Mikaela

1. rekinbelo ( 10/06/2015 16:38)
Fa nahoana kay no tsy tazana tao @ testamenta vaovao mihitsy i Mikaela anjely izay tena natanjaka sy nanana ny heriny. T@ andron'ny Jesosy tsy teo izy, tao taratasy rehetra nosoratan'ireo apostoly tsy nisy firesahana Azy mihitsy hafa tsy ao @ Apokalipsy ihany ary i Joda.
Tao @ testamenta nefa dia teo fona Izy?
novalian'i endriny ny 18/06/2015 14:00
2. rhaj0 ( 10/06/2015 16:47)
http://en.wikipedia.org/wiki/Michael_%28archangel%29
Jereo tsara fa toa ao @ Daniela sy Joda koa hono miresaka azy... (dia any @ Quran sy ny Torah koa izany eee...)

Dia io hono izy mamono ny Devoly eee.. araka ny "imagination"-n'ny artista


[size=8]Statue of Archangel Michael at the University of Bonn, slaying Satan as a dragon; Quis ut Deus is inscribed on his shield[/size]
3. rahery08 ( 12/06/2015 12:16)
Inona no tianareo hambara? na Gabriel na Michael, heveriko fa tsy zava-dehibe izany satria natao hanompo izy ireny:

Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). Hebreo 1:6

Ny anjely miankohoka eo anoloan Jesosy Kristy Tompo, asa ry TJ na hiankohoka na tsia?
4. rhaj0 ( 12/06/2015 15:49)
Be dia be no TSY miankohoka @ Jesoa re ry Rahery08 aa... ny TJ izany no fantatro, fa ny Jiosy, dia ny Moslimo, dia ny Bodista sy ny Hindu, dia ny Amerindiana sy ny ... Ntaolo.. ary ny Atheista (sy ny 70%-n'ny Siantista) dia tena TSISY "miankohoka" izany.

Ary nefa azany koa, misy Kristiana (manaraka an'i Kristy) milaza koa, fa i Kristy mihintsy no nilaza fa TSY tokony hiankohoka @ Kristy izany, fa amin'AZY ihany hono no iankohofana eee...
5. endriny ( 12/06/2015 18:10)
Injay ilay feon'angely tonga anjely fa manakoako eran'ny saha sy ny tanety, hariva ny andro...
6. rekinbelo ( 16/06/2015 05:38)
Rahery08, maninona ianao no tsy miankohoyka @ Mikaela moa? ary le hoe miankohokoa @ Jesosy anie ka fanajana sy fanomezana voninahitra azy eeee. Fa ny akabeazany olona mantsy diso fandray io zavatra io matetika ka lasa mifangaro be le izy, i Jesosy nomena voninahitra sy laza fa tsy lasa Andriamanitra natao ivavahana mihitsy, ary ny anjara-toerany mihitsy no tsy hainy olona milaza fa hoe manara-dia azy. I jesosy dia nijanona ho zavaboary foana mpanelanelana eo @ olombelona sy ny Ray.
7. rahery08 ( 16/06/2015 12:03)
Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana.

Ny fahalalana ny maha Andriamanitra an'Jesosy dia hiankinan'ny hoavin'ny olona mandrakizay, Ary Satana dia miasa fatratra ny tsy hitenenan'ny olona an'izany anarana izany, efa hatramin'ny andron'ny Apostoly, miova paikady izy @ izao andro atomotra izao, dia ny ilazany fa tsy Andriamanitra i Jesosy,

Raha mandinika ny bokin'ny Apokalipsy isika, izay milaza ny maha voalohany sy farany an Jesosy:

"Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] Apokalypsy 1:17-18

Andriamanitra Ray ihany koa dia milaza ny maha voalohany sy farany Azy ao @ Isaia:

Izao no lazain'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Isaia 44:6
Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. Isaia 48:12

Dia eto ary ny fanontaniana apetraka @ Rekinbelo: misy voalohany sy farany anakiroa ary ve izany? any @ Testamenta taloha Jehovah miteny hoe izaho no 1 sy farany, ao @ Apokalipsy Jesosy miteny hoe Izaho no 1 sy farany, iza ary no tena 1 sy farany?

Tena Andriamanitra Jesosy, araka ny Isaia 9-5

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] Isaia 9:5


Araka ny tenin'ny Tomasy, Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! Jaona 20:28 tsy nanda ny maha Andriamanitra Azy Jesosy eto, fa ny hany nolazainy dia hoe satria nahita Ahy ianao dia mino (fa Andriamanitra Aho,) fa sambatra ny tsy mahita nefa mino,

fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo @ anarako dia ao afovoany aho hoy Jesosy Tompo, ary raha eo @ io ambony io, dia noporofoin'Jesosy fa tonga teo afovoany teo Izy, ary nanaiky izany Tomasy ka hoy izy Tompoko sy Andriamanitro,

Ny farany araka ny 1Jaona 5 : 11-12-20

Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. 1 Jaona 5:12
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

Miasa @ fomba rehetra Satana mba tsy andraisan'ny olona an Jesosy ho Tompony sy Mpamonjy azy,fa izay mandray Ahy hoy Jesosy, dia mandray izay naniraka Ahy, Ary izay nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, (nandray Azy ho Tompo Andriamanitra io) Tsy mba te ho tonga zanak'Andriamanitra ve Rekinbelo?

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8,

Tsy miova tokoa Izy, ary hoy Izy "efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany"
Ka araka ireo voalaza ireo, @ Rekinbelo, Andriamanitra ve Jesosy, sa tsia, fa ny toetra ny maha Andriamanitra dia ao aminy;

Asa raha mana'janaka Rekimbelo na tsia? fa ny zanak' i Rekimbelo ve olona sa tsy olona? fa raha ny Zana'Andriamanitra dia Andriamanitra; Izaho niteraka anao androany hoy


Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) Hebreo 1:5













8. endriny ( 17/06/2015 14:10)
Hono ho'a ry zareo: Ahoana moa no nahafantaran'ny olona fa ilay anjely tamin'ny andron'i Isaia dia samy hafa amin'ilay anjely tamin'ny andron'ingahy Jesosy?

Satria ve hoe samy hafa ny vanim-potoana dia tokony samy hafa koa ilay anjely? Dia raha izany mety maty izany ny anjely any an-danitra ve?

Raha misy anjely maro indray any an-danitra: Iza ary no nametraka ny anaran'ireo anjely ireo ho gabriely sy mikaely... kanefa ireo anjely ireo tsy nilaza na indraim-bava akory ny anarany aza tamin'ireo olona nisehoany?

Izaho izao raha mba misy anjely miseho amiko dia antsoiko hoe Rakotomanga
9. rhaj0 ( 18/06/2015 13:19)
wikipedia:
https://en.wikipedia.org/wiki/Angel#Christianity
Later Christians inherited Jewish understandings of angels, which in turn may have been partly inherited from the Egyptians
Ka dia hanontanio @ Ejiptiana izany raha tia ahalala ny @ Anjely tena orizinal i Endriny eee... na hanontanio @ Jiosy.

wiki:
By the late 4th century, the Church Fathers agreed that there were different categories of angels, with appropriate missions and activities assigned to them.
Io izany ilay izy eee... ny debadeba tany Eoropoa t@ taona 400 no namariparitra toa rambon'osy tao. Dia mbola io inoan'ny Kristiana (sasany) hatraty Dago sy h@ izao io izay nofaritany t@ izany.

Ka dia ao zany zareo (Kristiana) eee...
10. endriny ( 18/06/2015 14:00)
Izay ange Rajho no mahatonga ahy hanontany e... Sao mantsy milaza indray fa Atra no nanome ireo anarana ireo.

Dia mba araho kely koa fa ireto Ejipsianina ireto no nampianatra an'i Mosesy ny hoe mankany an-danitra rehefa maty.. Ary mbola hitsangana ny maty amin'ny andro farany.... Dia izay no nanamboarana ireo piramida rehetra ireo, ary nahatonga azy ireo nalevina miaraka amin'ny zavatra tiany fony fahavelony...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1796