nametram-pialana hoe ny PDS Antananarivo renivohitra ?

1. ravatorano ( 08/05/2015 06:40)
raha ny vaovao reko alina dia nametram-pialana tsy ho PDS an'Antananarivo renivohitra intsony Ingahy Ny Hasina Andriamanjato ! ny antony reko dia hoe mba hahafahany miteny sy miresaka bebe kokoa momba ny raharaham-pirenena ! asa izay ambadika hafa na koa hoe hilatsaka ben'ny tanana'Antananarivo renivohitra izy na ketrika hafa mihitsy ! sao aza dia izany no tsy handraofana ireo fako marobe ireo izay ho entina hanaovana propagandy politika fotsiny indray ka rehefa tonga eo ami'ny toerana dia atoby indray ! eissssih ! ntssss !
2. hafahafa ( 08/05/2015 07:41)

ravatorano:

raha ny vaovao reko alina dia nametram-pialana tsy ho PDS an'Antananarivo renivohitra intsony Ingahy Ny Hasina Andriamanjato ! ny antony reko dia hoe mba hahafahany miteny sy miresaka bebe kokoa momba ny raharaham-pirenena ! asa izay ambadika hafa na koa hoe hilatsaka ben'ny tanana'Antananarivo renivohitra izy na ketrika hafa mihitsy ! sao aza dia izany no tsy handraofana ireo fako marobe ireo izay ho entina hanaovana propagandy politika fotsiny indray ka rehefa tonga eo ami'ny toerana dia atoby indray ! eissssih ! ntssss !

Misaotra mizara vaovao namana a!
Fotoanana isainana mitsiny zao hanehoana ny tena safidy mba tsy hanenenana avy eo fa anomboka indray ty ny kobaka ambava sy ny ronono antavy.
3. tovorandria ( 08/05/2015 14:21)
marina mintsy ny eritreritrao ravatorano,
efa noteneniko tamin´ny lohahevitra teo aloha fa ataony fanahiniana ny tsy nandraofany ny fako, dia avy eo izy hanao propagandy hidoka2 tena, hanala-baraka ny fako eran´ny tanàna hoe feno fako eran´Antananarivo dia mody manao asa soa kely etsy ankilany, nefa dia izy ihany no hanala baraka ny tenany, tena mampiesona vahoaka mitsy ireo mpanao politika ireo.
4. tovorandria ( 08/05/2015 14:26)
ny antony ilatsahan´i Hasina Andriamanjato ho Ben´ny tanàna eo nefa tsy sanatria hanasoa ny vahoaka na ny tanànan´Antananarivo fa kosa ny vola miditra any am-paosiny irery ihany no tanjony. Miala tsiny aho raha milaza ny hevitro fa izany no zava- misy dia tsy maintsy teneniko.
5. laurie ( 10/05/2015 12:24)
Manamarika izao fihetsiny izao fa sarotra ary tsy mora ny fitantanana an'Antananarivo. Ny mahagaga dia misy olona tsy mey miaiky mihitsy hoe mila fahavononana, fahaizana ary finiavana be dia be ny mitantana tanàn-dehibe indrindra fa ity Antananarivo ity izay tena asa goavana. Tadidiko tsara ny nahazo ny PDS teo alohan'i Ny Hasina, niharitra ny opa sy ny fanenjehana satria nolazaina fa tsy mahay mitantana tonga hatramin'ny hoe na "fako ary tsy voahala". Io manaporofo fa manahirana ny mitantana io fihetsika nataon'i Ny Hasina io, satria na inona na inona ambara dia niala izy satria tsy vitany intsony ny ni-gerer an'ireo olana maro ireo. Izao kosa angamba vao ho tonga saina ny sasany izay nanenjika an'i Edgard teo aloha hoe nahavita sady niaritra ny tsikera no nahavaha ny olana tsy nametra-pialana!
6. ravatorano ( 15/05/2015 07:31)
tsisy zavatra mora kosa aloha e mila fahaizana finiavana araky ny voalazanareo tokoa ny fitantanana an antananarivo renivohitra ankoatran ny hoe fahaizana mitady vola na sponsoring io na ny fanatsiketsehana ny fanjakana hanome ny anjara vola ao anatin ny tetibolam panjakana fa tsy ho giazan ny fitondrana foibe ohatra ! mangina fotsiny izay fa aza adino fa ny mponina rehetra mipetraka ao amin io antananarivo renivohitra io dia isan ny tompon andraikitra ihany koa amin ny fahalotoana sy ny fako miely etsy sy eroa mila fanentanana goavana mihitrsy ary fanovana toetsaiana ny momban izay ! ny fifidianana moa ity ho avy ary efa re tsiliantsofina any ny ho kandidà d ho hita eo indray eh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0927