Izay voasoratra dia voasoratra

41. rhaj0 ( 07/04/2015 13:12)
Ka raha "Gasy Ray aho ary Gasy Reny" azany ianao ry Fidinirina, dia tena mba variana aho, rahefa hozy ny Baiboly vakianao hoe, "Tandremo (...) ny fampianarana voatolotry ny razana"... ary tondroina akoriny azany io fa "famitahana foana"...

Aiza ilay lojika eee ???

Dia nefany izao mahalala ianao, fa nampahafantarina, fa ny an'ny anglisy sy frantsay dia TSY miteny na manondro velively ny RAZANA.

Ka dia eo izany ianao eee... taitsa sa tsy taitsa ? :-)
42. fidinirina ( 07/04/2015 13:29)
Taitra tsara mihitsy ka! satria ny Malagasy nanompo ny maty, nanompo ny sampy (vato aman-kazo tsy miteny tsy mivolana), BAIKOINA @ filana heverina hanasoa ny tena sy ny sitrapon'ny olona.

fa satria mbola tsy nahalala ny fisian'i Jesoa Kristy, izay hany tokana làlana sy fahamarinana ary fiainana ka niantoraka t@ zavatra hita maso nefa mba te-hifandray @ Andriamanitra ihany

Kolosiana 2 : 8
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.

Hosea 4 : 6
Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria hianao efa nandà ny fahalalana
43. fidinirina ( 07/04/2015 13:42)
rhaj0:
Dia nefany izao mahalala ianao, fa nampahafantarina, fa ny an'ny anglisy sy frantsay dia TSY miteny na manondro velively ny RAZANA.

Ny baiboly malagasy anie nadika avy @ teny grika, teny hebreo, teny latin, raha ny fahalalako azy e!
Tsy nadika t@ teny frantsay na teny anglisy fotsiny akory. Ka raha toa razana no hitan'ny Pasitera na mopera na mpahay tantara ny mety handika azy, dia izay ve no tsy hinoana azy (satria hafa ny dikany @ teny anglisy sy frantsay). Dia averiko ny fanonantiana : diso ve ny teny Malagasy no dikan'izany ? Sa dia ambany fahaizana ny Malagasy kely raha finoana no resahina ? TSIA
Ny ahy oa raha resaka lojika no averimberimberina eto : tsy problem-ko izay voambolana any : na razana io na tradition des hommes io na inona io.... Tsy quoi zany fa ny important : ny fampianaran'i Kristy no nasainy narahina ary ny fampianarana hafa nasaina notandremana fa mamitaka, dia izay ; aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao.
44. rhaj0 ( 07/04/2015 13:44)
Ka ianao Fidinirina izany, tahaka ny resaka efa nandeha teto, dia hita tsara fa Kristiana aloha ianao izay vao Gasy ee... Ka rahefa anaovanao pli-vava zaho hoe, ianao Fidinirina ka gasy-ray-reny, dia kOpy aho ee...

Fa miresaka "ringanina" ianao, mifanaraka tsara @ Hosea 4:6 ve k'lou ity ambany ity sa ...

Ezekiela 9:6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa;
45. rhaj0 ( 07/04/2015 13:48)
Fidinirina:
tsy problem-ko izay voambolana any : na razana io na tradition des hommes io na inona io...

ilay "reciprocitE" k'lou dia hotry ny tsy mba hi-click aminareo Kristiana mihintsy ee... sa moa I Fidinirina irery no eto fa tsy mi-representer Kristiana I Fidinirina..

Ny tiako lazaina.. raha itrikitrihan'ny olona hafa finoana aminao koa moa, fa "ny Fampianaran'i Kristy dia famitahana", dia mba ahoana hoz'ianao?
46. fidinirina ( 07/04/2015 13:50)
Afangaronareo daholo izany resaka izany. Teny gasy no tiako tsindrina @ "gasy ray gasy reny" fa rhaj0 mantsy ohatry ny manambany ny dikan-teny Malagasy.

Contexte inona no nahatonga io fandringana lazain'i Ezekiela io. Sa tonga tonga t@ izao fotsiny sa mba te-hosoratana eto fotsiny ?
47. rhaj0 ( 07/04/2015 13:55)
TSY "manambany" veliveky aho e... Ny tiako avoitra dia "olona" ihany no nanoratra (nandika) io Baiboly io, nefa toa raisinao Fidinirina toa "tenin'A.tra".. "soratr'olona" no toa iankohofanao ao ka lazainao fa marina-tsisy-adi-hevitra.

Akanga aloha azany fa ho akisako amina lohahevitra hafa ny hoe "iza no nanoratra ny Baiboly"...
48. fidinirina ( 07/04/2015 13:59)
Dinika no ataontsika eto: misy fotoana aho milaza ny hevitro (tsy misy verset) @ izay andraisako an'i Jesoa Kristy ary misy fotoana aho manoratra versert @ izay lazain'ny soratra masina fa tsy hevitro akory : iraisan'ny kristianina rehetra. N'inona n'inona mikasa hanozongozona izay ananako dia tsy misy haharombaka an'i Jesoa Kristy ato anatiko izany.
Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao, hoy ny soratra masina
FANTATRO IZAY INOAKO rhaj0, tsy ianao no hahafoana izany, VAVOMBELONA ny @ Jesoa Kristy aho.
49. rhaj0 ( 07/04/2015 14:06)
Efa naverimberiko teto ihany fa ianao moa mety tsy nahita fa TSY ny "hanafoana" izay "inoanao" no atao(ko) eto... Tano ny anao dia mahasoava sy mahita sou amin'azy ao ho'a.

Araka ny lazainao dia "dinika no ataontsika eto", ka dia samy milaza izay fijeriny, ary samy mandray izay fazahoany ny resaka izany.

Ny hitako "olana" dia rahefa mandeha ilay "dinika" ka sirika ny tsy maha-lojika ny hevitry ny sasany, dia .. hainao ihany.
Raha izaho manokana rahefa tsy lojika izay hevitro na izay teneniko dia okay.. dinihiko dia ahitsy fa maninona moa..
50. fidinirina ( 08/04/2015 07:11)

Matio 5 : 10
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.

Romana 14 : 22
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.

Apokalypsy 1 : 3
Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
51. endriny ( 08/04/2015 07:28)
Izay voasoratra dia azo fafana...
52. fidinirina ( 08/04/2015 09:58)
rhaj0:
Ny hitako "olana" dia rahefa mandeha ilay "dinika" ka sirika ny tsy maha-lojika ny hevitry ny sasany, dia .. hainao ihany.
Raha izaho manokana rahefa tsy lojika izay hevitro na izay teneniko dia okay.. dinihiko dia ahitsy fa maninona moa..


Fanampim-pahalalana kely fotsiny:ny olana (problem) dia teny tsy misy ao anaty baiboly na iray aza.

Inona marina moa na atao hoe lojika ? Lojika kristianina ve no resaka eto @ ty dinika ity sa lojika mathématique sa...? [size=4]samy manana ny lojikany io[/size]
53. rhaj0 ( 08/04/2015 13:40)
Hozy Ralarosy hoe,
"logique" =
•Conforme au bon sens, cohérent, rationnel
•Conforme au mode de raisonnement de quelqu'un

ka dia marina ny anao raha ilay faha-2 no dika-teny titinao.. ka dia lojika daholo izany ny olon-drehetra eee.. na ny adala azany, satria "Conforme au mode de raisonnement" an'azy izay lazainy...

Ka ahoana: tsy aleo ve ifanarahana azany hoe "coherent" no tiana lazaina e?

Ary dia "coherent" @ inona ny Baiboly raha izay resaka betsaka nivoaka ? Ohatra tatsy, ohatra :

i Atra no namorona an'i Atra, ary Atra no n(amp)anoratra ny Baiboly.
Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.

Na hoe ...
Aza Mamono Olona ...Fa Ripaho Fotsiny Ihany
54. fidinirina ( 09/04/2015 08:01)
rhaj0:

Hozy Ralarosy hoe,
"logique" =
•Conforme au bon sens, cohérent, rationnel
•Conforme au mode de raisonnement de quelqu'un

ka dia marina ny anao raha ilay faha-2 no dika-teny titinao.. ka dia lojika daholo izany ny olon-drehetra eee.. na ny adala azany, satria "Conforme au mode de raisonnement" an'azy izay lazainy...

Salamo 14:1 na Salamo 53:1
Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; Tsy misy manao ny tsara.

I Korintiana 8:4b
...fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’ izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
55. rhaj0 ( 09/04/2015 10:44)
Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
56. gasy1zay ( 09/04/2015 19:46)

rhaj0:

Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.


Marina io voalazanao io raha fomba fijerin'ny tsy mpino fa diso kosa raha fomba fijery "kristianina pratiquant" satria ny manamarina ny baiboly sy ny fisian'Andriamanitra dia ny nampiarana ny voalazan'ny baiboly teo @ fiainana @ alalan'ny vavaka ary ny nahitana ny vokan'izany teo @ fiainanao. Diso be ny fiheveran'ny sasany hoe rehefa maty vao mandray ny vokatry ny fanarahana ny Tompo ny mpino kristianina, dieny ety an-tany dia efa omeny fiadanana, raisiny an-tanana ny olana sy ny adintsainao rehetra, sitraniny ny aretina, ambininy @ asa aman-draharaha, sns sns ...
57. rhaj0 ( 09/04/2015 20:03)
Ilazao "vokatry ny finoana kristiana" @ fiainanao na fianan'olona hafa hitanao azany hoe e...
(aza atao resaka intime be loatra ngo dia manahirana)

Ny anticipation-ko dia .... afaka azavaina ara-tsiansa ilay izy ao, fa ilay ifandraisany @ finoanao dia tena subjective be manadala. Au pire dia placebo ilay finoanao.
58. rhaj0 ( 09/04/2015 22:04)
gasy1zay:
raisiny an-tanana ny olana sy ny adintsainao rehetra
Hoe manana "olana" ara-tsaina ve no tianao lazaina? izany hoe "psychologique"?
Mety tsisy psy angamba any aminareo, na koa tsy ampy ny boky psy azo vakiana eny, fa be dia be no resaka eto.. TSY mila "finoana" fa azo rasarasaina tsara raha anxieux ianao na depressif..

Dia hoe ny "adi-tsainao" dia aravoNY koa ve? TSY voatery "finoana" koa no mandravona izay "adin-tsainao" ao, ary be dia be koa ny resaka eto.. ohatra hoe, sahirana ara-bola ve ianao, dia mivavaka, dia lasa mandrimandry ny saina fa tsy "miady saina" intsony ? Sao mila manao yoga ohatra dia mandrimandry ny vatana aman-tsaina ee ?
(sa tena ny tianao lazaina dia hoe, mivavaka dia ampazahoany??? I don't think so)

gasy1zay:
sitraniny ny aretina
Ity kosa aloha dia tena dangereux mihintsy nareo mino an'ity eee... Efa noresahina lavabe t@ Toriteny ity, fa raha ianareo lehibe ao ho'a no marary, ka hoe vavaka no inoanareo ahasitrana anareo, dia mahasoava ao azany kouh. Fa raha misy zaza marary ho'a, ka caricaturer-ko hoe, ilaozanao migonongonona sy manipy tanana any an-danitra etsy an-joro-trano fa tsy ny zaza no vonjena, dia tandremo fa dia responsable ianao ao ho'a an...

gasy1zay:
ambininy @ asa aman-draharaha
Aoka re ry Gasy1zay... par l'absurde: dia ireo "ambinina" rehetra izany "nivavaka (tsara)" daholo? Ary rehefa "tsy ambinina" izany ianao dia satria "tsy nivavaka (tsara)"?... sa "sitrapoNY" ???
59. gasy1zay ( 10/04/2015 14:43)

rhaj0:

Ilazao "vokatry ny finoana kristiana" @ fiainanao na fianan'olona hafa hitanao azany hoe e...
(aza atao resaka intime be loatra ngo dia manahirana)

Ny anticipation-ko dia .... afaka azavaina ara-tsiansa ilay izy ao, fa ilay ifandraisany @ finoanao dia tena subjective be manadala. Au pire dia placebo ilay finoanao.


Vokatra goavana ry rhaj0 ny kristianina na mahantra fadiranovana aza dia manana fanantenana fa tsy mahamoy fo sy mamono tena toy ny tsy mpino,

Faharoa mba jereo ny endrik'irony kristianina mivoaka fiangonana ireny, ahoana ny fahotanao azy? Tsy olona mba mitsikitsiky sy miramirana ve? Na mafy aza ny fiainana ny kristianina tsy kivy izany fa mahatsiaro tena hoe misy Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra momba sy mitantana ny fiainany.

Fahatelo, maro ireo mijoro vavolombelona fa tena nitahy azy ny Tompo ary namaly ny vavaka nataony, miaiky aho hoe misy ny an'ny sasany tena "banale" toy ny hoe afaka fanadinana, nahita asa, sitrana t@ aretina sns sns ... fa misy tena mahagaga rehefa tena jerena amin'ny antsipiriany ilay zavatra niainany.

Amiko aloha dia tena mamaly vavaka ilay Andriamanitra raha teo @ fiainako manokana ary tena io no ananako fanantenana hoe na inona na inona mitranga dia mbola eo izy momba sy mitantana ny fiainako :D
60. rhaj0 ( 10/04/2015 16:40)
gasy1zay:
mahantra fadiranovana aza dia manana fanantenana... endrik'irony kristianina mivoaka fiangonana

Tsy io ve ilay novazivazian'i Endriny in-1 mandeha hoe, ahoana koa azany ireo 4-mi eo ambaravaran'ny Fiangonana no tsy miditra e.. sa efa niditra ihany fa mbola tsy tafavoaka ho 4-mi mihintsiny foana ? sa indray kosa tsy nampidirina, na koa tsy navela hiditra ?

Dia resaka ambony interinety marina ny anao ka atao. Ohatra hoe, asiako politika kely mba isian'ny sira aminy... satria nanongam-panjakana I TGV (notsofin'i OMAR rano) dia tapaka ny asa direct sy indirect efa ho 400.000 avy @ AGOA. Fadiranovana ny fianakaviana : ny ankizikely tsy misakafo ny maraina handeha hianatra, ny zatovo lehibebe alefa mivaro-tena ny hariva.

Ieeee... dia lazainao hoe, mandalova Fiangonana fotsiny fa dia ho sambatra sahala aminao Gasy1zay izy rehetra ireo eee... Ary tsara tso-drano avy @ mopera/pasitera akoriny aza zareo ny mba hanohy ny fiainana toa izany. ntsss...


Mba ameo hoe ilay "valim-bavaka" TSY banale mba izohiana azy tsara azany e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4047