MANJAKA NY FAHOTANA

41. bor2lais ( 13/08/2015 12:43)

rhaj0:

hono ho'a ry bor2lais.. tena tonga hatreto @ Forum eto izany "ilay ratsy" ? tena iray (na roa) amintsika eto "ilay ratsy" ?? ary tena "ilay ratsy" voambaran'ny toko aman'andininy izy io ?? Iza kay ? :-)

:-)
Tsy mamaky tsara ny nosoratako indray ramose a ! Maika hijery ny fanondroko angaha !
:-)
42. rhaj0 ( 13/08/2015 12:50)
Inty azany misy sitrapoNY, na hoe consigne eee.. Asa ianao Strong3 raha mba manaja an'ity...

1 Korintiana 7:1 ... tsara amin’ ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.

Ka efa hoe "tsara" io, koa maninona no "miova" resaka indray ??

Hanontanio dokotera Bor2lais... hoe hiresaka @ olona marary aty (foie) na vavony, dia hoe, "tsara ho anao raha tsy mikasika alikaola akory".. Fa lazaina koa hoe, "satria izao sy izao, dia mandehana misotro ihany, fa mibebaha fotsiny avy eo" ????
43. Strong3 ( 13/08/2015 13:18)
« Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. » (Genesisy 2:24)
... didin'i paoly tsy ho didin'Atra aloha ka. io no tsodrano nomena ny olona rehetra
fa ity lazain'i paoly ity dia natao hoan'ny olona te ho pasitera be be kokoa
nefa moa hita fa tsy mahazaka tsy hanambady ny olona dia izy paoly ihany no namaha azy ao ambany ao ...
fa ry papaly moa izany , nizesta hoe mahavita dia niditra, kanjo ... rehefa nirongatra tsy lahy tsy vavy tsy zaza kely natao daholo ... mdr

44. rhaj0 ( 13/08/2015 14:41)
rhaj0:
hono ho'a ry bor2lais.. tena tonga hatreto @ Forum eto izany "ilay ratsy" ? tena iray (na roa) amintsika eto "ilay ratsy" ?? ary tena "ilay ratsy" voambaran'ny toko aman'andininy izy io ?? Iza kay ? :-)

bor2lais:
:-)
Tsy mamaky tsara ny nosoratako indray ramose a ! Maika hijery ny fanondroko angaha !
:-)

'zafady fa tsy takatro eee... hotry ny resaka tsy loa-body koa ny an'i Bor2lais ka dia .. tsy takatray eeee... indrindra rahefa misy resaka "fanondro"... ka mandehandeha (adaladala) ilay fanondron'i Bor2lais kouh... dia surveiller-na tsara, ngo dia... :-)
45. gasy1zay ( 13/08/2015 14:44)
rhaj0 > ary ianao rhaj0 toa mitady ilay ratsy nefa ianao tsy mino ny fisiany akory? Sa efa mino an'i satana indray izao ise?
46. rhaj0 ( 13/08/2015 15:20)
TSY mitady "ilay ratsy" aho fa tia ahalala fotsiny. Hozy 1marina7 hoe, ny @ "resanTSIKA eto", dia hozy i Bor2lais, toatoa ny hoe, "ilay ratsy" koa eto fa tandremo...

ka tena mba tiako ho fantatra e... celebritE kouh... mba misy gasy malaza izany hoe, tena no-citer-n'ny Baiboly mihintsy izy io, ary izy nefa @ io tena miaraka amintsika, mampiresaka eto @ forum-n'i Hery eto, hozy i dokotera Bor2lais... :-)
47. Strong3 ( 14/08/2015 07:41)
tonga soa amin'ny finoana ny hery tsy hitamaso! :-)
48. rhaj0 ( 14/08/2015 10:26)
Rahefa hozy i Bor2lais hoe, toatoa ny hoe, "ilay ratsy anie hamaly anao eto @ forum eto", dia ... aoka ho'a ry Strong3... izaho angaha "nino" (manaiky-tsisy-porofo)? fa nanontany (porofo) tsara, hoe ... o iza iza ???

Fa tsy hita(maso) ho'a ny nalehan'i Bor2lais eeee... lasa nitsoaka tany @ 3eme etage angamba ilery, fa matahotra an' "ilay ratsy" (tsy hitamaso) eto @ forum eto... :-)
49. Strong3 ( 14/08/2015 10:54)
hihihi ... aminay mino ny tsy misy profo izao dia ny mahatonga anao ho tsimisiAtra io dia tsy iza fa "ilay ratsy" :-) :-)

raha tonga aty izao enao dia misy fiangonana pub izay aty tonga dia atao délivrance mipoaka be enao :p hahaha
50. rhaj0 ( 14/08/2015 11:02)
hi hi hi... izany hoe "ilay ratsy" izany no mampiteniteny ahy foana eto..
dia "ilay tsara" no mampiteniteny foana anao...
okey dokey :-)
51. Strong3 ( 14/08/2015 11:29)
hihihih tsy ilay mampiteninteny foana ano fa ilay manidy ny fonao tsy ahay hisafidy ny hoe misy Atra , ary ny voahary rehetra mila miankohoka Aminy daholo.

fa za ndray moa izany dia manaja ny safidinao tahaka an'Atra manaja ny safidiko

ka tsy handray anao hoe ampiasain'i demonikely hanohitra , fa raisiko hotoa tohatra hampiakatra ahy ny dohotandroka misy eh hihihi :-)
52. rhaj0 ( 14/08/2015 17:33)
mandihidihy be mihintsy ny imagination an'i Caillou izany..

Tena mino izany i Strong3 fa toatoa izao ny zava-misy, fa tsy hoe revirevin'ankizy fotsiny ny toa ity....

grow up, man
53. endriny ( 15/08/2015 05:26)

1marina7:


endriny:

Aza fady Tompoko... mba azonao faritana ve hoe inona no atao hoe Fahotana? Dia mba vereno vakio hoe ny baibolinao aza fady indrindra... dia iza kay no nanao ireo fahotana ireo tao amin'ilay firaiketana (baiboly) lazainao?

Ny fahotana dia ASA NATAON'NY DEVOLY; jereo ao amin'ny Jaona Voalohany 3:8 "Izay manota dia avy amin'ny devoly".
EO MIHITSY ANIE NO MAHATONGA IZAO ADI-HEVITSIKA IZAO. AVY ANY AMIN'NY DEVOLY IZAY MANOTA
Izao ny TENIN'ILAY KRISTY Matio 5:48 "AOKA HO TANTERAKA IANAREO TOY NY FAHATANTERAHAN'NY RAINAREO IZAY ANY AN-DANITRA.

Izany a... Ny fahotana dia avy amin'ny devoly? Ny fahotana lehibe iray dia ny mamono olona... Dia tsy haiko hoe iza no naniraka an'i Jesosy atao sorona, dia iza no namono ny lahimatoa rehetra tany Egipta, dia iza no nampamono an'i Saoly sy ny Filistina... Ohatra'ny milay be ilay Atra a... Hitako moa ry OMAR no nanohana TGV hitondra olona teny Ambohitsorohitra koa...
54. bor2lais ( 15/08/2015 14:55)
rhaj0:

Fa tsy hita(maso) ho'a ny nalehan'i Bor2lais eeee... lasa nitsoaka tany @ 3eme etage angamba ilery, fa matahotra an' "ilay ratsy" (tsy hitamaso) eto @ forum eto...

:-)
55. Strong3 ( 18/08/2015 10:33)
akizy ve hirevirevy fa enao no efa hadiva hanonofy!!! :-) hihihi
56. 1Marina7 ( 05/09/2015 15:54)
Strong3:

azavao amin'ny fomba tsotra ary hoe ; ahoana no ahatanteraka ny olona iray

Ny ahatanteraka ny olona iray dia mandray Ilay tena ZANAK'ANDRIAMANITRA satria hoy IZY: "RAHA NY ZANAKA NO HANAFAKA DIA HO AFAKA TOKOA IANAREO" Misy izany ny Tena Zanaka manafaka fahotana.
Hevero kely ary hoe nivavaka ianao hatramin'izay nefa indrisy mbola tsy afaka ihany ny fahotanao, nefa ilay Jerosalema Vaovao dia tsy hidiran'izay tsy masina araka ny Apokalypsy 21: 27. Ny olona marina sy ny masina izany no hiditra ao.
NY TENA ZANAKA DIA ILAY TERAKA TAO ISIRAELY. IZAY NOTONONON'NY ANJELY NY ANARANY HOE ANDRIAMANITRA RAY no MPAMONJY (Matio 1: 21) Ny Anaran'Andriamanitra Ray dia YAH ny hoe Mpamonjy amin'ny Isiraely dia HOSHUAH misy koa manao hoe Y'HOSHUAH. KA NY TENA ANARAN'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA DIA YAHOSHUAH
Manasa antsika hitsidika ny site www.rtvyahoshuah.com

57. 1Marina7 ( 05/09/2015 16:28)
bor2lais:


Io izany ny zoro famaritanao azy, ny ahy kosa io nambarako io ! Efa nomarihiko tsara fa "amiko" : fifanakalozana no notadiavinao dia mba milaza ny hevitro aho ... Tsarovy fa tsy voatery ho tokana ny famaritana teny iray a ! :-)


Ny marina dia tokana,
Ny batisa dia fiarahana maty amin'i KRISTY, sy fiarahana mitsangana Aminy. Araka ny ROMANA 6:1-7, ka izay efa maty dia afaka amin'ny ota. AFAKA AMIN'NY OTA NY OLONA VITA BATISA
bor2lais:

Averiko indray ity efa nolazaiko tatsy ity : mbola eto @ izao tontolo izao no napetraNY ianao fa tsy nentiNY niaraka Aminy any an-danitra akory. Mety solafaka ka latsaka na lavo ao amin'ny ota !


DIA INONA IZANY NO DIKAN'NY Romana 6: 14 "Fa ny ota tsy manan-kery aminareo, fa tsy ambanin'ny lalàna fa ambany fahasoavana."
TSY MANAN-KERY NY OTA

bor2lais:

Io ota io no efitra manasaraka antsika amin'Andriamanitra ka mila ibebahana amin'ny Anaran'Ilay Mpamonjy (Ilay Mpisolovava).

Ekeko ny fibebahana fa kosa alohan'ny handraisanana ny Famonjena izany. Matoa mandray Ilay Mpamonjy dia mila famonjena, mila famonjena satria mpanota, KA REHEFA TONGA NY MPAMONJY DIA INONA NO NATAONY, NAMONJY IZY, VOAVONJY AHO, AFAKA NY FAHOTAKO
bor2lais:


Fa mba fanontaniana kely ho anao : siora ve ianao fa tsy misy ny atao hoe ota tsy nahy ? Ny zanak'Andriamanitra (ianao ohatra : io mampandainga olona io ! :-) ) ve tsy mety ho latsaka amin'izany ? Inona kay no voalaza ao @ I Jaona 1.8 azafady ?



Efa novaliako io Jaona Voalohany 1: 8 io VAKIO ny andininy faha 9 mamaly azy

bor2lais:

Tsarovy fotsiny fa ilay ratsy koa mahay toko sy andininy saingy ampiasainy hampanalavitra anao amin'Andriamanitra izany ka tokony hitandrina e ! :-)


Mahay toko sy andininy ny devoly nefa jereo ny vokany,. Na mahay izy, dia tsy maintsy mpanota foana izy, vakio ny Jaona Voalohany 3 : 8. Tsy misy hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara araka ny Matio 7: 18.
NY VOANY NO AHAFANTARANA AZY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3841