FFKM hoe e?

1. rhaj0 ( 06/03/2015 16:43)
TAo @ La Gazette androany:
Les assises régionales et nationales serviront seulement à «?légitimer » le changement de République en adoptant une nouvelle Constitution dans laquelle le FFKM, à travers les quatre chefs d’Eglises, sera érigé en tant qu’« Autorité morale » (les guides spirituels)...

Idiran-doza @izany eo!!!
novalian'i endriny ny 24/03/2015 11:53
2. bor2lais ( 06/03/2015 18:22)
[size=8]Inona moa no mahagaga an-dramose amin'io aloha e ? :-)

Afaka miteny izay tiany lazaina (tahaka ny eto amin'ity sehatra ity) daholo ange e ! Ny tsirairay (na mpamaky) no mieritreritra na marina na tsia ny voalaza avy eo ! Tsisy bedy fa "liberté d'expression" (hono) io ramose a ! :-)[/size]
3. rhaj0 ( 06/03/2015 19:13)
Tsy hoe "mahagaga" fa "mampatahotra". Ny hamisavisana ny ratsy sy ny tsara hono...

Ka hoe, ho toa ny any Iran izany dia hisy ny Guide Spirituel ve? Sa inona no modely raisina @ io? Sa hoe tena original gasy? na hoe "ady gasy" ?

Ohatra izao ny an'ny Kanadiana, dia ny fara-tampony ka hoe "neutre" dia i La Reine. Ohatra ho'a hoe, t@ minoritE ny PC, dia nefa ny fitambaran'ny PL sy NPD no majoritE, dia nitady hanao "coup d'etat" moramora ry PL+NPD, ary dia teo i La Reine (na i Ragova solon-tenany) no niteny hoe, araka ny lalAna, dia izay be isa, na dia minoritE azany, no mitondra ny gvt.

ka mila "fara-tampony" afaka ny ho neutre ka manelanelana ve izany ny gasy izao ?

Ao ny monarsisita efa elaela no nitady isisisisika. Dia io koa izany ny clergE.


ka ahoana azany ny hevitrao e...
4. sitlo ( 07/03/2015 02:18)
Izao indrindra ilay tsy tiako. Hita tsara izao ny tandrony.

Mody hoe, ahoana ny nahatonga an'izao tontolo izao sy ny mpamonjy sns. Nefa politika efa hatry izay. Ranavalona I nahafantatra azy tsara dia ankalazaina mihitsy fa mpanjaka mpamono olona tsy manan-tsiny...
5. endriny ( 07/03/2015 04:45)
Aleo entiny eo fa ry zareo manam-bola (gasy1zay) no maro an'isa fa 85% Malagasy hono Kristianina daholo (Strong3).

Aleo mangina daholo ny sisa rehetra...
6. Strong3 ( 09/03/2015 06:31)
na mihena io % io na tsy mihena dia izay aloha no mazaoritéan'ny malagasy... firy taona izay no nisy korotana teto ka tamin'ny ovina tamin'ireny no mba nisy hoe hiantsoana finoana hafa?

raha tsy hoe ny gadra politika ngamba no nahita karazany maro ... ankohatra izay dia mpino avokoa ireo filoha, fa i zoky be ity aho iraho aho no saika hanitatsaina hitondra rivotra hafahafa teto soa fa tsy lany :p

fa na izany na tsy izany, tsy misy idiran'ny ffkm ny finoana kristiana... ireny dia efa fantatra ny lalany. aza atao safobemantsina hoa io mpanaradrenirano sy kristiana io eh
7. sitlo ( 09/03/2015 19:44)
Efa manomboka mazava amin'i Strong3 ny marina. Ny fahendrena no zava-dehibe fa tsy ny kipitsopitsony.
8. RBNIR ( 10/03/2015 05:48)
Jesosy tsy nampianatra ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpianatra ary ireo mpino hiditra amin'ny resaka politika sy fitantanam-panjakana.....
Tsy hoe rehefa kristianina dia mahafantatra ny fahamarinana fa izay mikatsaka mafy ny fahamarinana ihany no mahafantatra tsara ny tokony hatao manoloana ny toe-javatra iray:
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Koa aza IZY no omena tsiny fa ny olona rehetra tsy hitovy mihitsy......

Mampianatra ny TSARA IZY, anjaran'ny tsirairay no manaiky na tsia.....Fa AO AMINY TSY MISY RATSY NA DIA IRAY AKORY AZA.......

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....


9. bor2lais ( 10/03/2015 08:10)
RBNIR:

Jesosy tsy nampianatra ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpianatra ary ireo mpino hiditra amin'ny resaka politika sy fitantanam-panjakana.....

:-)
Izany hoe raha azoko tsara ny tian'i RBNIR lazaina, tokony hijanona spekta eny @ pelouzy (tahaka ny filazan'ny sasany eto) fotsiny izany na asaina hijery fandaharana @ TV ny Kristiana fa tsy tokony iraharaha ny fiainam-pirenena mihitsy ?
:-)
10. Strong3 ( 10/03/2015 10:15)
« Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:15)

__ mazava ngamba izay ôh!?


Vitao ny asan'ny fahamarinana... tsy mila admnistratéra ny firenena fa any ampiangonana no mijery ny asa fampandrosoana , raha ohatra moa ka tsy misy mpitondra fanjakana intsony i madagasikara dia ahoana? dia iza no hitazona ny asan'ireo efa mpiasa ao? ___ sa ahoana re izany eh?
mety ho lasa mpitantana tsy fidiny ihany i pasitera ngamba kou... sa hoe ahoana??
11. endriny ( 24/03/2015 11:53)
Izaho dia tsy hino ary tsy mino fa hisy fampihavanana tokoa eo...

Fa ny fahitako azy dia vola sy tombontsoa mba tiana ho zarazaraina no misy ... Tsy hisy FFKM hanao zaika tsy idiram-bola ho azy izany... Fa sady vola ho azy io no dokambarotra ho an'ny kristianina fotsiny ihany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083