Ny finona Malagasy

1. rocelrabearivelo ( 04/12/2015 09:24)
Slt dol e!z mipetrk at ambanivohatr Antsirabe,d mahit
aniren miompy "dadibe"&"Ikalanoro" ,d mb niezak
z oe amantatr ny momb az iren d nand tan mits.Kay
ono iz ts az vazivazian,
d ten ts azok mits oe inon marin l zavatr fonosin
l iz, d mb az inoan ihan v s......?sod mb mis mahafantatr ny momb az
iren.mazt dol
novalian'i endriny ny 17/12/2015 15:29
2. Fiffi ( 04/12/2015 13:50)
rocelrabearivelo:

Slt dol e!z mipetrk at ambanivohatr Antsirabe,d mahit
aniren miompy "dadibe"&"Ikalanoro" ,d mb niezak
z oe amantatr ny momb az iren d nand tan mits.Kay
ono iz ts az vazivazian,
d ten ts azok mits oe inon marin l zavatr fonosin
l iz, d mb az inoan ihan v s......?sod mb mis mahafantatr ny momb az
iren.mazt dol



z...d...mb...niezak...z....az...iren...d...nand..tan...mits...

fiteny inona aloha io ?

tsy misy azo ny tiana lazaina....
3. bor2lais ( 04/12/2015 15:03)
Fiffi:

z...d...mb...niezak...z....az...iren...d...nand..tan...mits...

fiteny inona aloha io ?

tsy misy azo ny tiana lazaina....

:-) :-)
4. rhaj0 ( 04/12/2015 16:15)
Ny an-dry Fiffi kos any, hotry ny hoe dia tena tsisy mety ho azo mihintsiny .. asa ho'a, teny frantsay na hebreo ve vao mety aminareo.. ry bor2lais moa dia tsy hanampy fa ivanitihany fotsiny ao..

Fa dia hozy ny namana izany eee...
[i]
Mipetraka aty ambanivohitra Antsirabe. Dia mahita an'ireny miompy dadibe sy ikalanoro irony. Dia mba miezaka izaho hamantatra ny momba azy irony, dia nandeha tany mihintsy. Kay hono izy tsy azo vazivaziana, dia tena tsy azoko mihintsy how inona marina ny zavatra fonosin'ilay izy, dia mba azo inoana ihany be sa... sao dia misy mahafantatra ny momba azy irony?[/I]
5. bor2lais ( 04/12/2015 16:47)
Tokony mba tsy hiteny amin'ny "teny tsy fantatra" kosa eto amin'itony sehatra tahaka itony e !
Satria ilay ramose "mpandika teny" mety tsy ho eo foana tsinona ! :-)
[size=8]Navoakan-dramose avy tao @ google ve io dikany io ? :-)[/size]
6. rhaj0 ( 04/12/2015 19:45)
[size=7]ianao indray ve radoko no tsy mahalala ny hoe - mamaky teny en diagonal sahala @ JFK - na koa ilay hoe, na diso tsipelina azany ny teny dia mbola hay foana, satria ny sainao afaka mampitohy ny banga... f'n'enareo moa revi-na puriste dia rigide be, dia masiatsiaka @ n'a pas eo.. typiquement kristiana.. izao izao very ny lohahevitra..[/size]

Ka ahoana ny @ Ikalanoro... Raha izaho manokana aloha, dia tsy mino hoe surnaturel na supranaturel ets.. fa raha toa moa tsy takatry ny hoza.doha ny ataony ao, dia ... tsy izany no iantsampazana any @ finoanoam.poana
7. endriny ( 05/12/2015 07:15)

rocelrabearivelo:

Slt dol e!z mipetrk at ambanivohatr Antsirabe,d mahit
aniren miompy "dadibe"&"Ikalanoro" ,d mb niezak
z oe amantatr ny momb az iren d nand tan mits.Kay
ono iz ts az vazivazian,
d ten ts azok mits oe inon marin l zavatr fonosin
l iz, d mb az inoan ihan v s......?sod mb mis mahafantatr ny momb az
iren.mazt dol

Ny haiko nanana io kalanoro io taloha dia I Tompokolahy Ngovitra ilay mpanandro tompon'ny Sakelimihoajoro fahiny. Ary nalaza ho mpanandron'ny olona manampahefana maro tamin'izany.
Nisy namana nikaroka momba ny fiarahamonina ihany koa nanana ny feon'io Kalanoro io. Feo izay nangoniny tany akaikin'Antanetibe Avaratra sy teny amin'ny faritr'Ambohijafy voasary teny. Fa ilay izy ohatran'ny feon-javatra miaro kapoka vilia sa vilany izany miaro feo hafa mihintsy.
Fony izahay mbola kely raha nandeha tongotra mamaky an'iny Tsimahabeomby iny dia misy fofona malany hafahafa izany eny ankodahoda eny. Ka ny olona lehibe no miteny hoe: "Nisy kalanoro nandalo fa herezo ny dia".
Eny amin'izany lavabato eny Ambohimanarina izany no henoko lazain'ireo vahiny namana fa falehany, saingy mbola tsy tany aho.
8. rhaj0 ( 07/12/2015 13:41)
Rahefa mi-google dia mahita eee..


Boky...

Ikalanoro, personnage mythique féminin de toute petite taille, aux yeux rouges et aux cheveux et aux ongles très longs, censés d'effrayer les peronnes qui l'apercoivent, surtout dans les rizières, les champs de maïs ou d'autres cutures. Conte d'avertissement, il invitera les enfants à obéir en les prévenant de dangers hypothétiques, dont celui de la noyade.

Ary efa noresahina teto koa
http://forum.serasera.org/forum/message/m44b4f2871140c/40
ikalanoro,zazavavin-drano,kinaoly,lolo-vokatra...

lapino - 12/07/2006 14:01:

Ikalanoro no efa nahita za, sipa niara-nianatra taminay. Raha kinaoly indray dia http://serasera.org/namana/index.php?rub=namana/namana&user=kinaoly
Fa ny ankoatra an'izay tsy haiko. :wink:


soanja - 13/07/2006 01:34:

Ny nahenoako Kalanoro dia tany Vohemar. Ratsy feo be -ketsona, mampatahotra be ,fa tsy afaka jerena hono izy fa raha tsy izany tonga dia rangotiny ny tarehy. Rehefa nomen'ny tompon'ny Kalanoro tantely sy vary masaka ary trondo manta izy dia vitany daholo ny mission nampanaovina azy, izay tsy nampoiziko hoe hampiasa Kalanoro ry zareo. Zaho moa nivoraka tamin'io ka na ny feo fotsiny no henoko dia efa teraka pipy (azafady fa izay ny tena zavanisy an fa tsy miteny ratsy akory io :wink.Valio | Miverina eny ambony


Solitikabe - 13/07/2006 03:20:

Izao ry Majesty an
Misy toerana iray ao Ambatondrazaka ao atao hoe Andranomalaza. Somary atsinanana io raha avy eo Andreba ianao, miakatra ilay vohitra kely izay ary mandalo Antohokazo. Manomboka eo dia fadio ny manendry alikaola. Misy lolo tsy tia toaka amin'ny lalana, ka izay manendry na mamofona toaka an-dalana dia vereziny dia na maratra vao tonga any amin'izay toerana misy olona. Tsy tadidiko moa no fomba filaza azy.


ravatorano - 13/07/2006 07:33:

za aloa rakizy d efa nahita izany atao hoe lolovokatra izany tamin iny faritra atsimon 'i Ihosy iny.Asa nareo raha efa nahita ny toerana antsoina hoe sakalalina,ambinda,sahambano fa ireo toeran ireo no nolalovanay tami izany fotoana izany (1998)
Any ambanivolo any moa dia reefa misy vahiony tonga antanan dia omena sakafo raha sendra eo ampihinana ny tena ary diaz ohatran ny koveta kely ireny ny vilaia ka natao ho an olona efatra na telo izany fa tsisy zany hoe manana anjara mitokana izany.Misy antony ny hilazako an io.
Tafatory tao amin iray amin ireo tanana ireo izahay dia nisy ranamana be lamba manao satoka hisatra ireny efa kimavoka tonga izany d nanatona ny trano nisy agnay.Nampandrosoin ny tompotrano izy ny andro moa efa hariva sady efa manomboka maizina iny.
Ny sakafo hariva any ambanivolo dia eo amin'nnny enina eo ho eo satria sady mihinana no mireska.Dia raikitra ary dia naroso ny sakafo.Ilay ranamana vao tonga dia tsy nahitan teny fa ireo tompotrano no misolo vava azy raha sendra misy resaka miantefa aminy.Ranamana io dia malany b ary raha tsy dozidozy izaay tamin izany defa tsy tafapetraka tao satria zay kouh ! sady fomba any koa moa ny tsy maintsy handraisnao kely :-$miaraka amin 'ny tangalamena ny tanana eo ka na inn aroso eo d tsy maintsy mandray anjara ianao raha te hahavita ny asanao amin'ny antsakany sy andavany.
Dia nalefa ny koveta hipoky ny vary d natondraka teo ambony ny laoka akoho rony d samy nandray ny sotràony d samy nibata hena :miam:d ....farany voky.
Reefa vita ny resaka dia nofafaina ny tsihy fa teo ihany izaay no natory d samy nanamboatra ny tandrifiny aby.
Maraina ny andro tsy teo koa ilay ranamana dia nanontany ny tena hoe havanareo angah iny dia namaly ry zareo hoe eny fa tsy nahandry anareo izy fa lasa namonjy ery ampita andrefana ery sady teny izy no nandry fa tsy zakanao miaraka matory aminy fa tsy maay mandry izy iny fa kofokofoka b.
Ny fahamarinan izany aloha dia tsy haiko fa nanontany ilay namako anakiray hoe ary toa fady rano zalah iny ah d notenenin ilay ray amnadreny izay hoe havanay iny fa efa maty ela ary ireny no antsoina hoe lolovokatra fa tena ankona za sady tsy te hino satria tsisy maty mitsangana izany miitsy.
Raha tena marina fa lolovokatra izany dia izao za zany efa nahita, efa niaraka nisakafo taminy niray koveta miitsy ary saika tafaraka tsihy taminy koa saingy za tsy te hino an izay satria sarotra amiko zany sady tsy hitako tsara ny tavany satria milombona lamba izy, ny fiheverako ny lolovokatra koa dia misy milaza fa reefa mandeha izy tsy mipeha tany nefa za tsy nahamarika izany miitsy .Asa na nohon ny hoe maraian efa teo tsony izy vao nisy niteny an izay .
Fa za zareo tsy mino ah fa izay no fitrangany aloha e
Ny kalanoro za mbola tsy nahita
ny kinaoly dia resaka koa reko fa misy hono ireny ary kapohy kely otran ny kalanoro ihany fa za mbola tsy nahita.
Mampitaotra anie zany mahita olona tsy mitovy amin ny tena izany indrindra fa hoe lolovokatra zany e
fa raha nolazaina mialoha taminay izany mety tsisy nahatan damba teo fa nirifatra zaay roalahy fa roa zaay no tany:-D:-D:-D


rabaradaka - 13/07/2006 09:41:

Marina lay voalazan'ny zoky solitika be tena misy zavatra ao Ambatondrazaka ao. Fa samy manana ny filazan'ny azy ny faritra eto Gasikara, any avaratra ohatr dia tsy miresaka lolovokatra fa kalanoro. Efa nanatrika fomba gasy fitadiavan-javatra very tamin'ny kalanoro aho. Feo hafahafa izay no reko ary misy somary lamba mampisaraka ka tsy tazana ilay izy. Tandremo fa betsaka koa ny mampiesona. Saika asan-devoly ireny ry dadatoa sy nenitoa a ! Mba e !



Achia - 13/07/2006 13:07:

Vatorno a otranzany ihany koa no fitantaran'ilay namako izay fa rehefa afaka fotoana maharitra de lasa
ol ihany izy ary avy eo izy mifindra monina alavitra
ka mety ho tena izy ihany zany le niaraka t@ nao nge
brrr fa misy karazany roa hono ny lolovokatra ny iray
miverina ho ol fa misy koa tonga de le lasa mamono ireny iny de lazainy hoe biby ary misy karazany koa ny ol any atsimo any izy de fady torahana vovontany refa matory fa na miesona be aza izy no hasianao vovo
ka dia taitra ary miady @ izay ol nanao izany izany no henoko araka ny fitantarandry zala azy e


Solitikabe - 15/07/2006 00:18:

Izao ry Achi a
araky ny fitantaran'ny Ray aman-dReny Tandroy
Nisy roa lahy ny zanaky ny ampanjaka tany Androy-Antaritarika taloha. Rehefa maty ny rain'izy ireo dia nozaraina roa ny fanjakana. Ny zandriny anefa dia tsy nitazona ny fanjakany fa lasa nandeha nandrato tany amin'ny Bara. Niahaka teo ny Fanjakany. Ary dia noraisin'ny zokiny ny fiahiana an'io. Taty aoriana anefa dia niverina ilay zandry ary dia nangataka ny Fanjakany hiverina aminy. Saingy tsy nety ny olona sy ny Mpanjaka zokiny. Ary dia niantso ady izy. Fa ny zokiny nilaza sy nanozona hoe: "Omeko anao ny tany saingy tsy hilevenanao sy ny taranakao, fa izaho tsy hiady". Dia nanomboka dia tsy azo nalevina ny taraky ny zandriny fa nanjary vokatra.
Ary mandrak'ity dia mbola tsy dia ankatoavin'ny olona any atsimo "Androy io an" ny taranaky ny vokatra
Saingy aleo raha misy tena mahay ny tantara dia mba iangaviana hanampy eto sao mantsy diso io filazana io.
9. Strong3 ( 09/12/2015 08:14)
io resaka io moa izany dia tsy hinoan'ny tsimisiAtra sy ny gasy tsy nonina tany amin'ny faritra nisy azy ireny.

ohatra fotsiny ny resaka andreba be , ny ranombazimba sns ...

fa raha tena miakany hoa dia andao mba hanao fisidihana kely makany amin'ny faritra mianatsimo iny ahitantsika azy hoe : misy tokoa sa tsy misy ireo voalaza ireo

pasteur iray fjkm no namorona iray iray ao amin'ny fihirana ffpm , no nitantara tamin'ny fotoan'androny fa nentin'ny zazavavin-drano tany amin'ny lalina fonenan'ny mponina tany anaty rano izy ... ary teo no nampihaiky volana azy fa maro tsy araka ny heverana azy ny zavatra eto antany.

marihina anefa fa ireo fanahy rehetra ireo dia mandositra ny fahefana lehibe dia ny an'i Jesoa Kristy Ilay avy any ambony dia ny Avo indrindra
10. rhaj0 ( 09/12/2015 13:25)
Ka ao anaty baibly azany ve ireo eee... toa tena tsy takatry ny (Atra) ao izy izany k'nouh.. nefa toa hoe ao ny lakilen'ny zava-drehetra? ... dia kopy ianao ho'a izany fa contes et legendes de la vallee de Canaan n'enao eee...
11. endriny ( 09/12/2015 15:06)

Strong3:

io resaka io moa izany dia tsy hinoan'ny tsimisiAtra sy ny gasy tsy nonina tany amin'ny faritra nisy azy ireny.

Raha misy ny kalanoro dia tsy midika hoe misy Atra.

Ny olona izao maheno ny feo sy ny fofona avy amin'ny Kalanoro dia milaza fa misy ny kalanoro. Fa ny Atr'Israely tsy hita mihintsy izay fisiany fa boky artifisialy, angano, fotsiny no mba ilazana fa misy izy... kay moa miampy ireo fandripahana olona an'arivony tsy mpomba an'Israely (izaho koa mba diso ihany an)

Strong3:

ohatra fotsiny ny resaka andreba be , ny ranombazimba sns ...

Andrebabe izao no malaza amin'ny rubis sy ny saphir a... sao mba tokony ho any ary aho...
Sao dia heveinao fa tsy olona ary ny vazimba?

Strong3:

marihina anefa fa ireo fanahy rehetra ireo dia mandositra ny fahefana lehibe dia ny an'i Jesoa Kristy Ilay avy any ambony dia ny Avo indrindra

Hihihihihi, misy fetra ny faharetan'ny lainga
12. gasy1zay ( 09/12/2015 17:11)
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana.

Raha ny finoana gasy dia mpamosavy io resahina eto io = olona entin'ody, miboridana makeny ampasana ary mampijaly zay mandalo eny

Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
Tsy ny gasy ihany zany fa efa t@ zany no nisy na nino ny avelo na matoatoa ny olona

Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
17 Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18 Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.

Io koa dia manambara fa misy "fanahy mahavaly" mety mahatonga olona 1 hanana faminaniana, ka asa raha dadarabe zany na mpimasy t@ gasy fa raha vakiana io dia rehefa roahina @ anaran'i Jesoa Kristy io fanahy io dia lasa toy ny fandroaka devoly.

Fehiny, ny zavamisy dia na Fanahin'Andriamanitra miseho @ fanomezampahasoavana maro na fanahy mpamitaka miseho @ endriny maro (devoly) na ilay olona milaza manana/nahita/mifanerasera no namorona (escroc)
13. rhaj0 ( 09/12/2015 17:36)
Efa noresahina tato koa ny hoe, inona no inoan'ny Malagasy, araka ny notaterin'i Flacourt
http://forum.serasera.org/forum/message/m54fd9dd3e1281/20

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f79.image
Flacourt page 55: Ils divisent les esprits ou démons en sept forces, tant bons que mauvais. les premiers font les Anges dont je viens de parler qu'ils nomment en leurs lanque Malaingka, qui font bons et ne font jamais de mal. ils les nomment comme nous, Michel, Gabriel, Anael, Rafael, pas ces noms Ramichail, Ragibourail, Ranail, Rafil, et qinsi des autres.
LEs seconds sont les Coucoulampou, qui sont d'une nature au dessous de l'Angelique, qui sont inuisibles aux hommes, mais corporels qui habitent les lieux les plus solitaires... Ils sont males et femelles, contractent le mariage entr'eux, procréent des enfants, meurent au court d'un grand espace de temps, encourent même force (ou sort?) que les hommes apres la vie, ou la béatitude ou la damnation, selon qu'ils ont bien ou mal vécu.


rhaj0:

1- Malaingka -- izay toa ny Anges
2- Coucoulampo (Kokolampohy?) -- izay toa ny Lutin/Fee
3- Dziny (Jiny?) -- izay toa ny esprit (revenant)
4- Loulouvocarts (Lolovokary?) -
5- Angats( Angatra?) -- izay toa ny fantôme et spectre
6- Saccare (sakary?) -- izay esprit malin
7- Bilis -- izay marobe hono, ary manana rafitra (misy superieur) -- izay toa ry Satan, Lucifer ...

endriny:

1) Malailainga (izay sampy nantsoina koa hoe Tsitialainga)
2) Kokolampy (ireto no mpiandry Tanana sy saha... antsoina ihany koa hoe kalo amin'ny faritra hafa)
3) Jiny dia vorona manana hery manokana ary misy afo ao ambany elany ka mety mamono mihintsy aza, mandeha alina izy ity ary any amin'ny faritra Mananjary no midiina no tena misy azy ity
4) Lolovokatra na vokatra: no iantsoana ireo olona efa maty kanefa mitsangana indray. Ara-tantara dia ozona tamin'ny adin-tany no nahatonga ny tarak'ireto vokatra ireto ho vokatra. Any Androy sy ny Bara no tena misy ny vokatra.
5) Angatra na Angatsy amin'ny teny Tandroy
6) Sakare (mety avy amin'ny sakari na sacret): Toerana misy ireo lolololo mamerivery olona
7) Bilo: Dia ireo fanahy mipetraka amin'ny olona ka mahatonga azy tsy tompon'ny tenany intsony fa manao dihy na hiaka na fihetsika mampitahotra izany.
8) Vaziry na Azary (adinonao). Ireo olona masim-bava tsy azo anaovana ratsy ka anisan'ny nahatonga an'Anivorano Avaratra ho Anivorano.


rhaj0:

Entre-pa fa mampalahelo (ahy) mihintsy anie ny Kristiana e...

-- raha "mino" ireo Jiny sns ireo, dia... f'angaha izany ao anaty Baiboly ??
---> Kristiana-mpanota.. mpanota!!! minomino raha TSY anaty Baiboly!!!!

-- raha "TSY mino" ireo finoan'ny r-a-d (-n'ny r-ad-n'ny r-a-d...) indray anefany dia hoe, izany angaha tsy hoe manivativa ny (finoana) r-a-d.. dia ahoana nefany hozy ny Baiboly: Manaja ny Rainao sy Reninao !!!
---> Kristiana-mpanota.. mpanota!!! mandika ny Didy!!!!



14. Strong3 ( 15/12/2015 12:13)
sao mba tsy gasy aza ity rhj0 ity???
tsy hainao tokoa izany kokolampy izany ka mivanikika fahatany eo ... lol
15. rhaj0 ( 15/12/2015 13:50)
F'angaha tsy rahefa avy ny Kokolampy dia toherinao @ 7 nains an'i Blanche-Neige..

oadray: kay moa izany rehetra izany TSISY ao anaty Baiboly...

Strong3, Kristiana-mpanota.. mpanota!!! minomino raha TSY anaty Baiboly!!!!..
16. Strong3 ( 16/12/2015 12:22)
mdr ... rehefa fanahy hafa dia efa fantatra ny tompony ka tsy mila fakaina be hoe inona itony !!!

rehefa fantatrao hoe misy fanahy ny olona vao hainao izany resaka (tontolom-panahy izany ngamba) fa hatreto mbola tsy takan'ny hozadohanao izany hihihih :-)
17. endriny ( 16/12/2015 13:03)

Strong3:

sao mba tsy gasy aza ity rhj0 ity???
tsy hainao tokoa izany kokolampy izany ka mivanikika fahatany eo ... lol

Mba hazavao ange raha tsy maha-diso hoe inona ny atao hoe kokolampy e?
18. endriny ( 17/12/2015 15:26)

Strong3:


Toa tsy nahay Kokolampy akory ilay olona milaz fa mahay ity finoana rehetra eto ity
19. endriny ( 17/12/2015 15:29)
Fa ilay finoana Malagasy moa dia mitovy amin'ny finoan'ny Tavaratra rehetra ihany.. nisy reo nanao sorona olona... mampalahelo

Andeha hamorina finoana miorina aho...
amin'ity tantara tany Miary ity

INona re no hevitra e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2106