Ny Mpitondra Malagasy ve no tsy alehany sa ny vahoaka malagasy?

1. syxa ( 17/05/2015 19:01)
Nareo ve tsy leo an'ireto mpitondra malagasy tsy mahavita azy ireto e!andao mba hanao toy ny vahoaka Amerikànina,tsy mifidy malagasy intsony fa tsy maha vaha olana ny gasy nohon'ny fitadiavana voninahitra sy tombotsoa manokana.Mahamenatra raha hoarina amin'ny firenena hafa.
Tsy mahavita azy satria nahoana ?
-Ampoulen'ny poteaun-jiro aza tsy ao antsainy hoe 1.500 ar ny iray mba entina hanazavàna ireo olona nandatsa-bato azy.Vokany:maizina ny tanàna ka na ny tsy mpanendaka aza lasa manendaka,mitombo ny tsy fandriampahalemana,ny kely hananan'ny hafa lasan'ny sasany,tsatok'antsy atsy sy aroa...etc!Vahaolana:Ahenao ny filàn'ny tomponandraikimpanjakana tsirairay hividianana ampoule mba hilaminan'ny sain'ny vahoaka nifidy.(vahaolana tsotra dia tsotra nefa dia tsy ho takatry ny saina ve?).
-Tsy mitsahatra mamely ny dahalo any @ faritra rehetra any,maninona raha tsy mindrambola fa tafika avy any ivelany hafarana hanafoana ny asandahalo rehefa tena tsy tafavoakan'ny tafika eto antoerana ny manafoana izany?(mahagaga fa anisan'ny firenena be jeneraly i Madagasikara nefa firenena tsy miady!lol).
-Aiza ireo mpanolotsaina e!tokony handeha tongotra any anaty tanàna mba ahita tsara ny olan'ny mponina fa tsy any anaty fiara,ampiasao ny serasera @ mponina e!
*Ny fandriampahalemana no antoky ny fampandrosoana*Aiza anefa ny antsika e?raha vao miheritreritra ny ampiasa vola ianao dia ny sécurité no ao antsaina voalohany,maro no tsy sahy mampiasa vola ka dia maro ny tsy an'asa,vahaolana:ataovy laharampahamehana ny fandriampahalemana aloha,fa na ho lasan'ny malagasy daholo aza ny kitampombolan'ny FMI tsy hisy zavatra hanjary eto.
Apetraka ny fanontaniana hoe:Iza marina no tsy alehany eto?
-Tsy mba hisy malagasy iray ve ahavita ny ataon'ny Père Pédro izay tsisy tsy mahalala azy manerantany ary henatra ho an'ny mpitondra malagasy ny asa ataony?Omena an'iza ary ny fitondrana e?Misy karàna malagasy mahay ao ohatran'i Obama,misy sinoa malagasy mahay ao ohatran'i Obama,misy vahiny marobe ohatran'i Obama ao e!Sa aleo ihany isika ohatr'izao foana?
-Efa mitsoaponenana antsitrapo makany ivelany sisa ny ankamaroan'ny malagasy,aleony mifidy ny ho faty atsy Liban,koweit,.......etc toa izay maty eo ambony fahantrana,mahaontsa anie izany e!Ny vehivavy tanora lasa mamono tena lalaovin'ny vahiny lahiantitra fa tsy manana fanantenàna intsony,tsy mahita aleha intsony ny nahavita fianarana rehetra,tafiditra eto avokoa ny karazana hosoka rehetra(fanafody,sakafo,etc...).
Hevitra sendra tonga io ka anjarantsika tsirairay no mandinika azy,raha misy diso dia avereno aty amin'ny mpanoratra,ny fanontaniana mila valiny dia ny hoe:iza no tsy alehany?ilay nifidy sa ilay nofidina?
Mirary soa antsika rehetra!
novalian'i rhaj0 ny 19/05/2015 14:24
2. tovorandria ( 18/05/2015 11:36)
1- marina ireo tranga maro samihafa voalazanao ireo toy ny tsy fandriam- pahalemana, eny na ny havako aza dia anisan´ny victime: voasoloky matetika, voaroba sy vaky trano sns...
2- marina ihany koa fa tsisy mpitondra malagasy hiasa saina an´izay fahorian´ny vahoaka izany.
3- mbola firenena tsy misy demokrasia i Madagasikara, ary ny tsy fanajan´ireo mitondra nifanesy mandrak´ankehitriny ny safidin´ny vahoaka dia tsy rariny ihany koa.

Fehiny: raha ny vahiny atao hitondra malagasy araka ny hevitrao nefa dia tsy vahaolana amiko satria ny malagasy toa anao aza tsy mivaky loha anao maika fa izy vahiny izany???
Araka ny hevitro: raha ampanjakaina ny safidin´ny vahoaka, raha tsy ataon´ny mpitondra sy ireo havany hoatran´ny fananany ny firenena oh: voafidy na voatendry ho izao rahanina dia indreo fa izy ny havany 1 manontolo no betsaka mitondra ao, raha tena tia ny asany ireo natao hitandro ny filaminana dia tsy ho maro toy izao ny loza etsy sy eroa.
3. rhaj0 ( 19/05/2015 14:24)
Raha ny fahitako azy dia ..

1- mila mahatoky sy mila paozitifa iana(re)o fa tsy maintsy "hihodina" ny baolina...

2- ny fihodinan'ny baolina dia "tsy vita in-1 andro"

3- ka dia ataovy ny tandrifinao.. erikerika mahatondra-drano.. ho avy hanaraka anao eo koa ny olona, fa toa "omby in-1 mandry io, tsy in-1 mifoha"


Hevero ihany fa na dia aty @ tany mandroso azany, dia mbola misy mihintsy ireo mahavanon-doza toa izany, ary mbola be ny cafouillage sy ny ezaka hanarenana ny lalAna isorohana ny fisian'izany...

mahereza e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911