Tantarao ny tao am-piangonana teo

1. rhaj0 ( 15/05/2015 13:26)
Mba tiako ho heno azany ny hita sy renao tao am-piangonana tao t@ iny faran'ny herinandro iny.. - Na paozitifa (mahafinaritra, mahasoa, mahaliana, mampihomehy, maha-ontsa, ets...)
- Na negatifa (mahatsiravina, manimba saina, manatery ny fijery, mankadoa, mankaleo, ets...)

Ny ahy izao, t@ fony kely ho'a, dia mahafinaritra ilay manonofy mandrevirevy rehefa ao iny... ilay superman-miankanjo-fotsy-mitaingina-soavalikely ho'a ka tena be aventure mihintsy mandehandeha eny @ poutre eny...

Dia fony tanora, maka dernier banc dia finaritra mijery mpiangona mianjaika ee... dia indrindra rehefa ilay mifandimby manati-drakitra iny, dia mijery "ny famindra tanora milaika toy izao", hozy ny hira... Fa indraidray maka premier banc ihany, rahefa ilay mijoro eny aloha iny ny choral.. io sahala @ mijery opera ihany hono: hoe avy aiza tsara ilay feo no maka bahana aaa ? :-)
novalian'i endriny ny 22/05/2015 08:34
2. rhaj0 ( 15/05/2015 16:44)
.. ndrekaiky ooo... tsisy mankany am-piangonana 'le olona eto.. na nilaozany natory tao dia tsisy hitany sy reny.. :-)
3. 5laody ( 16/05/2015 12:23)

rhaj0:

Tantarao ny tao am-piangonana teo


Adinon'Ingahy mpampianatra kosa angamba ny nametraka hoe firy points no azo, adin'ny firy ny faharetan'ny fanadinana dia andalana firy eo ho eo no ny halavan'ny fanadihadihan-kevitra.:)
4. bor2lais ( 16/05/2015 13:15)
5laody:

Adinon'Ingahy mpampianatra kosa angamba ny nametraka hoe firy points no azo, adin'ny firy ny faharetan'ny fanadinana dia andalana firy eo ho eo no ny halavan'ny fanadihadihan-kevitra.

:-)
Amin'izay toa tsy nataon-dramose tao an-dakilasy akory io programa io (satria lazainy fa tsy ilaina hono) ?
:-)
5. rhaj0 ( 17/05/2015 20:46)
Mampihomehy izy izany.. Izaho mba manantsafa fotsiny fa tsy hoe manome fanadinana... ary toa lasa izaho indray azany no voahadin'izy mi-tsam :-)

Fa tsy quoi e... rahefa tsisy manan-kambara ny paozitifa ny ao am-piangonana ao, rahefa tsisy mahasahy milaza ny negatifa ao koa, dia ... he he .. aza zaraina fa kobony ho anareo irery e.. na afeno ao an-tsalaka ao e... nareo azany mahavita an'izany kouh.. izaho ve haninona...

Fa izaho indray k'lou ry Bor2lais tsy nilaza mihintsy fa TSY ilaina ilay mitangorongorona ao ampiangonana ao.. Ataok'ty in-1 mandeha aho nampiresaka hoe, tena namorona "fivoriana fiarahana" ny atheista fa misy mahatsapa fa tena ilaina izany, fa fotsiny, ny atao ao, tsy manipy tanana any an-danitra sy migonongonona, fa hotrhotry ireny seminaire scientifique ireny ihany...
6. Strong3 ( 19/05/2015 07:54)
ka inona moa izany no mba ilanao ilay tatitra madinidinika eto ry rhaj0?...

hoan'ny manaradrenirano dia fanalan'andro sy hamohamo na fahasorenana na mampitombo olana ny fankanesana any... hitsara ny toritenin'ingahy pasy sy damoprà ; hoe diso na mamely lohatra na sns...

ny mpiasa be voton'anantra indray dia manao eny tompoko izay zavatra tantaraina eo...

fa ny tena kristiana dia makafy ny fihaonana amin'Izay Atra tadiaviny izy, ary faly fa miombona hazakazaka amin'ny namany hafa (dia ozy indray izao ny vavan'ny tsimisiAtra: __ mihaona amin'i Atra hono)
hihihi....

dia manao seminaire scientifique izany ny tsimisiAtra... satria ireny no mampivoatra sy mampandroso ary mahasoa ny fiainana eto ambonin'ny tany .
ie , ny fanahy tsy hita sy tsy hay na hitsangana tokoa ve moa hiasana saina lalina...
fa dia mikaroka mikaroka ao ny zanak'olombelona ,maty ihany tsy hita izay vokany fa ny hafa indray no mandimby, dia miedinendina rhefa mioty vokatra, kanjo ... rehfa afaka fotoana hafa dia disoin'ny sasany indray iny fa misy vokatra mahomby kokoa noho ilay NANDANIANA fotoana lava sy nahafatifaty tsy nampatory andro aman'alina.

dia toa robot hoa ny scientifique ... sy ny tsimisiAtra; tsy manana fitsaharana fa mitady ny ampitso lava tsy hoan'ny tena
7. rhaj0 ( 19/05/2015 12:54)
ny mpiasa be voton'anantra indray dia manao eny tompoko izay zavatra tantaraina eo...

mijery an'ireo izao ny ahy no lasa fataoko rahefa (sendra) mankany ao...[size=8] (efa tsy mijery ilay famindra tanora intsony eee..[/size] :-)
Fa hoe, tena mba olombe sy mba nahita ny hitany tokoany ity olona izany, nefa dia tena tsisy hetsika, na manao alleluia akoriny aza, rahefa miteny absurditE ilay etsy aloha etsy...
8. Strong3 ( 20/05/2015 08:49)
hihihih... mba mandehana any nge ianao amin'ny alahady izao eh... fa tsy mandilatra io zavatra lazaiko io no hitanao any... sady ianao moa tsy vonona hihaino izay lazain'ingahy bôbara ery aloha ery

dia mba tantarao rehefa mandeha iny ny fitatazana rakitra na toriteny na fandraisana ... fa ireny ry zalah mivoaka kely dia misitona sigara sy makamaka sisiny , ny vhv jefijefy miseratserana eny akaikikaiky eny sao mba misy nivoaka ilay nahataratara azy tao anatiny tao...
takoritsika eny ambony dabilio, matory ny sasany, mivanikika ny sasany,... sns

any amin'ny sekta indray , mifaninana izay tsara feo ny tanora... ao ny didin-akanjo, ny famirapiratana dia mitambatabatra eny ny mavomavo dia mitokana ery ny efa madiodio dia mahazo micro efa mamiratra sy notahian'ny tompony hono.
... de ingahy mpitarika ery efa manao aleloia fotsiny fa betsaka ny mpiangona . efa betsaka koa moa izao ny mitsiriritra ny mpiangona ao ampiangonany ao , ka na vhv mandrangitra na zazakely vavy na lahy dia tsy mahatafatombina an'ingahy mpitarika.
dia gaga enw hoe nivoaka gazety fa niakatra fitsarana rakoto fa nanolana ...mdr
9. rhaj0 ( 20/05/2015 13:09)
dada ka dada koa nareo ao izany... Dia lasa izay izany ny hoe fiangonana kouh... nefa toa io no nahasaro-piaro be an'i JC raha ny kely tadidiko... Ka dia ao ho'a zany nareo eee...

Fa tena vao omaly indray aho izao tany ampiangonana.. fa resaka famoriana olona amina resaka varotra trano ny natao tao... esy e... mila vola i rafiangonana ka dia nahofa ve ilay toerana, sa... aleo raisina @ ilay hoe, "sitrapoNY" daholo izany, ary dia "hitany fa tsara izany" eee... nahasoa kosany k'lou ny fivoriana tao e...
10. vahiny2004 ( 20/05/2015 14:40)

rhaj0:

dada ka dada koa nareo ao izany... Dia lasa izay izany ny hoe fiangonana kouh... nefa toa io no nahasaro-piaro be an'i JC raha ny kely tadidiko... Ka dia ao ho'a zany nareo eee...

Fa tena vao omaly indray aho izao tany ampiangonana.. fa resaka famoriana olona amina resaka varotra trano ny natao tao... esy e... mila vola i rafiangonana ka dia nahofa ve ilay toerana, sa... aleo raisina @ ilay hoe, "sitrapoNY" daholo izany, ary dia "hitany fa tsara izany" eee... nahasoa kosany k'lou ny fivoriana tao e...


Mba manana budget de fonctionnement koa anie ny fiangonana fa tsy hoe mandeha ho azy .

Communauté ny fiangonana , misy projet en permanence foana , sinon maty tahaka ny communauté rehetra tsy manana projet
11. Strong3 ( 22/05/2015 08:08)

rhaj0:

dada ka dada koa nareo ao izany... Dia lasa izay izany ny hoe fiangonana kouh... nefa toa io no nahasaro-piaro be an'i JC raha ny kely tadidiko... Ka dia ao ho'a zany nareo eee...

Fa tena vao omaly indray aho izao tany ampiangonana.. fa resaka famoriana olona amina resaka varotra trano ny natao tao... esy e... mila vola i rafiangonana ka dia nahofa ve ilay toerana, sa... aleo raisina @ ilay hoe, "sitrapoNY" daholo izany, ary dia "hitany fa tsara izany" eee... nahasoa kosany k'lou ny fivoriana tao e...


DIA MISAOTRA anao izany fa niditra fiangonana ... i Kristy hoa tsy nanangona rakitra tany ampiangonana izany rhaj0 na koa hoe namorona fiangonana
tempoly no naoriny, dia ny olombelona izay mino Azy. ao antinao ao ilay tempoly aoriny fa tsy trano be (Jaona 4 afaka vakianao rehefa mbola miverina any ampiangonanareo any ianao)
__ ka aza kivy hoa ianareo sy endriny rehefa tratran'ny mpanambaka ao ampiangonana baoritra ao hihihi... :-)

« Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona 4:20)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. » (Jaona 4:21)
« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona 4:22)
« Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)
12. endriny ( 22/05/2015 08:34)
Ny hitako: trano lehibe feno olona mianjaika, ny sasany nandeha tongotra ka somary mavo ny kirarony, ny sasany nandeha fiara ka sady manim-pofona no manjelatra ny kirarony. Jiro mirehitra be dia be sy ecran plan hijerenay mipetraka aty aoriana izay ataon'i pasitera.

Ny reko: olona mandeha mikatrokatroka kiraro, olona misosa ny zanany miresaka, pasitera mikabary, mananatra, olona mihira, vola mikorintsana..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5184