Soavaly manidina, bibiolona, Ombimanga manidina

1. endriny ( 23/11/2015 07:50)
Ny zanako dia tena mino fa I Dadabe Noely dia entin'ny kalesin'ombimanga manidina eny an-danitra eny. Ary mipetraka any amin'ny tany mangatsiaka izy manamboatra kilalao ho an'ny zaza Hendry. Ka rehefa tonga ny krisimasy dia mitsidika ny trano tsirairay izy ary mametraka kilalao ho an'ireo zaza Hendry ireo.

Dia mino izy fa misy soavaly manana tandroka tokana afaka manidina atao hoe Pegasus, mitondra ireo andriambavilanitra Hendry mikarenjy any anaty ala sy eny amin'ny lapa.

Dia mino izy fa taloha dia nisy izany Zatovo izany, nitondra atody ngozabe hitany tany anaty ala. Rehefa foy ny atody dia lasa biby lehibe nitelina omby sy trano ary olona. Ka rehefa mandalo toerana tsy misy trano na vohitra izahay matetika dia lazainy fa efa lanin'ny bibin'i Zatovo daholo ny olona sy ny trano

MAhafinaritra a
novalian'i endriny ny 17/12/2015 15:12
2. rhaj0 ( 23/11/2015 11:19)
Izaho ho'a t@ mbola kely, dia "nino", na hoe, "ni-imaginer" hoe... ao anatin'ilay vata fandraisam-peo (radiO) io hono, dia misy olona kely, sahala @ haben'ny lalitra, ary be dia be, mifanaretsaka ao, ary ireo no mampiresaka reko izay. Fa rahefa alahady, ka raikitra ny fanompom-pivavahana ireny, izay vao tena manidina ny imagination-ko, ka ilay hotry ny superman fa nain, miankanjo fotsy, no tena sefo d'orkestra mampiteny ny tsirairay ao... Ilay "superman fa nain, miankanjo fotsy" no Andrmntra tao @ imaginatin-ko tao t@ izany... :-)
3. Strong3 ( 23/11/2015 12:09)
ny ao amin'ny imagination-an'ny tsimisiAtra ireny izao dia hoe tsy misy Atra

ka miezaka mamoana ny fisian'ny heveriny fa tsy misy izy ... grave an

lol be zalah ireto ... hihihih :-) :-) :-)
4. 5laody ( 23/11/2015 14:23)

endriny:

Ny zanako dia tena mino fa .......


resak'ankizy any ampianarana: "Dadanay mino fa izaho dia mino........"
5. rhaj0 ( 23/11/2015 14:39)
hi hi hi... dia toa izany koa eto: Izaho mino, fa i Strong3 dia mino, fa Izaho mino fa i Strong3 mino ...

Fa fotsiny hoe, izaho atheista rahefa miteny hoe "mino", na manaiky-tsisy-porofo, dia satria kamo ny saina hanazava na handalina eee...

Fa dia ataovy manja sy tsara fanahy fotsiny ny inoanao ao, na ataovy any @ ilay mampivanitika, dia milamina ny tany eee... :-)
6. endriny ( 30/11/2015 14:21)

5laody:


endriny:

Ny zanako dia tena mino fa .......


resak'ankizy any ampianarana: "Dadanay mino fa izaho dia mino........"


Dia toa izay koa io finoana ataontsika vetin-dresaka eto lava io ry namana a.
7. endriny ( 11/12/2015 15:37)
Faly ery ny zanako fa :

Ho avy tsy ho ela I dadabe noely
hitondra kilalao ho an'ny zaza Hendry.
Izay madiditra hitondrany tapa-kazo
andrehetana kitay hitonoana mangahazo.
8. endriny ( 17/12/2015 15:12)
Hoy ny zanako hoe tokony hividianana kiraro vaovao hono izy ataony eo am-baravaran-kely fa asian'i Dadabe Noely kilalao.

Mahafinaritra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5561