Makaiza ny maty !?

1. Strong3 ( 14/08/2015 11:51)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Korintiana 15:54)

... rehefa tapitra ny fiainana ny nofo . mihidy ao ampasana ny olona .

mba zarao ny fomba sy fahalala amin'ny finoana rehetra izay fantatrao
nentindrazana
kristiana
silamo
hidou
sns...

ny manampahaizana amin'ny Expérience de mort imminente (EMI) dia milaza fa:
_ rehefa maty ny kristiana dia mahita an'i Jesosy izay tena mpino
_ rehefa maty ny silamo dia mahita an'i mahomet izay tena mpino
... sns

hatreo dia tsy misy tantara izay tohiny fa ireny moa tsy nisy niverina. saingy nisy ireo efa tena nahita zavatra
nefa eo koa ny fandalinana boky maro samy hafa !
dia izay fahalalanao nihitatra izay no mba tiana ho fantatra :-)
misaotra anao !!!
novalian'i Akashia ny 05/01/2019 17:02
2. rhaj0 ( 14/08/2015 12:48)
hi hi hi.. dia mbola matahotra fahafatesana sahala @ olona t@ l'an 0 ve ianao ry Strong3, ka dia mbola be fanontaniana io ihany, ka hoe "mankaiza ny maty" ?


Ka inona azany no tianao ho heno, na hoe, inona no tianao inoana eee ?


- lasa any Ambondrombe, dia asaina mifoha hiady vomanga rahefa tsy mitahy


- sa, latsaka anaty lafaoro raha maditra, na misosa eny ambony rahona raha hendry


- sa, latsaka anaty vilanin-drano mangotraka raha maditra, dia kopakopahan'ny virijiny atsy @ oasis raha hendry


- sa, lasa any @ masoandro ilay fanahy, na koa lasa any @ volana (jereo eto)


- sa ... potika ny mekanika, dia rava dia lasa vovoka, dia bye bye eee...
3. Strong3 ( 14/08/2015 12:52)
efa lazaina foana fa ny kristiana tsy mba matahotra fahafatesana fa fifaliana hoazy aza ny fahafatesana satria ny tena kristiana dia maika hiaona amin'ny Atra izay ivavahany!
4. rhaj0 ( 14/08/2015 14:57)
Raha tsy matahotra ve ianao tsy mipapapa migonongonona manipy tanana mafy lava ao foana, dia hoe, mivavaka mafy hoe, sintomy hiakatra ho any @ Kolob haingana aho fa kitikitihan'i devoly-manan-drambo ny volon-dramboko eeee...

dia nefa ... 'ngaha misy Kolob izany akory "any ambony any" ?! :-)
5. endriny ( 15/08/2015 05:43)

Strong3:

efa lazaina foana fa ny kristiana tsy mba matahotra fahafatesana fa fifaliana hoazy aza ny fahafatesana satria ny tena kristiana dia maika hiaona amin'ny Atra izay ivavahany!

Hitako ery ilay mipepipepy mizaha dokotera rehefa marary. Ry zareoa tsy matahotra fahatesana no manana ny tobim-pitsaboana Loteranina, Advantista, Ankadifotsy... Tena tsy matahotra fahafatesana marina ka...

Dia ry zareo no mamono zaza tsy mana-tsiny an-jatony dia afenina any anaty rindrindra sy alevina miaraka amin'ny eveka (irlande sy Pologne)
6. endriny ( 15/08/2015 06:02)
Misy tenin'ny Ntaolo hoe Faty entin'alina ka .... Dia manontany ianao hoe lasa aiza ny maty? Dia tsy aiza tsy akory fa matory eo ambony rangolahy, raha tsy hoe misy voalavo tafiditra ao a, na heo misy fakan-kazo manarona ilay razana.... Lasa razana e
7. rhaj0 ( 15/08/2015 14:25)
« Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia (..) tahaka ny anjely any an-danitra izy. » (Marka 12:25)
Io izany hozy Jesosy en personne eee... araka ny notaterin'i Marka io.. tahaka ny Ankely hono rahefa rahatrizay...
- ka tahaka ny anjely, ilay nandripaka tao Jerosalema moa izy teo
- sa tahaka ny anjely, ireo ilay nandry t@ zanaka vavin'iza indray azany izy teo...

Sa moa anjely miriaria tety an-tany indray ireo, fa hafa ny "anjely any an-danitra", araka ny filazan'i Jesosy azy io, araka ny fitateran'i Marka azy ??


Rediredin'olombe io re ry Strong3 aaa... dia lazainy fa Jesosy en personne no niteny an'ireo a..


Fa raha ny tena izy, minou ahy fotsiny, dia IANAO ihany no misafidy ny ho alehanao rahefa maty ianao... toa ity ranamana kely ity

. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .
8. rhaj0 ( 17/08/2015 13:06)
Ny dokotera (aty zamerika) hono, rehefa mahafantatra fa ho faty, satria manana areti-mandoza, dia TSY mba (tia) mandeha any @ hopitaly ka hoe, kofokofoana anaovana chirurgie sy mihinana fanafody henjanabe, fa lasa izy mody any an-tranony sy any @ ankohonany, dia manao izay mahafinaritra azy, dia rahefa vita, dia vita. bye bye

Jerijereo ny tantaran'ny sasany amin-dreo ao @ ireo artikla eo ambany ireo...
http://www.cnn.com/
http://www.zocalopublicsquare.org/2011/11/30/how-doctors-die/ideas/nexus/

Dia jereo tsara anie fa tsy hoe, nankany am-piangonana izy, dia nanipy tanana any an-danitra, fa kosa, "manaiky" fa ho faty fa rava ny mekanika, dia rehefa maty, dia rava, dia bye bye eeee...


Fa mahavariana tokoany ity. Izy dokotera izany, rahefa ianao no mahazo areti-mandoza, dia mikofokofoka izy. Fa rehefa izy no mahazo areti-mandoza, dia tsy manaiky kofokofoana izy.


Ngo dia toa izay koa azany ireo pasitera/mopera mody mananatra be anareo ao.. :-)
Efa bebe ihany mantsy izay ny mpitandrina/pasitera/mopera (mahasahy) lasa atheista "ampahibemaso" .. toa (mety) "atheista" any anatiny any izany izy, fa mihatsara velatsihy manohy ny routine ao fotsiny no betsaka... satria izy nandalina tao, dia mahita tsara fa, dia tena absurde anie ity atolony anareo kristiana ity eeee...
9. Strong3 ( 18/08/2015 09:25)
ny tena tsy voako miresaka aminareo eo izany dia ilay mamôrcé ny rehetra hitovy amin'ny rehetra!

satria rehefa kristiana dia mitovy daholo ?
efa nambarako teto fa 430 izao ny anaram-piangonana eto madagasikara!
matoa ireo nifampisaraka dia misy tsy fitoviam-pijery ao izay.

fa ny hitako olanareo roalahy eto, raha tsy hoe vavy ilay kopikolé io hihihi... dia manana olana amin'ny katolika sy ny protestant ianareo .
ka ny olona mpino rehetra no traofinareo ho isainareo iray amin'ireo :-)
ny paracetamol izao dia fanafody omen'ny dokotera ahasitrana anareo fahiny, nefa izao dia lazaina fa tsy fihinana ... fa efa hafa indray no mahasitrana
ka diso sa marina ny filaza hoe tsy fihinana ny paracetamol???

faharoa :
efa hitanareo nandeha dokotera moa i Strong3?
10. rhaj0 ( 18/08/2015 12:07)
Io ange ho'a no mahavoa anareo "mpino" sy ny fisainana (raisonnement) anareo mpino ee... ny resaka rehetra dia raisina ho "doctrine" tsy miova mandrakizay. "izay voasoratra dia voasoratra" hono. Dia izay paracetamol ve no manahirana anao. Saika hanadrohadro aho hoe, hanontanio i Gasy1zay, fa hoz'izy hoe, ao anaty Baiboly ny zava-drehetra, anisan'izany ny prescription-n'ny paracetamol.. :-)

Fa @ ankapobeny re, araho ny fivoaran'ny fahalalan-draolombelona eeee... henoy ny porofo (vaovao) entiny.. Ohatra hoe, ny DDT izao taloha dia voatondraka daholo isika rehetra. Izao anefa io dia tena fady fa mitondra areti-mandoza. NY sigara ianao nifoka ery, kay tena poizina ity izy. Hoe asio divay kely, nefa kay ny alikola manimba ny ati-doha ao raha mbola eo ampitomboana ny ankizy.Dia araho tsara ny OGM (organisme genetiquement modifie) eee.. mbola tsy hay ny effets secondaires-ny...
11. Strong3 ( 18/08/2015 12:44)
dia le raisonéma nareo no anotanio fa tsy ny ana(y) ka ...

rehefa mpino ve dia mitovy daholo? rehefa mitono tena ho kristiana daholo io rehetra io dia mitovy daholo?
ny fitomboan'ny falalana no mampazava saina . ka tsy dia hitako ny olako amin'ny paracetamoly fa ianareo no manana olana amin'ny katolika sy protestata de ny mpino rehetra no patahanareo amin'ny makarary ny andohanareo ao :-)
12. rhaj0 ( 18/08/2015 12:57)
toetra intrinseque an'ny mpino io ry Strong3 fa tsy hoe an'ny TJ na an'ny Mormons ihany aaa... manana reflexe "minomino foana".
13. mpisotrtoaka ( 18/08/2015 15:39)
Mankeo ankavanan'Andriamanitra ho an'izay MINO
14. rhaj0 ( 18/08/2015 16:03)
Ka ireo TSY-MINO toa ny Atheista, na koa ireo TSY-Kristiana toa ny Moslimo na Bodista, na koa ireo Kristiana fa Mpanota izany dia lasa "eo ankaviany", sa "eo alohany", sa "any aorianany", sa "eo amboniny" sa "any ambaniny" ??? :-)
15. rhaj0 ( 19/08/2015 10:37)
rhaj0:
Io ange ho'a no mahavoa anareo "mpino" sy ny fisainana (raisonnement) anareo mpino ee... ny resaka rehetra dia raisina ho "doctrine" tsy miova mandrakizay. "izay voasoratra dia voasoratra" hono.

Dia inty koa ny "fisainana (raisonnement)-na Mpino" fahita foana, ary tena manimba ny fi(s)ainany izy ao ihany..

Rahefa marary ny "mpino", na rehefa maty koa, dia
- tsy miditra lalina mihintsy ilay saina, ny hoe "fa maninona no marary", @ dikany hoe, fa naninona ny mekanika sy ny vatana aman-tsaina, fa...
- vaky ilay saina (sy fanahy hono) @ hoe "fa maninona no marary", @ dikany hoe, "fambara" sa "ozona" sa "tso-drano"-n'iza no nahatonga izao.

Vao teo t@ radio izao, dia hoe, henjana be ny tendako ary fanina aho, hozy bainina. Dia "mino" tanteraka izy, ary nolazainy t@ radoko, fa "namosavian'ilay rafozam-bavy". Dia novalian-dradoko hoe, arthrose cervicale io fa inty fanafody dia ndao chirurgie. Fa mikiry i Rakrisy hoe, tena i rafozam-bavy mihintsy no namely azy arthrose cervical io hono.

Dia hozy ny dokotera hoe, io azany mba i "rafozam-bavy"... mbola aiza izany rehefa hoe, tao @ Baiboly mihintsy izany no voasoratra, na akoriny aza hoe, nobitsihan'A.tra mihintsiny izany, na fotsiny hoe, i Satana na ny Anjely mihintsy no nahatonga an'izao sy izao...
16. Strong3 ( 19/08/2015 10:50)
nareo izany mihazo ireo doctrine efa lani-daty kou

misy ne ny fiainana kristiana ka mamboly lalàna hoan'ny tenany ao fotsiny eh!
dia ohatran'ny tsy mpivavaka tsimisiatra ihany izy ireny eo ampiainana eo... mivavaka fa tsy mino.
matahotra ho faty, matahotra tsy hitafy , matahotra tsy hihinana sns...

dia araka ny teninareo hoe:
mitsara-tena amin'ny lalan'ny tenany ao...
nanao an'iry za dia mety ho ity no valiny sns ...

lavitra ny fahamarinan'ny baiboly eh!
17. ranthson ( 19/08/2015 13:34)
Ny Tompoko raha n baiboly no dinihina, dia ny nofo maty fa ny fanahy tsy maty. any am-paradisa izy raha voavonjy ary any amin'ny helo izy mijaly mandrapahatonga ny farany dia ny fihavian'i Jesosy kristy eny rahon'ny lanitra. Rehefa aorian'ny farandro dia makany Jerosalema vaovao ny voavonjy (mandrakizay) ary ny very kosa dia atsipy any amin'ny farihy mirehitra afo mandrakizay. vakio ny baiboly fa manamarina ireo na araho ny radio Fm 107.4 fa ao misy fanazavana be be kokoa.
18. Strong3 ( 20/08/2015 08:08)
c' était la pub! :-)

ranthson:
Ny Tompoko raha n baiboly no dinihina, dia ny nofo maty fa ny fanahy tsy maty. any am-paradisa izy raha voavonjy ary any amin'ny helo izy mijaly mandrapahatonga ny farany dia ny fihavian'i Jesosy kristy eny rahon'ny lanitra.


mba asio fanamarinana kely fa misy tsy mitombina an! sa hoe ...

toa mbola tsy nahita izany za matsy ka liana raha mahasoa; hoe MIJALY MANDRAPAHATONGA NY FARANY DIA NY FIHAVIAN'I JESOSY KRISTY ENY RAHON'NY LANITRA!

misaotra amin'ny hanazavanao azy sahady!
19. ranthson ( 20/08/2015 09:01)

mba asio fanamarinana kely fa misy tsy mitombina an! sa hoe ...

toa mbola tsy nahita izany za matsy ka liana raha mahasoa; hoe MIJALY MANDRAPAHATONGA NY FARANY DIA NY FIHAVIAN'I JESOSY KRISTY ENY RAHON'NY LANITRA!

misaotra amin'ny hanazavanao azy sahady!


Salamo 9 : 17 >>> Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola] : direction rehefa maty ny ratsy fanahy
Tononkiran' i Solomona 8 : 6 >>> ......., masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita* ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola] : (caractéristique ny helo na fiainan-tsihita.
Matio 18 : 9 >>> Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo

Salamo 116 : 3 >>> Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho

Apokalypsy 20 : 14 >>> Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo : fahafatesana voalohany tsika olombelona maty, dia aveo makany @ helo izay very. ny fahafatesana faharoa any farihy mirehitra afo mandrakizay.

Lio 16 :22-31 fanoharana nataon'i Jesosy momba an'i Lazariosy sy ilay mpanankarena. ... "mamindra fo amiko, ka iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako, a fa mijaly aho ato amin’ ity afo mivaivay be ity..." na fanoharana aza manambara fa mjaly sahady ny olona any amin'ny Helo. ary milaza fa mbol misy velona en parellèle aminy saingy ts afaka mifandray aminy intsony. ny matoatoa izany ts ilay maty fa fanahy ratsy sandoka maka endrik'olona.

`
20. bor2lais ( 20/08/2015 09:12)
HS
ranthson:

araho ny radio Fm 107.4

strong3:

c' était la pub!

Dia nahatsiaro ny namana Christian777 sy ny FM FOI aho
Tsindrio eto
Tapitra ny HS nataoko
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1922