Inona no azonao atao ?
1. Tefigasy
(
12/02/2015 06:36)
Maro ny olona no maniry hanana zavatra tonga lafatra na vola aman-karena vao hanao na mba hanaovana ny asan'ny Tompo. Misy miteny ohatra hoe, raha mba manana 4x4 aho dia afaka mandeha mitory teny any ambanivohitra, na koa raha mba efa lehibe ny zanako dia mba afaka mandeha aho, sns ....
Izany no fanontaniana mihelina ao an-tsain'ny kristianina matetika.
Hitantara zava-mahafinaritra iray aminao aho eto. Ary ao anatin'io tantara io no entiko hisitomana io valim-panontaniana napetrako teny amin'ny lohateny io. Tantaran'ny vehivavy iray nanosotra diloilo an'i Jesoa (Mark.14:3-9)
Andeha hofitiniko aminao ilay tantara :
- nanao fanasana i Simona boka, tao anatin'io fanasana io i Jesoa, Niditra tao anatin'izany fanasana izany ny vehivavy iray tsy voalaza anarana, toa tsy misy mahafantatra ny mombamomba azy akory. Na tsy misy olona mahafantatra aza izy, izay faniriany ho an'ny Tompo dia nataony.
Ho anao koa : aza mijanona eo amin'ny titre hoe prezida-na fikambanana, na nivoaka tamin'ny fianarana teolojia, sns ...., fa na dia tsy misy mahafantatra anao akory aza dia ataovy ny asan'Andriamanitra, aza miandry titre vao manao ny asan'ny Tompo
- Tonga tsy nasaina ilay vehivavy nanatona an'i Jesoa. Tsy niandry hisy hanasa izy vao hanatona ny Tompo.
Jereo izay azonao atao rehetra, izay azonao hidirana, hiasana, mandehana, zarao fa manana talenta mihafina ianao ary ampiasao izany fa aza miandry hasain'ny olona hoe andao isika hiaraka hanao fitoriana ny filazan-tsara ary ananona, andao hanao tafika masina any ananona, aza miandry fa rehefa fantatrao fa asan'ny Tompo dia ataonao izany , ny fonao feno ny fitiavana ny Tompo ka te hanantanteraka asa dia ataovy izany
- nitondra menaka manitra sarobidy izy, ny tiany indrindra, ny tsarany indrindra, ny lafovidy indrindra ihany koa izay nananany. Novakiany io menaka io ka natolony ho an'ny Tompo.
Hainao ve ny mamaky sy manolotra izay sarobidinao indrindra ho an'ny Tompo? Ity vehivavy ity, izay nanany no netiny ary novakiany. Mendrika ny tsara indrindra izay hanananao Andriamanitra. Toa izany , ny tsara indrindra koa no omeo Azy
- Novakiany ilay tavoara ary novakiany niaraka tamin'izay ny lasany rehetra.
Aza avela hisy hanameloka anao ny amin'ny lasanao. Ianao rehefa manolo-tena hiaraka amin'ny Tompo, hanao ny asan'Andriamanitra, nibebaka tamin'ny fahotanao ianao, nanolotra ny tenanao ianao, dia aza avela hisy hanameloka anao ny momban'ny lasanao, raha mijoro ianao hanao ny asan'ny Tompo. Izao no voasoratra hoe, ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
- Rehefa nanao ny asan'ny Tompo ravehivavy dia nisy ny sasany tezitra: inona no antony hanaovana izao fandaniana izao nefa afaka namidy io dia nomena ny malahelo! Aza manaiky ny fanakianana tsy mitombona. Rehefa manao ny asan'Andriamanitra ianao dia misy foana nymanenjika sy manakiana
- Farany : Notahian'i Jesoa ity vehivavy ity. Misy zava-miafina izay tsy takatry ny sadoseo sy ny mpianatra eto raha nanao izao asa izao ravehivavy. Ity vehivavy ity, nohon'ny fitiavany an'i Jesoa, dia nanehoan'i Jesoa fahamarinana lehibe izy. Io menaka manitra nanosorany an'i Jesoa io no netin'i Jesoa niaraka nihinana ny paska tamin'ny mpianatra, niseho teo anoloan'ny andrian'izao tontolo izao, netiny niaritra ny fijaliana. Hoy Jesoa hoe efa nanao izay azony natao izy , namonjy , nanosotra ny tenako hamboarina izy.
Nanao fanambarana Jesoa, fa n'aiza n'aiza no hitoriana ny filazantsara dia hambara izao nataon'ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy na dia tsy fantatra anarana aza.
Inona no eritreretinao ho fanehoam-pitiavana tsara indrindra omenao ny Tompo ? Satria Izy dia nanaiky hitondra ny helokao ho faty eo amin'ny hazofijaliana mba hanananao fianana mandrakizay, hanovana ny toetra adala rehetra, hamakiana ny lasa rehetra, ka handovanao ilay fiainam-baovao miaraka amin'i Jesoa kristy.
Mino aho fa fantatrao amin'izay ilay azonao atao. Koa afafazo dia mahefa be eo amin'ny asan'ny Tompo. Ary rehefa tonga ny fetra dia hiteny aminao anie ny Tompo hoe: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, midira amin'ny fifalian'ny Tomponao
Izay azony natao dia nataony: na dia tsy fantatr'olona aza ianao, Andriamanitra mahalala anao, na dia tsy nasaina aza ianao, tanteraho ny asan'ny Tompo, omeo Azy ny tsara indrindra izay hany mba hanananao fa hain'ny Tompo ny manonitra izany !

novalian'i Strong3 ny 13/02/2015 07:10
2. Strong3
(
12/02/2015 09:42)
mba ampianaro manao itony soratra : misy loko sy italik sy gras sns... itony za ry sakaiza ah!
mino aho fa efa asan'ny Tompo ny mizara izany eto sa ... :-)
___ mafinaritra ny lahatenin'isé , enga anie ka hovoatahy ny teny ka hitsimoka sy hamoa ao ampon'ny maro (dia izahay mpamaky)

3. Tefigasy
(
12/02/2015 13:49)
Strong3:
mba ampianaro manao itony soratra : misy loko sy italik sy gras sns... itony za ry sakaiza ah!
Ataonao ao anaty balise fotsiny ilay izy ka : ohatra raha te handoko dia atao ao anatin'ity balise ity ny teny tiana lokoina (alao ny espace) [ color = blue ] teny lokoina[ /color ]
raha te hanao gras indray dia [ b ] gras [ /b ]
raha italique dia [ i ]italique [ / i ]
raha ho tsipihina [ u ] tsipika [ / u ]
Esory daholo ny espace ao anaty balise fa mba hanehoako azy anao (hampipoitra ilay balise) fotsiny dia tsy maintsy nasiako caratere hafa ilay balise (blanc na espace no nataoko eto). Mbola betsaka ny balise azonao ampiasaina fa mino aho fa efa mba manampy anao ireo .