Voafitaka ve Chef Mbinina sa,,,? 
hery - 22/09/2015 13:00
|
![]() ![]() Araka ny voalazan'ireo hafa nahazo ny loka dia mandefa taratasy amin'ny mpandraharaha maro izay hitany hoe mety hanaiky ry zareo, manasa izany mpandraharaha izany handray loka. Mba hahazo ny loka anefa ilay mpandraharaha dia mandoa vola eo amin'ny 3500 Euros eo ho an'ny fikarakarana. Ny loka azo, avy eo, dia medaly sy sary. Tsy misy vola be azo mba hanatsaranao ny raharaha ataonao akory. Marina fa matoa nofidin'ny BID dia hitany hoe mpandraharaha mahavita azy, fa indrindra hitany hoe mpandraharaha afaka hianto-tena sy handoa an'ilay fandraisana anjara. Inoana fa tsy hampiova ny lanjan'ny asa vitan'i Chef Mbinina izao toe-javatra izao. Tsy mila loka tahaka izany akory i Chef Mbinina dia efa malaza. Raha tsy hoe sanatria efa fantany ilay raharaha ka te halaza kely mihitsy izy dia niroboka. Raha toa ka nahazo vola ho loka hanatsarana ny raharahany i Chef Mbinina dia tsy marina ilay hoe voafitaka. Mety hoe kely noho ny tombony ho azo amin'ilay laza nahazo loka koa ny vola lany. Resaka mikasika an'izany: https://www.occrp.org/en/28-ccwatch/cc-watch-indepth/2662-what-price-honor https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=500930750040595&id=410091472457857 http://www.sundaytimes.lk/120916/news/sec-buys-fake-award-12861.html http://consumerwatchdogbw.blogspot.it/2010/09/voice-consumers-voice_17.html Sary tao amin'ny sobika |