rakitr'i Flacourt... Jesosy gasy = Rahissa

21. endriny ( 17/03/2015 10:30)
Fa ilay "Rahisa" koa ange araka ny lovantsofina any ihany a... dia zanak'Atra be lalao be I leidala e... dia izay no nahatonga azy Rahisa... ilay hoe Hisa mantsy lalao no dikany amin'ny Tandroy, ary ny mihisa dia hoe milalao
22. rhaj0 ( 17/03/2015 17:07)
Fa maninona azany ilay mpihira ito ambany ito no "malahelo" isaka ny mahatsiaro an-dRahisa ???

http://tononkira.serasera.org/hira/feo-gasy/o-isa-e tononkira.serasera.org
Ô isa e! Ô isa a! Isak’izay mahatsiaro anao dia malahelo o!
Ô roa e! Ô roa a! Rohizan’ilay olon-tiako any aho ka tsy afa-miala e!
Ô telo e! Ô telo a! Teneno amin’ny ratsy efa vitako aho fa mbola adala e!
Ô efatra e! Ô efatra a! Hanafarako fara-mandimby izay tsy mahalala e!
Ô dimy e! Ô dimy a! Diniho amin’ny Soratra Masina aho fa hanambady e!



Dia ahoana koa ilay manambady dinihina @ soratra masina ?? :-)
23. endriny ( 17/03/2015 17:46)
Io kosa isa fa tsy hisa koa... ahahahhaha kanefa aloha hisa ihany koa ny isa amin'ny tenin'ny razambe tany Baorineao tany e...
24. rhaj0 ( 17/03/2015 18:10)
ka number one Izy izany e...

Fa vaky ny hehy irery ato aho ho'a.. azoko imazinEna ato ilay hoe "diniho @ soratra masina aho fa hanambady"... hotry ny ireny mankany @ cartomancien ireny, na koa mpisikidy e.. avadibadika ny SM dia ... pouah.. pouah... itsia no Ivadinao, ary ho telo ny zanakareo :-)
25. endriny ( 18/03/2015 09:01)
Inona moa ry Rhaj0 no maha samihafa (ataoko mitambatra mihintsy satria mitovy talenta) ny baiboly amin'ny sikidy. Tsy ataoko rehefa misy manahirana azy ny kristianina dia avy dia mivavabavaka kely dia manokatra ilay boky artifisialy araka izay voarain'ny tanany eo. Dia maka izay andininy sy tokony mba mampandrimpandry ny fony sy ny sainy eo. Raha tsy nety iny dia mitady pejy hafa indray...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1344