mitady toko sy andininy

61. RBNIR ( 28/05/2015 06:40)

gasysud:

RBNIR - 28/05/2015 02:28

endriny

2 kor, 10: "rehefa tsy hainaiky ianareo dia ho avy izahay hampanaiky anareo amin-kery"

Giravy be ilay fanerena ny olona hino an'ity kristianisma ity taloha: jinjaina izay tsy manaiky

Faly misera,
Dia tena izay v no nandraisanao ny 2 kor.10?
« [Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina]
Hitahy an-tsika anie Andriamanitra....

Miala tsiny fa mifamahofaho be ihany ilay resaka ka mba te hanotany kely , ahoana marina ny fomba fandraisana izay voasoratra ao anaty baiboly ao? Mazava be ny voalazan'ny 2 kor.10. Raha azoko tsara ny tianao ho lazaina dia tsy natao ho an'ny mpiserasera anie io teny io fa olona tany amin'ny andron'i Paoly no iantefan'izany teny.

Fanontaniana adaladala: Tsy nisy nanohitra sy nametaveta ny fahefan'i Paoly anefa teto. Maninona no cité-nao ato ilay toko sy andininy?

Message ho an'i endriny iny gasysud, normal raha tsy azonao ilay resaka....
Raha ny fomba famakiana ny baiboly dia tsotra : misy azo raisina ara-bakiteny (raha zavatra réel no lazainy) rehefa hita kosa fa irréel ny resaka dia mazava ho azy : manana heviny miafina izy izay....
62. RBNIR ( 28/05/2015 07:47)
ato izao misy karany amin'ilay iréel (manana heviny miafina) raha hamaky ianao BIBIDIA FAHAROA
63. rhaj0 ( 28/05/2015 10:50)
Giravy tokoany ilay vavan'i Rapaoly ao @ 2 Kor 10 io ry Endriny. Raha ny fahitako azy dia manana lela roa Rapaoly.

2 Korintianina 10:1
... ny fahalemem-panahy+ sy hatsaram-panahin’i+ Kristy ... 5 .. baboinay hankatò an’i Kristy ny hevitra rehetra. 6 Vonona koa izahay hanasazy an’izay tsy mankatò...

Ka raha tsotsorina dia karoty sy kibay foana ny adiny eo. Fa ny an'ny Kristiana moa, rahefa oainina fa mipetraka mazava toa io ny resaka, dia ampifamaofaony sy pasopasohiny ao, ary ho lazainy indray
- fa ny karoty anie azo atao kibay, ary ny kibay vita @ karoty,
- na koa hoe, ka ilay kibay anie virtuel na image fotsiny,
- na indray hoe, ny "kibay" lazain'A.tra anie ka tsy hotry ny "kibay" eritreretinao, fa kibay-fantome, ka rehefa mively dia toa mangatsiatsiaka fotsiny fa mahatonga saina eee... ary fitiavana daholo izany...
Dia inona fa dia miverina matory ny sainy...
64. endriny ( 28/05/2015 12:14)
Satria mantsy I Maty Rapaoly dia miaramila ka nihevitra izy fa ny hery no entina manery ny olona hanaraka ny fampianarany rehefa tsy azony mora ilay olona... Saingy ny olona koa sahy niady... dia taty aoriana novaina indray ilay paika... dia lasa hoe izay tsy Mankato sy manaraka anay dia ho very any amin'ny afobe ny fanahy rehefa maty izy

Dia misy hitany hoe tsy misy izany intsony izao fa efa taloha izany... hihihihihi jereo ny fanerena atao ny Iranianina sy ny tany silamo mba hankato sy hametraka ny fahalalahana ara-pinoana ankehitriny mba hidiran'ny kristianina
65. rhaj0 ( 28/05/2015 12:47)
Dia nefa io Rapaoly io indrindra izany no efa lasa any Paradisa koa hono izy teo...

Tsy sirika be ve fa tena rediredin-dRapaoly no betsaka, dia lazainy fa "didin'A.tra" mihintsy ny lazain'ilay mpanao plagiarisma-mivadika io, ary dia mino daholo tokoany ireo Kristiana, ary dia manaraka ara-baki-teny miolankolana ao...

Ka dia reveo ao izany ny anareo kouh... f'aza atao mi-deborde aty fotsiny fa ... lasa tsy mampihomehy intsony..
66. mariejoseph ( 28/05/2015 13:30)

5laody:

Tsy voatery asiana resabe akory

izaho tsy mahalala raha katôlika ianao fa ao amin'ny baiboly ao misy milaza hoe nakarina any an-danitra izy raha mbola nibajina teo ireo apôstôly, ny tiakko tenenina dia misy mistery fonosin'io teny io saingy ny masom-pinoana no manampy amin'izany. misaotra
Tokotokony hahatanty resabe ihany ianao ato amin'ny fivvahana finoana na dia voafaritra tsara aza ny zavatra tadiavinao.

Tsy fantatro raha katôlika ianao fa amin'ny fiekem-pinoana amin'ny teny frantsay aza hafa mihintsy ny voalaza : "Il est mort et enseveli, est descendu aux enfers"

tsisy nandika tamin'ny teny gasy toa misy hoe nidina tany amin'ny helo.
amin'ny teny anglisy "he descended to the dead."

ny fanontaniana hafa mipetraka dia hoe fa inona no nataony tany?

Miala tsiny fa tsy mpiangaly toko sy andininy.

Rhaj0>>> saika hananihany aho hoe ahoanao inona anaka izay omby maty any fa ny hena hanina. Kay ianao tsy mihinan-kena.
67. Strong3 ( 29/05/2015 06:55)
gasysud
68. RBNIR ( 29/05/2015 13:48)
Namana endriny & rhajo,
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

« (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); » (2 Kor.10:4)

Tsy avy amin'ny nofo ny fiadiana (tsy misy ady ara-nofo mihitsy) ary ny tanjona dia handrava fiarovana mafy....

« fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, » (2 Kor. 10:5)

Misy fisainanana izay natsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra (ary nisy fiarovana mafy nataon'ny devoly hiaro izany fisainana izany)......ireny fisainana ireny no ravaina ary ny tanjona dia mba hamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy......

>>>>>tsy ady ara-nofo, fa ady ara-mpanahy : ny devoly mametraka fiarovana hanoherana ny fahalalana n'ny olona an'Andriamanitra (mba ho ringana izay tsy mahalala an'Andriamanitra araka ity teny ity « Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hos.4:6)

Kristy sy ny miaramilany kosa dia mampiasa ny herin'Andriamanitra handrodanana ilay fiarovana mafy sy hamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy....

Ady ara-panahy fa tsy ady ara-nofo (nisy ny diso fandray dia nanaonao foana......)

69. rhaj0 ( 29/05/2015 13:58)
"ady ara-panahy"... okey dokey.. raha "TSY-mino ny fanahy" izany zahay, na hoe "tsy mino ny fanahy araka ny finoanareo azy ao" dia .. tsisy ady akoriny izany eee... peace, man :-)
70. endriny ( 29/05/2015 14:48)

RBNIR:

Namana endriny & rhajo,
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

« (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); » (2 Kor.10:4)

Ianao koa ity toa lalina koa: afangaronao ny liona sy ny omby, dia ny liona indray no itondranao vilona.... I Paoly sty JC na oviana na oviana... Jereo ilay hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranreo ny soratra masina. Midika izany aloha fa ilay atao hoe Testamenta taloha no boky mila ho hain'ny olona fa tsy ity Testamenta vaovao d'origine latine ity akory

Dia inona no idiran'ny tafika amin'ny ady raha tsy ady ara-nofo ilay izy... Dia donendrina daholo ve ny olona tsy mahalala hoe ady ara-panahy ange ity fa tsy ady ara-tsandry... Sa i Paly no tsy manana voambolana ilazan izany?

Dia tongatonga ho azy ve ny kroazady... Sa ady aram-panahy ihany kooa io?

Ny liona tsy afaka haka ny toeran'ny omby.
71. RBNIR ( 30/05/2015 20:30)
endriny:

Dia inona no idiran'ny tafika amin'ny ady raha tsy ady ara-nofo ilay izy... Dia donendrina daholo ve ny olona tsy mahalala hoe ady ara-panahy ange ity fa tsy ady ara-tsandry... Sa i Paly no tsy manana voambolana ilazan izany?

Misy ny voafitaka sy diso fandray dia teraka ny croisade sns.....Tsy mba fampianaran'i Kristy ireny namana......
72. endriny ( 01/06/2015 04:36)
Fa i Maty Paoly tsy Jesosy e... I Maty Paoly no sahy namono izay tsy manaraka azy arak'io voalazany io... Dia mitohy ny krazady... Ny famonoana ny Ameridianina tsy nety nivadika Katolika ( dorana, jinjaina amin'ny famaky....) ... Ny famonoana ny protestanta teto Mada faha
Robert-Laborde-Ranavalona...

Ny famonoana ireo vavy antitra lazaina fa mpamosavy any Afrika afovoany, sy any amin'ny sisiny

Dia ahitsiho amin'izay ahazoana kila daholo e...

Ny fandatsahan-dra zanaka nateraka (jesosy sy ny rainy) mba ho sorona aza lasa tsara ery sy mahatehotia aoka izany...
73. RBNIR ( 01/06/2015 04:43)

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Fampianaran'i Paoly namana = fampianaran'i Jesosy ihany.....

Mitady ho diso fandray tahaka ny sasany koa ianao ka mihevitra fa "ady ara-nofo" no noresahin'i paoly fa tsy "ady ara-panahy"......
74. endriny ( 01/06/2015 05:32)

Mba hivereno kely ange ilay Matio21. 29 aza fady e... Dia hainao fa Jesosy tsy nilaza aminao hoe ampio ny testamenta taloha...

Ny sisa fandrebirebena hakana kila fotsiny... Fampitahorana ohatran'ny fomba fanaon'i Paoly...
75. RBNIR ( 01/06/2015 05:45)
endriny:

Mba hivereno kely ange ilay Matio21. 29 aza fady e... Dia hainao fa Jesosy tsy nilaza aminao hoe ampio ny testamenta taloha...
Ny sisa fandrebirebena hakana kila fotsiny... Fampitahorana ohatran'ny fomba fanaon'i Paoly...

Tsy dia aiko loatra ny ifandraisan'ny mat.21:29 amin'ny resan-tsika eto satria ny teny entiko eto manazava fa ady ara-panahy no resahin'ny paoly fa tsy ady ara-nofo (izay mahadiso hevitra ny maro ankehitriny).......
76. endriny ( 04/06/2015 04:52)

Ilay Mat 22, 29 nentinao ery ambony ery no averiko aminao ny dikany fa diso fanoratra ilay izy e... Ny boky nasain'i Jesosy nianarana dia ny testamenta taloha fa tsy ilay noforonin'ny latinina akory... Moa tsy manamafy ny vavaka nampianariny va izany?

Fa ity lohaten'olon-kafa fa aleo hijanona eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3097