MANJAKA NY FAHOTANA

21. Strong3 ( 11/08/2015 12:58)
:-)
22. bor2lais ( 11/08/2015 13:16)
Raha tsy te-hiditra lalina @ ilay lohateny dia azo fintinina hoe :
1marina7:

MANJAKA NY FAHOTANA

satria
rhaj0:

ny "mino" sy ny "tsy mino" TSY mitovy

:-)
Fa hidirana bebe kokoa ilay lohateny dia izao no hevitro.
1marina7:

Amiko ny atao hoe MINO sy ny atao hoe MPIVAVAKA dia ny NANDRAY AN'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA. Sarotra ny ilazana fa hoe Mpivavaka nefa tsy sahy milaza fa Nandray AZY. KA IZAY MITOETRA AO AMINY DIA TSY MANOTA araka ny JAONA Voalohany 3: 6.
IZAY REHETRA MANOTA DIA TSY NAHITA NA NAHALALA AZY (Ilay Zanak'Andriamanitra).


Fiainana io finoana io fa tsy "titre" akory (ary ny fanaovam-batisa (Kristiana) no marika nidirana ho isan'ny zanak'Andriamanitra ;-)). Ary tsy mahafaly ilay ratsy ny niovanao sata fa ny ampanalavitra anao amin'Andriamanitra hatrany no tanjony. Izay ilay hoe rehefa mivory ny zanak'Andriamanitra dia tsy lavitra eo ilay ratsy !

1marina7:

KA AHOANA AMIN'IZAO NY MPIVAVAKA NO MBOLA MITENY IHANY FA MPANOTA?


Ilay voambolana hoe "mpanota" angamba amiko no mampiroaroa saina. Samy hafa mantsy ny hoe "manota" izay azo adika hoe latsaka ao amin'ny ota sy "mpanota" izay midika hoe miaina (mahita tsirony) ao amin'ny ota.

Ho an'ny mpino dia ilay voalohany hoe "manota" amiko no hitako mifanandrify kokoa : lavo na latsaka ao @ ota.

Ahatsiarovako ilay hoe : ny zanak'Andriamanitra rehefa lavo dia mahatsiaro tena fa lavo ary matoky fa manana Mpanarina azo itodihana ! :-)
23. rhaj0 ( 11/08/2015 15:14)
[size=8]dia raha lavo avy eny @ 3eme etage, tsy ara-baki-teny fa ara-metafort, dia ahoana? :-)[/size]
24. Strong3 ( 12/08/2015 08:19)
de simba ny metafort araka izay itotonany ao , fa mety malemilemy ilay toerana dia tsy ho faty izy :-)
25. bor2lais ( 12/08/2015 09:22)
:-)
Sady tsy lavo intsony no fiteny an'izany fa nianjera na nidoboka e ! :-)
Ny fanontaniana mipetraka avy eo dia ny hoe : fa naninona no nidoboka ? :-)
26. gasy1zay ( 12/08/2015 13:51)

bor2lais:


[b] Ary tsy mahafaly ilay ratsy ny niovanao sata fa ny ampanalavitra anao amin'Andriamanitra hatrany no tanjony. Izay ilay hoe rehefa mivory ny zanak'Andriamanitra dia tsy lavitra eo ilay ratsy !


Ary raha mifanakalo hevitra @ forum ny zanak'Andriamanitra dia inona no ataon' ilay ratsy ?
27. bor2lais ( 12/08/2015 14:21)

gasy1zay:


bor2lais:


[b] Ary tsy mahafaly ilay ratsy ny niovanao sata fa ny ampanalavitra anao amin'Andriamanitra hatrany no tanjony. Izay ilay hoe rehefa mivory ny zanak'Andriamanitra dia tsy lavitra eo ilay ratsy !


Ary raha mifanakalo hevitra @ forum ny zanak'Andriamanitra dia inona no ataon' ilay ratsy ?

:-)
Aoka fotsiny tsy ho diso fahavalo : tsy nofo aman-drà no iadiana !
:-)
28. rhaj0 ( 12/08/2015 14:24)
hey... "zanak'Andriamanitra" ve nareo ireo io ?
29. endriny ( 13/08/2015 05:01)

1Marina7:

Milaza ho mpivavaka ny olona nefa indrisy manjaka foana ny fahotana. Samy milaza ho mpanota daholo na ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka. Mitovy ihany izany ny miditra Eglizy sy ny tsy miditra. NDAO MBA FAKAFAKAINTSIKA RE

Aza fady Tompoko... mba azonao faritana ve hoe inona no atao hoe Fahotana? Dia mba vereno vakio hoe ny baibolinao aza fady indrindra... dia iza kay no nanao ireo fahotana ireo tao amin'ilay firaiketana (baiboly) lazainao?

Misaotra indrindra
30. Strong3 ( 13/08/2015 07:07)
fahotana ve tsy hoe : mody maka endriny nefa tsy Izy eh :-)
31. 1marina7 ( 13/08/2015 07:46)

rhaj0:

hey... "zanak'Andriamanitra" ve nareo ireo io ?

Eny Zanany aho, zanak'ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
32. 1marina7 ( 13/08/2015 08:04)

bor2lais:



Ilay voambolana hoe "mpanota" angamba amiko no mampiroaroa saina. Samy hafa mantsy ny hoe "manota" izay azo adika hoe latsaka ao amin'ny ota sy "mpanota" izay midika hoe miaina (mahita tsirony) ao amin'ny ota.

Ho an'ny mpino dia ilay voalohany hoe "manota" amiko no hitako mifanandrify kokoa : lavo na latsaka ao @ ota.

Ahatsiarovako ilay hoe : ny zanak'Andriamanitra rehefa lavo dia mahatsiaro tena fa lavo ary matoky fa manana Mpanarina azo itodihana ! :-)


Lalana iray ny "manota" sy ny "mpanota", ny "mpanota" dia ilazana ny olona manota, ny "manota" kosa dia asa ataon'ny olona mpanota.
NY TENIN'ANDRIAMANITRA anie dia milaza fa IZAY MANOTA DIA TSY NAHITA NA NAHALALA NY ZANAK'ANDRIAMANITRA. Aza mandainga izay MILAZA FA MAHALALA AN'ANDRIAMANITRA nefa miteny fa MANOTA ka latsaka ao amin'ny OTA.
RAHA MBA METY RE satria RESAKA SORATRA MASINA no resahintsika DIA MBA TOHANO amin'ny TOKO sy ANDININY re ny hevitsika.
33. Strong3 ( 13/08/2015 08:21)
Ota = fandikana ny sitrapon'Atra
34. 1marina7 ( 13/08/2015 08:23)

endriny:

Aza fady Tompoko... mba azonao faritana ve hoe inona no atao hoe Fahotana? Dia mba vereno vakio hoe ny baibolinao aza fady indrindra... dia iza kay no nanao ireo fahotana ireo tao amin'ilay firaiketana (baiboly) lazainao?

Ny fahotana dia ASA NATAON'NY DEVOLY; jereo ao amin'ny Jaona Voalohany 3:8 "Izay manota dia avy amin'ny devoly".
EO MIHITSY ANIE NO MAHATONGA IZAO ADI-HEVITSIKA IZAO. AVY ANY AMIN'NY DEVOLY IZAY MANOTA
Izao ny TENIN'ILAY KRISTY Matio 5:48 "AOKA HO TANTERAKA IANAREO TOY NY FAHATANTERAHAN'NY RAINAREO IZAY ANY AN-DANITRA.
35. 1marina7 ( 13/08/2015 08:29)

Strong3:

fahotana ve tsy hoe : mody maka endriny nefa tsy Izy eh :-)

ATAOVY MATOTRA NY RESATSIKA. Amiko zava-dehibe izao fifanakalozan-kevitra toy izao FA TSY NATAO HO FANALANA ANDRO FOTSINY. MASINA IO ANDRIAMANITRA IO, TSY FISANGY IZY. ATAOVY AMPAHENDRENA NY RESAKA ATAONTSIKA
36. 1marina7 ( 13/08/2015 08:35)

Strong3:

Ota = fandikana ny sitrapon'Atra

MARINA NY TENINAO ry Strong3.
MISY SITRAPON'ANDRIAMANITRA NODIKAN'OLONA AO ka izay no mahatonga ny Fahotana, eny fa na dia ny mpivavaka aza dia mandika an'izany.
TSY NAHITA AN'ANDRIAMANITRA NA NAHALALA AZY izay manota
37. Strong3 ( 13/08/2015 08:42)
dia hoy ny fanotaniana , iza no tsy mbola nanota ary tsy hanota
raha mijery ny 1 Jaona 3: 5-9 ISIKA DIA MAHALALA tsara fa sady tsy misy ota no tsy mahay manota ny zanak'Atra

ka ahoana aza, raha manaiky isé fa ota = fandikana ny sitrapon'Atra; iza no tsy ary mbola nadika hatreto
fiangonana iza, mpitarika iza, olona iza????
misy ota tsy mahafaty , misy ota mahafaty ... dia izay ve no hialokalofan'ny mpivavaka
isé dia manizingizina fa ny mpanota sy ny manota dia iray ihany
nefa toa mazava ny filazan'i bor2lais an...
azavao amin'ny fomba tsotra ary hoe ; ahoana no ahatanteraka ny olona iray
38. bor2lais ( 13/08/2015 09:26)

1marina7:


bor2lais:



Ilay voambolana hoe "mpanota" angamba amiko no mampiroaroa saina. Samy hafa mantsy ny hoe "manota" izay azo adika hoe latsaka ao amin'ny ota sy "mpanota" izay midika hoe miaina (mahita tsirony) ao amin'ny ota.

Ho an'ny mpino dia ilay voalohany hoe "manota" amiko no hitako mifanandrify kokoa : lavo na latsaka ao @ ota.

Ahatsiarovako ilay hoe : ny zanak'Andriamanitra rehefa lavo dia mahatsiaro tena fa lavo ary matoky fa manana Mpanarina azo itodihana ! :-)


Lalana iray ny "manota" sy ny "mpanota", ny "mpanota" dia ilazana ny olona manota, ny "manota" kosa dia asa ataon'ny olona mpanota.

Io izany ny zoro famaritanao azy, ny ahy kosa io nambarako io ! Efa nomarihiko tsara fa "amiko" : fifanakalozana no notadiavinao dia mba milaza ny hevitro aho ... Tsarovy fa tsy voatery ho tokana ny famaritana teny iray a ! :-)
1marina7:

NY TENIN'ANDRIAMANITRA anie dia milaza fa IZAY MANOTA DIA TSY NAHITA NA NAHALALA NY ZANAK'ANDRIAMANITRA. Aza mandainga izay MILAZA FA MAHALALA AN'ANDRIAMANITRA nefa miteny fa MANOTA ka latsaka ao amin'ny OTA.

Averiko indray ity efa nolazaiko tatsy ity : mbola eto @ izao tontolo izao no napetraNY ianao fa tsy nentiNY niaraka Aminy any an-danitra akory. Mety solafaka ka latsaka na lavo ao amin'ny ota !

Averiko indray fa ny fahatsapan-tena fa manota (lavo) izany hoe tsy maniry hijanona eo amin'izay toerana izay (te iarina) no iavahan'ny efa nahita sy/na nahalala ny Zanaka.

Araka io lazain'i Strong3 io dia tsy fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra no atao hoe ota !

Io ota io no efitra manasaraka antsika amin'Andriamanitra ka mila ibebahana amin'ny Anaran'Ilay Mpamonjy (Ilay Mpisolovava).

Fa mba fanontaniana kely ho anao : siora ve ianao fa tsy misy ny atao hoe ota tsy nahy ? Ny zanak'Andriamanitra (ianao ohatra : io mampandainga olona io ! :-) ) ve tsy mety ho latsaka amin'izany ? Inona kay no voalaza ao @ I Jaona 1.8 azafady ?

Averiko aminao ity teninao ity :
1marina7:

RAHA MBA METY RE satria RESAKA SORATRA MASINA no resahintsika DIA MBA TOHANO amin'ny TOKO sy ANDININY re ny hevitsika.

Tsarovy fotsiny fa ilay ratsy koa mahay toko sy andininy saingy ampiasainy hampanalavitra anao amin'Andriamanitra izany ka tokony hitandrina e ! :-)
39. rhaj0 ( 13/08/2015 10:56)
rhaj0:
hey... "zanak'Andriamanitra" ve nareo ireo io ?

1marina7:
Eny Zanany aho, zanak'ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

MIsy bulletin de naissance angaha any ??

(tsy) vazivazy io, fa (tsy) hita fa, tonga dia samy mitonona ho "zanany" daholo ny rehetra. H@ ireo Kristiana ka h@ Moslimo sns koa ohatra... sa moa ny Andriamanitry ny Moslimo ohatra, tsy Andriamanitry ny Kristiana, na dia samy niara-nivavaka t@ Andriamanitr'i Abrahama daholo azany ny razany ??

Fa io hita mazava io izany, fa dia tena samy (te-ho) "mpandova ny fanjakan'ny Lanitra" hono ireto "zanany" eee.. Ilay mikitra-nify mampiady karajia hatreto mba eo ihany, fa ilay fifanilihan'ny samy "zanany" any no ... mahonena eeee... Ka MIADY LOVA izany ireto "zanaka adala" kouh... Ka ny paika moa, raha tsy mahazo ny andaniny dia mba faly voa-angatra ny ankilany..

hi hi hi... reveo ao azany ny anareo ho'a... zahay "TSY zanany" k'lou dia TSY misy mikasa izany "lova-fanjakan'ny lanitra" izany...


Strong3:
Ota = fandikana ny sitrapon'Atra

Ilay hoe sitrapoNY, na koa izay consigne ameNY koa anie toa miovaova eee.. tsaroanareo ilay hoe, raha mpitovo ianao ka manambady dia ho "voaheloka"; dia nefa indray avy eo hoe, miteraha 7 lahy 7 vavy; dia nefa koa hoe, tsy mahazo miteraka tsy manambady. Dia inona ihany...

Dia inona fa dia samia mandray izay "sitrapoNY" mampametimety ny baolinany ao izany eeee...


1marina7:
.. MBA TOHANO amin'ny TOKO sy ANDININY re ny hevitsika.

bor2lais:
Tsarovy fotsiny fa ilay ratsy koa mahay toko sy andininy...

hono ho'a ry bor2lais.. tena tonga hatreto @ Forum eto izany "ilay ratsy" ? tena iray (na roa) amintsika eto "ilay ratsy" ?? ary tena "ilay ratsy" voambaran'ny toko aman'andininy izy io ?? Iza kay ? :-)
40. Strong3 ( 13/08/2015 12:37)
tsy misy sitrapony miova izany eo eh :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2041