NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony

21. endriny ( 25/04/2015 04:35)
Inona koa moa izay Atra any na tsy hainy aza... Angaha misy fanontaniana an'izany any amin'ny CEPE...

Milaza kristianina daholo ity Malagasy rehetra ity, na bodo na adala... Dia mba jereo ny toetry ny tanora kristianina ao anaty bus.... Ampitahao min'ireo tanora mpandeha taxi-brousse mankany Manalalondo...

Dia hoy aho hoe : arakaraky ny mampitombo isa ny fiangonana no maha-gaigy ny mpiangona ao aminy.

Tsy heno intsony ny teny hoe: velona, raha misy mivona ao anaty taxibe

Tsy misy te hahalala izany bevohoka sy mitaizakely sy antitra izany intsony fa rehefa tsy mahazo toerana izy... Izy no te andeha eo e...
22. Strong3 ( 27/04/2015 11:35)
ngamba ilay lohahevitra tsy dia mazava amin'ny rhaj0

ny tsy fahalalan'ny olona ny antony hivavahana sy hino an'Atra , dia an'isany io tsy fitondrana azy hivavaka sy hampiditra azy ao anatin'ny fahatakarana ny amin'Atra

__ asa raha mba tsaroan'i rhaj0 ny firehana Epicurien , fa mihoatra lavitra noho ireny ny tena kristiana, tsy tahaka irony troupeau lazain'ny sasany fa tsy mahalala fomba any anaty bus irony...
manalalondo hono hihihi... ny fomba hainy ihany no ampiariny fa ny fiarahamonina tsy raharahiany? mdr iny resaka iny ... sao lasa resaka raciste indray izy ity rehefa manonona manokana
23. rhaj0 ( 27/04/2015 14:10)
Strong3:
ny tsy fahalalan'ny olona ny antony hivavahana sy hino an'Atra

Tena mba mamely mafy ny namanao Kristiana kosany ianao izany ry Strong3. Aiza ka hoe, "tsy mahalala" akoriny ny antony, dia ny antom-pi(s)ainany, izany ireto olona, hoz'ianao.

Ahoana koa azany no ahalalanao fa "tsy mahalala" ireto olona. Tsy hainao akoriny izay any @ sainy sy fahalalany lalina tsy miloaka any. Mba miondrika sy miankohoka sahala aminao ao koa anie zareo ireo kosa e.. Angaha hainao akoriny izay resaka ataony ao @ any ambony any..

Hotry ny hoe, mba hitanao sendran'ny t...tsy-omby-v... ao zareo, dia hotry ny tonga dia pehanao mafy hoe.. "satria tsy mahalala"... Sa tsy mahalala ny fahalalaNAO zareo, no tianao lazaina?

Fa dia izay ifanarahanareo ao mifanabaty sy mifampi-se mepriser ao azany e...
24. Strong3 ( 29/04/2015 08:58)
vao maika mivoana ny resakao, ny olona tsy mivavaka sy tsy mahalala mivavaka no resahina eto fa tsy ireo mivavaka.
sujet:
NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony


Be asa angaha ka tsy mifantoka ka mitsorapaka any amin'ny zavatra hafa ny valiteny? hihihi...
25. rhaj0 ( 29/04/2015 09:57)
Strong3:
NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony
ka mitombo fahalalana foana re ny olona eee...
Ny ana(re)o no toa tsy mitombo fa stationnaire ao [size=4]@ box-kely ao[/size] :-)
26. Strong3 ( 30/04/2015 10:46)
mah!!! mitombo ao amin'io baiboly io izahay, ary mahazo fafiny farak'izay ambony indrindra....

ianao angaha ahoana ? ___ tsy mandrara ny olona hanita-pahalala ny baiboly , fa izireo manandino an'Atra no olana, satria Izy no nahary izao rehetra izao ka mendrika hotompoina!

sa i rhaj0 tsy mba anisany noforoniny ?
27. rhaj0 ( 30/04/2015 12:43)
fa mety kosany ihany anie izany revinao izany ry Strong3.. manompo [size=4]tsy-misy[/size]

Fa mbola amina mentalitE "mila manompo" izany ry Strong3. Fa dia tompoy ao azany n'enao fa inona moa ny olana.. F'aza minananana rahefa tsisy manompo ny anao ny olona hafa rehetra eee..
28. bor2lais ( 30/04/2015 15:32)
strong3:

NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony

rhaj0:

ka mitombo fahalalana foana re ny olona eee...

Saingy mijanona 2 étages (saina+vatana) ihany e ! :-)
rhaj0:

Ny ana(re)o no toa tsy mitombo fa stationnaire ao @ box-kely ao

3 étages (saina+vatana+fanahy) kosa ve moa tsy efa ampy ! :-)
29. rhaj0 ( 30/04/2015 15:41)
Dia fahalalana mifototra Baibl moa izany ? fahalalana t@ taona 0 ?
Dia io 3 io foana kouh n'enareo. Fa vao 3 n'enao dokotera, fa izao ny olona efa 8 aaa... ohatra, Ra8, na hoe, 8eme sens ee.. ohatra eto :-)
30. Strong3 ( 04/05/2015 08:54)
enao nge izao no minanana eto hoe , tsymisyAtra fa tsy izahay no milaza aminao hoe andao hanompo an'Atra Israel eh...

__ hoe fantsy moa ilay hoe ; i rhaj0 mba noforonon'Atra... hihihi

nandrindra ny nisian'ny baiboly dia tsy nisy intsony ny evolution fa nakaiza angaha?

sa ve hoe niapotika ny tontolo iainana dia tsy nivohatra intsony ny fivoaran'ny fivoarana??? __ fivoarana tsy niatsara izany izy ity fa niasimba. :-)
31. rhaj0 ( 04/05/2015 17:39)
Strong3:
nandrindra ny nisian'ny baiboly dia tsy nisy intsony ny evolution fa nakaiza angaha?

Efa hoe jereo ny echelle des temps ry Strong3 aa... ka tena coince atsy @ ilay hoe "5000 taona izao tontolo izao h@ nisian'i Madame Eva", coince giravy tao moa ry Strong3 ka dia io mampalelo io, fa tsy zakan'ny sainy hoe, nisy izao tontolo izao efa amina million d'annee... esy e...
matahotra be ve ho'a i Strong3 izao fa tafavoaka ilay box-kely? aoka azany eee...

Fa ity azany nisy fandalinana natao-na siantista iray momba ny evolution-n'olb tato ho ato e..
http://www.rosshartshorn.net/stuffrossthinksabout/evolution_of_humans/

fa tsisy evolution hoz'enao... koa na ny mozika azany ni-evoluer...
fa taiza koa azany ianao t@ ora midona k'le ?? :-)
32. rhaj0 ( 04/05/2015 18:08)
Strong3:
fivoarana tsy niatsara izany izy ity fa niasimba.

ilay "fivoarana" anie ry Strong3, tsy hoe fivoarana ho "niatsara" e.. ny fivoarana dia an'izay nahay niaina/nivelona/survivre/.. @ zava-misy ao.. Io ilay hoe "survival of the fittest"..


Ka io indrindra isikana izao. Fanontaniana komanibe...

Ianao ve "mino" fa ny "kristiana", na ny "toe-tsaina kristiana", dia hahay mivelona/survivre @ izao fihazakazahan'ny fiainana izao ?
33. rhaj0 ( 04/05/2015 18:32)
[size=8]ok... ohatra asiako resaka politika kely mba isian'ny sirany..

t@ 2009 ireny izao ry TGVistes no nahay ni-survivre.. nanao loham-boto, nanodina vola/fiadiana, nahay nisolelaka sy nanompo ny bevola (FR sy K), dia nanongam-panjakana.. Ka niha-tsara ve ilay "fivoarana" sa tsia, hoz'enao ?[/size]
34. gasy1zay ( 04/05/2015 19:43)
oh rhaj0! Ny olona miaraka @ Jesoa Kristy tsy miraika @ fihazakazak'izao fiainana izao satria mino ary mahatoky fa Andriamanitra ivavahany dia momba sy mitantana ny fiainana na krizy, na be mpangalatra sy mpanao kolikoly, mpamono olona sns sns, ny fiainana kristianina tsy survie mintsy fa tena misy fiadanana e!

Faharoa fivoarana ve raha miharatsy ny fiainana ka lasa survie sisa no atao? Raisiko ohatra fotsiny ohatra ny mariazy, ny fiainana ankehitriny dia mamporisika ny olona tsy hiditra @ zany fanambadiana izany intsony satria toa afaka miaraka ( manao RS- miteraka-miaraka mipetraka) na tsy manambady aza, dia izao hiaraha-mahita izao fa firy % ny divorce izao raha oharina @ ny zavanisy t@ 1960-1970 ohatra, firy % ny miaina @ concubinage? modely hoan'ny ankizy taizana ve izany? Ahoana hoy ny baiboly @ izany? Inona no tsara arahina ny voalazan'ny baiboly hoe aza mijangajanga sa ny fanaon'ny be sy ny maro hoe ataovy zay mampety ny fiainanareo fa refa mafy loatra dia mahazo mamono tena na misotro toaka sy rongony?

Izaho aloha mahita hoe miharatsy izao fiainana izao fa tsy mivoatra mintsy e! Izao tsy lahy tsy vavy toa mampirafy daoly tsisy henatra intsony, tsy lahy tsy vavy mifoka, misotro, zazavavy tsy ampy taona dia efa mivarotena,... mampalaelo e!
35. rhaj0 ( 04/05/2015 21:28)
ya ya... asa ho'a raha hainao ireo Amish.. fa raha mba soso-kevitro, dia ianaro ny reviny ary ampiaro ilay resabe-nareo e... zareo Amish ireo no tena "miaraka @ Jesoa Kristy tsy miraika @ fihazakazak'izao fiainana izao".. mbola mandeha lavotiry taritina soavaly izy, ary tsy mampiasa lelekitrisitia, koa na ny ankanjony azany tavela t@ lamody 1800 tany.. ary mitoka-monina tsy miharo @ fiarahamonina, tsy mivady @ ireo mpanotabe eran-tany eto, f'izy samy ao ihany no ady ao.. tsisy mampirafy izany, tsisy misotro, tsisy mivaro-tena... Fa asa raha mahay toa i ... Lota (izay moa izy teo) zareo..

Fa iana(re)o k'lou ry Gasy1zay sy ry Strong3, raha ny fahitako azy, dia tena amatera, ary kristiana a temps partiel, fa ny kabary ny anareo no matavibe, andresenareo lahatra ny tenanareo, hoe "tena izy" nareo... io hita eto io izao nareo ohatra fa mijapy ny rendrarendran'ny olb ihany kay, mikatsentsitra ny vokatry ny fikarohan'ny siantista, dia io mitokona eto @ interinety eto io ihany.. aiza ilay kabaribe raha mba arahina hetsika e ?...

Fa na izany na tsy izany... tsisy miala izany eto an... :-)
36. Strong3 ( 08/05/2015 07:17)
tsy mahita olona mahay miaina ohatran'ny kristiana tena izy ianao, namana rhaj0 !

37. rhaj0 ( 08/05/2015 10:32)
... hi hi hi.. ka efa nasianao biriky ve k'lou ny poketranao ry Stong3 a..

"olona mahay miaina ny kristiana" hono, nefa efa vita ohabolana hoe:

Mifanipaka Ao Anatin'Ilay Box-Tsisy-Afa-Tsy-Baiboly Toa Kristiana-Mpiady-Lova...
38. endriny ( 08/05/2015 12:08)
Ny dikan'ilay hoe mivavaka mihintsy no efa disoina sy heverina ho potehina... Ka raha tsy mivavaka amin'ny Atra Kristianina dia tsy mpivavaka izay... Ary tsy mpino izay...

Esy aho e ry mpitory
39. Strong3 ( 13/05/2015 07:00)
hi han hi han ...

ianao niala tao io izao no tsy nahatakatra dia naleonao niala , efa zava-nisy arabaiboly nge izany eh... dia hoy JKristy: ianareo koa ve mba hiala mantsy an'i petera sy ny tariny.

i rhaj0 efa lazaina foana fa kristiana boritra ireny mpiady lova ireny. samy te ho fotsiny
fa ny tena kristiana dia efa nomena hafatra hoe: AHOANAO INONA NY AMINY FA IANAO MANARAHA AHY!
40. rhaj0 ( 13/05/2015 11:43)
Dia tena mba mpanivativa ny Kristiana namanao mihintsy anie ianao izany ry Strong3 e... Kristiana baoritra e... Kristiana mpanara-drenirano ee... Kristiana tsy tena izy ee... katolika ee... hi hi hi ... dia efa manomana ny fidirany any @ vodi-fanjaitra izany io i Strong3, ka dia pempony hitsahiny tivativainy ny Kristiana namany... ary milaza-tena i Strong3 fa izy no tena izy, ary efa niresaka t@ Atra akoriny azany i Strong3 (tao @ valim-bavakany tao)...

Tairo ao n'enareo fa izaho ve moa haninona ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4274