Resaka mikasika ny sekta (famerenana)

41. Yahl ( 30/10/2015 11:08)

bor2lais:

Mba ialana voly kely dia averiko eto ity resaka nataon'i hery teto ity (miala tsiny @ ilay fanaovana copier/coller)

[quote=hery - 10/08/2010 01:30]

Voalohany indrindra aloha dia tsy hiresaka ilay dikan'ny sekta ara-bakiteny ilay hoe nisampana aho satria raha izany dia azo lazaina sekta daholo ny fivavahana rehetra.

Fa ilay famaritana ara-kevitra (ara-dalàna, araka ny zo maha-olona, ara-potokevitra) no tiana havoitra.

Ireto misy fomba vitsivitsy hahafantarana ny atao hoe sekta.

- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony

- Fanerena ankolaka amin'ny ara-bola (Takomana amin'ny hoe hampandroso ny fikambanana sns) Amin'ny voalohany dia tsy dia maninona loatra fa rehefa elaela dia manjary hanome izay rehetra hananana mihitsy... misy mivaro-pananana

- Fisarahana tsikelikely amin'ny fiaraha-monina tsy ao anatin'ny fikambanana (miteraka ady amin'ny fianakaviana mihitsy indraindray) Misy mpivady miady satria ny iray tsy ao anatiny

- Fibaikoana manontolo ny mahaolona ilay mpikambana (tsy tompon'ny tenany intsony fa manao izay lazain'ny Gourou... matahotra izay lazainy, manaraka am-bokony)

- Fiainana anatin'ny tahotra (farandro, fahotan'ny hafa, matahotra fifaneraserana)

- Fiheverana fa ny an'ny tena no tena fiangonana fa ny hafa dia fahaverezana daholo.

Fa ny tena goavana dia Sarotra dia sarotra ny miala ao anaty sekta.

Raha ao amin'ny Fiangonana iray ianao no miala tsy misy arakaraka sy romoromo fa malalaka tsara dia tsy sekta izy izay. Fa raha vao manomboka tezitra mafy ny mpitarika, manao fara-teny, manozona mihitsy aza... dia misaora fa tafavoaka.


Misaotra an'i Hery nizara ! :-)

[/quote=Yahl]
Raha azoko tsara, dia ianao le tia miovaova fiangonana sy tia andrakandrana nefa tsy mandinika mihintsy vao manapa-kevitra, ka tratran'ny tena marina vao tonga saina!?!
Jereo As.Apost.24:5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena

Ny baiboly Katôlika taloha de molaza mihintsy hoe "antokon'ilay Sekta Nazareana" jereo koa ny Nouveu testament version Louis second. Fa midika izany fa, io Zanak' Atra io no sekta voalohany indrindra niala tao @ Judaisme, ary nampananganan'nY Rainy ny varavaram-pamonjena manokana. Hany ka vitsy no nino azy. Fa na ireo dimy arivo lahy ankoatry ny zaza amam-behivavy aza dia samy niala avokoa satria sy miandry ho vokisana hanina sy nanantena fahagagana fotsiny.

Rehefa nilazany ny marina dia tsy nahazaka. Toy izany koa izao ankehitriny fa efa tonga ela eto @'ity firenene ity ny marina dia YAHOSHUAH no anarany marina.
42. RBNIR ( 02/11/2015 03:06)
Yahl:

Rehefa nilazany ny marina dia tsy nahazaka. Toy izany koa izao ankehitriny fa efa tonga ela eto @'ity firenene ity ny marina dia YAHOSHUAH no anarany marina.

Faly misera namana,
Mangalà magnetophone, dia asaivo manonona ilay anarana aby ireo mpivavaka ao aminareo namana....
Aza "mandainga" (Apok.7:21) fa lazao ny marina moa mitovy avokoa v ny fanononany azy????
2- Mangalà koa tarana Jiosy (ilay tena souche Jiosy fa tsy Jiosy gasy akory) dia asaivo manonona an'ilay anarana....Moa mitovy amin'ilay nanononan'ireo namanao azy v????
3- Farany mangalà ireo Jiosy iringiriny tsy niala tamin'ny fampianaran'i Korah ary tsy mba nety na.naraka Azy....
Dia ampitahao Iza kay no tena nahay nanona ilay Anarana e?????

Dia izao ary no fanontaniako raha araka ny zavatra nampianariny....
Iza amin'ireo no tena avotra, ireo tena mahay manonona tsara ilay Anarana V sa ireo hitanao fa badabada sa ireo izay tsy mahay mihitsy na dia efa ampianarina mafy aza????

« Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jao.3:18)

Ka iza no ho avotra namana?????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
43. RBNIR ( 02/11/2015 03:14)
Azafady apok.21:27 no tiako hambara aminao namana Yahl :« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok.21:27)

Aza mandainga hoy aho mitovy daholo v ny fanononan'ireo antokon'olona notanisaiko tery ambony tery ireo????
44. RBNIR ( 02/11/2015 05:37)
Miala-tsiny e, Torah fa tsy korah!!!
45. bor2lais ( 02/11/2015 08:15)
Yahl:

...

Mba mamaky ilay fehezan-teny voalohany ve aloha Yahl sa ...
:-)
46. Yahl ( 03/11/2015 14:43)

bor2lais:

[quote=Yahl]
...

Mba mamaky ilay fehezan-teny voalohany ve aloha Yahl sa ...
:-)
[quote=Yahl]

Tena hitako tokoa io ry namana fa mba hidirana araka ny tena atao hoe sekta araka ny nisy voalazan'ny soratra masina isika, fa tsy manao affirmtion gratuite fotsiny. Ohatra:
(Bible traduction Louis second)
Actes des Apôtres 24:5 Nous avons trouvé cet homme, qui est une peste, qui excite des divisions parmi tous les Juifs du monde, qui est chef de la secte des Nazaréens

Ka ny apôstôly io voalaza io nohon' ny fampianaran' Yahoshuah izay tsy miray vlively @ Judaisme velively. Ary izany no namonoana an'Yahoshuah sy tsy azo nanononana ny anarany intsony koa tao Israêl. Mbola izany ihany koa no nanenjehana ny Apôstôly sy ny tena Kristianina nanara-dia ny fampianaran' Yahoshuah.

Izany no antony nahafaty ny fampianarana sady nahavery mihintsy ny anaran'Yahoshuah
(Jereo Act.4:17 + 5:40).

47. bor2lais ( 03/11/2015 15:07)
Hoy Yahl:

Tena hitako tokoa io ry namana fa mba hidirana araka ny tena atao hoe sekta araka ny nisy voalazan'ny soratra masina isika, fa tsy manao affirmtion gratuite fotsiny.

1. Mety nahita tokoa ianao fa tsy namaky e ! :-)
2. Inona kay no lazainao fa "affirmation gratuite" amin'ireo voalaza ireo azafady e ? :-)
48. Yahl ( 04/11/2015 08:06)

RBNIR:

[quote=Yahl]
Rehefa nilazany ny marina dia tsy nahazaka. Toy izany koa izao ankehitriny fa efa tonga ela eto @'ity firenene ity ny marina dia YAHOSHUAH no anarany marina.

Faly misera namana,
Mangalà magnetophone, dia asaivo manonona ilay anarana aby ireo mpivavaka ao aminareo namana....
Aza "mandainga" (Apok.7:21) fa lazao ny marina moa mitovy avokoa v ny fanononany azy????
2- Mangalà koa tarana Jiosy (ilay tena souche Jiosy fa tsy Jiosy gasy akory) dia asaivo manonona an'ilay anarana....Moa mitovy amin'ilay nanononan'ireo namanao azy v????
3- Farany mangalà ireo Jiosy iringiriny tsy niala tamin'ny fampianaran'i Korah ary tsy mba nety na.naraka Azy....
Dia ampitahao Iza kay no tena nahay nanona ilay Anarana e?????


[quote=Yahl]
Miarahaba namana

Tsy misy mitovy ny fanononan' ireo fa araka ny accent-ny avy araka ny fiaviany. Fa kosa ny fanoratana dia tsy tokony hiova velively. Fa na ny tena Jiosy tena izy na ny Jiosy Gasy dia mitovy ihany ny faratany azy, en fa na dia ny tompon'ny teny aza tsy mahalala ny tena anaran'ny tena mpamonjy nivoaka avy tao @. Homeko santionany enaw @ voasoratra ao anaty baiboly Hebreo. Matyah1 :21. Elle enfantera un fils. Crie son nom: Iéshoua‘,
parce qu’il sauvera son peuple de ses fautes. »


[quote=RBNIR]
Dia izao ary no fanontaniako raha araka ny zavatra nampianariny....
Iza amin'ireo no tena avotra, ireo tena mahay manonona tsara ilay Anarana V sa ireo hitanao fa badabada sa ireo izay tsy mahay mihitsy na dia efa ampianarina mafy aza????


[quote=Yahl]
Tsy misy mihintsy koa milaza fa izay tena mahay manonona no voavonjy; Nefa loa rehefa diso anarana dia tsy voavonjy koa.
Ny lalàna dia milaza araka ny II Jaona:9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka
- Ary MANDRAVA DIDY FOLO SY LALAN'I MÔIZY.
Koa na ny anarana aza dia lalàna no mamaritra ny mpamonjy.
- Asa.Apôst 10:43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka
- Jaona 4 : 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.

Midika izany fa anarana Jiosy ny anaran'io Mpamonjy io fa tsy anarana Grika.

[quote=RBNIR]
« Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jao.3:18)

[quote=Yahl]
Ka ianareo eto efa tsy manaraka sahady ny lalàna. Dia mieritrereta enaw zany!

[quote=Yahl
Lalàna foana no mamaritra ny famonjena sy ny anarana mamela heloka

[quote=RBNIR]
Ka iza no ho avotra namana?????

Yahl
Ireo ny lalàna dia anjaranao ny mamantatra ny tohiny toy izao:
Jaona17 : 11(b)Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy,

Dia mametraka fanontaniana aminareo aho hoe: Iza no tena anaran' ny Ray nomeny ny zanaka avy @' ireto anarana ireto: "IAVEH sa JEHÖVAH" ?????

[quote=RBNIR]
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Yahl
Izaho no miteny io ambony io aminareo:
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
49. Yahl ( 04/11/2015 08:22)
bor2lais:

[quote=Hoy Yahl]
Tena hitako tokoa io ry namana fa mba hidirana araka ny tena atao hoe sekta araka ny nisy voalazan'ny soratra masina isika, fa tsy manao affirmtion gratuite fotsiny.

1. Mety nahita tokoa ianao fa tsy namaky e ! :-)
2. Inona kay no lazainao fa "affirmation gratuite" amin'ireo voalaza ireo azafady e ? :-)

Yahl
Raha vao miresaka sekta enaw de tsy nanavaka na namaritra ilay sekta nanao izany t@nao, dia toy ny manendrikendrika ny hafa izay tsy nanao izany t@nao de izay.
Sady matoa enaw niditra tao @, dia resy lahatra fa tena marina ny fampianarany izany!
araka ny voalazako teny ambony hoe "Manandrakandrana" enao de voa, de ny sekta rehetra no voaloto.
50. RBNIR ( 04/11/2015 08:30)
Faly misera hatrany namana Yahl,

Hoy ianao ny fanoratana no mila marina fa tsy ny fanononana,
1 Ahoana ny amin'ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra (indrindra ny teny hebreo)??? (satria mila mahay manoratra indray izany vao ekena raha azoko tsara (satria ny fanoratana no zava-dehibe hoy ianao)...
2 Ianao no manome an'io anarana io fa ny hafa mbola mahita hafa ihany koa??? Noho izany ilay fanoratanao mbola sujet à erreur ihany koa..
3 Aoka ho fantatrao namana fa avy tamin'ny tsy fahaizan'ny olona nanonona tsara ilay teny no nahatonga ireo anarana samihafa isaky ny fireneny avy (noho izany azo antoka fa raha entinao any an-kafa io dia aza gaga raha hahare feo mitovy amin'ny hoe JE SO SY ianao rehefa hanonona izireo....
4- Ilay dikan'ny hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana no tsy fantatrareo namana!!!
51. RBNIR ( 04/11/2015 08:46)
Ity ange mba andramo e, ary aza mandainga an, izay marina ihany hoy aho,
1- Asaivo manoratra daholo indray ireo namanao rehetra ahitanao izay ho avotra sy tsy ho avotra,
2- dia izao koa asivo soratra vakiana maromaro (aza adino ny JESOSY) (dikan-teny isan-karazany ampidiro koa ny ieshoa sns...) dia anontanio tsi11 dia ho hitanao hoe iza no avotra na iza no tsy ho avotra namana!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
52. bor2lais ( 04/11/2015 09:26)
yahl:

Raha vao miresaka sekta enaw de tsy nanavaka na namaritra ilay sekta nanao izany t@nao, dia toy ny manendrikendrika ny hafa izay tsy nanao izany t@nao de izay.

:-)
Fihevitrao izay ! Fa eto amin'ity lohateny ity dia efa nofaritana mazava eo amin'ilay fehezan-teny voalohany ny vala saingy toa tsy novakianao tsara angamba ! :-)
Ary tsapa(ko) aloha fa "sur la défensive" avy hatrany ianao a !
yahl:

Sady matoa enaw niditra tao @, dia resy lahatra fa tena marina ny fampianarany izany!
araka ny voalazako teny ambony hoe "Manandrakandrana" enao de voa,

:-)
Ny efa voalaza ihany ange io fehezinao io fa tsy ny fanontaniako (faha-2) etsy ambony no valianao e !
:-)
yahl:

de ny sekta rehetra no voaloto.

:-)
Voakasika amin'ity lohateny ity angaha ny ana(re)o ? Tsara rehefa mahatsiaro tena fa maloto raha izany ! Dia mba diovy fa aza tehirizina ao ny loto e ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.302