rakitr'i Flacourt... ny SEX (sy ny finoana)

1. rhaj0 ( 12/03/2015 19:41)
http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Ils sont fort adonnés (?) à la paillardise (?) et estiment aussi celui-là malheureux qui n'a point de femme, et plus encore celui qui n'a point de mignonne. Ils ont la pluralité de femmes suivant les moyens qu'ils ont de les nourrir, ce qu'ils appellent Mampirafe... Si les hommes sont sensuels, les femmes ne le sont pas moins, et ne laissent écouler aucune occasion de passer leur temps, ayant toujours outre le mari un ou plusieurs amis, avec qui elles jouissent; si leur mari se fachent, elles le quittent fort bien, et s'en vont passer leur temps avec qui bon leur semble. Le mari étant trop heureux de les aller chercher.



Ka dia TSISY manota izany izany ny mampirafy ho an'ny razambe malalantsika ee.. ary "malheureux" akoriny azany izay tsy manao.

Izany hoe... tsisy didin'A.tra ny @ izany mampirafy izany fa ny Kristiana foana no sakay kely rano @izany eo.. :-)
novalian'i endriny ny 17/03/2015 07:57
2. rhaj0 ( 12/03/2015 19:50)
http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Avant que d'être mariée, elle jouent (jouissent?) tant qu'elles veulent, et se prostituent â tous venants pourvu qu'ils payent, et si un homme a manqué de les payer elle vont effrontement lui oter la pagne sans qu'il ose se défendre ... ainsi c'est la coutume du pays, que la simple fornication, entre ceux qui ne sont pas mariés, n'est point pêché envers Dieu ni envers les hommes. Les filles ne voudraient épouser un garcon qu'elles ne l'eussent éprouvé plusieurs fois, et longtemps auparavant. Entre ceux qui sont mariés, l'adultêre est seulement repité un larcin, etune injure envers les hommes, dont l'amende se paye comme pour avoir commis un larcin...


Mahavariana hoe, ny lehilahy izany raha mahavelona sipa betsaka dia tsy izay izany.. Fa dia (mbola) ny lehilahy ihany no mi-payent eee.. dia fa nahoana kosany koa azany tsy mba hoe ny vehivavy no manana vady be dia be... Sa mbola didin'ny be sandry ihany io ?
3. rhaj0 ( 12/03/2015 20:01)
http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f112.image
Flacourt page 86: La crainte de Dieu n'est aucunement connue de cette nation qui ne vit que selon la loi naturelle et bestialle. Les petits garcopns et les petites filles se jouent (jouissent?) en présence de leurs parents qui s'en rient et qui même les incitent à cela. Quelquefois les petits garcons commettent certaines dissolutions avec des veaux et cabris en présence de leur parents sans en avoir honte... La sodomie n'est point en usage par cette nation, et leur est inconnue. il y a bien quelques hommes qu'ils appellent Tecats (?), qui sont des hommes effeminés et impuissants, qui recherchent les garcons, et font mine d'en être amoureux en contrefaisant les filles et se vetant ainsi qu'elles leurs font des présents pour dormir avec eux, et même le donnent des noms de filles, en faisant les honteuses et les modestes.


Ka dia io izany hono ny "loi naturelle" eee... (ny loi divine izany TSY naturelle angambany..)
4. endriny ( 13/03/2015 04:03)
Raha ilay fomba filazany aloha dia te hanaporofo amin'ny Frantsay namany izy fa manao fiainanan'alika ny Malagasy any Atsimo. Dia tena io tokoa ve no niseho?

Sarotra amiko ny hino an'io aloha. Ny haiko sy efa hitako dia rehefa mandeha mandro eo amin'ny reniranon'i Madrare ny olona dia samy miboridana daholo na lahy na vavy ary tsy misy mifanam-pimenatra izany. Saingy mbola tsy nahita kosa aho na olona iray aza mba nifampikasokasoka na nifampikitikitika.

Marina aloha fa ny tsena na aiza na aiza eto Madagasikara dia toerana fitadiavana sipa. Fa ny ilazana kos hoe nanao teny an-tsena mino aho fa tsy marina izany.

MIsy fiteny iray izay any hoe: "Ny henatra tsy fivarota an-tsena". Izay midika fa tsy misy mivarotra fivadiana eny an-tsena, ary tsy misy mivady an-tsena, fa ny mijery izay ho vadiana ny harivana no misy.

Fa I Flacourt angamba nahita ilay vehivavy tsy manao ambony eraky ny vohitra dia mba nanitatra kely. Izy raha teo moa olona nalahelo fa voadona ara-panambadiana dia mba nendefa ny ventsoventsony angamba...

5. Strong3 ( 13/03/2015 05:37)
izay le hoe paolcowboy kou... tsy maintsy misy itatra!
6. rhaj0 ( 13/03/2015 10:17)
Ka io k'lou ry Strong3 dia raisina miaraka amina esprit critique fa tsy @ ilay esprit minou..

Io ny raki-tsoratra, dia mba atao ny fampitaha sy fanadihadiana izay resaka hafa sy izay zava-m/nisy ets... ary tena isaorana betsaka an'i Endriny raha ny @ io..
7. Strong3 ( 16/03/2015 09:31)
ka io boky io nge namana efa lany andro sady nentina hanamaivanana ny mahaizy ny gasy.
saingy enao moa ity efa voazahagasy dia tsy maharary anao ilay atao an'izao :-)
8. rhaj0 ( 16/03/2015 10:08)
Strong3:
ka io boky io nge namana efa lany andro sady nentina hanamaivanana ny mahaizy ny gasy

ka ny Baiboly io nge namana azo akapoka ho toa izany koa ee: y Baiboly izao no tena manipaka ny "maha-izy ny gasy", dia ny FINOAN'NY RAZAMBENY.. saingy enao moa ity efa lasa kristiana ka dia...
9. Strong3 ( 16/03/2015 10:25)
sur...
ny mandihy rehefa misy maty tsy fomba gasy fa fomban'inona?
ny famadiana dia tsy fomba gasy fa indonéziana
ny mifora tsy fomba gasy fa jiosy irery ihany koa

iza ary ny gasy? mba valio alohan'ny handisoana izay tena diso aza kou
foko avy aiza ireo novantanin'ny voazahamenasofina? nahaona nefa ny foko 18 no mifankahazo teny koa?
10. rhaj0 ( 16/03/2015 10:53)
http://news.mongabay.com/2005/0708-wildmadagascar.html#jYRvR8lLYW2wvuQm.99
The new findings, published in the American Journal of Human Genetics, show that the human inhabitants of Madagascar are similarly unique - amazingly, half of their genetic lineages derive from settlers from the region of Borneo, with the other half from East Africa. Archaeological evidence suggests that this settlement was as recent as 1500 years ago - about the time the Saxons invaded Britain.


io angaha no mamehy azy.. Dia ilay parallele dia hoe, ny Britain izany Saxon..

(f'io moa TSY ao anaty Baiboly ka dia tsy inoan-dry Strong3.. fa ny ao anaty Baiboly azany toa hoe, avy @ Foko ilay faha-12 izany ny gasy, izay ilay ampinoana anareo ao... ary ireo voazahamenasofina evanjelisitra indrindra no nampino izany t@ kristiana)


Dia averiko indray.. ilay raki-tsoratr'i Flacourt dia raisina @ esprit critique fa tsy io esprit-minou lava an'ny Kristiana io. Ary io raki-tsoratr'i Flacourt io dia iarahana dinihina @ raki-tsoratra sy fikarohana hafa...
11. Strong3 ( 16/03/2015 12:27)
fa ilay jiosy foko 12 apahany nitsoaka taty izany niverina nody raha izany fa ry zimbabwé sy ry tanzaniana no lasa jaobijaoby taty io hihihi satria ry britisy no nilaza izany...

ka mba mikritiky anao sy paolicowboy koa nga za io eh

ho mba hampahalaky hitombo ny gasy dia neverina fa u know tamin'ny biby ve izany zareo ka izany no mahatonga ny taranaka aty aoriana biby toetra grrrrrrrrrrrr ....
tsy hino izany za na dia ny baiboly ihany aza no tokony hinoana

12. rhaj0 ( 16/03/2015 12:48)
Iee... ny Zafinibrahima no nampitapita (sy nitazona) ny finoana Jiosy, hozy Flacourt tao @ raki-tsorany. Fa ankoatran'ny Zafinibrahima, dia ao ny Mainty, ao ny Zafiraminia sy ny maro hafa koa...

ilay "t@ biby" k'lou ho'a dia ivereno indray ilay tatsy @ "echelle des temps" ee... dia mila afongarina foana ve io? dia mila afongarina indray koa ve i Pat Robertson?

Dia asianao hoe "bibi toetra" izany ny olona? ianao 'ty ho'a ry Stong3 ka dia mpanota-kristiana matevi-koditra e.. efa hoe, hozy ny Didy hoe:
"Manaja ny Rainao sy ny Reninao... sy ny Razambenao sy ny Finoany"
13. gasy1zay ( 16/03/2015 14:18)

rhaj0:

Strong3:
ka io boky io nge namana efa lany andro sady nentina hanamaivanana ny mahaizy ny gasy

ka ny Baiboly io nge namana azo akapoka ho toa izany koa ee: y Baiboly izao no tena manipaka ny "maha-izy ny gasy", dia ny FINOAN'NY RAZAMBENY.. saingy enao moa ity efa lasa kristiana ka dia...


ny ray aman-drenin'i rhaj0 izao mety kristianina satria nilaza izy fa vita batisa, i rhaj0 ity nefa milaza fa tsy mivavaka = lasa athé ka dia diso koa izany ianao nanova ny finoan'i R+R (razambe) sa refa tsy mino mivadika kristiania ihany no tsy mety?
14. rhaj0 ( 16/03/2015 14:31)
Ka izaho anie TSY "mino" ilay hoe "Manaja ny Ray sy Reninao sy ny Finoany" eee...
15. gasy1zay ( 16/03/2015 17:51)

rhaj0:

Ka izaho anie TSY "mino" ilay hoe "Manaja ny Ray sy Reninao sy ny Finoany" eee...


Tsy resaka mino sy tsy mino no olana ry rhaj0 fa ianao milaza hoe ny fivavahana kristiana manipaka ny fivavahan'ny Ntaolo (ray aman-dreny) kanefa ianao koa mba nanipaka na niala t@ fivavahan'ny Ray sy Reninao izay kristiana nanao batisa anao ( sa tsy kristianina ry zareo fa mba mampanao batisa fotsiny? Izaho tsy mahalala fa mba nanao déduction :) )
16. rhaj0 ( 16/03/2015 18:31)
Tsy "olana" izany fialana @ izay ninoan'ny r-a-d-ko izany, raha izaho manokana aloha, re ry Strong3 aa.... Reflexe-na siantista (na tia siantista) angamba io: ny saiko dia misokatra amina resaka vaovao voamarina mivoatra ets... fa tsisy resaka "absolu" mihintsy eo.

Io ilay hoe tsy mamato-tena @ zavatra na hevitra noandrianin'ny taloha, toa ny fanaon'ny Leglizy Katolika: izao hadalan'ny taloha rehetra izao no mbola arovana foana nefa efa hita fa...

Dia nareo Kristiana izao no lasa ... tsy hita izay coherence-ny. Ka hono ho'a ry Stong3:
- "Manaja ny Rainao sy ny Reninao... sy ny Razambenao sy ny Finoany" va ianao,
- sa tsia ? Izany hoe "Tsy Manaja ny Finoana Kristiana" ?

(afaka ny tsy sasatry ny miodikodina ianao re ry Strong3, fa izaho koa tsy ho sasatry ny hanontany :-)
17. Strong3 ( 17/03/2015 07:32)

rhaj0:

Tsy "olana" izany fialana @ izay ninoan'ny r-a-d-ko izany, raha izaho manokana aloha, re ry Strong3 aa.... Reflexe-na siantista (na tia siantista) angamba io: ny saiko dia misokatra amina resaka vaovao voamarina mivoatra ets... fa tsisy resaka "absolu" mihintsy eo.
vaovao voamarina taiza, ny mpivavaka manana fatahorana tsy hamoron-dainga aza heverinao fa mino ny lainga noforonin'i Mosesy sy ny tariny ko maika fa io olona tsy mifora sy "tsy misy Atra" ? aza dia mampné hoa... ianao aza eto mitady tsy hino ny big bang kou :-)

Io ilay hoe tsy mamato-tena @ zavatra na hevitra noandrianin'ny taloha, toa ny fanaon'ny Leglizy Katolika: izao hadalan'ny taloha rehetra izao no mbola arovana foana nefa efa hita fa... __ io nge le efa lazaiko anao foana hoe ny secte dia mamato tena amin'ny doctrine atsangan'olombelona fa ny kristiana dia olon-afaka ao amin'i Kristy tompoiny eh, tsy mba misy famatorana ao fa [size=15] libre-arbitre [/size] satria efa nomena ny fahalala feno

Dia nareo Kristiana izao no lasa ... tsy hita izay coherence-ny. Ka hono ho'a ry Stong3:
- "Manaja ny Rainao sy ny Reninao... sy ny Razambenao sy ny Finoany" va ianao,
- sa tsia ? Izany hoe "Tsy Manaja ny Finoana Kristiana" ? ___ manaja ny RAD-ko izaho raha tsy mampandika ahy ny SITRAPON'ILAY TSITOHA ATRO IZY ireo ... fa tsy hoe na hampanota ahy aza izy ireo dia hekeko foana, sanatria izany

(afaka ny tsy sasatry ny miodikodina ianao re ry Strong3, fa izaho koa tsy ho sasatry ny hanontany :-)
___ izaho hamaly foana sady tsy manilika anao hiala eto amin'ity fivavahana sy finoana ity ka, na dia leo ny sary alefako aza ianao :p
18. endriny ( 17/03/2015 07:56)

rhaj0:

Tsy "olana" izany fialana @ izay ninoan'ny r-a-d-ko izany, raha izaho manokana aloha, re ry Strong3 aa.... Reflexe-na siantista (na tia siantista) angamba io: ny saiko dia misokatra amina resaka vaovao voamarina mivoatra ets... fa tsisy resaka "absolu" mihintsy eo.


Izay adala no toa an-dRainy...
19. endriny ( 17/03/2015 07:57)
Dia efa pejy faha firy izao ilay tantara aloha e... Misaotra namaky e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1831