Ny "Finoana" no nampivoatra an-raolb ho toa izao

1. rhaj0 ( 23/03/2015 20:09)
Nisy resaka t@ radio aninaraina... dia hoe, ny "Finoana" no nahatonga an-draolb hivoatra (evolution) @ maha-izy azy izao.

Hoe, manana reflexe ny sain'olb ny "hino", na God io, na Razana io, na Lutin io na inona io. Ary dia mino raolb fa misy "supernatural" mijery azy, na koa izay "supernatural" izay no entiny hanazavana izay tsy takatry ny sainy. Izay fisian'izay reflexe "mino" izay no nahafahan'ny olb (race humaine) ni-survivre.

Ohatra hozy teo hoe, heverivereto t@ arivo taona lasana. Raha tsy nisy system-na finoana dia (mety) tena nisaritaka ny fiaraha-monina. Satria ny system-na finoana no mifono ireo lalAna mampilamina ny fiarahana ao. Ka t@ izany tsisy polisy sy mpitsara sns .. fa rahefa tafapetraka ao an-tsain'ny olona fotsiny hoe, minoa fa misy "supernaturel" mijery anao, ka dia hendre tsara, dia .. nilamina tokoany ny fiaraha-monina ary afaka nivoatra (progresser).

Fanefa kosa anefa, izay system-na finoana izay koa no nampiasaina hanaovana ny ady (guerre), na koa nanararaotan'ny sasany hi-dominer ny fiarahana ao.

Fa na izay na tsy izay, dia miaiky ny mpandinika fa ny system-na finoana no (isan'ny) nampivoatra (evolution) an-draolb ho olb-n'ny taona 2000 izao ohatra.
novalian'i endriny ny 27/03/2015 04:12
2. rhaj0 ( 23/03/2015 20:36)
Hay.. dia nisy fanandramana natao.. (entre-pa fa psychologue ireto mpandinika). Dia hoe:
- groupe na ankizy iray, navela hanao raha teo
- ilay faharoa nasaina nanao raha koa, fa nampinoana fa misy "supernaturel" mijery
- ilay faha-3, nisy olon-dehibe nijery.

Dia ilay 1- hono nisy maromaro ni-triche. Fa ilay 2- sy 3- hono nitovitovy, samy tsy dia betsaka ni-triche.
3. endriny ( 24/03/2015 09:56)
Aoka aloha faritana kely ilay hoe :"fivoarana". Eto amin'ireto ohatra nomena ireto mantsy dia fivoaran'ny vokatry ny tahotra fotsiny ihany...

Fa andao hoe jerena: ohatra i Afrika sy Azianina ampitahaina amin'ny eraopeanina ohatra? Aty Afrika sy any Azia dia tena betsaka karazan-javatra inoana kokoa... Saingy mivoatra ve ny fiaraha-moniny mihoatra amin'ny any Eraopa ohatra?

Saingy izao koa... Inona no mpamaritra ilay hoe fivoarana aloha e?

Satria tsy ilay hoe manana iphone no atao hoe mivoatra raha any amin'ny tany tsy misy tambanjotra ianao...
4. Strong3 ( 24/03/2015 10:20)
briravao rhaj0! :-)
5. rhaj0 ( 24/03/2015 10:38)
Ny fahazoako (na fanitarako) ilay resaka dia hoe... ao @ cheminement lavaben-draolb, dia nandalo t@ fotoana izay hita fa ny Finoana no nampilamina ny fiarahan'izy samy olb tao, sy ny fiainany miaraka @ tontolony ao. Notsipihin'ireo mpandinika moa fa na Finoana God io, na finoana Razana io, na inona..

Ka na hatrany Aostralia ohatra izany, mba tsy hikatonan'ilay saina tsy mieritreritra afa-tsy moyen-orient sy Kristianisma, dia manana ny systeme-na finoany koa ny Aborigene ka mampilamina ny fiainany sy ny fiaraha-moniny ao. Na ny Ntaolo gasy koa ohatra.

Ny fahitako an'izany dia toa ny cheminement nitomboan'ny Ankizy ho Lehibe ihany io... Iza no tsy nitaiza, dia rahefa be loatra ny pourquoi sy ny pour quoi, dia aleo aloha tsotsorina @ hoe minou sy toutou fotsiny, fa aoriana ho azony ihany io.

Dia rahefa miha-lehibe ny Ankizy, dia azony ny lojikany, azony fa efa misy systeme (na systeme de valeur io, na izay systeme admin/politiq/economiq/...), efa misy organisation ao anaty fiaraha-monina, ary TSY ilaina intsony ilay systeme-finoana.


Ka eo izany isika izao. Na hoe, aiza ho aiza @ io ianao ?

6. Strong3 ( 24/03/2015 10:38)
supernaturel _ surnaturel
tsy inoana avy izany fa hita maso na aty madagasikara na any ivelany.
Asa aloha na angano na tena nisy ny hoe : basy misy matiéra hazo tamin'ny fanjanan-tany , nataon'ny malagasy hoe __ ranoooooouuu ... dia tsy mahafaty ra bala fa mitsifotra fotsiny

Asa koa fa mba hitan'ny baiboly izay tsy hinoanareo koa ny hoe : ny finoana tsy arahan'asa dia maty.
Finoana + asa = fivoarana
fa ny mpanaradrenirano no miteny fotsiny hoe: "finoana ihany"
7. 5laody ( 24/03/2015 10:46)

"Ny adala no tsy ambakaina dia Andriamanitra an-tampon'ny loha."
8. rhaj0 ( 24/03/2015 10:49)
Fa raha io ohabolana io ohatra, @ izao isika miteny izao, dia mbola ilaina ve ny "A.tra an-tampon'ny loha" mba TSY hanambakanao ny adala ?
9. endriny ( 24/03/2015 11:04)
Raha ny fahitako azy, dia misy fetrany ihany ny asan'ny finoana eo amin'ny fandaminana ara-piarahamonina... Satria ilay zavatra inoana tsy voatery ho marina: Dadabe Noely... Hany ka na mpiaramonina samy hafa fiangonana aza dia mifandrora, indrindra moa fa samy hafa zavtra tompoina..

Ilay fifanajana ara-pinoana mantsy lasa mijanona amin'ny fanajana noho ny tahotra fotsiny... Matahotra sao aholan'ny vazimba ny tenda amin'ny alina... Matahotra ho any amin'ny afobe mandrakizay...

Ahoana moa ilay fampitahorana sy fandrahonana nataon'i Paoly ny olona izay ao amin'ny 2 kor angamba ilay izy... Fa rehefa tsy hino ianareo dia ho avy izahay hanafay anareo... Rey ndre kaky o!
10. rhaj0 ( 24/03/2015 11:16)
Marina loatra. @ ankapobeny tokoany moa, dia rahefa handresy lahatra, dia ampiasaina na ny "kibay" na ny "karoty". Dia ny an'ny Kristiana moa dia hita io fa dia tena be dia be "kibay" tokoany moa. Mety hoe, may ny endim-boanjo t@ izany fotoanany izany, ary dia tsy maintsy mampiasa ny "maniere forte" eee... ilay "kibay" physiquement tsy hita atao, ary dia "moralement" mamely mafy ao..

Fa dia "hendry" tokoany (ve) ny mpanaraka azy tao? nilamina tokoany ve ny fiaraha-moniny tao?..

ka dia miverina iihany ny fanontaniako: mbola ilaina ve izany "fampitahorana" izany, @ izao isika miteny izao ? Tena mbola mila "ampitahorana", na mila lazaina hoe "ny fahatahorana" no maha-hendry anao ao io ???
11. endriny ( 24/03/2015 11:33)
Ny tahotra kosa anefa tsy fahendrena a... Ny tahotra mantsy zavatra miantra aman'aina... Eo amin'ny fiarahamonina misy dia misy ny hery lehiben'ny fampitahorana... Ohatra ny mpitondra sy ny polisy ary ny miaramilany sy ny fonja... Atra sy ny anjeliny mamely amin'ny sabatra ary ny afobe... Io izany ilay mitandro ny filaminana e...

Saingy ny fahendrena dia mibango ny tahotra sy ny fahalalana mitambatra.... Hajaina ny Ray aman-dReny na ny mpampianatra... Tsy hoe noho izy mikapoka na manongo fotsiny... Fa noho izy mahalala zavatra noho ny tena... Hitako ery ny ankizy kely rehefa maloto ny saribakoliny... neny o! Neny o! Maloto ny saribakoliko... Fa mba sasao...

Raha manao asa-marika: Dada a, Dada a! Firy kay ny 12x3?
12. rhaj0 ( 24/03/2015 13:49)
endriny:
Ny tahotra kosa anefa tsy fahendrena a...

Ito koa izao dia mifandraika @ ilay fanandramana na observation hoe
- ankizy-miaina-anaty-pancarte-feno-didy
- ankizy-navela-iaina-sy-isaina-malalaka

Na tsy hoe "mampatahotra" physiquement na moralement azany ilay "Finoana", dia ny fanitrikitrihany ireo "Didy", dia efa "fampitahorana" (ambadika).
13. 5laody ( 25/03/2015 13:43)

rhaj0:

Fa raha io ohabolana io ohatra, @ izao isika miteny izao, dia mbola ilaina ve ny "A.tra an-tampon'ny loha" mba TSY hanambakanao ny adala ?


Raha any ambanivolo be any tsy todin'ny mpampianatra na ny fampielezam-peo na ny serasera dia mandray ny tenin'i Sitlo aho hoe raha mampilamina ny fiaraha-monina io dia tsara ny fisiany.

avy eo indray, arakarak'izay mpampita ihany koa io, tamin'ny vanim-potoana maro nisy nampiasa ny finoana ho vala tsy hihoaram-pefy sy fampandrosoana (Ejipta antika) ary ho fanitarana ny hareny sy ny fanjakany. EO indray nefa rehefa miharo fanambakana sy fanambaniana ny hafa izy dia tsy miady intsony.
14. rhaj0 ( 25/03/2015 13:46)
5laody:
Raha any ambanivolo be any tsy todin'ny mpampianatra na ny fampielezam-peo na ny serasera dia mandray ny tenin'i Sitlo aho hoe raha mampilamina ny fiaraha-monina io dia tsara ny fisiany.

Dia avelanareo hihidy ao @ ilay box-kely-tsisy-afa-tsy-Baiboly ao izany ilay olona.. hum.. satria izy ve tsy afaka ny i(s)aina malalaka ??? satria any ambanivolo ??? ntssss.... aoka kosa ee....
15. 5laody ( 26/03/2015 11:16)

rhaj0:

5laody:
Raha any ambanivolo be any tsy todin'ny mpampianatra na ny fampielezam-peo na ny serasera dia mandray ny tenin'i Sitlo aho hoe raha mampilamina ny fiaraha-monina io dia tsara ny fisiany.

Dia avelanareo hihidy ao @ ilay box-kely-tsisy-afa-tsy-Baiboly ao izany ilay olona.. hum.. satria izy ve tsy afaka ny i(s)aina malalaka ??? satria any ambanivolo ??? ntssss.... aoka kosa ee....


Ny fanontaniana hoe "amin'izao fotoana izao" Ka raha tsy tonga hampianatra any ianao, na tsy misy tonga any ny fitaovana fifaneraserana raha mety mampilamina ny fiaraha-monina dia tsy misy olana mihintsy.
Mitovy amiko koa io na zavatra hafa aza no inoany. Samy manja daholo.
16. rhaj0 ( 26/03/2015 12:43)
Ka 'ry 'nao hotry ny handeha foana hanao tafika masina any kouh.. am-bava mody hoe, cool cool, kanefa ambadika hanafika (masina)... ny kibay (baibla) an-kelika ihany..
17. 5laody ( 26/03/2015 13:46)

koul, hay moa ry nao orienté baiboly lalandava, raha tsy mazava ny resako teo ambony dia hamafisiko hoe raha misy hoe aza manambaka adala fa iverenan'ny lolo vokatra dia tsy olana amiko.
18. rhaj0 ( 26/03/2015 13:52)
Ka io izany hotry ny hoe, raha hendry Ilitakely satria mino Tatape Noely, dia avelao hino foana ao ihany k'lou, na dia efa lasa Ilitabe azany, satria tsisy sekoly ao an-tanana... okay.
19. 5laody ( 26/03/2015 14:17)

rhaj0:

Ka io izany hotry ny hoe, raha hendry Ilitakely satria mino Tatape Noely, dia avelao hino foana ao ihany k'lou, na dia efa lasa Ilitabe azany, satria tsisy sekoly ao an-tanana... okay.


RAha tsy eto akaikiko i Litakely tsy afaka hanoro azy aho. Mety any amin'ny tany misy anao koa misy litakely indianina. RAha mino grand manitou izy nefa milamina ny fiaraha monina misy azy, tsy tokony harary an-doha ianao.
20. rhaj0 ( 26/03/2015 14:21)
eny azany ee...

[size=6](fa ho an'izay vory nofo vory saina nefa tavela ao anaty "finoana" nampinoana azy ao, dia ... safidy ilay izy izany)[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0807