Ilay mpanera sy ilay mpitoriteny

1. endriny ( 04/03/2015 05:13)
Teo amin'ny fasan'ny karana

Tonga ilay mpitory dia niantso: "Ry havana malala, avy manantona"

Dia hoy ilay : "aty eh, aty eh, malakilaky Madama a"

Mpitory : "Efa nasehon'ny tompo antsika ny lalana mankany an-danitra"

Mpanera : "Aty e, aty e, aty no mandeha"

Mpitory : "Andao jerentsika ny Jaonina..."

Mpanera : "1464 sady tsara no milay"
novalian'i endriny ny 12/03/2015 13:24
2. vony501 ( 04/03/2015 06:00)
1446 no angamba ilay izy ka
3. endriny ( 04/03/2015 13:44)
hihihihiihihihi

Dia nasain'ilay mpitory nangina mandritry ny iray minitra ilay mpanera. Dia hoy ilay mpanera hoe: "Fiasako ange eto razoky fa tsy fiangonana e"

Dia nihomehy ny olona.
4. endriny ( 05/03/2015 13:50)
Saingy mitovy ihany ny asan'ireo roa ireo na ny mpanera na ny mpitoriteny. Saingy hafa ihany ny mpanera, fa manera famenoana fiara hita maso.

Fa ilay mpitoriteny manera paradisa tsy misy eto an-tany, manera famenoana fiangonana

Samy miantso kil e!
Samy mitady mpandeha
Samy mitady saosy
5. Strong3 ( 09/03/2015 08:57)
ny pub hono natao hoan'ny doudou foana ... eh!
6. endriny ( 09/03/2015 10:57)
Aleoko doudou toy izay intelekta mamitak'olona...
7. rhaj0 ( 09/03/2015 16:40)
fa maninona an'i Humphrey Bogart kosany i Doudou Michel eee???
8. Strong3 ( 12/03/2015 12:03)
rhaj0 tsy mahay mihira l'ty iny sy ny zanany ah!... hihihih tarika aza kivy

endriny, tsy izay mifono emballage tsara akory dia matsiro sy mateza daholo , vavan'ny mpitaty rakena no henoina !
9. endriny ( 12/03/2015 13:24)

Strong3:

rhaj0 tsy mahay mihira l'ty iny sy ny zanany ah!... hihihih tarika aza kivy

endriny, tsy izay mifono emballage tsara akory dia matsiro sy mateza daholo , vavan'ny mpitaty rakena no henoina !


Mampalahelo be ianao

Tsy hoe ratsy feo akory dia tsy hihira

"Mifono Emballage Tsara"... angaha lasa mpivarotra Kadao ihany koa

Raha ny fatezana mateza no tsara, dia tsy namboly voninkazo aho, ary tsy nanisy voninkazo tao am-piangonana ianareo Kristianina, fa aleo ilay artifisialy... iny mateza sy tsara loko e?

Lazaiko anao fa ny zava-miserana no mahasambatra kokoa noho ny zava-mitoetra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.725