Vahaolana hialana amin'izao faharavan'ny Madagasikara izao

1. laurie ( 26/05/2015 14:31)
Efa miharihary tahaka ny vay an-kandrina izao ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny fanjakana, manampy trotraka ihany koa ny "mauvaise foi" hanan'ireto mpanao politika ireto. Ao ireo tsy sahy mitonona ho mpanohitra anefa mitsikera, ao ireo miaro ny tombotsoany manokana ka misolelaka ao ambany helin'ny mpitondra fanjakana, ary ao ireo vahoaka mpanara-drenirano, maro be ireo miaina ao antin'ny antsoina hoe: "fanatisme" sy "culte de personnalité" na fanompoana olona be fahatany. Inona ary no vahaolana?? Hevitr'olona mpanao politika iray ihany no hitako tsara raha tanterahina dia ilay fananganana ity antsoina hoe "contre-pouvoir". Mbola tsy tara ny fananganana azy io ary tsy mila zavatra betsaka fa kosa ny finiavana ao amin'ny tsirairay satria izaho, ianao ary isika no tompon'ny ho avin'ny Madagasika
novalian'i endriny ny 29/05/2015 15:30
2. hery ( 27/05/2015 09:10)
Ahoana tsara no fandehan'io contre-pouvoir io? Tsy efa nisy foana ve moa ny mpanohitra teto Madagasikara fa vao mahazo vola dia miova palitao.
3. laurie ( 29/05/2015 10:10)
Tena marina mihitsy ny teninao hoe tsy par conviction ny an'ny mpanao politika ny fanaovana azy io fa vao mahita vola dia mivadi-dela. Koa maninona ary raha atomboka amin-tsika vahoaka ilay izy, handeha hanangana mouvement, toy ny an-dRatsimandrava taloha, ilay antsoina hoe "fokonolona"?? Mouvement izay tsy hanongana sanatria fa hanamafy orina ny fanjakana mba hisian'ny tena antsoina hoe "Etat de Droit". Tsy fanjakan'olon-tokana no tokony hisy eto fa fanjakana miainga avy amin'ny fahefan'ny vahoaka. Tadidio fa isika vahoaka izany dia manana anjara birika lehibe amin'ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana. Ka tokony ho sahy isika hanakiana, handon-databatra ary hiteny ireo zavatra tsy mety ary tsy manjary eto amin'ny firenena.
4. MichaelRazafy ( 29/05/2015 10:40)
Tsara ny hisian'ilay "contre-pouvoir" satria raha tsy misy io dia hanongana foana isika. Toy izao miseho ankehitriny izao. Tiako ny manamarika eto fa ny mpitondra izay nifandimby teto dia mitovy daholo ny "pratique politique" noentiny, rehefa mahazo fahefana dia manitsaka vahoaka. Rehefa misy tombotsoa iombonana dia miombona na dia hita izao aza fa "alliance contre nature" toy ny efa nisy teo amin'ny Ravalomanana sy Rajaonarimampianana, dia izao ny MAPAR sy TIM. Izay tena maharatsy endrika ny fanaovana politika eto Madagasikara. Hany ka na ny Communauté Internationale aza ohatran'ny manana fahefana lehibe eto amin'ity Madagasikara ity!
5. MichaelRazafy ( 29/05/2015 11:25)

hery:

Ahoana tsara no fandehan'io contre-pouvoir io? Tsy efa nisy foana ve moa ny mpanohitra teto Madagasikara fa vao mahazo vola dia miova palitao.

Tadidio ilay teny nampiasain'i Edgard Razafindravahy hoe "IRAY IHANY IZY REHETRA" fa tena mitombona io amin'izao fotoana izao. Tsy misy mpanohitra "par conviction" izany eto fa rehefa mahazo vola dia miova hevitra. Androany mifanaratsy, rahampitso mifanoroka! Aiza ilay tena fanaovana politika marina eto amin'ny firenena? Aiza ilay "fanjakana tsara tantana"? Aiza ilay "equilibre de pouvoir"?
6. endriny ( 29/05/2015 15:30)
Ny fahitako azy zareo dia ao Afrika irery no misy ny mpitondra sy mpanohitra tsy mpinamana izany eto an-tany... Ka mahamora ny fampiadiana ny olona

Fa ny sisa dia olona mpinamana daholo ihany fa tsy mitovy hevitra kely fotsiny dia mody manao mpanohitra. Dia mody mba manao fanazaran-tena kely indraindray mba hohitam-bahoaka.

Ny vahaolana dia tsotra: averenina ny fifidianana isaky ny ambaratongam-pahefana miainga amin'ny Fokontany. Dia hita eo amin'izay iza no mitarika aiza sy ny vokany

Fa izao mantsy: fidiana ny mera, kanefa ny lehiben'ny fokontany atolotra, ny lehiben'ny region atolotra, ny lehiben'ny district atolotra.. Hany ka na izy samy mpitarika politika aza lasa mifanolotra, dia vao tsy manolotra ny iray dia mivadika mpanohitra ny ankilany...

Ny marina mpanao politika tsy manana tanjona ho an'ny firenena no betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1968