Kéré

1. Strong3 ( 16/02/2015 11:54)
Dia lasa ny saina ry malagasy namana hoe: "andraikitr'iza ity raharaha ity"

ny Fanjakana ve
ny BNGRC ve
ny Ministeran'ny mponina ve
sa ny Solombavambahoaka ?

nalefa ny voikava mahatratra; tsy tonga any ifotony tena mila ny fanampiana ny entana fa eo amin'ny ville de tapitra ka vary 4kp sy mena iray sotro no mba omena ireo tena kéré.

Rariny ve izany?

Manilika ramatoa Min fa hoe misy tsy mandeha amin'ny laoniny ny fitsinjarana.
Kay ve misy HERY AMBONIN'NY MINISTRA amin'ny fikarakarana azy io e?

sao mba saribakoly aza ity ministra ity? tsy mahalala ny fahefana eo aminy sa inona no ao ambadin'izao?

soa fa mba nalefany ihany aza tamin'ny Tv+ ny sary , mba hitan'ny malagasy rehetra ny iray rà aminy izay hiaran'ny loza tena mahatsiravina indrindra. asa ré raha mba hifoha amin'ny ireny ny fanjakana nametrahana fitokisana hitantana ny volambahoaka izay natao hanasoavana ny vahoaka mandoha hetra amin'ny ihany eh?

sa adino fa ny vahoaka no maha-fanjakana ny fanjakana? __ ny 4x4 etsy tsimbazaza edivana fa ny hamelona ireo olona tra-doza ireo HIFANILIANA toa ....

ny Filoha hoa mba efa nanatry maso tany ve hoa eh? sa ramatoa ministra efa solotenany tany ? nefa toa tsindrin'olona de lasa toa mpanao gazety ihany; manao tatitra fotsiny sisa fa tsy FEHEFANA MPANANTATERAKA fa toa mpitazana indray.
mahagaga izy ity!...
novalian'i Strong3 ny 24/02/2015 05:51
2. bazylou ( 20/02/2015 11:47)
ny fanjakana no fototry ny afo ao.

beuurrk
3. endriny ( 24/02/2015 05:41)
Tsy mandaitra anga ny vavaka ry Strong3?
4. Strong3 ( 24/02/2015 05:51)
hay ! tsongoy fonao ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1586