Efa tsy rariny intsony ny ataon'ny Services des Domaines Avaradrano

1. rabaradaka ( 10/11/2015 06:47)
Saika tsy hiteny ihany aho saingy manery ahy ny feon'ny fieritreretako dia tsy maintsy miteny aho.
Mafy ary tena mafy ny tsindry hazolena mahazo ny vahoaka ao Ankadikely Ilafy, Antananarivo Avaradrano mikasika ny fanodikodinana ny tanin'izy ireo.
Tompon'antoka voalohany amin'ny fanodikodinana ny tany eny amin'iny rafitra iny ny mpiasan'ny fananan-tany Avaradrano (circonscription domaniale d'AVradrano). Ohatra iray tena mampalahelo iity.
Izany Doda sy Ismael izano no olona ao amin'io Circonscritpion domaniale d'Avaradrano io izay sahy manova mihitsy ny zavatra voasoratra ao anaty Boky mitahiry ny fananan'ny olona iray ny tany( livre cadastral) ary dia vitan'izy ireo ny manova tanteraka ann-kitsirano izany. Vokany rehefa lasan'ny olona ny tanin'ny olona iray dia asehon'izy ireo fa efa hafa ny Boky. Misy olona anefa nahatahiry ireny Certificat de situation juridique ireny dia aseho ary dia lavin-dry zareo marin-drano ny fisian'izany.
Ny eny anivon'ny Commune rurale Ankadikely Ilafy indray dia inggahy Benan'ny Tanàna teo aloha no tena atidoha nikotrika izany miaraka amin'ireo mpiasa toa an-dry Salema sy ny forongony.
Manginy fotsiny ny halatra am-pahibemaso ataon'izany Pasitera Hanitra izany izay sahy mivarotra fananan'olona izao ary dia miray tsikombakomba amin'ny Domaines dia iretsy voalaza anarana iretsy.
Tena "réseau de mafia" ireo ary asa na fantatry ny Directeur na ireo Conservateur fa manahy aho fa miray tsikombakomba ireo Conservateur satria vola be no isasahana.
Betsaka no efa tapaka lalan-drà ka maty noho io olana io. Aiza ary no hitaraina ny vahoaka ? Inona no hanjo ny ho avin'ny taranaka ? Ho jerem-potsiny ve izany ?
Miantso ny vahoaka fa mpiray tsikombakomba amin'io halatra io ny fitondrana (indrindra ireo mpiasan'ny Domaines) mba ho tonga saina. Aza avela horombahin'ny ratsy ny fanananao.
Tolona iraisana ny fanovana ka ho ravantsika izay ratsy
novalian'i endriny ny 16/11/2015 07:49
2. endriny ( 16/11/2015 07:49)
Inona ary no paikady atao e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2803