Dia ihomehezana fotsiny sisa eee...

1. rhaj0 ( 05/01/2016 18:28)
Context hono eee... :-)

novalian'i rhaj0 ny 14/01/2016 11:31
2. Strong3 ( 06/01/2016 11:31)
mihomeheza irery ao eh! :-)
3. rhaj0 ( 06/01/2016 12:11)
entre-pa fa rehefa mijery youtube, dia azo asiana sous-titre, dia atao pause raha te-handray noty... Fa tena izay vao tena mampihomehy :-)

(fanasiana sous-titre ho an'izay tsy nahay: asosay eo ambanin'ilay video io ny souris-nao. Dia hiseho ireo bouton pause sy haut-parleur sy... ilay bouton CC = Closed Caption.. dia tsindritsidrio io)

Ka hono ho'a Strong3... tena hotry ny mahita ilay tenanao mikitakita hoe, "context.. context", va ianao teo io? :-)
4. gasy1zay ( 06/01/2016 15:05)
Raha niomehy zany i rhaj0 nijery an'iny dia mazava be ny safidiny fa izy koa ny hisafidy ny hiaina ambany fahasoavana fa tsy ambanin'ny lalàna :)

fa efa hitanao le mot clé fa context e! tohizo ny fikarohana sy fanakarana ny marina fa ho tratranao ny marika.

ampiako kely nefa ingahy hametraka ny context :
1- Misy fiangonana kristiana ve eny fa an jodaisma aza mbola mampiatra ireo làlana ao @ levitikosy ireo? Fa maninona ny kristianina no tsy manaraka izany?

2- Fa maninona ny masiaka be ny lalàna tao @ levitikosy? Valiny = satria Andriamanitra dia tsy tia ota, ary ny fomba nanatrehany ny zanak'Israely t@ zany dia tena nisy famantarana hita maso mintsy ka tsy mitovy @ izao hiainantsika izao :"Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina."

Ary io ilay nitarika adihevitra be fa misy olona mbola mikiry hanaraka 100% ny voalazan'ny bokin'ny lalàna nefa efa nambaran'ny Tompo fa tsy nahatanteraka ary tsy hahatanteraka an'io 100% isika ka izay no nilana mpamonjy hisolo voina antsika. Ka dia jereo hoe aiza ho aiza no contexte misy anao @ izao fa efa vita ny famonjena, efa nintsangana t@ maty i Jesoa Kristy. Tsy misy hitsara anao araka ny làlana voalaza ao @ levitikosy intsony eo raha tsy hoe ianao mintsy nga no mitady izany :)
5. rhaj0 ( 06/01/2016 15:38)
Mba hazavao kely hoe ity ao @ testamanta vao, ao @ Marka, ary Jesosy mihintsy no miteny:

Marka 7: 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20. 12] , ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa



Ary ao @ Testamanta vaovao koa dia tena mahery ny description graphique an'ireo "Cruelty & Violence" ataon'Andrmntra, IZY mihintsy no miteny, na nataon'ireo voahirak'Andrmntra, na ataon'ny vahoakan'Andrmntra eee...

http://www.skepticsannotatedbible.com/mt/cr_list.html
Matthew: Cruelty

http://www.skepticsannotatedbible.com/mk/cr_list.html
Cruelty in Mark

hatrany @ Apokalipsy
http://www.skepticsannotatedbible.com/rev/cr_list.html

(ngo dia, mody hoe, i Levitikosy foana no diso...)
6. gasy1zay ( 06/01/2016 16:47)

rhaj0:

Mba hazavao kely hoe ity ao @ testamanta vao, ao @ Marka, ary Jesosy mihintsy no miteny:

Marka 7: 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20. 12] , ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa



Ary ao @ Testamanta vaovao koa dia tena mahery ny description graphique an'ireo "Cruelty & Violence" ataon'Andrmntra, IZY mihintsy no miteny, na nataon'ireo voahirak'Andrmntra, na ataon'ny vahoakan'Andrmntra eee...

http://www.skepticsannotatedbible.com/mt/cr_list.html
Matthew: Cruelty

http://www.skepticsannotatedbible.com/mk/cr_list.html
Cruelty in Mark

hatrany @ Apokalipsy
http://www.skepticsannotatedbible.com/rev/cr_list.html

(ngo dia, mody hoe, i Levitikosy foana no diso...)



Misaotra anao rhaj0 @ fanontaniana :), voalohany aloha dia ao @ testamenta vaovao dia maro ny référence ataony momba ny testamenta taloha ( raha tsy hainao, nefa mety hainao ihany raha mamaky ianao)

Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20. 12] , ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa

Raha io nosoratanao io zao dia voasoratra ao @ Eksodosy = Eks ary io no niainan'ny Jiosy t@ zany ary anisany nanenjehiny an'i Jesoa hoe Jesoa tsy manaraka ny lalàna

Ohatra niverina teto ngamba raha tadidinao :

Ny lalàn'i Mosesy dia milaza fa raha misy vehivavy mijangajanga dia torahina vato ho faty, dia i Jesoa ilay nilaza t@ ireo hoe aoka zay tsy mbola nanota taminareo no hitorabato azy voalohany.

Raha fehezina dia i Jesoa tsy nanaraka arabakinteny ny làlan'i Mosesy (voamabara tao @ testamenta taloha ao @ bokin'ny lalana) fa ny azy dia hoe làlana 2 no mahafehy ny lalana rehetra :
1- Tiava an'Andriamanitra
2- Tiava ny namanao

Mikasika ny fanapahana ireo parabole ao @ testamenta vaovao indray dia mikasika ny fiainana mandrakizay sy ny fitsarana farany daoly ny ankabeazan'ireo ary dia averina foana fa tena hisy io ary dia tena hisy fahoriana sy fijaliana hoan'ireo izay tsy mety nino,

Iza no tena ratsy ry rhaj0, raha tena zay tokoa ny fandehany (supposons), Andriamanitra mitsara anao araka ny safidinao nefa nampitandrina anao t@ fomba maro samihafa fa ianao no tsy nino, sa izay niezaka nandresy lahatra anao fa "imagination"ny kristiana na olombe fotsiny zany fitsarana farany zany ka dia nanao zay tianao ianao?

Farany, asa raha tadidin'i rhaj0 hoe raha nanarinao ny zanakao ka nanao ny tsy mety dia manaiky ianao ny hizakany ny vokan'ny tsy fihenoiny ( nandika lalana) ary mety ianao mintsy aza no hanolotra azy any @ manampahefana. Tsy tianao ve ny zanakao zany? Cruel ve zany ianao? Tadidio fa tsy misy hafa @ zay ilay ataon'Andriamanitra amintsika, hanariny isika @ fampianarana maro samihafa ( na dia tsy any ampiangonana aza) fa avelany haka safidy malalaka, ny fanapahana farany nefa dia tsy maintsy ilay fitsarana anao araka ny nataonao.

Lava be fa miala tsiny, misaotra namaky tompoko, enga anie hampiova ny fonao na ny fijerinao zay. :)


7. rhaj0 ( 06/01/2016 16:51)
gasy1zay:
...efa nambaran'ny Tompo fa tsy nahatanteraka ary tsy hahatanteraka an'io 100% isika ka izay no nilana mpamonjy hisolo voina antsika....

Ity karazana lojikan'i Gasy1zay ity no ... lasa fihomehezana ato @ ity video iray ity



asa raha takatrao no tiako tenenina :-)
8. rhaj0 ( 06/01/2016 16:55)
Ilay Marka hoe mba hazavao, indrindra ilay hoe "Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa"...

==== mbola miombo-kevitra, ary mametraka mazava hoe, "hatao maty tokoa" ve i Jesosy, araka ny notaterin'i Marka io, sa... izaho no tsy mahay mijery ny "context"..
9. gasy1zay ( 06/01/2016 18:25)

rhaj0:

Ilay Marka hoe mba hazavao, indrindra ilay hoe "Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa"...

==== mbola miombo-kevitra, ary mametraka mazava hoe, "hatao maty tokoa" ve i Jesosy, araka ny notaterin'i Marka io, sa... izaho no tsy mahay mijery ny "context"..




Mba maméla ahy ianao rhaj0 hametraka ny traduction français courant :

1 Les Pharisiens et quelques maîtres de la loi venus de Jérusalem s’assemblèrent autour de Jésus.
2 Ils remarquèrent que certains de ses disciples prenaient leur repas avec des mains impures, c’est-à-dire sans les avoir lavées selon la coutume.
3 En effet, les Pharisiens et tous les autres Juifs respectent les règles transmises par leurs ancêtres : ils ne mangent pas sans s’être lavé les mains avec soin
4 et quand ils reviennent du marché, ils ne mangent pas avant de s’être purifiés. Ils respectent beaucoup d’autres règles traditionnelles, telles que la bonne manière de laver les coupes, les pots, les marmites de cuivre [et les lits].
5 Les Pharisiens et les maîtres de la loi demandèrent donc à Jésus : « Pourquoi tes disciples ne suivent-ils pas les règles transmises par nos ancêtres, mais prennent-ils leur repas avec des mains impures ? »
6 Jésus leur répondit : « Ésaïe avait bien raison lorsqu’il prophétisait à votre sujet ! Vous êtes des hypocrites, ainsi qu’il l’écrivait : “Ce peuple, dit Dieu, m’honore en paroles, mais de cœur il est loin de moi.
7 Le culte que ces gens me rendent est sans valeur, car les doctrines qu’ils enseignent ne sont que des prescriptions humaines.”
8 Vous laissez de côté les commandements de Dieu, dit Jésus, pour respecter les règles transmises par les hommes. »
9 Puis il ajouta : « Vous savez fort bien rejeter le commandement de Dieu pour vous en tenir à votre propre tradition !
10 Moïse a dit en effet : “Respecte ton père et ta mère”, et aussi “Celui qui maudit son père ou sa mère doit être mis à mort.”
11 Mais vous, vous enseignez que si un homme déclare à son père ou à sa mère : “Ce que je pourrais te donner pour t’aider est Corban” – c’est-à-dire “offrande réservée à Dieu” –,
12 il n’a plus besoin de rien faire pour son père ou sa mère, vous le lui permettez.
13 De cette façon, vous annulez l’exigence de la parole de Dieu par la tradition que vous transmettez. Et vous faites beaucoup d’autres choses semblables. »



Manasa anao hamaky ilay tantara na dia hatreo @ andininy mba hahazoanao tsara ilay contexte. Rehefa voavaky dia izao no famintinana azy :
Ny lalan'ny Jiosy dia milaza fa tokony hanasa tanana alohan'ny sakafo, zay zany ny fampianarana voatolotry ny razana araka ny tantaraina eto, nefa ny mpianatry Jesoa tsy nanao izany dia tonga ny Fariseo niteny taminy hoe tsy manaraka ny fomba amam-panao Jiosy ny mpianatrao, na koa hoe ny mpianatrao, Jiosy ry zareo, nefa tsy manaraka ny fampianarana natolotry ny razana (Jiosy),
Dia ny navalin'i Jesoa dia tsotra, ny tsy fanarahana ny fampianarana natolotry ny razana dia tsy misy dikany raha hoarina amin'ny fandikana ny didin'Andriamanitra nambaran'i Mosesy,

Ka io lalana mikasika ny R+R-ny io resahinao io dia voambara ao @ Eksodosy :

20-12« Respecte ton père et ta mère, afin de jouir d’une longue vie dans le pays que moi, le Seigneur ton Dieu, je te donne.

21-17 :Celui qui maudit son père ou sa mère doit être mis à mort

Ka io lalana tao @ eksodosy io zany dia tsy mampaninona an'ireo fariseo ny mandika azy rehefa manao fanatitra ilay olona.

Raha ny fehezina izany ny nambaran'i Jesoa dia izao : ianareo fariseo sy mpanora-dalana sarotiny rehefa ny fampianarana avy @ razana (tradition-coutume) no misy mandika nefa misy didin'Andriamanitra avelanareo tsy tanterahin'ny olona ( fananjana ny Ray aman-dReny), ka dia citation ilay didy tao @ Eksodosy ilay nambarany ho ohatra io, midika ve zany hoe miteny izy hoe tokony hovonoina izay manozona (maudir) ny ray aman-dreniny? Raha za aloha tsy zay no tiana ambara eto fa hoe ny didin'Andriamanitra ambony noho ny fampianarana avy @ razana sy ny fombafomba
10. rhaj0 ( 06/01/2016 19:01)
gasy1zay:
ka dia citation ilay didy tao @ Eksodosy ilay nambarany ho ohatra io, midika ve zany hoe miteny izy hoe tokony hovonoina izay manozona (maudir) ny ray aman-dreniny?

Ka io napetrany tsara mazava io ny antsipirian-dresaka

gasy1zay:
Raha za aloha tsy zay no tiana ambara eto fa hoe ny didin'Andriamanitra ambony noho ny fampianarana avy @ razana sy ny fombafomba

Dia akipakao fotsiny izany io antsipiriany io. Raha ny fahitako azy aloha, dia hotry ny hoe, efa hoe coupable ilay olona mpanota, ary avy eo ny juge no mametraka ny peine de mort.. dia raha naverin'i Jesosy tsara hoe, peine de mort no napetraky ny Juge, dia hoz'ianao hoe tsy izay no tiana ambara???

Aiza ny objectivité-nareo ee... tahaka @ ilay series-na video navoakako teo mihintsy i Gasy1zay eee... ANdrmntra ve hono dia ahavita an'izany, nefa IZY Andrmntra??? Efa hita io fa io IZY manao azy io, nefa dia tere-ko masaka toa voalobo-jaza hoe, TSY izay no tiany ambara eee...
11. gasy1zay ( 07/01/2016 14:43)

rhaj0:

gasy1zay:
ka dia citation ilay didy tao @ Eksodosy ilay nambarany ho ohatra io, midika ve zany hoe miteny izy hoe tokony hovonoina izay manozona (maudir) ny ray aman-dreniny?

Ka io napetrany tsara mazava io ny antsipirian-dresaka

gasy1zay:
Raha za aloha tsy zay no tiana ambara eto fa hoe ny didin'Andriamanitra ambony noho ny fampianarana avy @ razana sy ny fombafomba

Dia akipakao fotsiny izany io antsipiriany io. Raha ny fahitako azy aloha, dia hotry ny hoe, efa hoe coupable ilay olona mpanota, ary avy eo ny juge no mametraka ny peine de mort.. dia raha naverin'i Jesosy tsara hoe, peine de mort no napetraky ny Juge, dia hoz'ianao hoe tsy izay no tiana ambara???

Aiza ny objectivité-nareo ee... tahaka @ ilay series-na video navoakako teo mihintsy i Gasy1zay eee... ANdrmntra ve hono dia ahavita an'izany, nefa IZY Andrmntra??? Efa hita io fa io IZY manao azy io, nefa dia tere-ko masaka toa voalobo-jaza hoe, TSY izay no tiany ambara eee...


Ka mazava tsara aminao araky ny nambaranao io fa tsy Jesoa Kristy no nangataka ny Juge hametraka ny peine de mort fa ny lalana, ny fandikan-dalana no resahina eo fa tsy hoe tsara ny peine de mort na hoe tokony asiana peine de mort.

Ka ianao mangataka fanazavana dia hazavaiko ilay izy dia hoy ianao hoe diso na tsy objectif zany fanazavana zany fa zao no izy dia tsy maninona fa raiso @ fahazoanao azy ary mba tsy ifandirana e! Tsisy bedy hoy ny namana zay.
12. Strong3 ( 08/01/2016 10:18)
efa mivoatra ery izany resak'i rhaj0 izany :-)
13. rhaj0 ( 08/01/2016 11:18)
gasy1zay:
tsy Jesoa Kristy no nangataka ny Juge hametraka ny peine de mort

Averina indray f''hotry ny giravy be ilay déni an'i Mose Denis: ny Juge (Andrmntra) no nanapaka ny peine de mort. Dia mampiresaka ny Fariseo i Jesosy, ary dia naveriny tsara, noteneniny mihintsy, io fanapahan'ny Juge (Andrmntra). Dia hozy i Gasy1zay hoe TSY izay no tiany ambara eee..., ary "TSY izay no nangatahin'i Jesosy t@ Atra eeee...". K'efa hoe, efa io no fanapahana, ary efa nakapoka t@ vato mihintsy io koa inona indray...

(hi hi hi... ary i Gasy1zay izany anie mbola mahay noho ny Fariseo e... ny Fariseo nefa efa nikombona ny vavany :-)

gasy1zay:
Ka ianao mangataka fanazavana dia hazavaiko ilay izy..

eny... sahala @ ireny any ampianarana ireny eee... dia mitohy ny adi-hevitra sy fifanakalozana, fa tsy hoe, ilay etsy ambony estrade satria eny ambony estrade, dia izy foana no manana ny marina. Hafa ny eny ambony alitara. TSY eny ambony alitara ianao io kah...
14. Strong3 ( 08/01/2016 12:24)
hihihi miaiky ny fanakaran'ny tsimisiAtra aho izay! :-)

tena mahay mihitsy (y)

ATra = JK = FM

Atra nanisy lalàna = JK namaha ny lalàna sy nanovona ny lalàna = FM mananatra mba hankatoavana an'Atra

izay dia vita kabary fa tsy roritina be ka ah !! :-)
15. rhaj0 ( 08/01/2016 13:34)
Strong3:
Atra nanisy lalàna = JK namaha ny lalàna sy nanovona ny lalàna = FM mananatra mba hankatoavana an'Atra

Ka i Atra nanisy ny peine de mort - i JK namaha ny peine de mort - i FM mikopakopa-tanana -

Ka inona no "ankatoavina" eto ry Strong3 aaa ?? i Atra sa i JK ???
16. gasy1zay ( 08/01/2016 17:12)

Rhaj0 > raha ny sitrapon'Andriamanitra no tianao ho fantatra sy hiainana dia araho 100% ny didy folo sy ny bokin'ny lalàna ( torah hoan'ny jiosy), genesisy - nomery ao @ testamenta vaovao,
hitan'Andriamanitra anefa fa malemy ny olombelona satria nofo ihany ka tsy nisy na dia 1 aza nahavita nahatanteraka 100% ireo làlana ireo, eny fa na dia i Solomona nalaza ho nanampahendrena aza dia nanaiky notarihin'ny vadiny jentilisa hanompo Andriamanitra hafa.
Raha no tokony ho izy zany rhaj0 an! Dia tokony hoe rehefa nandika ny didy dia "ho faty tokoa"
mila asiana "nuance" kely anefa fa misy fahafatesana 2 karazany :

Ny voalohany dia ilay fantatsika hoe nijanona nitempo ny fo, maty ny motera hoy rhaj0 zay.

Ny faharoa dia ilay voalaza ao @ apokalypsia :
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita [Gr. Hadesy] dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo

Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Azonao ve hatreo rhaj0?

Feheziko kely, izay mandika làlana = tokony ho faty, rehefa nisy nanota na nandika ny didy dia tokony ho faty (na ilay voalohany io na ilay faharoa)


hitan'Andriamanitra nefa fa raha io làlana io no ampiarina dia ho faty daoly isika na hiafara any @ ilay farihy mirehitra afo sy solifara ( fahafatesana faharoa), ny làlana anefa tokony arahina, dia izao no nitranga ry rhaj0 :
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.

Isika zany na dia mendriky ny ho faty aza satria nanota sy tsy nanaraka ny didy, dia tsy misy fahafatesana intsony raha mino fa i Jesoa Kristy no efa maty teo @ toerantsika.

Marina tokoa fa miverina foana ny hoe " ho faty tokoa" ao @ bokin'ny lalàna, saingy tsy isika no ho faty raha mino ny mpamonjy isika, satria efa i Jesoa no nanome ny aina hisolo voina antsika, mino izany ianao hoe diso aho nefa nahazo famontsorankeloka fa nisy olona hafa naka ny toerako teo @ ilay "ho faty tokoa" dia afaka manana ny fiainana mandrakizay.





17. rhaj0 ( 08/01/2016 17:34)
okey dokey.. Raha ny fahazoako azy izany dia, mpanota raolona, ary raha manota izy, ohatra "manozona (maudir) ny ray aman-dreniny", dia "ho faty" @ ilay "fahafatesana #2 atsy @ farihy afo" io... (io dia aorian'ny fahafatesana #1, rehefa simba ny mekanika)

Izay izany ny taloha.

Fa h@ taona zero, dia nisy an'i JK, ary dia ... "avotra" daholo izay raolona mino an'i JK, satria izany i JK no nisolo vaika ny akalana. Ka dia tsy ho faty #2 izany izay mino (an'izany) JK, fa lasa any @ "mandrakizay".

Ka .. izay izany no mampatonga hoe, ireo izay "mino an'i JK", dia ny Kristiana, dia mandray an'i JK ho "idole"-ny mihintsy izany eee
idole: Personne qui est l'objet d'une tendresse ou d'une admiration passionnée de la part de quelqu'un

izay izy io izany?...
18. gasy1zay ( 08/01/2016 17:59)

rhaj0:

okey dokey.. Raha ny fahazoako azy izany dia, mpanota raolona, ary raha manota izy, ohatra "manozona (maudir) ny ray aman-dreniny", dia "ho faty" @ ilay "fahafatesana #2 atsy @ farihy afo" io... (io dia aorian'ny fahafatesana #1, rehefa simba ny mekanika)

Izay izany ny taloha.

Fa h@ taona zero, dia nisy an'i JK, ary dia ... "avotra" daholo izay raolona mino an'i JK, satria izany i JK no nisolo vaika ny akalana. Ka dia tsy ho faty #2 izany izay mino (an'izany) JK, fa lasa any @ "mandrakizay".

Ka .. izay izany no mampatonga hoe, ireo izay "mino an'i JK", dia ny Kristiana, dia mandray an'i JK ho "idole"-ny mihintsy izany eee
idole: Personne qui est l'objet d'une tendresse ou d'une admiration passionnée de la part de quelqu'un

izay izy io izany?...

Mandray an'i JK ho Tompo sy Mpamonjy ny filazanay kristianina azy fa tsy "idole" :) ary ilay fitiavana azy indray dia tena tonga hoazy rehefa mahita fiadanana ianao miaraka aminy, hitanao zany hoe tena hafa ny fiainanao t@ tsy nivavaka sy rehefa tena nivavaka ary tsapanao fa ny fahombiazanao sy ny soa rehetra azonao eo @ fiainana dia vokatry ny fanankinanao ny fiainanao taminy.
19. rhaj0 ( 08/01/2016 18:22)
Dia ireo "manozona (maudir) ny ray aman-dreniny", nefa moa "mino fa hoe i JK no nisolo vaika ny akalana", dia ... "avotra" any @ "fiainana mandrakizay" koa ??
20. gasy1zay ( 08/01/2016 20:39)

rhaj0:

Dia ireo "manozona (maudir) ny ray aman-dreniny", nefa moa "mino fa hoe i JK no nisolo vaika ny akalana", dia ... "avotra" any @ "fiainana mandrakizay" koa ??


Na inona na inona fahotana vitanao, na fandikan-dalana na didy, rehefa miaiky ianao fa diso ka miverina amin'Andriamanitra dia mahazo famelankeloka, ny anjaranao zany dia hoe miaiky fa diso ary vonona ny hibebaka, ilay mibebaka dia miova lalana fa fomba fanao, ohatra hoe ianao taloha makany atsimo foana dia hitanao fa tsy mety any dia mivadika mianavaratra ianao.Fa tsy hoe fantatro fa tsy mety ny makany atsimo fa hoany ihany aho satria efa misy misolo vaika ny akalana.

Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,

Rehefa fantatrao zany fa tsy mety ohatra ny maniratsira ray aman-dreny dia mifona ianao fa diso, mangataka famelan-keloka ary tsy manao izany intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0804