Mariazin'olona mitovy fananahana!!!

1. Strong3 ( 12/02/2015 10:40)
Efa tena voailiky ny tsy mpino an'Atra tanteraka eo amin'ny tany mandroso ve ny Tahotra sy ny finoana ny FISIAN'ATRA???

SA ... miverina amin'ny tsy fahalalana na tsy te ahalala ny fisian'ny fahendrena mitondra fangejagenja ny fiainany ny zanak'olombelona.

Eto madagasikara; tonga hiseho tsy hiafina intsony koa ny fiarahany. vaky tanteraka ny resaka fa tsy honohono intsony na anganogano ny fisiany.

Raha maniky ny fisian'ireny ianao dia inona no hevitra entinao manohana izany :-) ??
novalian'i Strong3 ny 17/02/2015 08:38
2. endriny ( 12/02/2015 16:02)
Ivereno vakiana ry Namana ny baibolinao aza fady indrindra: "Tiavo ny fahavalonao..."

Omeo fitiavana izy, fa matoa izy tonga amin'izao misy azy izao dia misy antony ao.

Sa ianao mbola anisan'ny mino fa ny olona voan'ny Androbe dia misy Demonia,.. na ny olona kilemaina dia famaizan'Atra noho ny fahotan'ny Ray sy ny Reniny?
3. Strong3 ( 13/02/2015 06:35)
misy teny milaza ho tsy fitiavana azy ireo ve amin'io voalaza io?

raha tiana kokoa aza nihilazana hoe: "tsy avy hitsara izao tontolo izao Aho... fa ny hamonjy izao tontolo izao ho afaka amin'ny fahotany"

__ Aminao izany io homo io tsy fahotana fa kilema ?

raha tontolo ara-panahy izy dia kilema marina aloha eh...! satria hoy ny Soratra, raha ny masonao no tsy ahatonga anao any andanitra dia esory ,fa tsara aminao ny toka maso miditra any toa izay ; manana azy roa nefa miara ho very...
.... tia toa izany koa raha ny fananahanao no ... dia ...

ny hoe mino ny sa tsia ny olona voan'ny androbe na aretina na kilema sns... dia izao ihany no azo ambara; EFA NAMAKY NY TANTARAN'I JOBA VE IANAO?

TSY MISY ZAVATRA TONGATONGA HOAZY.
Mety hitan'ny siansa ny mahatonga ny aretina ka izay no mahatonga anao miedinedina fa tsy avy amin'ny famaizana izany;
fa mba azonao lazaina ve ny ody faty?
fanafody firy no hita nandritra izay fotoam-pikarohana izao nefa aiza???
_ hitanao ny ody tazo , de mivoaka ny cancer , de hita ny cancer de mivoaka ny diabeta ... miakatra ny sida ..
iza no namafy ireo virus rehetra ireo, de hoe ny sakafo no omena tsiny ... de raroritina dia tonga any amin'ny NOM ny resaka de illuminati , miverina ao amin-dra devoly ihany ny farany

Tsy hitanao ve fa fandavana ny baiboly avy hatrany ireo fihetsika izay ATAO HOE MAMOAFADY FAHINY nefa sahy aseho masoandro ankehitriny.

Zon'ny olombelona tsirairay ny miaina amin'ny fahalalahana , ekena izany. tokony hiaina tsy misy teritery avokoa; ovana ny rafim-pitantanan'ny fiarahamonina.
_ manaiky ny rehetra, afaka laniana eny amin'ny antenimiera sy ny assemblée nasionaly izany.

fa ny resaka eto dia mazava. VOA HILIKA ANY AMIN'NY TANY MANDROSO TANTERAKA VE NY baiboly ?
io baiboly io ihany no sakana ao antsain'ny maro tsy ahatanterahany ny zavatra rehetra izao tiany atao...
rehefa afaka amin'ny finoana io izao tontolo izao dia hiakely ny lalàna hifehy izao tontolo izao.
_ fanolanana
_ vady maro
_ sodomita
_ zoophilie
_ pédophilie
_ ray na reny manambady zanaka
_ réglement de compte eny andalana (fitsaram-bahoaka, dinam-pokon'olona, tondromolotra,sns...)
_ halatra
_ fanonganam-panjakana
_ ... sns

ho foana maraka izay ny ONU , mitaky fahalalahana daholo ny tany rehetra.

IREO REHETRA IREO DIA AZO AMBARA FA NOHO NY FANILIHANA NY BAIBOLY sy ny finoana AtrA DAHOLO

_ enga anie ka samy mbola ho velonaina isika ka ahita fa ireo mpilaza sy mpanitrikitrika ny zon'olombelona ireo no HANERY IZAO TONTOLO IZAO amin'ny fomba feno HERISETRA , ka ny OLOMBELONA IZAY TSY MANAIKY IZANY DIA HITONDRA NY TAKAITRA RATSY INDRINDRA.

_ mety hilaza angamba ianao hoe : nga tsy afaka miaro azy ny Andriamaniny izay NITOKIANY?
___ efa voasoratra izany ka tsy misy mahataitra , ny mpisababaka sy mpihambahamba no hiaran'ny fampijaliana.

°° ny mahagaga amin'izao tontolo izao dia ny firosoany manantanteraka ireo planin'ny baiboly; inona izany hoy ianao?
_ Fotoana efa ho 20 taona izany no niketrehana ny vola iraisampirenena
_ Fotoana efa ho 20 taona koa izay no niketrehana ny puce électronique (eo amin'ny handrina sy tanana akavanana)
_ ny fananganana ny tempoly ao israely
_ ny hizarana roa an'i israely
_ ny fanambadian'ny mpitovy fananahana
_ ny fanambadian'ny olona sy ny biby izay efa hita fa tsy nety tany amin'ny Gen 2:20
_ ireo fiangonana izay toa maminany sy manao fahagagana mampihaiky volana ny mpitazana
_ sns ...

Nahoana no mirona amin'ireo heverina fa FAMINANIAN'NY BAIBOLY ny firenena matanjaka ka manao ny zavatra voalaza ao, tsy ny tsara intsony anefa fa ny ratsy ambarany ARY TOA IREO MIHITSY NO HANATANTERAKA ireo TRANGA RATSY izay notondroiny fa FAHAVALON'ATRA NA DEVOLY
__ TSY LASA SAINA VE IANAO ? nahoana no tafiditra amin'izany izao tontolo izao
4. rhaj0 ( 13/02/2015 15:12)
Tabarn'ane..
(izany no ompa kebekoa aty rahefa tena voan'ilay mivanaka tsisy lazaina iny ny tegna

mba mivoaha ao @ vohitrakely ao, mivoaha @ ilay box-kely misy ny baiboly ao, fa dia efa hotry ny dia miv(o)aha ho'a re ry Strong3 a ... loz'ity...
5. endriny ( 13/02/2015 15:29)

Strong3:



Aza dinganina izay voasoratra ao amin'ny baiboly e?

Tiavo ny fahavolanao....

Izay tsy nanota taminareo no aoka...

Ho anao ve izany zanaky ny devoly ireny olona ireny sanatria? Dia ahoana ianao ve mbola mino hoe ny olona misy andro be dia misy Demonia? Ary ny olona kilemaina tarazon'ny fahhotan'ny Rainy sy ny Reniny?
6. Strong3 ( 16/02/2015 06:53)

endriny:


Strong3:



Aza dinganina izay voasoratra ao amin'ny baiboly e?

Tiavo ny fahavolanao....

Izay tsy nanota taminareo no aoka...

Ho anao ve izany zanaky ny devoly ireny olona ireny sanatria? Dia ahoana ianao ve mbola mino hoe ny olona misy andro be dia misy Demonia? Ary ny olona kilemaina tarazon'ny fahhotan'ny Rainy sy ny Reniny?


efa voavaly fa eo ambony fa aza manao resaka aléretourou ôh! :-)
7. gasy1zay ( 16/02/2015 16:18)
Maro ny olona tsy manaiky ny fisian'Andriamanitra sy ny devoly/demony satria ...toa ohatrany mahafinaritra tokoa angambany ny hoe afaka manao izay tiana rehetra tsy mila adinina any am-parany : afaka miampatra @ sexe-alcool-drogue...

Dia tena mahagaga tokoa fa dia tena efa lasa lavitra izao ny "libertinage", liberté sexuelle, fanambadiana LL sy VV, ny toaka moa dia efa hiaramahita fa tsy lahy tsy vavy toa lasa misotro daoly, ny rongony tsy lazaina intsony fa efa manombola mamoaka lalàna koa ny amerikana @ fahalalana mifoka rongony (canabis). Andanin'izay dia manomboka resena lahatra ny olona tsy hino an'andriamanitra ary ny lalàna sy ny fomba fitaizana @ ireo firenena matanjaka dia amboarina tsikelikely mba hizotra @ izany.

Tiako hiverenana ilay nolazain'i Strong3 indray andro izay hoe fa maninona no ohatrany tsy "concerné" @ resaka devoly sy Andriamanitra ireo olona miaina anaty "fahafinaretan'ny nofo" ireo???

Ny valiny dia tsotra: satria izy ireo efa tsy mino ary miaina anaty fahotana ka tsy rarahin'ny devoly intsony ny haka fanahy azy na hanakorontana ny fiainany fa efa azony anaty haratony izy, ry zareo mihevitra hoe raha misy Andriamanitra mety nobedesiny izahay manao izao ataonay izao, matoa tsisy mitranga dia na tsy misy izy na tsy mampaninona azy ny ataonay ka dia tohizanay.

Maro ny tsy mahatakatra fa ny tanjon'ny devoly dia ny tsy hidiranao ny lanitra ka ho tambin'izany dia omeny anao ankolaka ireo zavatra mety hahafaly na havariana anao ety an-tany tsy ahafahanao mibanjina ilay mandrakizay ( vola sy harena, voninahitra, fahefana, filana ara-nofo, fijangajangana, fanaranam-po, toaka, rongony, ...) aza variana @ zavatra mety ho lo fa banjino ny mandrakizay anao.
8. rhaj0 ( 16/02/2015 16:37)
Gasy1zay:
vola sy harena, voninahitra, fahefana, filana ara-nofo, fijangajangana, fanaranam-po, toaka, rongony, ...

hey.. ny divay (12% alcool) ve toaka koa, sa tsia ?
dia ny "voninahitra" amena ny olombe "manan-kaja" ve devoly koa ?
dia ny "filana ara-nofo" koa izany devoly ? ilay "filana" (besoin) hoz'ianao @ io fa tsy hoe ilay "exces".. Satria h@ tia misakafo koa ho asianao (ny gourmand fa tsy ny gourmet)

mampalelo nareo e... io ho'a sahala @ ilay olona noho ny finoany dia tsy mba afaka mirozirozy ny azoma alina, ary dia io manozonozona izay tsara revy any rehetra any..

hitako ery izy mitsamy, ao @ imagination-ny ao, mamely ny hafa ao .... [size=8]Gasy1zayStrong3[/size]
9. gasy1zay ( 16/02/2015 16:59)

rhaj0:

Gasy1zay:
vola sy harena, voninahitra, fahefana, filana ara-nofo, fijangajangana, fanaranam-po, toaka, rongony, ...

hey.. ny divay (12% alcool) ve toaka koa, sa tsia ?
dia ny "voninahitra" amena ny olombe "manan-kaja" ve devoly koa ?
dia ny "filana ara-nofo" koa izany devoly ? ilay "filana" (besoin) hoz'ianao @ io fa tsy hoe ilay "exces".. Satria h@ tia misakafo koa ho asianao (ny gourmand fa tsy ny gourmet)

mampalelo nareo e... io ho'a sahala @ ilay olona noho ny finoany dia tsy mba afaka mirozirozy ny azoma alina, ary dia io manozonozona izay tsara revy any rehetra any..

hitako ery izy mitsamy, ao @ imagination-ny ao, mamely ny hafa ao .... [size=8]Gasy1zayStrong3[/size]



Raha ny baiboly no jerena dia tsy ny fisotroana divay no tena fahotana lazainy fa ny fimamoana. Ny vokovoko manga moa dia tena hoe ajanony ny fisotroana rehefa misy alcool io mba tsy tonga @ ilay mamo na hoe alohan'ny hahatonga anao ho tamana @ fisotroana.

Filana ara-nofo araky ny baiboly dia tsy besoin physique akory fa "plaisir charnel" na koa "luxure"

Tsy mamely izahay fa milaza ny voalazan'ny baiboly sao ianareo tsy mahafantatra, rehefa mahalala ianareo dia safidy malalaka no nomen'Andriamanitra antsika fa tsy misy noterena fa raha manindrona anao moa ilay teny dia .... izay ilay hoe asan'ny Fanahy Masina satria nahoana? voalaza ao @ baiboly hoe "Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy at? aminareo ny Mpananatra [Izahao 14.16] ; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho at? aminareo Izy.
Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana"
Raha mahatsiaro tena ho diso ianao izany dia tadidio fa ny Fanahy Masina no mampiaiky anao hoe tsy mety ny ataonao na mi"culpabiliser" anao :)
10. rhaj0 ( 16/02/2015 17:50)
"fanaranam-po"... isika rehetra izao "manaram-po" ny hatsara-panahin'i Hery manome ity forum ity, ary dia tsy mitsahatra mi-blabla eto..

jereo fa leo mihintsy ny mpisera hafa
11. endriny ( 17/02/2015 06:20)

Strong3:


endriny:


Strong3:



Aza dinganina izay voasoratra ao amin'ny baiboly e?

Tiavo ny fahavolanao....

Izay tsy nanota taminareo no aoka...

Ho anao ve izany zanaky ny devoly ireny olona ireny sanatria? Dia ahoana ianao ve mbola mino hoe ny olona misy andro be dia misy Demonia? Ary ny olona kilemaina tarazon'ny fahhotan'ny Rainy sy ny Reniny?


efa voavaly fa eo ambony fa aza manao resaka aléretourou ôh! :-)

Voavaly amin'ny ahoana e?
12. endriny ( 17/02/2015 06:21)
Raha izaho ianareo tsy mankasitraka an'ity fanambadian'ny olona mitovy fananahana ity, tonga dia mifindra any an-danitra haingana mba tsy haloto eto ny lohanareo sy ny fanahinareo mbola virjiny io...
13. Strong3 ( 17/02/2015 08:38)
hihihi ... hay mandoto izy io? dia inona no nolotoiny aminareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0578