Ireo olona nijoro vavolombelona fa niakatra tany an-danitra

1. gasy1zay ( 16/02/2015 16:44)
Misy ireo olona nijoro vavolombelona (témoignage) manambara fa niakatra tany andanitra izy ireo ary niresaka t@ Jesoa Kristy nivantana.

Raha jerena ny baiboly dia nanambara i Jesoa t@ ireo mpianany : "Hitady Ahy hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha."

ary mbola naveriny matetika io :
"Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo, ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny."

Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany hianao rahatrizay.

Raha jerena io nolazain'ny Tompo io dia tsy misy olombelona ara-nofo afaka makany @ izay itoerany fa rahatrizay hitsangana @ maty na aorianan'ny hiaviny indray vao ho tanteraka izany.

Misokatra ny adihevitra, indrindra hoan'ireo tarihina Pastera milaza fa efa nakany an-danitra.
novalian'i Strong3 ny 17/02/2015 07:04
2. endriny ( 16/02/2015 16:57)
Io izao araka ny baiboly

Fa araka ny Koroany dia tsy nitsangan-kovelona akory ny mpaminany lehibe Jesosy, fa tafatsoaka tamin'ny famantsihana ary dia niakatra velona any an-danitra. Tsy voafantsika ary tsy maty araka ny Testamenta vaovao akory...

Araka ny Hebrew dia Jesosy dia olona mpanao mazia sy vetaveta tamin'ny taona faha-50 sy 60 ka novoin'ny Israelita ho faty...

Ny fanontaniana mipetraka dia ity: "Naninona ry zareo no nitsoaka tany amin'ny tanin'ny Raomanina nitory ny maha vavolom-belona azy? Fa naninona izy raha niseho teo amin'ny Israelita nijoro ho vavolom-belona?
3. gasy1zay ( 16/02/2015 17:13)
Endriny > Raha marina ny voalazan'ny baiboly (testamenta vaovao) dia tsy ho marina ny coran (500 taona taty aoriana) na ny voalazan'ny Jiosy, ka io izay hinoanao raisina fa tsy mitovy ny ambarany. Izaho efa nambarako hoe resy lahatra aho fa ny baiboly ny marina, ianao mety manana izay maharesy lahatra anao ary manana ny antony maharesy lahatra anao.

vakio ny testamenta taloha manomboka ao @ eksodosy, dia mba raiso naoty hoe inona avy ireo fahagagana nataon'Andriamanitra t@ zanak'Israely, loza folo tany egypta, ny ranomasina mena nisokatra, mana nilatsaka avy any an-danitra, ny vatolampy nokapohina niteraka loharano sns sns, nanakana azy ireo hanana andriamanin-kafa ve izany? Jereo ny testamenta vaovao fa niverina foana hoe raha mba i Sodoma sy Gomora no nanaovana famantarana toy izao efa betsaka ny niova fo, fa ny zanak'israely toa faly t@ fahagagana fa tsy dia niova fo loatra ary ireo mpitondra fivavahana aza dia tena namono an'i Jesoa, izany no antony hoe na niseho taminy aza i Jesoa tsy nino ireo fa nilaza indray hoe devoly io sns sns, ka dia izay mino na jiosy na tsy jiosy no hovonjena fa ny famantarana dia efa nataon'i Jesoa talohan'ny nanomboana azy t@ hazo fijaliana.
4. rhaj0 ( 16/02/2015 17:41)
Tena mila aboakako ilay sariNY mba ampamora ny imaginer-ko ny zava-nisy t@ izany, dia hijerena hoe, ny an'i Endriny no mitombona sa ny an'i Gasy1zay ...

ka ahoana azany e..
- ndeha hitsoaka Izy @ io sary ambany io, ary mibanjina ilay ho alehany, sa efa tafatsoaka ary mibanjina ilay misy azy ao io..
- ndeha ho ahantona Izy io, dia hotry ny koditra io, sa efa lasana Izy ary dia io hotry ny taitra amin-draha hitany any io..
- manao mazia vetaveta izy @io sa ...





ok .. ok .. hors-sujet za, fa dia tohizo azany ny anareo e...
5. Strong3 ( 17/02/2015 06:02)
mpanao mazi ahoana ary ??? hihihi

ké inou fou raha nandrasan'i Jiosy tao amin'ny farihin'i betesda; ary inou koa basy rah ambésan'ny islam amin'ny ramadany? tsy fahagagana daholo ve?

ka inou proublémounareo amin'i JC raha mahay fahagagana mihoatra lavitra amin'ny vitany anareo Izy. izay bôka no maha ZAnak'Atra anazy io eh!
6. endriny ( 17/02/2015 06:24)

Strong3:

mpanao mazi ahoana ary ??? hihihi

Io ilay hoe aza mihaino feon'olon-tokana ry namana a... tsy hoe rehefa HVM dia Hopitaly Vaovao Mahafaly daholo akory fa ny sasany Hery Vaovaon'i MAdagasikara...
7. Strong3 ( 17/02/2015 07:04)
HOPITALY VAOVAO MANARAPENITRA koa no filaza fa tsy Mahafaly izany eh ... laolina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843