Very ny olona raha tsy misy fahita!

1. Strong3 ( 20/02/2015 12:49)
« Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra. » (Ohabolana 29:18)

Inona io fahitana io? ny sainao ve sa ny sain'ny manampahaizana noho ianao?... sa mety hoe Atra (na mino ianao na tsia)

ary inona no lalàn'ny fiarahamonina mbola miasa amin'izao? __ ny avoakan'ny demokrasia ve sa ny mpahay lalàna sa ny fahendrena taloha?... sa inona araka ny imagination-nao?



novalian'i Strong3 ny 04/03/2015 12:45
2. sitlo ( 20/02/2015 16:19)
Izao izany ilay sady manitsaka no manao azafady. Rehefa avy nosimbainao n kolotsain'ny fiarahamonin'ny olona dia indro ianao avo vava.
3. gasy1zay ( 20/02/2015 21:13)

sitlo:

Izao izany ilay sady manitsaka no manao azafady. Rehefa avy nosimbainao n kolotsain'ny fiarahamonin'ny olona dia indro ianao avo vava.


Fa inona ry sitlo no manimba ny kolontsaina gasy? Hilaza koa ve ianao fa ny fivavahana no mampirisika ny olona hangalatra, hanao kolikoly, hamono olona, hampirafy, handainga, hamitaka sy hisoloky, hiady seza @ fitondrana, hisotro toaka, hifoka rongony, hivarotena, sns sns... Tranga mameno ny fiaraha-monina ireo izao ka dia ny fivavahana kristianina ve sa ny baiboly no nitondra an'ireo?
4. Strong3 ( 23/02/2015 06:54)
inona moa no idiran'ny fanitsakitsahana ny kolotsaina malagasy amin'ny fanotaniana mipetraka ry Sitlo..?

1/ _ manaraka izany; araka io tenin'i gasy1izay io. moa ve mba fantatrao ny tena kolotsaina malagasy?
2/ _ mba fantatrao ve hoe olombelona avy aiza no tonga teo magadasikara voalohany ka nampisy mponina eto? / dia inona ireo kolotsaina nentiny?
3/ _ foko valoambin'ny folo isika eto madagasikara, nahoana no samy hafa ny kolotsaina?
a) nahoana no tsy mitovy ireo kolotsaina?
b) nahoana koa anefa no mifanakaiky kely na hoe efa hitovy ny tenin'ireo foko 18 natambatr'ity nosy ity ireo?
d) tsy misy teny mifanakaiky amin'ny teny malagasy raha tsy an'ireo firenena roa na telo eo eo, nefa tonga nifandray tsara isika rehetra.


Amin'ny maha malagasy anao sady sarotiny be io (nefa izahay koa mba sarotriny) ,
I-/ ny fandrosoana no manimba ny kolotsain'ny tsirairay sa ny fifangaroana miitatra eo amin'ny foko 18?
II-/ sa ny fivavahana sy ny antokom-pinoana samy mihazakazaka eken'ny olombeona tsirairay eo amin'ireo foko 18?
III-/ Mahasahy milaza ve ianao fa nisy fanerena olona hivavaka eto madagasikara? na hoe tsy maintsy hanaraka ny fomba entin'ny fivavahana araka ny finoana entiny?
IV-/ Fantrao ve ny didy amandalana mikasika ny fampidirana sy ny fananganana antokom-pivavahana eto madagasikara


rehefa azonao sy fantatrao ary azonao antoka fa tena marina ny valim-panotanianao mahakasika ireo izay ianao vao afaka milaza hoe: "iza no mpanitsaka ny kolotsaina malagasy eto"
Fehiny:
1/ ary raha hitombina ny filazanao fa ny fivavahana no manapotika ny kolotsaina malagasy, dia mpotika mahakany amin'ny fivoarana sy fahatsarana sa potika makany amin'ny fihemorana sy faharatsiana?
2/ ary ireo fandrosoana atao hoe fandrosoana entin'ny tandrefana sy tatsinana na ny mondialisation ankehitriny, mba manao izay ahapotika ny kolotsaina sa mampiverina ny kolotsain'ny malagasy hiorina tsara?
3/ Farany: inona moa ilay kolotsaina resahanao ity? kolotsaina amin'ny lafiny inona , mba ilazao ohatra.

5. endriny ( 24/02/2015 04:44)

gasy1zay:


sitlo:

Izao izany ilay sady manitsaka no manao azafady. Rehefa avy nosimbainao n kolotsain'ny fiarahamonin'ny olona dia indro ianao avo vava.


Fa inona ry sitlo no manimba ny kolontsaina gasy? Hilaza koa ve ianao fa ny fivavahana no mampirisika ny olona hangalatra, hanao kolikoly, hamono olona, hampirafy, handainga, hamitaka sy hisoloky, hiady seza @ fitondrana, hisotro toaka, hifoka rongony, hivarotena, sns sns... Tranga mameno ny fiaraha-monina ireo izao ka dia ny fivavahana kristianina ve sa ny baiboly no nitondra an'ireo?


Any amin'ny tany Kristianina ve tsy misy an'ireo? Ary inona no zavapisotro lavorary indrindra tany Israely? rano ve? Jesosy aza mbola nampiakatra kely naka santimaka vao nandeha tany Getsemania, sa diso aho?

Diso aho kay ka, nampisotroin'i Jesosy ny mpianatra dia rehefa mamo ireo dia niporitsaka izy nanendaka olona teny an-dalana, ka ilya olona voaendaka no nampitafiana ny akanjony. Dia lasa izy nitsoaka niala teo Israely. Ary nifanena tamin'i Paoly teny andalana ny alatsinainy taorian'ny andro tokony hitsanganany... Izay moa?
6. endriny ( 24/02/2015 04:45)
Ary any amin'ny tany arabo ve mba nisy mpamokatra heroina tahaka ny tany tandrefana Kristianina e?
7. Strong3 ( 04/03/2015 12:45)
nga moa tsy hanaovana akanjo ireny sa ataon'isé inona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2069