Ny "Finoana" no nampivoatra an-raolb ho toa izao

21. endriny ( 26/03/2015 14:51)
Tsy haiko aloha fa raha ny finoana no lazaina fa mampivoatra dia toa ny fetrany no hitako betsaka.. Ohatra ilay hoe tsy azo ampianarina amin'ny toerana be kristianina ny evolution... Na ampianarina ihany fa ilay mpampianatra indray no manome 5/20 rehefa valianao tsara ny Fivoarana araky ny lalanan'i Darwin any amin'ny fanadinana...

Ny famoahan'ny fiangonana didy handoro velona an'i Bruno 1600, 16 Febroary

Dia hitantsika ny fanohanan'ny Katolika ny fanavakavahana tao Afrika Atsimo, ny hetsika fandrodanana mpitondra rehetra nifandimby teto Madagasikara

Dia mampanotany tena hoe: mampivoatra marina ve ny finoana... Raha tsy hoe hafa noho ny finoana ny fiangonana a...
22. rhaj0 ( 26/03/2015 15:23)

hay.. izay vao azoko ... z'afady fa nifamaofao..

TSY hoe ny "finoana no mampivoatra", fa hoe, rahefa nivoatra raolb, dia ny "finoana" no (isan'ny) nanampy azy t@ fivoatrany... raha tsy nanana ilay reflexe "mino" izy, tany @ voanalohany tany, dia nisavoritaka. Fa ny "sainy" no nampivoatra azy.

Dia rahefa io mivoatra io izao raolb, dia mipetraka ny fanontaniako: "mbola ilay ve ho'a ilay system-finoana" ?


Dia mbola sahala @ ankizy sy ny Tatape Noely na ny Lutins io... Hendry ny ankizy rahefa nampinoana an'ireo, fa rehefa lehibe izy, dia mbola ilainy ve ireo izay izy vao hendry? Efa nivoatra ny sainy.
23. endriny ( 26/03/2015 15:43)
Ny olana dia izao.. Nino dadabe Noely izy mbola kely... Fa rehefa lehibe hainy fa tsy misy izany dadabe Noely izany... Dia lasa tsy mino ny Ray aman-dReny intsony izy. Ary tsy mihaino intsony fa kay chaperon mena tsy marina akory

Ilazanao izy hoe: Mahabevohoka ny manao tsy misy kapaoty. "Koa angaha!" Hoy izy..
24. rhaj0 ( 26/03/2015 16:08)
Sarotra tokoany an... Nozarina "nino", dia nony "tsy nino" intsony, dia ilay "nampino" avy koa no tsy inoana intsony. Raha ilay pasitera/pretra aloha no dakan'ny ankizy any, dia an'azy ny azy, mendrika azy izany, fa ny r-a-d tokoany izao no mila mitandrina tsara..

fa dia tena io tokoany ho'a izao no mampalasa saina.. efa noresahiko tatsy ihany hoe ... Izao izao ny Atheist manomboka mieritreritra mafy hoe... rahefa mifoha t@ torimason-tsainy ao tokoany ireo Kristiana an'alin-kisa ireo, dia ho ahoana?

Hitanao.. sahala @ resaka ekonomia hoe.. rahefa mifoha @ consumerisme ny sinoa 1 miliara sy ny karana 1 miliara koa, dia ho ahoana ny pollution eto @ ity tany ity ?


Ka izay hoe, zatra (na nozarina) "hino" tao, dia rahefa "tsy mino" intsony, dia ahoana ??
welcome to the real world ???

25. endriny ( 27/03/2015 04:12)
Misy zanak'olona mpivavaka be. Dia izy nilazan'ny reniny hoe: "tandremo, tandremo sao kasihin-dehilahy a... Bevoka fahatany any ianao". 14 taona teo izy tamin'izay. Dia nijanona tsy nilalao vitsilia, fanenjika tamin'ny ankizy namany intsony izy fa matahotra sao kasihin-dehilahy... Dia gaga daholo ny ankizy rehetra... Ary nihevitra azy ho lasa niavonavona... Kay izy tena natahotra hoe sao bevohoka raha sendra ny lehilahy no mikasi-tanana azy.

Roa taona taty aoriana dia tsy hita intsony izy na mba nijery ny ankizy niaraka ankizy taminy nilalao aza... Dia afaka kelikely... Gaga daholo ny olona rehetra fa niteraka kay ilay ankizy ary voatery nijanona tamin'ny fianarana...

Rehefa mba lehibebe moa dia mba mifampiresaka ihany. Dia nilaza izy hoe: Tena nino aho hoe rehefa kasihin-dehilahy taloha dia bevohoka, kanefa nojereko daholo ianareo rehetra niaraka nilalao teo toa tsy nisy bevohoka na iray aza... Te hanao fanenjika sy vitsily aho tamin'ireny kanefa matahotra dia malahelo fotsiny mijery anareo milalao... Dia tsy hitako mihintsy izay natao satria lazain'ny olona fa miavona aho...

Dia ny reseveran'ny taxibe no mba ifampiresahany rehefa mandeha mianatra... Dia izay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1928