Zavamaniry, zavaboary isankarazany, Faune et Flora

1. saho ( 22/03/2015 16:26)
Dia ozy TV Plus omaly 21 marsa 2015, tsy atokisan ny malagasy ny fanafody nentimpaharazana, afarana foana ny fanafody vidiana lafo arakaraky ny change no mahalafo azy

Fa heverin ireo mpamoaka vaovao TV Plus fa vendrana daholo ny Malagasy, fa efa fahagola no nisy io ody malagasy io, misy fiantraikana tsara be io eo fahasalamana, f angaha ny Malagasy vao omaly no nahafantatra izany, toa atao maivana be ny fanazavana izany
maninona koa raha efa namoaka le vaovao tsy milaza fa frantsay no lehiben ny Homoepharma ankehitriny

Na iza na iza eto amin ity tany ity dia avy amin ny zavamaniry sy zavaboary foana no hanaovana fanafody erantany, io no fototry ny fanafody rehetra hamidy amin ny pharmacie erantany na aiza na aiza, fa ny fahaizanao izany fotsiny no ataovy miroborobo, na ny fahaizana manodina na ny fahaizana manamboatra fononiny na ny fahaizana teknika na ny fahaizana mampiroborobo
Fahaizana daholo no ilaina fa tsy ny fanambaniana hoe nentimpaharazana, raha tsy tianao le fomba fiteny hoe nentimpaharazana dia soloy hoe fanafody vaovao vita malagasy tena tsara sy mahomby, hividy fanafody sy hanafatra foana any ivelany foana no hain ireo mpandraharaha kanefa eo antoerana feno ody be dia be, fanatsarana atao norme fotsiny no ilaina, karoka etsy sy eroa hahatratrarana ny niveau international fa tsy ny ho badoana tsy tia ny an ny tena, kanefa harena miafina io, ary ny ahiahiko dia lasan ny vahiny ny sehatra momba izany

Ataovy ny fikaroana sy fanatsarana, ataovy antsoratra , bokimpirenena sns....ireo no ho avin i Gasikara, aza manasarotra fa ny ampelantanana no hatsarao hatrany, ary asio valera. Be dia be ny valera harena misy ao Gasikara fa karoka sy fahaizana ary fitaovana etsy sy eroa no tsy ampy
Misy anarana daholo ny zavamaniry any Gasikara, fikarohana sy fahaizana izany no ilaina, ary mampiroborobo izany fa tsy ny hanafatra fanafody foana
Ny dikan ny ody dia hoe fototry ny teny hoe fanafody, asio fahazavana ny saina fa io no tena tsy mampandroso any Gasikara any
2. vahiny2004 ( 22/03/2015 19:58)
Ohatran'ny tezitra be ianao izany ! "constat basé sur des statistiques" no nolazainy fa tsy mitsara n'iza n'iza .

Firy isan-jaton'ny mpitsabo malagasy no mitsabo @ fomba nentim-paharazana ? Firy isan-jaton'ny malagasy no manana reflèxe hijery mpitsabo nentim-paharazana raha vao marary ? Aiza no misy toerana fampianarana mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana ?

Préciser-o tsara ilay lazainao hoe " ataovy ny fikarohana " ? Iza no irahinao eto ? ny mpanao gazety ve sa iza ???
3. saho ( 22/03/2015 21:32)
Medicine internationale na ny fitsaboana internationale zao dia miara miasa amin ny fitsaboana toa ody naturel, raha tsy hoe specialiste be momba fandidina na maso sns...

Ataovy ny analyse fa ny Malagasy teraka taona nanomboka taloha sy 1928 mandrapahatongan ny 1976 dia olona mavitrika sady salama daholo ny akabeazan ny malagasy, tsy fantatra izany homamiadana izany taloha be tany

Ataovy ny adiady sy fikarohana izany dia ho hitanao ny valiny ry vahiny2004

Ankehitriny maro isa ny vahoaka malagasy, mitombo ny vava mihinana, hafa ny fisehoany amin ny akapobeny, betsaka ireo farofy sy tsy ampy sakafo

vahiny2004> raha vakianao tsara ny soratro etsy ambony dia ho voavaha ny fanontanianao, le fomba famahana vaovao indraindray ohatra primitive be na koa tsy professionel kanefa alefa be eto Internet ho hitan ny izay te hijery vaovao manerantany indrindra fa ny Malagasy te hijery izany, azo atao koa ny critique satria ao anatin izany azo hianarana zavatra be dia be, izay no hahazoana mandroso na mahatakatra lavitra

Mivadika resaka medicine traditionel ny medicine mandroso ankehitriny, hampiharahana ireo na eto aminay aza miditra antsehatra koa ny medicine sinoa izay tsy misy maharatsy izany fa base mitovy ody gasy any mada ihany, base plantes izay tsy inona fa azo avadika ho pilles na avadika menaka na avadika sirop na avadika fanafody isankarazany

Afaka milaza ny heviny daholo izay te hilaza, afaka mamakafaka koa enao hoe hatraiza ny farimpahaizana misy sy mety hiseho hahafahanao mandinika sy maka ny tandrifinao
4. vahiny2004 ( 23/03/2015 10:42)
saho:

Izaho tsy milaza fa tsara na ratsy ny médecine traditionnelle, averiko ihany fa constat no voalaza .

Manana foto-drafitr'asa ve ny mpikarakara médecine traditionnelle ? Raha tsy manana foto-drafitr'asa @ popularisation de la méthode ny médecine traditionnelle dia mijanona @ izay misy vahoaka malagasy

saho:

Mivadika resaka medicine traditionel ny medicine mandroso ankehitriny, hampiharahana ireo na eto aminay aza miditra antsehatra koa ny medicine sinoa izay tsy misy maharatsy izany fa base mitovy ody gasy any mada ihany, base plantes izay tsy inona fa azo avadika ho pilles na avadika menaka na avadika sirop na avadika fanafody isankarazany

Aiza ity "eto aminareo" voalazanao ???

saho:

Afaka milaza ny heviny daholo izay te hilaza, afaka mamakafaka koa enao hoe hatraiza ny farimpahaizana misy sy mety hiseho hahafahanao mandinika sy maka ny tandrifinao

Marina tokoa fa samy afaka milaza izay heviny daholo izay te hilaza, io no antsoina hoe démocratie.

Eto izao tsy dia mazava ny tian'ny mpanoratra holazaina . Sao dia hoe mba mila comm kely nareo mpandala ny médecine traditionelle mba hahafantaran'ny olona anareo no tsotra indrindra fa tsy mitroatra @ tsy antony

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607