sekta

61. gasy1zay ( 13/05/2015 17:47)

rhaj0:

Hotry ny tsy azonao ny baolina.. Raha i JC no "zanak'Atra", dia araka ny 3 noho 1, dia "Atra" koa i JC.
Dia ianao izany "lasa zanak'Atra", dia ho lasa "Atra" koa ve izany ianao Gasy1zay, fa satria "zanany" ?? Sa ny "zanany" TSY mitovy @ rainy ???

Tena dizina ve ianao ao e ?.. izaho k'lou dizzy ee.. mihodikodina hafahabe ilay resaka :-)

Tsy izaho irery ry rhaj0 fa izay rehetra mino an'i Jesoa Kristy ka manaiky ny famonjeny a! Izay anie no antony hahafahan'ny mpino hiditra ny lanitra e!
62. rhaj0 ( 13/05/2015 19:34)
RAha ny fahazoako azy izany dia,

1- "zanak'Atra" (dia "lasa A.tra" araka ny lozika 3 noho 1) daholo izay (tafiditra) ao an-danitra ao.

2- Ary tafiditra any an-danitra satria nahazo laisser-passer raha vao "mino an'i JC". Izay rehetra tsy mino an'i JC dia TSY mahazo laisser-passer.

3- Fa mbola tsy maintsy mibebaka ireo mino. Izay tsy mibebaka dia tsy tafita koa, na dia efa manana laisser-passer azany. Ary ho "betsaka no TSY voafidy".

4- Fa tena mbola tsisy hoe, avy tany no niverina dia nitantara, nilaza hoe toatoan'ny ahoana izy any. Fa kosa, ny Baiboly, dia milaza @ antsipiriany, h@ trompetra tsofina, ka h@ ny soavaly mi-tagadi-tagada...

5- Dia ny "vahoakan'Atra" dia ... t@ voalohany dia ireo tao Canaan. Ireo vahoaka manodidina, toa ny tao Mesopotamia na Ejipta, dia fahavalon'ny "vahoakan'Atra". Fa taty aoriana, dia nisy didy decret tampoka teo, ary dia "vahoakan'Atra" daholo @ izay hono, na dia vahoaka TSY fantatry ny Mpaminany, na i JC, na koa izay nanoratra ny Baiboly azany,... vahoaka tsy fantany akory ny fisiany.

6- Dia ny "mamisavisa" an'ireo, indrindra ilay hoe, ho lasa (zanak') A.tra sns io no "mahasambatra" (an-dry Gasy1zay), ary mahatoky i Gasy1zay fa ho tafita..
- na dia ratsibe tsy ara-drariny/hitsiny azany ny fiainan'i Gasy1zay eto an-tany,
- na dia efa lazaina aza i Gasy1zay fa "betsaka no TSY fidiana"
- na dia TSY taranaky ny taranaky ny "vahoakan'A.tra" originelle azany i Gasy1zay
- na dia TSY nanaraka an'i JC ka namela ny "rediredin'ny olb", toa ireo Amish, azany i Gasy1zay, no koa, mbola mikatsentsitra ny vokatry ny hatsembohan-tsain'ireo olb (indrindra ireo tsy-mpino sy siantisa)

Fa dia "sambatra" foana ihany i Gasy1zay na izany azany e... lojikabe ireo rehetra ireo aminy. Efa mihevitra fa efa tafita akoriny ho'a azany izy ao, satria ao @ "valimbavakany" ao, dia efa miresaka an'A.tra i Gasy1zay (sa moa c ton frerot Strong3 io efa miresaka io?)

Izay izany an ? [size=4]mahazo mihomehy @izay ve aho?[/size]

63. endriny ( 14/05/2015 04:07)
Jesosy aza niteny hoe ianareo no sampana... dia mazava iany fa secte izay manaraka an'i Jesosy na iza izy na iza
64. gasy1zay ( 14/05/2015 13:35)
hain'i rhaj0 ve ilay fanoharana Mpanjaka nanasa olona dia tsy tonga ireo nasainy ( Matio 22:1-14)? Raha azonao io dia ho hitanao fa mitombina ihany ireo notanisainao teo ambony ireo na dia heverinao fa mifamaofao be aza.

Aleo ampiko kely ianao rhaj0 sao lazainao fa resaka "dizina" ohatrany ilay toko sy andininy tao @ Isaia izy ity,

Mpanjaka nanasa = Andriamanitra
Fetin'ny fampiakarana= fiainana mandrakizay
Ireo nasana voalohany nefa tsy tonga = ireo zanak'Israely tsy nanaiky an'i Jesoa ho mpamonjy
Ireo nasana hafa = ny olombelona rehetra nahare ny filazanatsara
Ilay tonga nefa tsy niakanjo tsara= nandray ny filazantsara nefa tsy nety nibebaka

65. gasy1zay ( 14/05/2015 13:42)

endriny:

Jesosy aza niteny hoe ianareo no sampana... dia mazava iany fa secte izay manaraka an'i Jesosy na iza izy na iza

Fa maninona anefa raha secte rehefa Jesosy ny fototra e! Ny kristianina dia manaiky an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny, manaiky an'i Jesoa Kristy ho ilay Mesia, manaiky an'i Jesoa Kristy ho zanak'Andriamanitra ka raha tsy manaiky izany ny fariseo sy ny mpanoradalàna inona moa no antony hanarahana azy fa aleo misitaka raha izay no sekta tian'i endriny ambara. Tsy hitako hoe inona ny olana @ izany raha izaho manokana.

Tena marina anie ny anao ry endriny fa ireo @ Judaisma tena mbola resy lahatra hoe tsy izy Jesosy fa mbola miandry Mesia ry zareo hatr@ izao.
66. rhaj0 ( 14/05/2015 14:24)
gasy1zay:
ho hitanao fa mitombina ihany ireo notanisainao teo ambony ireo

iiieeeeee... tena voarary tsara ilay "intrigue" (a secret or underhand scheme; a plot). Tena hollywoodiana ho'a... Ny tiako lazaina, rahefa "voarary" tsara koa ny filma Start Trek na Star Wars dia tena "mitombina" daholo tokoany ilay "regles de jeu" sy ny "zava-misy" ao @ ilay filma. Asa ianao raha mijery an'ilay serie "Big-Bang Theory" an-dry Sheldon sy Leonard ary Rajesh ... fa tena miady hevitra lalina zareo "manaporofo" fa "mitombina" tokoany ilay "intrigue"-n'i Star Trek na Star Wars...

Fa iana(re) izany dia "mino" tanteraka (ara-baki-teny) an'izany rehetra izany eee.... Rahefa "mino" dia tena tsisy iadiana hevitra io fa izay izany.

Fa izaho k'lou dia tena tsy "mino" ee.. "tantara" ka "tantara" daholo fotsiny ho'a izany amiko, mba "hampahendry" ny fiaraha-monina. Izaho mahita absurditE sy incoherence be dia be, fa ny anareo ve moa tsy hoe, "tsy takatro" no dikan'izany eee... na hoe mbola misy message secret tsy fantatrao, na tsy voa-dechiffrer-nao ets..

Fa mahasoava ao ho'a azany ee... ao nareo mba misy excitation sy misitery ny fiainana..

Fa averiko fotsiny ihany : tena TSY mahakasika anay izay "inoanareo" ao e.. Hoe migorisa mankatsy sa mankaroa, na hoe avy tatsy sy taroa ve ? tsy migorisa zahay ary tsy mankatsy mankaroa, na hoe avy tatsy na taroa... hoe maneno ny trompetra dia tokony manao an'izao ?.. tsy mahare trompetra re zahay ary tsy @ izany hanao an'izao izany.. hoe raha nisy izao dia satria IZY no nanao an'izany ? ... ntsss.... dia eo ianao izany eeee...
67. gasy1zay ( 14/05/2015 15:45)

Mahagaga tokoa ry rhaj0 hoe @ olona sasany mora aminy kokoa ny mino ny E.T noho ny mino an'Andriamanitra e! raha ny hevitro satria ny petit homme vert mety tsy maneritery ny fiainany hoe : aza mijangajanga, mimamo,mangalatra,sns sns ...
68. rhaj0 ( 14/05/2015 16:00)
petit homme vert no tena naha-hendry ny zanako ohatra kouh... hozy aho hoe, raha ela mikaka eo ianao, dia hisy ET mivoaka avy ao @ bidet dia ho tsongoiny ny dodosinao.. tonga dia nitsangana ny anao :-)
69. gasy1zay ( 14/05/2015 16:19)
Ok Ok! azoko zany, dia toy izay izany ny fahitan'i rhaj0 ny fivavahana hoe toy ny E.T na dadabenoely tantaraina ny ankizy e? Nefa anie ny ankizy rehefa manao tora-po @ papa noel dia isika R+R no mikofokofoka mafy manome ny zavatra nangatahiny e! Dia ahoana izany ny kristianina nivavaka? Avy t@ iza ireo valimbavaka noraisiny? t@ ny mpanoratra baiboly ve?
70. rhaj0 ( 14/05/2015 17:28)
Ilay "valimbavaka" dia nantsoina hoe "valimbavaka" fotsiny re ry Gasy1zay a.. fa ny zava-misy rehetra ireo dia misy causes a effets, na koa relationnels daholo.

Fa rahefa tsy takatry ny saina(o) dia peho ho A.tra dia samy miala eee... sahala @ bilagin'ny yatch sa sambo: rahefa tsy hay ny (manoratra) yatch dia sambo daholo rehefa mandeha ambony rano
71. Strong3 ( 15/05/2015 06:09)
hihihi ka tsy sambo ihany ve izany eh? :-) ... na la pont na le pont ... mdr

efa tenenina foana amin'io "valim-bavaka" io.

Zanank'Atra; TOKANA ATRA...
Ohatran'ny hoe Tokana ianao raim-pianakaviana ao antrano , fa ny zanakao mitondra ny anaranao sy ny momba anao, ohatra tamin'ny andro taloha ; andriana... dia andriana daholo ny zanakao sns...

fa ilay 3 en 1 hoa dia mbola betsaka ny midororororo hihihihih ....
raha mba fantatrareo ny Jaona 1:1-4 dia ho mora aminareo ny manakatra azy io.

fa izao dia lasa iomehezan'ny sasany hoe 3 personnes en 1prs hihihihih.
72. rhaj0 ( 15/05/2015 14:49)
hey ... i Jaona ve no nanoratra ireo ao @ "rakitr'iJaona" io, sa olon-kafa no nitantara ny hita sy ren'i Jaona ?
73. rhaj0 ( 15/05/2015 15:07)
oops.. fanontaniana adaladala... Olon-kafa no be tantara ny hita sy ren'i Jaona..
Jaona 1:6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
74. gasy1zay ( 15/05/2015 19:04)

rhaj0:

oops.. fanontaniana adaladala... Olon-kafa no be tantara ny hita sy ren'i Jaona..
Jaona 1:6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.

Misy an'i Jaona mpanao batisa (io tantarainy io) ary misy an'i Jaona apostoly (mpianatry Jesoa Kristy)
75. rhaj0 ( 15/05/2015 19:57)
ok ok... https://www.google.ca/?gws_rd=ssl#q=who+wrote+John+1
The author is John son of Zebedee (see Mk 1:19–20)—the apostle and the author of the Gospel of John and Revelation (see Introductions to both books: Author). He was a fisherman, one of Jesus' inner circle (together with James and Peter), and “the disciple whom Jesus loved” (Jn 13:23; see note there).

Raha ny fazahoako azy izany dia i Jaona (ihany) no nanisisika ilay hoe, "izay mino an'i JC ihany no avotra"... Fa tsy i JC mihintsy no niteny hoe, "izay TSY mino ahy dia TSy avotra"..

Sa izaho no tsy kOpy ?
76. Strong3 ( 20/05/2015 08:57)
enw no tsy kopy ka
77. rhaj0 ( 20/05/2015 13:02)
[size=5]f'hita fa i Rajaona no jaonjaonina tao dia be-famaritra toa rambon'osy hoe, "izay mino an'i JC ihany no avotra"... dia iny koa ianao koa dia mino(mi)no foana an'i Rajaona ao koany koa... fa dia ao izany ianao e...[/size]
78. Hajarilala7 ( 22/07/2015 06:36)
Ny atao hoe "secte" aanie ka niala tamin'ny tenany fa tsy hoe "sampana"é! Sampana = branche fa sao dia diso ianareo.
Maro ny olona tsy mahafantatra ny atao hoe "MIBEBAKA"! Ny atao hoe mibebaka dia olona miverina amin'ny fahamarinana ka isan'izany ny fialana amin'ny ratsy. Izany hoe "secte" tonga "branche" na sampana.
Ny ankamaroan'ny olona mantsy dia mihevitra rehefa nangalatra izy teo aloha, ohatra, dia tsy nangalatra intsony dia milaza fa nibebaka, marina fa tsy ampy! Tsy maintsy manao ny sitrapon'Andriamanitra rehetra vao ho vonjena, araka ny Matio 7/ 21-23. Ho aminareo ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167