Poltikam-borontsiloza ity zareo a

1. endriny ( 27/05/2015 12:15)
Tsy haiko na ny Depiote no tsy mahay lalana na ahoana.... Fa efa tamin'ny andron'i Zafy ange no nisy izany lalam-panorenana azo anonganana Filoham-pirenena eny amin'ny solombavam-bahoaka izany e... Dia novain''Atoa Didier Ratsiraka ilay izy vantany vao lany izy tamin'ny 1996

Dia asa izay avoakan'ny ampitso aloha fa politikam-borontsiloza no betsaka
novalian'i endriny ny 29/05/2015 15:34
2. endriny ( 27/05/2015 14:02)
Mety hiala any indray ny vola amin'ny gony hanampenana ny mason'ny HCC, dia hiverina TGV vaovao indray isika...

Tezitra be ny frantsay fa hividy 737 indray ny Malagasy
3. rhaj0 ( 27/05/2015 15:42)
Ka inona izany no ho lazain'i HCC ?
Hoe araka ny lalam-panorenana dia ... IZA no amena ny prezidansa indray ???

Sa asaina manao sonia indray i RAjao, dia hoe, ameny an'i Ravelonarivo ny prezidansa ?

Dia toatoa ahoana indray moa i Ravelonarivo io ??

Efa paikabe voakotrika efa ela izany izany ?????
4. endriny ( 29/05/2015 15:34)
Dia lefaka izany raha olona...

Depiote mpanao lalana kanefa tsy mahay lalana.... Asa rahoviana no mba hisy izany hoe sehatra fanofanana mpitondra izany... Ny fikambanana Alemanina no efa nivoy an'io taloha fa ... Rehefa tsy ny zanaky ny mpitondra antoko no nofanina tao dia voahilika ilay sehatra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3056