj0 ( 29/01/2016 14:41)
booboo:
...raha tsy tafavoaka @ ilay izy dia fakampanahy, raha tafavoaka tao dia fizahan-toetra ?
Zaho ndray mitovy hevitra @ Oogway hoe " aaaah, Shifu, il n'y a que des nouvelles, pas de bonnes ou mauvaises " :-D :-D :-D

Tena miombo-kevitra tanteraka.. kobonao ilay izy fa misaotra mizara :-)

@ ankapobeny anie, ny fahitako azy koa dia, n'inon'inona atao na sainina, dia
- rahefa vorika ny vokany dia Devoly, na eto izany "fakam-panahy" (avy @ Devoly) hono,
- ary rahefa tsara dia Atra, na eto izany "fizahan-toetra" hono

Nefa ange zavatra/tranga mitovy ihany no fototra, fa ny vokany fotsiny no samy hafa...

Ohatra hoe "manintona anao ilay vadin'olona", hozy vahiny2004 io, ary mirongatra anaty ny filànao.
- Dia raha iny tokoany ianao ka misaraka dia mifindra lasy, satria entin'ilay filànao, dia tonga dia voapeka hoe, Devoly tsy manaja ilay "vady namen'Atra"..
- Dia raha ohatra anefa ka sanatriavin'izany, maty ilay vadinao, dia avy eo ianao , lasa mifindra lasy, satria entin'ilay filànao, dia tena hoe... "lahatr'Atra eee"... "vady namen'Atra" eee.
Dia nefa anie samy entin'ny filànao ihany ianao @ ireo tranga roa ireo eee... i Devoly foana ihany no nikitikitika ny filànao ilay olona itsy (talohan'ny nahafatesan'ivadinao) eee...
9. vahiny2004 ( 29/01/2016 16:13)
rhaj0:

Aza ampiana na analàna azafay izay nolazaiko ... tsy ireo nampianao ireo manko no tiako nampitaina

Mangalà ohatra hafa raha te hanazava ny hevitrao ianao

Misaotra mialoha
10. rhaj0 ( 29/01/2016 16:27)
Ohatra hoe manintona anao ilay vadin'olona, ary mirongatra anaty ny filànao.
- Dia raha iny tokoany ianao ka misaraka dia mifindra lasy, satria entin'ilay filànao, dia tonga dia voapeka hoe, Devoly tsy manaja ilay "vady namen'Atra"..
- Dia raha ohatra anefa ka sanatriavin'izany, maty ilay vadinao, dia avy eo ianao , lasa mifindra lasy, satria entin'ilay filànao, dia tena hoe... "lahatr'Atra eee"... "vady namen'Atra" eee.
Dia nefa anie samy entin'ny filànao ihany ianao @ ireo tranga roa ireo eee... i Devoly foana ihany no nikitikitika ny filànao ilay olona itsy (talohan'ny nahafatesan'ivadinao) eee...
11. Strong3 ( 01/02/2016 08:12)
ny olombaovao no sedraina amin'ny fizahan-toetra
ny olona mino fa mbola tsy nateraka no matetika mifanehitra amin'ny fakam-panahy

_ ny antony hilazana fa ny olombaovao dia tsy voatery hifanehitra amin'ny fakampanahy dia tsotra:
** miaraka amin'ny mazava izy ka mahatazana ny loza, ary ny Fanahy dia mapahalala azy ny lalak'ombany
*** fa ireo izay mbola araka ny nofo nefa mihia ao ampony mba hivavaka amin'Atra dia miraparapa ka tsy manana saina manavaka

ka tsy dia mahagaga raha misy olona tojo olana eo amin'ny fanavahana :-)
12. rhaj0 ( 01/02/2016 11:34)
Inona indray ity "olombaovao" ity ry Strong3?? Io ve ilay hoe "born-again-christian" ?? toa an-dry Georges W. Bush??

i Georges W. Bush mantsy izany hono taloha tena mpidoroka gaigy be, voagejan'ny fakampanahin-devoly tao. Fa nitapO t@ fanahy masina hono izy. Ary dia lasa tena " miaraka amin'ny mazava izy ka mahatazana ny loza, ary ny Fanahy dia mapahalala azy ny lalak'ombany". Ka "fisedra-toetra" sisa izany hono no mihatra aminy, fa i GWB dia TSY "miraparapa ka tsy manana saina manavaka ".

Dia hainao ny tohin'ny tantaran'ny "olombaovao Georges W. Bush". Ny laingabeny @ fandravana an'i Iraq sy ny nitsentsefany niaraka t@ Dick Cheney ny petrole tao dia .. vokatry ny "fisedra-toetra"-n'i Jesosy ary notarihiin'ny Fanahy Masina izy @ izany rehetra izany.

Bravo.. lalina be ilay analizy...
13. endriny ( 05/02/2016 15:06)
Ny fakampanahy sy ny fizahantoetra

Izay no maha-sadikadikan-draha an'ity Atra ity... angamba kelibe ny lanitra dia ataony izay anitsanana ny olona tsy ho any, ka dia asiany fakam-panahy sy fizahan-toetra...

Fa io koa moa ny olona no namorona an'io, fa Atra ve naka fanadinana vao namorona ny tany sy ny lanitra... Sa mety misy tanikely sy olona kely namboariny any ambadika any nanaovana fanandramana vao nanao ny tany sy ny lanitra ary ny zavatra rehetra izy...

Esy aho ry mpivaro-boky e
14. rhaj0 ( 05/02/2016 17:13)
Toa ilay mpivaro-boky no mamorona ireto "fakampanahy sy fizahantoetra" ireto raha izany. Dia milaza izy avy eo hoe, ao anaty boky ny recette ialana @ ireo eee...

RAha tsy diso nefa aho, rahefa "mino" dia basy dia vita kabary, fa tsisy an'izany fkpnhy sy fzhttra sy kipitiptin-dalana tsy maintsy manao an'izao sy izao izany..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3581