mitady toko sy andininy

21. Strong3 ( 22/05/2015 11:12)
rhaj
22. rhaj0 ( 22/05/2015 14:17)
5laody:
Rhaj0>>> saika hananihany aho hoe ahoanao inona anaka izay omby maty any fa ny hena hanina. Kay ianao tsy mihinan-kena.

Koa raha omby voan'ny vaninika (vache folle) no maty dia tsy hiteny koa ve ianao ? Hita io ny absurditE sy incohErence @ ilay tantara ... koa na voatavo tsy mifandraka rendreman'ny torimaso ao azany ve tsy ho taitra tantaraina an'izany ?
23. gasysud ( 22/05/2015 15:19)

5laody - 22/05/2015 10:54

Tokotokony hahatanty resabe ihany ianao ato amin'ny fivvahana finoana na dia voafaritra tsara aza ny zavatra tadiavinao.



Tsy fantatro inona no tianao ho lazaina amin'ny hoe mahatanty resabe?
Tsy nitady discussion aho, tsy nitady handresy lahatra ny hafa aho. Ny notadiaviko dia toko sy andininy fotsiny, valiny mazava no ilaiko ary rehefa tsy misy dia aleoko ajanona ny resaka fa tsy handany fotoana ifandahatra eto akory aho, fa ianareo te hiady hevitra afaka manohy.

Sa kosa tsy azo atao ny mangina....

Rehefa misy ilàna ny ady hevitra dia vonona aho fa ny amin'ity aloha tsy hitako izay iadiana hevitra.

24. RBNIR ( 22/05/2015 19:05)
Nisy fotoana i paoly apostoly nankarina ho any paradisa.....
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Kor.12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

Mbola velona i paoly teo fa tsy fantany fotsiny na tao amin'ny tena izy na tsy tao no nankarina tany.....

Dia toy izay, mbola velona i Jesosy dia nisy fotoana (isika tsy mahalala mety vetivety foana mety ho perte de conscience kely fotsiny fa tsy hita na tsapan'ireo izay nanatrika teo) nankarina tahaka an'i paoly....dia naverina indray avy eo ary dia maty (tena maty) dia nitsangana indray.....Tamin'izay fotoana izay no "nihaona" ry zareo......

« Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. » (Mat.5:6)

25. RBNIR ( 22/05/2015 19:16)
Hamafisiko kely tamin'Izy ilay mbola velona (fa tsy nahatsiaro tena alohan'ny tena nahafatesany) no nakarina vetivety tany paradisa dia nihaona tamin'ilay jiolahy iray.
Vita izay dia naverina tety Izy ary avy eo dia "tena maty" tanteraka ary nitsangana afaka hateloana......Izay no tena ny filaharany......
26. RBNIR ( 22/05/2015 19:34)

RBNIR:

Hamafisiko kely tamin'Izy ilay mbola velona (fa tsy nahatsiaro tena alohan'ny tena nahafatesany) no nakarina vetivety tany paradisa dia nihaona tamin'ilay jiolahy iray.
Vita izay dia naverina tety Izy ary avy eo dia "tena maty" tanteraka ary nitsangana afaka hateloana......Izay no tena ny filaharany......

P.S : ny paradisa araka iry teny ery ambony ery (2 koritianina) dia any amin'ny lanitra fahatelo.....Ny azo antoka dia i Abrahama dia any, i lazarosy koa any (lio.16:19-22) ary mazava ho azy fa ilay jiolahy koa any....fa ny Ray kosa dia manana ny fitoerany manokana mihitsy......
Raha ny marina dia ny paradisa dia toerana fitsaharan'ny fanahin'ireo olona maty ao amin'ny Tompo izay tsy hitoetra ao mandrak'izay akory fa mbola hatsangana indray izireo ary homena tena vaovao dia hafindra any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao misy an'ilay jerosalema vaovao ihany koa.....
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tes.4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tes. 4:16)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17)
27. RBNIR ( 22/05/2015 19:51)
Araho ity rohy ity namana fa Jesosy dia niverina indray nampianatra zavatra maro saro-patarina ary koa nampianatra indray ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa izay....

Hotahin'ny Tompo anie isika rehetra.....
28. RBNIR ( 22/05/2015 19:59)
Fanitsiana kely fotsiny ho an'izay hanaraka ilay fandaharana....alatsinainy ka hatramin'ny zoma manomboka amin'ny 05 ora sy sasany maraina ka hatramin'ny 6 ora izy izao ao amin'ny kolo TV....
Efa hitanao amin'ny canal sat ihany koa....
29. rhaj0 ( 22/05/2015 21:04)
RBNIR:
hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona..

Averiko indray: tena raisina "ara-baki-teny" ve io.. hoe tena andeha hitaingina rahona isikana izany any aoriana any, dia misosa misosa ny.. lakan-drahona, sa ...
30. RBNIR ( 23/05/2015 03:33)
rhaj0:

RBNIR:
hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona..

Averiko indray: tena raisina "ara-baki-teny" ve io.. hoe tena andeha hitaingina rahona isikana izany any aoriana any, dia misosa misosa ny.. lakan-drahona, sa ...

Faly misera namana....

« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Kor.15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor.15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Kor.15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Kor.15:54)

Toy izao ny filaharan'ny zavatra hiseho rehetra :
1- Ny maty ao amin'ny Tompo no hitsangana aloha (1 Tes. 4:16)
2- Avy eo izay tratra velona amin'ny fahatongavan'i Kristy dia hovaina indray mipi-maso ka hitafy tena (vatana) vaovao tsy mety lo intsony....(1 Kor.15:52)
3-« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17)
Tsy maintsy hakarina satria toy izao ny ho avin'ity tany ity rehefa tonga i Jesosy Kristy......
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet.3:10)

Hotahin'Andriamanitra anie isika rehetra namana.....

31. sitlo ( 24/05/2015 17:27)
Maty izy dia sady nisidina nankeny an-danitra no nilatsaka tany amin'ny afobe dia niady tamin'ny devoly dia naharesy dia nisidina niverina tao am-pasana dia nisolo akanjo dia nijaikojaiko nivoaka. Izay raha fintinina. Raha misy fanontaniana dia ity no mamaly azy.

[center][/center]
32. endriny ( 25/05/2015 04:52)
Ny an'ny mpitondra fivavahana zareo a: "tonga vola ny resaka sy ny kabary isak'alahady
"
33. endriny ( 25/05/2015 05:04)
Androany izao Jesosy misidintsidina eraky ny lanitra mitily hoe iza ny mpampiaraka manao fomba ratsy eny amin'ny natiora kanefa mbola tsy vita mariazy.. Izay hitany avy eny ambony eny tonga dia asiany marika 666..
34. rhaj0 ( 25/05/2015 13:51)
Ny ahy ny mahaliana ahy, dia ny mijery ireo olona, mijery ny masony dia mijery ny atin'eritreriny lalina ao, ary dia mahita aho k'lou fa dia hoe, tena "mino" (sincerement) an'ireo lazainy ireo ilay olona. Dia hoy aho foana anakampo hoe, fa hatraiza @ io lazainy io no inoany, ary "inoany ara-baki-teny" ??

Ohatra izao io hoe, "mitaingina rahona" izany rahefa maty, dia asosany miakatra hono... Dia rahefa mijery ny ati-mason-dry RBNIR ohatra ianao, dia hoe, dia tena manaiky ve izy fa hoe tena misy izany "lakan-drahona" ?? Dia tsy mi-click azy ve, fa ilay mitantara (abobo) io anie ka mbola tsy nitaingina roplanina tokoany, ka tsy takany hoe, toatoa ahoana izany "lakan-drahona".. dia nefa izy ilay mino-ara-baki-teny eo, mba nitaingina roplanina ihany ve.. dia mba ahoana azany ny ao an'eritreriny miteny mamerina ilay abobo eo io ???

Sa tena "akipiliny" ao an'eritreriny ao fotsiny izany "lakan-drahona" izany, ary dia mamboatra image hafa indray izy ao @ imagination-ny ao ?? asa hoe, misosa sahala @ superman miakatra fotsiny, mamaky ny rahona, fa tsy hoe "entin'ny rahona" ??


fa be dia be ny abobo lazaina avy etsy @ alitara ho'a, dia ilay olombe mba nahita ny hitany ao ampiangonana anefa dia mitelina tsy mihontsona ao... Ohatra abobo hafa, ilay lazain'i Endriny hoe, "ny kintana miraraka dia famantarana"... dia hoe, @ izao fahalalana hanananao izao ve, dia mbola manaiky an'izany ianao ?

Ny fanontaniako dia hoe : tena ahoana ilay raisonnement ao ka lasa mampety ny "inoana" an'izany rehetra izany e ????
35. RBNIR ( 25/05/2015 18:24)
namana rhajo, taloha dia toy ny mandainga raha hilaza fa hisy olona ho tonga eny amin'ny volana.....
36. rhaj0 ( 25/05/2015 18:46)
ok.. dia tena mino izany i RBNIR fa "hitaingina rahona" rahatrizay; ka efa i Jesoa mihintsy no t@ fotoan'androny, no efa HITA fa "nitaingina rahona", araka ny voatatitra tanaty Baiboly.

ary efa nandeha roplanina i RBNIR io...

Sa indray, tsy ny vatantsika toa izao io no mitaingina izany fa ny fantome-ntsika ?
Sa moa ... ny atao hoe "rahona" araka ny filazan'ny Baiboly azy, dia TSY ilay "rahona" araka ny fandraisantsika azy izao, fa rahona-special mbola tsy fahita, ary tsisy voambolana mahalaza azy, fa dia antsoina hoe "rahona" fotsiny aloha ilay izy izao..
37. RBNIR ( 26/05/2015 07:19)
rhaj0:

Sa indray, tsy ny vatantsika toa izao io no mitaingina izany fa ny fantome-ntsika ?

Ny teny dia milaza hoe hakarina (tsy mampiaka tena fa hakarina.....ny moyen de locomotion tsy voalaza....) ary araka ilay teny ery ambony dia omena vatana vaovao aloha dia iny vatana vaovao tsy mety lo iny no miakatra......Izany hoe misy vatana fa saingy vatana vaovao tsy mety lo (mahazaka atmosphera vaovao ihany koa)......
38. Strong3 ( 26/05/2015 07:25)

gasysud:


5laody - 22/05/2015 10:54

Tokotokony hahatanty resabe ihany ianao ato amin'ny fivvahana finoana na dia voafaritra tsara aza ny zavatra tadiavinao.



Tsy fantatro inona no tianao ho lazaina amin'ny hoe mahatanty resabe?
Tsy nitady discussion aho, tsy nitady handresy lahatra ny hafa aho. Ny notadiaviko dia toko sy andininy fotsiny, valiny mazava no ilaiko ary rehefa tsy misy dia aleoko ajanona ny resaka fa tsy handany fotoana ifandahatra eto akory aho, fa ianareo te hiady hevitra afaka manohy.

Sa kosa tsy azo atao ny mangina....

Rehefa misy ilàna ny ady hevitra dia vonona aho fa ny amin'ity aloha tsy hitako izay iadiana hevitra.




KA AZONAO ARY VE IZAY NAMBARA ZA TSIA EH ...
androany milaza zavatra efa vita, ANIO MILAZA ZAVATRA HOAVY . midika izany fa hiaona zareo
39. 5laody ( 26/05/2015 11:00)

gasysud:

mba mitady ny toko sy andininy mikasika ny fiakaran'i Jesoa Kristy velona any an-danitra taorinan'ny nonombohana azy tamin'ny hazo fijaliana, azafady indrinra


Tsisy madinika
40. rhaj0 ( 26/05/2015 11:02)
RBNIR:
..Izany hoe misy vatana fa saingy vatana vaovao ...

okey dokey...
- ny "fotoana" na ny "fandrefesana fotoana" dia SAMY HAFA @ (fandrefesana) fotoana hainao izao io, na ao @ rakitr'i Ralarosy
- ny "vato" na koa ny "vatana" aza, dia SAMY HAFA @ concept-na "vato" sy "vatana" hainao izao io, na ao @ rakitr'i Ralarosy

Fa ny "(fandrefesana) fotoana" sy ny "vato" ary ny "vatana" sy izay zavatra hafa rehetra, izany concepts rehetra izany @ A.tra, dia mbola TSY takatry ny sain'olb akoriny, na mihintsiny.

Fa dia io no-imager-na araka ny sain'olb fotsiny ireo aloha ireo concepts ireo ao anaty Baiboly, ary images t@ taona 0 io misoratra io, k'aza gaga raha @ izao taona 2000 izao dia ... miha-"mahay" hatrany raolb, mahay Baiboly io, ary dia ... izay.

Ary na mbola TSY takatr'i raolb izao azany izany concepts rehetra izany, concepts araka A.tra, dia MINOU FOTSY aloha, fa hain'Atra foana koa ny hanazava izany aminao ao aoriana ao.


Miaiky ary tena misapOritra aho fa tena spin tsarabe izany kah...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2913