Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

101. rhaj0 ( 05/02/2016 16:45)
Raha ny fahitako azy, dia tsy parabole io fa tena izy: voan'ny androbe ilay tary, dia mianjerazera eny. Dia ny mpianatr'i Jesosy, efa mba nofidiaNY ary nampianariNY ihany mba hanao mirakala toa IZY Jesosy koa, fa tena tsy mahavita azy. Dia i Jesosy indray no tezitra, hoe tena inona foana no mbola iarahako aminareo mpianatra tsy-mahavita-azy ireto...

Sa tena parabole io? dia ilay tary izany mbola miadaladala, nefa ireo mpianatra mbola tsy mahay mampianatra manitsy azy.. dia io leo be io Jesosy ??


Fa na parabole io na tsy izy, dia hita tsy miery io izany ny toetran'i Jesosy eee...
102. RBNIR ( 05/02/2016 17:01)
Miteny mivantana amin'ilay rain'ilay zaza marary i Jesosy,
Raha ny fiteniny dia mandefitra fotsiny an'ilay lehilahy Izy fa raha ny marina tsy mendrika ilay lehilahy...
Mety hoe tsy mino akory fa dia manararaotra ny te hahazo fanasitranana fotsiny???
Tsy fantatro.....fa mety nahafantatra tsara ny eritreritr'ilay lehilahy Jesosy dia notsoriny ny marina.....
103. rhaj0 ( 05/02/2016 17:29)
Izany ry RBNIr dia manodikodina ny resa-baiboly tsy an-kenatra.. Aiza no maha-"fiteniny dia mandefitra" @ izao resaka izao:

Matio 17:17 Ary Jesosy namaly (...) mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo?


Raha ianao izao no mivolana an'io, marina mafy tsy arahinao, hoe:
.. ary "!@#$%&*"-n'ireto ve dia mbola tsy mahay miaina foana ee?? an???? ... mankaleo!...
104. rhaj0 ( 05/02/2016 18:48)
Averiko kely ny fanontaniana fa toa tsy voavaly...
rhaj0:
hono ho'a ry RBNIR.. i Herinirina profetanao moa izany toatoa ny "mpianatr'i Jesosy" direct ???
(sa moa ry Episcopo-ndry Yahl no toa izay?)

Toa "mpianatr'i Jesosy" direct ny Herinirinan'i RBNIR..

Dia hozy ny Baiboly hoe:
Marka 3:14 Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.


Entre-pa fa mampihomehy mihintsy io Baiboly @ teny gasy io fa nanalana na nampian'i ANdrianaivoravelona ny (tsy) revireviny ee... jereo anie ee..

Marka 3:15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
Mark 3:15 And to have power to heal sicknesses, and to cast out devils:


ka TSY manasitrana indray izany i Herinirina fa gasy petaka eee...

Dia hono ho'a, dia ahoana ny famoahana devoly ataonareo ao ry RBNIR?
Alefaso any @ kisoa hono, hozy Matio eeee...

105. RBNIR ( 05/02/2016 23:21)
rhaj0:

ka TSY manasitrana indray izany i Herinirina fa gasy petaka eee...

1 Tsy azoko ilay hoe tsy manasitrana....
Izaho nanana aretina 3 nitaiza sitrana....
Fa saingy raha ny fampianaran'i JEsosy tsy resaka "sakafo" (na koa fanasitranana) no tokony hanantonana Azy, fa ny fikatsahana ny fanjakany aloha..
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat 6:33)

2 « Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. » (Ohab.20:18)
Tsy hoe isaky ny mihetsika dia hamoaka devoly foana fa mila fantarina tsara ny atao...

Ary raha hanao "Asa lehibe ihany" dia tokana ny tanjona tahaka ny nataon'i Jesosy...

« Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Mat.11:21)

Raha ohatra ka "asa lehibe" tsy mitondra ilay olona amin'ny fibebahana dia ho "very maina" fotsiny fa tahaka ny rano atondraka an-damosin-gisa fotsiny...


106. RBNIR ( 05/02/2016 23:59)
rhaj0:

Izany ry RBNIr dia manodikodina ny resa-baiboly tsy an-kenatra.. Aiza no maha-"fiteniny dia mandefitra" @ izao resaka izao:

Matio 17:17 Ary Jesosy namaly (...) mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo?


Raha ianao izao no mivolana an'io, marina mafy tsy arahinao, hoe:
.. ary "!@#$%&*"-n'ireto ve dia mbola tsy mahay miaina foana ee?? an???? ... mankaleo!...

Marina ihany ilay nolazaiko hoe ngamba tsy mino akory fa mitady fanasitranana fotsiny....
« Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko izy. » (Mat.17:17)

Hoy Izy hoe "ry taranaka TSY MINO"....

P.S : ny manala demony tsy ataotao foana fa mila fantarina tsara ilay demony ao anatin'ilay olona an.....Sao dia manao tahaka an'ireto Asa.9:12-16

Izao no antony tsy nahafahan'ny mpianatra an'ireo demonia ireo....
« Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? » (Mat.17:19)
« Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. » (Mat.17:20)
« * [*Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] » (Mat.17:21)

1 Tsy ampy koa ny finoana tao amin'ireo mpianatra...
2- Misy karazana demony tsy afaka raha tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina....

Mila fahaizana fa tsy ataotao foana sao dia ho menatra otran'ireo zanak'i sikeva (Asa 19:12-16) sady hitanjaka no ho voaratra.....
107. RBNIR ( 06/02/2016 00:09)
Rhajo, vakio ny Mark 9:17-29 fa nitantara an'io koa i Marka dia mazava tsara fa tena tsy nino ilay rain-janaka tamin'ny voalohany.....Ary rehefa nino Izy ka tamy koa ny vahoaka (occasion B io mba hamonjena ny sasany teo ihany koa) dia navoakan'i Jesosy amin'izay ilay demony,

Namafisiny ao koa fa ny antony tsy nahavitan'ireo mpianatra ilay asa dia satria nitaky fivavahana sy fifadian-kanina ny famohahana an'iny demony karazan'iray iny.....

Mila mianatra isika fa tsy manaonao foana e!
108. rhaj0 ( 06/02/2016 00:26)
rhaj0:
Marka 3:15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
Mark 3:15 And to have power to heal sicknesses, and to cast out devils:


ka TSY manasitrana indray izany i Herinirina fa gasy petaka eee...

RBNIR:
1 Tsy azoko ilay hoe tsy manasitrana....

io ao @ Baiboly gasy, dia "ny voasoratra", dia TSISY @ ilay ao @ Anglisy hoe "to heal sicknesses"

hi hi hi.. ka ara-baki-teny @ teny gasy, dia tena mpisoloky misavika raha tsy napetraka taminy izany i Herinirina eee... ilay aretina 3 nanjo anao angaha demony?? :-)
109. RBNIR ( 06/02/2016 03:28)

rhaj0:

rhaj0:
Marka 3:15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
Mark 3:15 And to have power to heal sicknesses, and to cast out devils:


ka TSY manasitrana indray izany i Herinirina fa gasy petaka eee...

RBNIR:
1 Tsy azoko ilay hoe tsy manasitrana....

io ao @ Baiboly gasy, dia "ny voasoratra", dia TSISY @ ilay ao @ Anglisy hoe "to heal sicknesses"

hi hi hi.. ka ara-baki-teny @ teny gasy, dia tena mpisoloky misavika raha tsy napetraka taminy izany i Herinirina eee... ilay aretina 3 nanjo anao angaha demony?? :-)

F'angah moa izy nandrara ny mpino tsy hamaky ny baiboly dikan-teny hafa,
Efa betsaka anie no mafantatra fa misy fahamarinana mila karohina any amin'ny baiboly amin'ny dikan-teny raha tena te hikatsaka ny marina tokoa ianao e,
Efa nentiko teto ohatra ilay heb.4:9 izay mazava tsara ny dikany amin'ny teny angilisy sy ny dikan-teny Diem, fa ny andro fahafito no tiany ambara......
110. rhaj0 ( 06/02/2016 15:29)
Dia rahefa "mifanipaka" na mifandainga ny resaka dia tsindrotsindrohy ao izany izay mampetimety ny baolinao ee... Na TSY miteny ny "to heal the sickness" azany ny Baiboly gasy, dia saviho ho atao izany, fa izany hozy ny Baiboly anglisy izany ee...
111. RBNIR ( 07/02/2016 02:03)
rhaj0:

Na TSY miteny ny "to heal the sickness" azany ny Baiboly gasy, dia saviho ho atao izany, fa izany hozy ny Baiboly anglisy izany ee...

Miteny ny baiboly gasy ka....Fa afaka ampiasaina foana ny baiboly amin'ny dikan-teny hafa hamantarana ny tena marina .....

« Sitrano ny marary, ........ avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Mat.10:8)


112. RBNIR ( 07/02/2016 02:13)
Fa miaiky aho (mipetrapetraka tsara daholo ny zavatra rehetra misaotra Azy manokatra ny maso)......
Nampanantena "tany vaovao sy lanitra vaovao" Andriamanitra.....
Raha ohatra ka mbola système solaire (hazavana sy hafanana avy amin'ny masoandro no source de vie ) no nampanantenainy dia tsy mitombina ilay hoe fiainana mandrakizay satria tsy maintsy ho avy ny fotoana ho levona indray ilay masoandro....

Inona ary ny source d'énergie tsy mety ho ritra mandrak'izay???
« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apok.22:5)

Ny tenany no maharitra mandrakizay........VONINAHITRA ANIE HO AZY IRERY IHANY!!!
113. rhaj0 ( 08/02/2016 02:58)
esy e ry RBNIR... tsisy masoandro?.. tsy problema.. ny Tompo eo.
MIsy problema?.. tsy problema, ny Tompo eo, ao @ imagination ao: mety foana io, mipetrapetraka tsara

Dia koa hoe, TSY voalaza manokana ny resaka ao @ Baiboly gasy? no problemo.. atsy @ Baiboly anglisy indray miera. Na tadiavana resaka hafa any @ andininy hafa any.. tsy hisy resaka mampetimety ny baolina ve any ho any... mipetrapetraka tsara
114. RBNIR ( 08/02/2016 05:05)
rhaj0:

Dia koa hoe, TSY voalaza manokana ny resaka ao @ Baiboly gasy? no problemo.. atsy @ Baiboly anglisy indray miera. Na tadiavana resaka hafa any @ andininy hafa any.. tsy hisy resaka mampetimety ny baolina ve any ho any... mipetrapetraka tsara

Tsy hitako loatra ilay olana, fandinkanteny anie io e! Raisinin'ireo mpandika teny araka ny fahazoany azy...

Saingy ny Fanahy Masina mitaona ny olona hikatsaka ny "marina" dia mitaona ireo tena mangetaheta hamaky ireo dikan-teny hafa mba hahitana izay tena marina...
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
« Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. » (Mat.5:6)

Ka inona no olana amin'izany, sa "mitady hositranina mafy" i rhajo? Tsy voatery hanantona ny mpanompon'Andriamanitra ianao fa tanteraho io Mat.6:33 io dia hotanteraka ho azy aminao izany......
Ilay fikatsahana ny fahamarinana, afaka manampy anao ity fandaharana ity,
Ilay fikatsahana ny fanjakany kosa dia ny fanaovanao izay rehetra sitrapony...« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)



115. rhaj0 ( 08/02/2016 11:46)
RBNIR:
Raisinin'ireo mpandika teny araka ny fahazoany azy...

Dia soa dia tena soa fa ianao RBNIR no nilaza an'io. Dia io izany ilay no-"raisinin'ireo mpandika teny araka ny fahazoany azy" dia noraisinao araka ny fahazoanao azy koa.

ntsss.. efa mba nilalao ilay hoe telefona arabo ve ianao io ry RBNIR??

RBNIR:
... manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

Dia avy eo @ ilay telefona arabo, tonga dia manandra-tena ianao RBNIR fa hoe mahay manao. Nefa dia hitanao mibaribary io fa sitrapoNAO, ary araka ny fahazoaNAO azy, izao ataoNAO ao izao, fa tena TSISY idiran'ny Ray (imaginaire) izay any an-danitra any @izany..
116. RBNIR ( 08/02/2016 12:06)
Tsy izay ilay tiako ambara, fa misy ny "source" ilay baiboly fototra niaingana, mba hahafahan'ny olona miverina any amin'ny tena dikan'iny source iny dia mila mikaroka ianao, indraindray mila mikaroka ireo dikan-teny hafa......
117. rhaj0 ( 08/02/2016 15:35)
ka ahoana.. ho arianao any izany io Baiboly gasy izao io, sa ... hanoratra Baiboly vaovao indray ry RBNIR sy Herinirina??

Fa tsy afa-bela nareo e... dia "raisinao araka ny fahazoanao" azy ao ny resaka "any @ source". Izany ihany ary izany daholo no efa nataon'ireo olona talohanao.

F'angaha ny fahazoaNAO azy ao no vérité abolue??? ANAO manokana ao ilay izy eee... ao @ imagination-nao irery ao.
118. RBNIR ( 09/02/2016 05:31)

rhaj0:

ka ahoana.. ho arianao any izany io Baiboly gasy izao io, sa ... hanoratra Baiboly vaovao indray ry RBNIR sy Herinirina??

Io ilay ataoko hoe nifindran'ilay toe-tsaina faly hanohitra fotsiny koa ity ianao???
Efa mazava be ny fanazavana rehetra tany aloha,
Raha te hitady ny "source" na origine ianao tsy voarara, fa afaka mitady tsara mihisy misy version maro ange ny fandikan-teny e, fa izany tsy mahafoana ilay source mihitsy,
Ka izay mangetaheta afaka mitady dia hahita.
Inona no tsy mazava amin'izany???
119. RBNIR ( 09/02/2016 05:33)
Fanampiny tsy azonao koa ilay hoe fampianarana tsy misy kilema tsy azo ampiana sy tsy azo analana fa afangarona amin'ny hoe ara-bakinteny......
Mbola mila mianatra ianao e!
120. rhaj0 ( 09/02/2016 11:37)
RBNIR:
tsy azo ampiana sy tsy azo analana [tsy mira] ara-bakinteny...

tsy nampiana tsy nanalana fa notsindrotsindrohina izay mampetimety ny baolina..

Fa raha hiverina @ "source" azany ianao ry RBNIR dia ... mandehana miaraka @ Tealala fa izy no efa "any @ source" foana ny azy no vakiany.

Saingy ny an'i Herinirina moa TSY tany @ source izy no nitsindroka ilay fanambakana-be-vata ataony ao io, ka dia fanina ao ianao izany ry RBNIR aaa...


Fa mba tantarao azany hoe, ahoana ny "fanasitranana" ataon'i Herinirina ao eee... Tena nanasitrana ve izy, sahala @ Jesosy mametra-tanana, ary "vavolombelona" ianao ?? Tena miniana ianao fa ilay aretina 3-nao dia nametrahany tanana tao ??

Fa raha TSY manasitrana mantsy i Herinirna (fa be wa-wa ao fotsiny), dia ilazao izy hoe, tandremo fa hiharan'ny fahatezeran'i Jesosy ireo mpianatra tsy-mahavita-azy, tahaka ilay andininy nivoaka teto an...
Matio 17:17 Ary Jesosy namaly (...) mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1897