KRISTY SANDOKA sy MPAMINANY SANDOKA. Iza ireo???

41. Hajarilala7 ( 19/08/2015 06:53)
bor2lais:

hajarilala7:

Tokana ny vadin'i Kristy fa izay rehetra milaza fa "Fiangonana" kanefa misy Loha roa (Kristy sy olona) dia MPIJANGAJANGA!

:-)
Iana(re)o ihany ange no mihevitra sy misaina izany e ! Sao mamely tena eo !
:-)
hajarilala7:

Iza no manampahefana amin'ny Vadin'i Kristy??? Tsy i Kristy ve sa hafa???

Nisy nandà izany angaha teto ? :-)
hajarilala7:

Romana 13 teneninao dia ny fiainana eto an-tany sy fanjakana eto an-tany.

Fiainan'iza eto an-tany ? Ary fifandraisan'iza amin'ny fanjakana eto an-tany ?
Rehefa tsy metimety amina(re)o angaha dia hodiana fanina ny voasoratra ?
:-)
hajarilala7:

Ny Fanjakan'i Kristy marina dia tsy eto amin'izao tontolo izao, Izy, Kristy no miteny an'io ary tsy misy hidiran'ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao ny fiainana mandrakizay. Iana(re)o avy ety an-tany ka ny ety an-tany ihany nolazainareo! Normal izany, Kristy Jesosy no niteny an'io fa tsy izaho!

:-)
Ary inona kay ny vavaka nataoNY ho an'ireo mpianaNY azafady ? Ary inona no asa iraka nampanaoviNY azy ? Niteny ve Izy hoe miafena ny fahefana lehibe ianareo rehefa manao izany ?
hajarilala7:

Ny fanjakan'ny Fiangonana dia eto an-tany fa any an-danitra! (Filipiana 3/ 20) Mba diniho é!

Lazao mazava ny tianao hambara fa misangojy be izy izany ?
:-)
Fa raha azoko tsara ny zavatra soratanao eto dia tsy ara-dalàna any amin'ny fanjakana akory ny fisianareo ? Voarara ny mikilandy a ! :-)

Hoy ianao : "Ary inona kay ny vavaka nataoNY ho an'ireo mpianaNY azafady ? Ary inona no asa iraka nampanaoviNY azy ? Niteny ve Izy hoe miafena ny fahefana lehibe ianareo rehefa manao izany ?"
< Mba diniho tsara ny momban'io Jaona 17 io izay vavaka nataon'i Kristy ho an'ny mpianany fa aza vakina fotsiny.

Jaona 17/ 9 : "Mangataka ho azy Aho; tsy mangataka ho an' izao tontolo izao Aho, fa ho an' izay nomenao Ahy, satria Anao ireo." > Eto dia tsy misy anjaran'izao tontolo izao.
Jaona 17:16 "Tsy avy amin' izao tontolo izao izy ireo, tahaka Ahy tsy avy amin' izao tontolo izao." > Tsy avy amin'izao tontolo izao ny mpianany = Fiangonana
Jaona 17:25 "Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy." >

Jaona 14/ 30 : "Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan' izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy." > Io andrianan'izao tontolo izao io (= lehibe namanam-pahefana) eto amin'izao tontolo izao tsy manana anjara ao amin'i Kristy. Sa ahoana indray hoy ianao? sa zavatra hafa mihitsy indray io?
Salamo 17/ 14 : " Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao..."

Hoy ianao : "Fa raha azoko tsara ny zavatra soratanao eto dia tsy ara-dalàna any amin'ny fanjakana akory ny fisianareo ? Voarara ny mikilandy a ! :-)
< Tsy misy idiran'ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao ny zava-panahy dia ny maha-Fiangonana ny fiangonana izany. Izao tontolo izao koa tsy mahalala an'i Kristy (=>tsy mahalala anay koa! Raha nahalala an'i Kristy ny fahefana eto amin'izao tontolo izao (andrianan'izao tontolo izao)dia tsy nangataka ny hisian'ny Lohan'ny Fiangonana ankoatran'i Kristy Mpamonjy. Ny Loha mantsy no Mpamonjy ny fiangonana (Efesiana 5/ 23) fa tsy olona no atao ho Loha. Izahay koa tsy avy amin'izao tontolo izao! Ary tsy manana anjara amin'ny zava-panahy eo aminay koa ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao.

Jaona 17:14 "Efa nomeko azy ny teninao; ary halan' izao tontolo izao izy, satria tsy avy amin' izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy avy amin' izao tontolo izao." > Toa halanao izahay, ry Bor2lais???

Raha misy hevitra ahazoam-bola (business) na manao zavatra arakan'izao tontolo izao izahay dia tsara ary tokony mifandray amin'izao tontolo izao, ary miankina amin'izao tontolo izao! Fa raha Fiainana Mandrakizay (= Fahamarinana) dia zava-panahy izany no ataonay dia tsy manana anjara aminay izao tontolo izao!

42. Hajarilala7 ( 19/08/2015 06:59)
Hoy ianao ry bor2lais :Fa raha azoko tsara ny zavatra soratanao eto dia tsy ara-dalàna any amin'ny fanjakana akory ny fisianareo ? Ianareo raha izany dia tsy miorina eo amin'ny Fanjakan'i Kristy (=Teniny) rehefa miorina amin'ny fanjakana eto an-tany.
43. bor2lais ( 19/08/2015 10:31)
Averiko indray fa toa tsy hitanao tsara angamba :
hajarilala7:

Romana 13 teneninao dia ny fiainana eto an-tany sy fanjakana eto an-tany.

fanontaniana_napetrako:

Fiainan'iza eto an-tany ? Ary fifandraisan'iza amin'ny fanjakana eto an-tany ?
Rehefa tsy metimety amina(re)o angaha dia hodiana fanina ny voasoratra ?

Tsy nisy valiny !
fanontaniana_napetrako:

Ary inona kay ny vavaka nataoNY ho an'ireo mpianaNY azafady ? Ary inona no asa iraka nampanaoviNY azy ? Niteny ve Izy hoe miafena ny fahefana lehibe ianareo rehefa manao izany ?

hajarilala7:

Jaona 17/ 9 : "Mangataka ho azy Aho; tsy mangataka ho an' izao tontolo izao Aho, fa ho an' izay nomenao Ahy, satria Anao ireo." > Eto dia tsy misy anjaran'izao tontolo izao.
Jaona 17:16 "Tsy avy amin' izao tontolo izao izy ireo, tahaka Ahy tsy avy amin' izao tontolo izao." > Tsy avy amin'izao tontolo izao ny mpianany = Fiangonana
Jaona 17:25 "Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy." >

Jaona 14/ 30 : "Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan' izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy." > Io andrianan'izao tontolo izao io (= lehibe namanam-pahefana) eto amin'izao tontolo izao tsy manana anjara ao amin'i Kristy. Sa ahoana indray hoy ianao? sa zavatra hafa mihitsy indray io?
Salamo 17/ 14 : " Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao..."

Ahitana taratra tsara ny fomba fampianaranareo ilay valinteny !
1. Ny fanontaniana 2 farany napetrako dia tsy nokitihina mihitsy :
"Ary inona no asa iraka nampanaoviNY azy ? Niteny ve Izy hoe miafena ny fahefana lehibe ianareo rehefa manao izany ?"
Izay mahafalifaly anao ao amin'ny Jaona 17 ihany indray no noraisinao ka nanomezanao ny fandraisanao azy.
Mety tsy hitanao angamba ny andininy 17.15 sy 17.20 izay mifono ny vokatry ny asa iraka hampanaoviny ny mpianatra eto amin'izao tontolo izao iainantsika ity !
Miverina in-18 ny teny hoe "izao tontolo izao" ao amin'io Jaona 17 io : amina(re)o ve mitovy daholo ny hevitr'ireo teny 18 ireo ? :-)

2. Ilay hoe "halanao izahay ry bor2lais ???"
:-)
Tsy ny marary akory ange no tsy tiana fa ny aretina e ! :-)
Ary sarotra ny mitsabo ny tsy mahatsiaro tena na miaiky fa marary ! :-)
Am-pitiavana be !
:-)

44. Hajarilala7 ( 19/08/2015 15:03)

Hamaly anao aho ry "Bor2lais" :
Hoy ianao > 1. Ny fanontaniana 2 farany napetrako dia tsy nokitihina mihitsy :
"Ary inona no asa iraka nampanaoviNY azy ? Niteny ve Izy hoe miafena ny fahefana lehibe ianareo rehefa manao izany ?"

Tsy maintsy voavaly ara-tSoratra Masina daholo izay zava-panahy momban'ny Fiainana Mandrakizay, fa aza taitra ianao!

Raha momban'ny FAHEFANA LEHIBE no tianao ho fantatra dia ny valiny dia amin'ny tenin'Andriamanitra ihany fa tsy amin'ny "bon sens' na fahendren'olona :
Lioka 12/ 5 : "Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin' ny helo, rehefa avy namono; eny, hoy Aho aminareo: Matahora Azy."
Lioka 12/ 4 : Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.

Sa ilay fahefana tianao hampiasaina ny ao amin'ny Apokalypsy 13/ 5 : Dia nomena vava miteny zavatra mihoapampana sy blasfemia izy, ary nomena fahefana mba haharitra roa amby efapolo volana.
45. bor2lais ( 20/08/2015 09:02)
hajarilala7 > tena H.S be ny zavatra soratanao : hainao ihany ny naoty mendrika izany ! :-)
46. rhaj0 ( 20/08/2015 11:48)
hi hi hi... mivanitika tsiravina sisa i Bor2lais fa namen'i Hajarialala7 ny dose-na litanie...

TSY hors-suze io Bor2lais fa "Fivavahana, Finoana" ny loha-hevitra ary baiboly ireo aaa... :-)
47. ranthson ( 21/08/2015 08:14)
Ny mpaminany Sandoka dia mpaminany maminany nefa tsy avy amin'ny Jehovah A/tra ny faminaniany. Na avy amin'ny tenany ihany na avy amin'i Devoly. Tsy tanteraka io faminaniana io ohatra : Mailhol... hoe prezida @ 2013, le hoe farany @ dec 2012... sns. Ary ny ambarany dia mifanohitra ny teny ao @baiboly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4715