Inona no hevitry ny fonosin 'ny vato fanfatrao eo amin'ny finoana Malagasy?

1. endriny ( 27/03/2015 03:53)
Ny jiro na tatao, dia toerana iray amoron-dalana anipazana vato iray isaky ny olona mandalo. Ny antony dia izao:
1) ny tatao na jiro no fefin-tany ho an'ny vohitra roa samy hafa tompo, na fokonolona... Ka ny fanipazana vato dia filazana ihany koa fa eo no fidirana amin'ny fadintany vaovao... Ary manaiky ianao fa hanaja ny fadintanin'ilay toerana idiranao.
2) io koa anefa dia fanisana ny olona mandalo amin'ny toerana iray... Taloha dia misy mpisafo io.. Izay mijery ny vato vao nisy nanipy teo amin'ny jiro..
3) ny olona mandalo tanana tsy manipy vato eo amin'ny jiro dia inoana fa olon-dratsy matetika.. Ka na izy tsy nanaraka ny lala-masaka, na koa izy maika ny handositra sy milefa dia tsy nahatsipy vato intsony..
novalian'i endriny ny 08/04/2015 05:33
2. rhaj0 ( 27/03/2015 10:18)
Mahaliana... fa fanontaniana fotsiny: inona ilay "jiro na tatao" ?
(miresaka fomba taloha I Endriny io raha ny fahazoako azy, kanefa tonga dia poteau-njiro nefany no nieritreretiko)
3. 5laody ( 27/03/2015 14:29)
Kolon-tsaina tsara fa misaotra. Ilay mpisafo izany mety mahafantatra hoe firy ny isan'ny olona nandalo na niditra ny tanàna.

Raha lany izany ve ny vato dia averina eo andalana indray. Nefa mety hoe mety handratra ity vato ity dia izay no hanipazana azy etsy amin'ny sisiny. Tsara ilay karazana fifanarahana ka.
Tsy mba hoe mandoa péages vao afaka mandalo.
4. endriny ( 28/03/2015 03:46)

rhaj0:

Mahaliana... fa fanontaniana fotsiny: inona ilay "jiro na tatao" ?
(miresaka fomba taloha I Endriny io raha ny fahazoako azy, kanefa tonga dia poteau-njiro nefany no nieritreretiko)
c

Efa mba nazavaiko amin'ilay an-dalana voalohanya kosa angamba ilay hoe Jiro na Tatao e... Saingy ity no fanampiny kely...

Ny Jiro na tatao izany dia ilay faritra manasaraka ny toerana roa samy hafa mponina. Ka mazana izy io an-tampon-kavoana, ary natao ahatsinjo ny tanana toa samy hafa. Nefa koa amoron-dalana. Taloha dia nifanaraka mihintsy ny toerana roa tonta ny mametraka olona mitsinjo sy miambina io toerana io mba tsy isian'ny olon-dratsy sy ny mpangalatr'olona mihaodihaody amin'ny vohitra....

Ilay hoe fanalana ny vato manafitohina dia mety hevitry ny olona taty aoriana io, satria ny vato ampomban-tatao tsy voatery ho vato malao fa na dia vato ohatra ny fanondro aza dia efa mety...
5. endriny ( 01/04/2015 04:10)
Ny vato aza raha nahitan-tsoa dia osora-menaka. Dia maro ireo vato mitavona menaka.
6. endriny ( 01/04/2015 15:37)
Ho anay Malagasy ny Vato dia tsy natao handrafetana trano, fa kosa natokana ho an'ny fasana sy ireo Zanahary rehetra ary ny Fanahy.

Ny vato mantsy tsy zavatra velona ka tsy afaka miaraka amin'ny velon'aina... Fa ny hazo no natao arafitra ho an'ny velona...

Rehefa niova ny sata ka lasa Kristianina ny Mpanjaka dia natomboka ny fanorenana trano tamin'ny vato... Efa aty aoriana ireo manana trano vato vao tonga saina fa ny tranon'izy ireo mangatsiaka lava, no sady bobongolo lava ka tsy dia mahasalama firy... Kay tsy nanaonao foana ny Ntaolo...

Ny vato mitsangana dia najoro ho fahatsiarovana ireo havan rehetra nody mandry... Ary arakaraky ny hareny sy ny voninahiny teo amin'ny mpiarabelona ny ahalehiben'ny vato atsangana ho azy... Dia ireny vato ireny no natao anaterana voninkazo sy tantely rehefa mba mahatsiaro...
7. endriny ( 02/04/2015 14:16)
Eo amin'ny finoana Malagasy dia ny vato no zava-mahery... Fanariana ireo ody mahery tsy zakan'ny tompony... Ilazana ireo olona mahery... Kianja fampiadiana varatra... Natao hitsarana ireo olona matanjaka hatao miaramila faha Radama-I...

Araka ny finoana Malagasy dia mahtonga ny varatra sy ny havandra hasiaka ny filalaovana katro vato na tanisa vato amin'ny andro fahavaratra. Ka dia fadin-tany izy io na aiza na aiza eto Madagasikara...
8. endriny ( 03/04/2015 04:52)
Raha tiana tsy ho sampona ny dia dia asiana vato eny amin'ny sampan-kazo, mba ilalan'ny tsiny..
9. endriny ( 07/04/2015 04:18)
Tsy azo ampidirina an-trano ny vato kolonjy fa sady mahabotry no mahamomba...
10. endriny ( 08/04/2015 05:33)
Ny vato dia no natao itoeran'ny atao hoe ozon-tany. Noho izy mafy tsy laitry ny varatra sy ny havavdra, dia nofinidy izy hitoeran'ny fadin-tany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7169