Dia nisy tokoa ve ny safo-drano ? Andramo ity dia mba diniho

21. endriny ( 18/02/2015 06:12)
Ny tena mampihomehy ahy dia izao

Tamin'ny andron'i Adama sy Eva, dia nalain'ny zanany atao hoe Kaina ho vady ihany koa I Eva, satria mbola izy telo ihany no olona tamin'izany a

Dia rehefa tonga koa ny safodrano.. Dia ry Noah mianakavy ihany no nifanambady tao

Dia kay isika namboarin'Atra ohatran'ny biby ihany kay koa
22. Strong3 ( 18/02/2015 09:06)

endriny:

Ny tena mampihomehy ahy dia izao

Tamin'ny andron'i Adama sy Eva, dia nalain'ny zanany atao hoe Kaina ho vady ihany koa I Eva, satria mbola izy telo ihany no olona tamin'izany a

Dia rehefa tonga koa ny safodrano.. Dia ry Noah mianakavy ihany no nifanambady tao

Dia kay isika namboarin'Atra ohatran'ny biby ihany kay koa


izao ve ilay olona hoe maharaka gazety ?.. amatéra beuh lohatra ilay fandinihanao ny baiboly ka; izay za vao resilahatra
niahaaahahaha...

« Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. » (Genesisy 2:20)
« Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. » (Genesisy 2:21)
« Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. » (Genesisy 2:22)
« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
« Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. » (Genesisy 2:24)
___
« Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. » (Levitikosy 18:7)
« Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy. » (Levitikosy 18:8)
« Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. » (Levitikosy 18:9)
« Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa. » (Levitikosy 18:10)
« Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. » (Levitikosy 18:11)
« Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. » (Levitikosy 18:12)
« Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. » (Levitikosy 18:13)
« Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy. » (Levitikosy 18:14)
« Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. » (Levitikosy 18:15)
« Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy. » (Levitikosy 18:16)
« Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:17)
« Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy. » (Levitikosy 18:20)
« Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22)
« Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. » (Levitikosy 18:23)
« Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka. » (Levitikosy 20:19)

___ mba manakara lavitra namana "endriny" fa tsy mba nolazaina ny anaran'ny vhv ao anaty baiboly raha tsy nanao asa lehibe izy...
aminao izany dia tsy nitera-dahy i adama sy eva?
aminao izany dia nandry tamin'ny eva daholo ny zanany telo lahy?

nefa eo ambony milaza izy fa noho iray izy roaroa...

alefasa lavitry jerinao laolo eh...! ka raha marivo lohatra hihihi
23. rhaj0 ( 18/02/2015 11:19)
Strong3:
« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
« Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. » (Genesisy 2:24)

marina mafy @ djisaosy kiraisita re ry Strong3 ... koa na ny zaza bodo tantaraina angano azany ve tsy kofona fahananao an'io ?
2:23- hoe ravehivavy izany avy @ taolan-dralehilahy
2:24- nefa i ralehilahy kay manana reny (izay hilaozany io izany)
---> dia ilay reniny izany ahoana koa ? sa tsy vehivavy ilay reniny fa ... reniny fotsiny ????

Dia faly miboloky eo fotsiny re ianao ry Strong3.. fa dia tena tsy mangidihidy kosany ve ho'a ny sainao tia lojika eee?
24. rhaj0 ( 18/02/2015 11:30)
Dia rahefa lazaina nareo hoe, inona foana ity (kiboribory) vetaveta ity, fa tsy mba menatsa va ianao io re ry Strong3 fa jeren'ny Ankizy anie eeee... dia hotsan'ny tegna injay no Irainizeloza...

i Atra no namorona an'i Atra,
Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
"Taraiky" daholo ireo kristiana sandoka sy ny tsy-mpino, fa izaho Ibaotsimivily irery no izylay..
Ny vehivavy (reniny) no nampisy (niteraka) ny lehilahy. Ny lehilahy no (nanome ny taolany ka) nampisy ny vehivavy
25. Strong3 ( 19/02/2015 09:47)
izay manamaso aoka hamaky ny laojika ary hisaina izay mahatakatra ny tsy laojika...
misy point ao hoe: "raha tsy hoe misy asa lehibe izay vao lazaina ny fisian'ny vhv"
i eva sy adama no noforonina voalohany; ka nomena teny mba hiteraka ... ka inona no tsy laojika raha hiteraka izy??

sa ve hoe isak'ny haka vady hoy isé vao hanamboatra vhv ho vadiny ny lhl ... niahaha kkkkkkkk
26. rhaj0 ( 19/02/2015 11:12)
ah.. diso tokoany aho. Kay moa "noforonina" ny lhl (Ilaidama). Dia avy eo, "noforonina" koa ny vhv (Imaeva). Dia rahefa tafidina tety an-tany izay vao nanao ireo. Dia niteraka 2 lahy. Dia avy eo dia ... asa ahoana ny tera-bitro tao, fa dia tampoka teo, dia feno ny tany. Coool...

Fa dia ovaiko azany ilay caricature e...

i Atra no namorona an'i Atra,
Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
"Taraiky" daholo ireo kristiana sandoka sy ny tsy-mpino, fa izaho Ibaotsimivily irery no izylay..
Noforonina ny lhl, dia noforonina koa ny vhv. Dia tampokatampoka teo dia feno ny tany.
27. Strong3 ( 19/02/2015 12:32)

rhaj0:

ah.. diso tokoany aho. Kay moa "noforonina" ny lhl (Ilaidama). Dia avy eo, "noforonina" koa ny vhv (Imaeva). Dia rahefa tafidina tety an-tany izay vao nanao ireo. Dia niteraka 2 lahy. Dia avy eo dia ... asa ahoana ny tera-bitro tao, fa dia tampoka teo, dia feno ny tany. Coool...

Fa dia ovaiko azany ilay caricature e...

i Atra no namorona an'i Atra,
Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
"Taraiky" daholo ireo kristiana sandoka sy ny tsy-mpino, fa izaho Ibaotsimivily irery no izylay..
Noforonina ny lhl, dia noforonina koa ny vhv. Dia tampokatampoka teo dia feno ny tany.


hi! hi! hi!

hay ve ka "tampoka teo dia feno eh..."
niverina valo izy teo amin'ny safodranon'i Noah r'ingahy ity ah :p

fa na izany dia efa mazava fa ny vhv tsy noisaina, fa tsy hamorona eo ndray hoe pd toa ireo tsy mino ry kaina sy seta!

sa hanao hevitra babakoto hoe: nanambady biby ry zalahy de izay no nahotonga ny sasany fotsy ohatran'ny ... dia ny sasany maintsy ohatran'ny .... de ny sasany mena ohatran'ny ....

ny tranga hita ao amin'ny baiboly dia namela famantarana na marika izy, ohatra ny fanjakana babiloniana dia tsy misy mirakitra azy afa tsy ny baiboly , nefa antaonany maro tsy hita izy io hoe aza ho aiza, ta taty aorina be hita ihany izy tao anty dézéran'iraka , akohatra izay ny anaratany sns .. ka mba mahatsikaiky ny filazanao hoe : " ny baiboly manamarina ny baiboly" __ mba efa maro ihany ireo arkiology nanamarina ny fisian'ny baiboly fa tsy mbola nisy nilaza hoe diso izay toerana na antontanjavatra lazainy.
28. rhaj0 ( 19/02/2015 15:27)
ntsss...
.. namely an-dreniny i Kaina sy Abela... (i Lucie anefa miandry fotsiny tatsy Ethiopie izy teo)

... sahala @ Noah namely an-janany.. (ny sinoa anefa efa an'alin-kisa t@ izany)

sahala @ Amish mifanambady an-trano tao (fa satria matahotra Bibidia) ...

Dia avy eo ganga rahefa misy anormalite genitale..
29. Strong3 ( 20/02/2015 12:40)
asio porofo ilay ho nifamely antoerana sy izay lazainao ary kou .. izahay nga sarotiny rhefa miseho ny marina , fa hatreto aloha toa ny imagination-nao no anaovanao tora-po eto hihihi ..

mdr sisa ve no anavana ity resaka ity ôh ... ataovy sérié hoa
30. rhaj0 ( 20/02/2015 13:28)
eny azany fa hiezaka aho e..

1- noforonina Ilaidama avy t@ bolabola-tany izy teo, sa moa inona? entouka, noforonina Ilaidama
2- noforoina Imaeva avy @ taolan'Ilaidama
3- voaroaka ny paradisa zareo ary tafakindingy teto an-tany
4- dia niteraka an'Ikainabela sy Abelakaina izy roaroa
5- dia ... tampotampoka teo (ho an'izay tsy nanaraka ny tantara) dia nisy teraka maromaro ary dia feno ny tany..

Ka TSISY "noforonina" intsony re teto an-tany e.. ary TSISY viavy noforonina koa e...

Ka IZA azany no renin'ireo zanak'Ikainabela sy Abelakaina ireo ee ??? ilazao aminay eto mazava ry Stong3 a... Afaka mandray porofo avy @ Baiboly zaho...

Koa na mbola zanak'Ilaidama sy Imaeva daholo azany izay teo, dia ahoana ny zafikely e... mamely anabavy ngaha izany ny anareo tao e...


Aoka ho'a... folklore t@ fotoan'androny mba nampatoriana ny ankizy taloha ve ry Strong3 dia mbola fikirinao ao ihany, ianao efa vory saina sy vory nofo io ary "nitombo fahalalana"... aoka ho'a...
31. rhaj0 ( 20/02/2015 15:31)
Eny azany fa ampiako ianao e...

1- Noforonin'i Atr'Israely Ilaidama si Imaeva, dia noroasiny avy any ambony tany, ka nidina taty ambany taty nanafina ny taovany tamina tako-kenatra

2- Dia noforonin'i Atr'i Bobolita koa ry Bobolita mianakavy tao ambony tao. Dia ry Bobolita miaka-midina avy any ambony mankany ambany, mi-passe amina trou kely ao @ rahona ao. Fa in-1 mandeha nisy katavy tamin-dry Bobolita te-hidina, fa rovitra tery ho'a ilay lavaka kely, ary dia tafaborotsaka taty ambany daholo ry Bobolita mianakavy.

3- Dia ilay katavin-dry Bobolita izany no niray t@ Abelakaina sy Ikainabela tao, menazy a trou-A, ary dia nanao tera-bitro tao zareo.


k'ahoana.. mitombona ve izany tantara izany ry Strong3 ?

Dia mba ahoana azany no nafenin'ny Baiboly izany... ntsss... manjary be fanontaniana ny ankizy...
32. Strong3 ( 23/02/2015 09:24)


Mésopotamie, sivilizasionà teo amin'ny 3500 av JC izay hitan'ny baiboly , teo amin'ny tantaran'ny Gen na fiandohana... niainga tamin'ny famakiana sy fanamarinana ny fisian'ny baiboly no nanaovana ny fikarohana. Io ilay lazaiko foana hoe mba misy porofo ara-jéografika koa anie izy io fa tsy mandéhandéha fahatany eh...

enao anie tsy mamaky mihitsy fa dia faly miresaka fotsiny eh, efa lazaina hoe: ny vehivavy tsy nolazaina anarana na notantaraina teo amin'ny fanoratana ny baiboly.
ny hoe nanambady anabavy angamba no azoko ekena , fa ilay fanamavoanao ny baiboly hoe niray tamin'ny reniny dia blasféma ka manahirana ny fisainanao azy (imagination ratsinao iny)
anisan'ny imagination ratsinao sy fomba ratsy ny tany mandroso koa ity filazanao hoe ménazy à 3 ity... laol beuhhh, mba hendry hoa (na dia tsy hino ny baiboly mandrakizay aza ianao)

Ny néfilima resahinao indray dia ny vanim-potoana nisehoany fa tsy ho akory hatrany ampiandohana dia nidina niray tamin'ny zanak'olombelona izy ireo.

fa fony vao zaza koa aho dia nanana saina toa hendry ohatra anao ry rhaj0; ka nisaina hoe mety ho biby mihitsy aza no vadin'i kaina ... ary raha nisy anabavy izy dia nga mety ny mivady amin'ny anabavy? __ dia ahoana no nampitombo ireo ho lasa tsy tambo isaina hatreo amin'ny Noah ... asa raha tsaroanao ny sekoly alahady fa zénérasion 10 no nisy nanomboka teo amin'i Adama ka hatrany amin'ny Noa. akohatra ireo dia nisy fiarahana amin'ny nefilima io resahinao io ... « [Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; » (Genesisy 5:1)
« lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy. » (Genesisy 5:2)
« Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. » (Genesisy 5:3)
« Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. » (Genesisy 5:4)
« Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. » (Genesisy 5:5)
« Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy. » (Genesisy 5:6)
« Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. » (Genesisy 5:7)
« Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; » (Genesisy 5:8)
« Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy. » (Genesisy 5:9)
« Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; » (Genesisy 5:28)
« ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah. » (Genesisy 5:29)
« Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. » (Genesisy 5:30)
« Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy. » (Genesisy 5:31)
« Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy. » (Genesisy 5:32)

NY MAHAVOA anareo anie tsy mamaky ilay boky toherinareo , dia tsy mandeha amin'izay laoniny ny resantsika eh... raha zénérasion 10 ampitomboina 1000 mety hanome firy isaky ny zénérasion izany ny taranak'i Adama hatreo amin'i Noa? __ raha éstiména kely ny tranga dia atao hoe 500 taona ny fahaveloman'ny vhv iray , 30taona izy manomboka mitraka ohatra , 10 ny zanany ; 5 lhl, 5vhv... ireo dimy indray miteraka 5 vhv , dia mifandimby makany (nefa raha io tahampahavelomana io dia tsy ho 10 fotsiny ny zaza mety hateraka amin'izany... fa azo heverina ny ahamaro anaka azy ireo[arak any tsodrano nomena azy] ka tsy hameno tany hoana mandritra ny 10 000 taona? ary mbola tsy niely be koa ny olona tamin'izany ka mora kokoa ny fitomboana ...

"Ny mahalala tsara no afaka mamadika ny marina" ... :-)
33. rhaj0 ( 23/02/2015 13:12)
Dia io izany ny tao mesohippopotamia t@ izany ka maninona ? voasafotry ny rano ilay tanana ? (dia nampiakatra ny verany i Noah ary dia nahita ny tsy fahita, nanao ny tsy fanao)

Dia nefa ho'a mba jereo ny tany Sina ohatra e..
http://www.timemaps.com/history/east-asia-3500bc/

Fa tany Sina kosany angaha tsy voan'ny safo-drano eeee ?

Dia hanaovy fikarohana kely koa re ny ao Mada, fa ny lemur tao dia tsy voan'ny safo-trano koa..


Efa hoe dia io folklore tao moyen orient io foana ve no hitafikirana eo, dia avy eo manao belazao hoe, io folklore io no "izao tontolo izao" ? ... aoka re...
34. rhaj0 ( 23/02/2015 15:46)
Esy e... manao "fikarohana" eto ambony forum-serasera eto hono izany i Strong3 io ambony io e.. misy tombatombana, dia misy kalikajy, dia misy ... versets bedabe... Taiza azany no nianarany an'izany.. raha tsy tao @ Baiboly ?? :-)

An an.. mba teneno izy ry namana Kristiana hafa fa dia mampalelo eeee..

Eto jerena fa tssss...
http://www.prb.org/Publications/Articles/2002/HowManyPeopleHaveEverLivedonEarth.aspx
35. gasy1zay ( 23/02/2015 19:24)
Tsy ny baiboly ihany no miresaka io safodrano io fa maro ireo sivilizasiona manana tantara na angano mikasika an'io, ka na ny sinoa aza dia mba manana ny azy

http://fr.wikipedia.org/wiki/D%C3%A9luge#Un_D.C3.A9luge_chinois_.3F

http://www.dinosoria.com/deluge.htm

Ka raha ny hevitry rhaj0 ary dia fifandrifianjavatra ve no mampisy tantara mitovitovy toy io @ karazana sivilizasiona tsy mifanakaiky ary tsy mifandray toy ny @ androntsika izao? Raha tsy izany dia iza no nanaparitaka ilay tantara ? sa manana imagination télépathique ny mpanoratra t@ izany ka dia miaramamorona tantara mitovitovy?
36. rhaj0 ( 23/02/2015 19:52)
"tantara mitovitovy"... hi hi hi.. koa na ny fiainana sy pouvoir-n'i J.C. azany sirika fa misy "tantara mitovitovy" aminy kouh... (hoe teraka tamina virijiny eee. .. ets...)

Dia vakio tsara ihany ilay wikipedia narosonao teo e.. fa dia samy manana ny firimorimon'ny imagination tokoany ho'a...

Fa i Rafohy sy Rangita koa izao angamba nampita angano toa izany rahefa nolalovan'ny cyclone tao, fa ny antsika fotsiny tsisy voasoratra dia tsy voasoratra.. sady ny gasy koa toa tsy mahay manao divay ka dia.. ;-)
37. endriny ( 24/02/2015 05:26)
Io sary io ry Rhaj0, sarin'i Giza any Ejypta io a... Jereo fa misy piramida telo eo ambany ny iray ary eo an-kavia ny roa...

Tsy safo-drano io ry Strong3 fa aza dia mampihesona a.... tsy haiko hoe izay mihintsy ve ny fomba fampianaranao... Milaza lainga...
38. gasy1zay ( 24/02/2015 15:30)
Na tiantsika na tsy tiantsika dia maro ny zavatra tsy mbola takatry ny sain'olombelona na azo lazaina hoe efa mandroso tahaka ny inona aza ny siansa sy ny fahalalana, na tianao na tsy tianao dia tsy tompon'ny fandaharana ianao satria na ny hitranga rapitso aza tsy azonao antoka 100% , ny baiboly irery ihany aloha hatreto (raha ny fahitako azy fa raha mahita hafa ianareo dia mba lazao) no hany afaka hamaly ny fanontaniana rehetra tsy mbola voavaly na mikasika ny fiandohana, mikasika ny fisian'Andriamanitra, mikasika ny aorianan'ny fahafatesana, mikasika ny fiafaran'izao tontolo izao. Ohatra fotsiny no raisiko :

- Fa nahoana no misy ny fomba fitenenana samy hafa?
- Fa maninona ny olombelona no mihavaka @ biby sy zava-boary hafa?
- Avy aiza ny fahalalana ny ratsy? Fa maninona no miharatsy ny fiaraha-monina misy antsika?
- Misy ve ny fiainana any an-koatra?
....
39. endriny ( 25/02/2015 04:17)

gasy1zay:

Na tiantsika na tsy tiantsika dia maro ny zavatra tsy mbola takatry ny sain'olombelona na azo lazaina hoe efa mandroso tahaka ny inona aza ny siansa sy ny fahalalana, na tianao na tsy tianao dia tsy tompon'ny fandaharana ianao satria na ny hitranga rapitso aza tsy azonao antoka 100% , ny baiboly irery ihany aloha hatreto (raha ny fahitako azy fa raha mahita hafa ianareo dia mba lazao) no hany[b] afaka hamaly ny fanontaniana rehetra tsy mbola voavaly


Dia tsy takatry ny sain'ny olom-belona kanefa voavalin'ny baiboly a? Aleo aho hangina fa hay tokoa moa ny baiboly nosoratan'Atr'Israely koa...

Tsy nisy ny safo-drano deloza fa misy kosa ny safo-drano eto Tana izao. Porofoy amiko fa I Angavokely taloha na Anatirova dia efa difotry ny rano... Raha I Betsimitatatra na Katsepy dia manaiky aho...
40. endriny ( 27/02/2015 16:29)
Ito ry Strong3 no porofo mba metimety kokoa amin'ny safo-drano fa tsy io nolazainao io a

ito
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2579