Fomba fiasan'ny sekta ! (tohiny)

41. rhaj0 ( 19/12/2015 02:16)
O ry Yahl aaa... mbola manentana am-pifaliana toa tatsy ve k'lou ianao io, saaa....

Rahefa mandinika aho, dia hotsa hotsan'ny lafobe angamba ny resaka "saka be loha" amidinao ka hotsa hotsan'ny tsisy kill vaaa??...

Atoy jerena @ ilay resaka saka be loha eee... :-)
42. Yahl ( 29/12/2015 11:03)

rhaj0:

O ry Yahl aaa... mbola manentana am-pifaliana toa tatsy ve k'lou ianao io, saaa....

Rahefa mandinika aho, dia hotsa hotsan'ny lafobe angamba ny resaka "saka be loha" amidinao ka hotsa hotsan'ny tsisy kill vaaa??...

Atoy jerena @ ilay resaka saka be loha eee... :-)



Yahl
Na tsy hisy aza eto, efa natao ny fitoriana, ary efa tonga hatrany ampara-vazantany @ teny maro samihafa, de enao no taraiky eo!!!

43. rhaj0 ( 29/12/2015 16:29)
Esy e ry Yahl.. ampinoan'i Episcopo hoe efa tonga hatrany ampara-vazantany @ teny maro samihafa i Episcopo, dia miboloky tokoany i Yahl.. hi hi hi... Izao izao aty Kanada aty tsy mahare an'izany Epice coco Epice coco rasé-nao izany :-)
44. bor2lais ( 30/12/2015 15:43)
Fomba fiasan'ny sekta moa no lohateny nomena an'ity dinika iray ity ary isan'ny ezahan'i bor2lais hatrany aseho masoandro ny voka-dratsiny : ny fanimbana ny maha olona ny olona (lasa robot tsy afaka mieritreritra intsony ohatra).

Tato ho ato dia variana mijery ny zavatra zarain'ny namana yahl ny tena. Azo lazaina fa tsy fizarana intsony no ataony fa toa fanehoana "haine" !

Rehefa mamaky ny fizarana ataon'ny namana sasany eto momba ny episkopo misy an'i yahl ny tenako dia mahatsapa fa hay tsy isan'ny soa-toavina itaizana azy ireo ny Fitiavana ka mahatonga azy hanao fihetsika tsy dia mahazatra loatra ety @ serasera tahaka izao : tsy misy fifanajana ny sasany fa toa fanompana sy ozona aza no azo andraisana azy !

Marihina fa ao anatin'ny didy 10 noravan'ilay gourou ny resaka fanajana, ny fitiavana, ny fandrarana famonoan'olona sns.

Ny famamakiana ny soratan'i yahl mikasika ny jihadista, boko haram, sns dia mampanahy ahy ihany.

Dia famolavolana ny olona ho tahaka ny dahalo sy ny mpampihorohoro (vonona ho faty), sns ve sanatria ny tanjon'ny fampianaran'ilay gourou milaza tena fa "ambasadaoron'ny lanitra" e ?

Enga anie ka ho diso ny fijeriko ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3949