Any andrefani Madagasikara dia maro ireo dizin'ny tromba... somary miainag amin'ny dihy sy ny gitara mientanentana sy miverin-gadona dia miafara amin'ny fahatoranana noho ny hafanana...
Fa ao anaty fiangonana koa dia maro no dizin'ny angolam-panahy ka resitory amin'ny toriteny. Ny sasany moa diso daozy loatra dia mihorakoraka sy mihinjitsindritra fa nivoahan'ny demonia hono. Ny hafa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hono e
Ny ankolafiny iray toa tonga miankohoka amin'ilya mpitondra fivavahana mihintsy. Ny andaniny ilany tsy mahatsiaro tena amin'ny fandaniana ataony amin'ny fivavahana intsony fa ampoky ny daozy loatra ka ny any an-trano indray no mihinam-bary amin'ny ranon-tsira.
Misy izany ireo olona dizin'ny famakiam-boky lavareny dia tsy mahita intsony ny manodidina azy fa ny ampita sy ny any an-danitra indray no hainy na mbola tsy nalehany aza.
Taloha dia betsaka ireo hira tamin'ny RNM no tsy tiako maizina mihintsy, saingy isaky ny ora iray na elo dia miverina foana ilay izy... ary ny iafarany dia las dizin'ilay hira ihany koa aho ka raha vao variana kely dia mamerina ilay hira, na dia tsy tiako aza