Ny atao hoe fanavotana

1. endriny ( 10/09/2015 07:14)
Araka ny baiboly ny atao hoe fanavotana dia mijanona fotsiny ihany eo amin'ny fanalana ny zanak'Israely teo ambany fanandevozana ka nitondrana azy tany amin'ilay tany tondra-dronono sy tantely...

Niova izany taty aorina ary novaina mantsy satria lasa izany atao hoe lanitra izany indray no nofornin'ny sasany ampandriana adrisa ny olona ka tsy ahatsapa ilay hoe tany tundra-dronono sy tantely intsony ireto farany...
novalian'i rhaj0 ny 02/10/2015 13:15
2. Strong3 ( 10/09/2015 12:07)
asa na azonao ilay resaka na tsia...

Atra mila mahita olona manaiky Azy , hateza jerena eo anatrehany
tsy mpanakorotana, tsy mpanohitra sns ...

ka io no namoronany ny tany vaovao honenan'ireo manaiky sy mino

fa raha mbola tao kanana dia mbola nanota , nanohitra sns...

ka inona ilay hoe noforonina.

sa ny tsy fafoizanareo ny hadalanareo no entinareo hilazana fa tsy marina ny baiboly???
3. rhaj0 ( 10/09/2015 12:54)
RAha atao ny kaonty izany dia
1- ny "zanak'Israely" (ihany) no "namoronany ny tany vaovao mba "hanavotana" azy ireo @ fanenjehana ataon'ny "zanak'i Ejipta" (ohatra)
2- fanampiny : ireo "zanak'Israely" izay TSY "manaiky sy mino" dia tsy lasana any @ tany vaovao koa

3- mazavabe izany fa izay TSY "zanak'Israely" dia TSY mankany, toa ireo "zanak'Ejiptiana" izay nanenjika ny "zanak'Israely"

4- Dia ianao io, eny ianao io, dia zanak'i Gasikara, akaiky kokoan'ny zanak'i Ejipta (samy tany sous-developpe)...


Ka io ho'a.. nareo ho'a no fatra-mpisavika te-ho "zanak'Israely" ao lava io... f'angaha ho'a nareo izy??? ny condition #1 dia efa voadaka nareo...

Fa dia ataovy ao foana ilay "mitsotsotsotso toa vinanto tsy mahare fosa" eeee...
4. Strong3 ( 10/09/2015 13:18)
tsy misy idiran'ny zanak'isiraely intsony izany resaka lanitra izany ka!

izay mino an'i Kristy io resaka io
ka na ny zanak'isiraely aza tsy mino an'i Kristy kou inona no ifandraisan'izany ??? :-)

mijanona any kanada rehefa tsy hoan'ny andanitra hihihihi.... :-) :-)
5. gasy1zay ( 10/09/2015 13:40)

Strong3:

mijanona any kanada rehefa tsy hoan'ny andanitra hihihihi.... :-) :-)


eo ndrindra isika izao fa be dia be ny olona mbola ilay paradisa ara-nofo, tany kanaana nampanantenaina ny zanak'Israely ihany no mahamaika azy fa tsy ilay paradisa maharitra mandrakizay, ry rhaj0 izao mihevitra fa efa azony ny tany kanaana na tsy mino aza izy kanaanadaaa :D
6. rhaj0 ( 10/09/2015 15:39)
.. aza mba mandany andro mievoka ao anaty Boky tonta ao ho'a... dia avy eo ampanonofizan-dry olombe fahiny izany "paradisa maharitra mandrakizay" izany... dia mibitabitaka ery... Nefa... mba lazao azany hoe, aiza ho aiza @ ity tany ity izy izany..

Raha tsy hainao hoe aiza ho aiza izany "paradisa maharitra mandrakizay" ana(re)o ao izany, dia etoy indray jerena azany eeee (tsindrio eto)... mety efa nanamboaran-drizalahy tao iana(re)o fa nareo koa ilaozanareo mitady ny tsy-misy ao anaty Boky tonta ao..

7. gasy1zay ( 10/09/2015 15:50)

rhaj0:

.. aza mba mandany andro mievoka ao anaty Boky tonta ao ho'a... dia avy eo ampanonofizan-dry olombe fahiny izany "paradisa maharitra mandrakizay" izany... dia mibitabitaka ery... Nefa... mba lazao azany hoe, aiza ho aiza @ ity tany ity izy izany..

Raha tsy hainao hoe aiza ho aiza izany "paradisa maharitra mandrakizay" ana(re)o ao izany, dia etoy indray jerena azany eeee (tsindrio eto)... mety efa nanamboaran-drizalahy tao iana(re)o fa nareo koa ilaozanareo mitady ny tsy-misy ao anaty Boky tonta ao..




aza mapme ry rhaj0 fa sao dia heverinao fa toerana azon'ny siantifika andehanana @ sambondanitra moa ity paradisa resahina eto ity ka hoe aiza zany fa halehanay? Ny anao ny takatry ny sainao, tsapan'ny tananao sy hitan'ny masonao ihany no tena izy aminao? dia aona zany ny fitiavanao ny vadinao ao? hita maso ve ny fitiavana sa tsia ? azo tsapaina? sa tsy misy ny fitiavana fa tsy voarefin'ny siansa?
8. rhaj0 ( 10/09/2015 16:09)
efa mitsikarokaroka mihintsy ny siantifika ny @ resaka "fitiavana" ohatra ry Gasy1zay aaa...
Fa TSY ao anaty Baiboly izany, fa 'ndana kely indray aloha miara-mandry @ google, ohatra ireto
http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+love
http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+well-being

Fa rehefa TSY takatry ny sainao, na hoe, kamo ny sainao hanadihady, an'ireo dia... akapohy hoe A.tra fotsiny eeee... Sahala @ hoe, rahefa tsy hainao aiza no ho alehanao rehefa maty, dia akapohy ho "paradisa maharitra mandrakizay" fotsiny, fa maninona tokoany moa... inona no ifandirana @ izany.. :-)
9. gasy1zay ( 10/09/2015 16:52)

rhaj0:

efa mitsikarokaroka mihintsy ny siantifika ny @ resaka "fitiavana" ohatra ry Gasy1zay aaa...
Fa TSY ao anaty Baiboly izany, fa 'ndana kely indray aloha miara-mandry @ google, ohatra ireto
http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+love
http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+well-being

Fa rehefa TSY takatry ny sainao, na hoe, kamo ny sainao hanadihady, an'ireo dia... akapohy hoe A.tra fotsiny eeee... Sahala @ hoe, rahefa tsy hainao aiza no ho alehanao rehefa maty, dia akapohy ho "paradisa maharitra mandrakizay" fotsiny, fa maninona tokoany moa... inona no ifandirana @ izany.. :-)


hay va re e! Dia raha tsy olona tsy nanao RS +orgasme ve zany dia tsy mifankatia hono? dia aona zany fitiavan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka? Ny mpiray tampo? ny mpinamana? sns...
10. rhaj0 ( 10/09/2015 18:00)
Etsy tantanako azany eee... dia eto indray koa jerena rehefa miara-mandry @ google ao ihany :-)

http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+friendship

Fa dia ireo hono eeee ... raiso toa ny profeta vaovao eee ... adrenaline, dopamine, soratonin, oxytocin, vassopressin...
11. sitlo ( 10/09/2015 19:58)
Ny tsy avotra ihany no mila fanavotana izany e.
12. taxs ( 11/09/2015 04:59)
rhaj0:

Etsy tantanako azany eee... dia eto indray koa jerena rehefa miara-mandry @ google ao ihany :-)

http://lmgtfy.com/?q=hormone+of+friendship

Fa dia ireo hono eeee ... raiso toa ny profeta vaovao eee ... adrenaline, dopamine, soratonin, oxytocin, vassopressin...
Ary sao dia ny lohanareo kosa arry no efa mikaperotra @ fikarohana "google" ao e?
Zary lasa tsy mahafantatra intsony ny ao anaty BOKY TONTA, asa...iza no mahalala raha mahafantatra ihany fa minihy tsy mahalala. Sa fitiavana tia hiady (hampihady) hevitra fotsiny mba azahoana commentaire betsaka.
13. Strong3 ( 11/09/2015 10:42)
izay efa avotra marina tsy mila fanavotana :-)

ireny tsy misy ahiana na inona na inona fa efa milamina
14. rhaj0 ( 11/09/2015 12:51)
taxs:
Ary sao dia ny lohanareo kosa arry no efa mikaperotra @ fikarohana "google" ao e?
Zary lasa tsy mahafantatra intsony ny ao anaty BOKY TONTA

Ka ny ao anaty BOKY TONTA anie dia hita ao anaty google koa eee... ary ny fanadihadian'ny olona ny BOKY TONTA izay taterin'ny ao anaty google no ... "mampikaperotra" (anareo) mpino ka io lasa kizakizatina io...

TSY "m(amp)iady hevitra" ny eto fa "mifanakalo hevitra" :-)
Izany no ilazako foana eto hoe.. "dia reveo ao azany n'enao kouh"... satria revy samy manan'ny azy io...
15. endriny ( 14/09/2015 14:48)

sitlo:

Ny tsy avotra ihany no mila fanavotana izany e.


Ka eo indrindra isika izao... Ilay olona izany tonga dia manambany tena be hoe tsy avotra raha tsy nodiovina tamin'ny ran'i Jesosy. Tsy avotra raha tsy vita batisa. Tsy avotra raha tsy manaraka ny didy folo. Tsy avotra raha tsy manaiky ny fifanekena vaovao. Tsy avotra raha tsy miambina ny fiverenan'i Jesosy. Tsy avotra raha tsy miangona isaky ny sabotsy na alahady. Tsy avotra raha tsy mikaonfesy.

Dia olona daholo no manao ireo valam-pamaritana ireo.

Dia ry zareo ihany no avotra
16. rhaj0 ( 14/09/2015 17:11)
Ny ahy ny mampihomehy ahy dia ilay fanjonoana an-dRabonaika..

- Hoe, "avotra fa minoa an'i Jesoa"... Dia eo azany i Rabonaika mba "mino" koa hono..
- Dia hoe tsy izay ihany fa, "mila manao batisa"... Dia nanaiky nolemana loha (sy vatana) i Rabonaika azany..
- Dia hoe tsy izay ihany fa, an an... "mila manaraka didy 10" koa... Dia mikezaka mafy ao Rabonaika matahotra ngo dia voatsipindy sofina...
- Dia hoe tsy izay ihany fa, kay "mila an'ilay fanekena vaovao eeee"... Dia iny azany i Rabonaika miaiky koa, manara-drenirano ao...
- Dia hoe tsy izay ihany fa... ka tena "miambina ny fiverenan'i Jesosy".. dia miambina eo tokoanyi RAbonaika.. tsy fantany eo hoe, inona ary aiza no ambesana ary @ inona...
- Dia hoe tsy izay ihany fa...


Dia ao ianao izany Rabonaika aaaa... dia rehefa hozy Gourou hoe, izay indrindra no "maha-sambatra" anao, dia minou fa izay izany ny famaritana ny "fahasambarana" eee....


Fa dia reveo ao ho'a izany n'enareo eeee... :-)

17. endriny ( 15/09/2015 04:11)
Kanefa hoy I Jesosy hoe:

Manaova Rainay izay any an-danitra

Dia manaova soa amin'ny madinika

Dia mifona amin'izay nanaovanao ratsy

Dia avotra ianao

Tsotra dia tsotra ireo dingana telo ireo (arak'i Jesosy io a)

Tsy mila fiangonana, tsy mila testamenta vaovao, tsy mila kaonfesy, tsy mila rakitra (hihihihihihi)
18. rhaj0 ( 16/09/2015 13:07)
miezaka ny hi-compr ny Kristiana sy ny namoronana ny (ilavana ny) kortezy manaraka ny Finoany aho, kortezy = fiangonana, fombafomba, ets... ka dia...

endriny:
Manaova Rainay izay any an-danitra

ka mety hoe, TSISY mahay manao an'io hatrany an-kibon-dreniny.. zavatra TSY natioraly izany.. Ka dia mila ampianarina. Dia any "am-piangonana" ny sekoly, ary "testamenta vaovao" no boky eee...
endriny:
Dia manaova soa amin'ny madinika

ka mety hoe, TSISY mahay manao an'io @ izao fotsiny ao @ kolotora tao Canaan tao.. Ka dia mila organisation.. Dia any am-piangonana no manangona "rakitra" dia izay no "anaovana soa"
endriny:
Dia mifona amin'izay nanaovanao ratsy

ka mety tsy mba mifandefitra izany ny olona tao Canaan tao, ka dia nila namorona fombafomba, dia ny "kaonfesy" zareo tao eee...

Hitako lojika vinany izany ihany ireto kortezy miaraka @ finoana Kristiana ireto raha izany kouh... Izay no takatry ny olombe tao Canaan sy t@ fotoan'androny, ka dia izay izany...
19. bor2lais ( 16/09/2015 14:18)
{quote=ramose]
miezaka ny hi-compr ny Kristiana sy ny namoronana ny (ilavana ny) kortezy manaraka ny Finoany aho, kortezy = fiangonana, fombafomba, ets...
[/quote]
Miakara dia mandrosoa fa aza laozana mihaino resaka ao ambany ao fotsiny tokoa e ! :-)
20. rhaj0 ( 16/09/2015 14:48)
hhhheeee... izaho kosa k'lou tsy "hampakatra tena any ambony any" fa aleoko ety (an-tany) ambany ety ihany e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813