Toa ny ahoana i A.tra ao @ imagination-nao

21. RBNIR ( 10/02/2015 04:54)

endriny:

Kay na ilay zanany aza mbola tsy nahita azy akory, ka tsy afaka nanambara azy izy tamin'izany, fa mbola "HAnambara azy izy". Izy aza izany nahatsapa fa sarotra ny mampiseho zavatra tsy hitan'ny maso. Dia aleo hoy izy rehefa miverina aho amin'ny andro farany no ampiseho anareo ny Ray.

Faly misera namana,
Diso ny filazana fa ny Zanany tsy nahita Azy...
« Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va? » (Jao.8:57)
« Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jao.8:58)

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Gen.1:26)

Andeha isika (manambara maro fa tsy tokana) hoy ny teny voasoratra eto.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...

22. Strong3 ( 10/02/2015 05:52)

rhaj0:

Ataoko'ty ny zaza indrindra no "akaiky" an'A.tra fa tsy navilimbilin'ny olombe ny sainy ?

Fa rahefa "mitombo fahalalana" izany ianao ry Strong3 dia "manary ny akoho taman-trano", dia ilay "imagination" madio sy pioran'ny ankizy ? Jereo nefa ireo caricatures marobe ireo tena mbola manao daholo ny olona :-)


manambady resaka indray ny namana rhaj0 hihihihhihih

namafazana lainga aho fony vao zaza fa tsy hoe manary ny akoho taman-trano.
Fa amin'ny lafiny iray, nitaizana ahy ireny fony fahazaza mba mora hananako imagination hoe misy izany Atra izany.
Teo amin'ny fitomboaham-pahalalana no nitomboako fahazavan-tsaina fa tsy afaka amoronana sary hitovy endrika Aminy Ilay Nahary izao ttlo izao. Indrindraindrindra araka ny didiny nomeny ireo ZI olony tamin'izany.

__ hoy isé "tena mbola manao daholo ny olona"
LA VERITE DE TROUPEAU io ry namana rhaj0; ka tsy voatery ho tratra izany ny olon-drehetra. Tahaka anao tsy tratr'io no mba tsy mahatratra ahy :p
23. 5laody ( 10/02/2015 14:27)
rhaj0:


Fa manitikitika kely ahy. Tena tsy mahasahy milaza ny ao @ imagination-ny ve ny Kristiana eto, fa dia maninona loatrany ?
- sa ... toatoa ny Moslimo (sasany) ihany, ka hoe, TSY azo iresahana na atao representation an'A.tra ?
- sa ... matahotra ny mandainga dia manota, satria nanidina be ny imagination-ny tao ka ... mahamenatra tsy azo lazaina ?



Betsaka ny valiny ka!

-Mety hoe tsy mahay sary izy (sary ihany aloha no tena eritreretiko hoe tadiavinao,)
-Mety koa hoe ngezabe ilay sary dia tsy tafiditra eto.
-Mety koa hoe misy donées techniques be dia be dia sarotra ny mamoaka azy.
-ary farany mety hoe raha mandeha sens iray fotsiny dia tsy tiany. (raha manome aho dia manome ianao).

Dia raha ohatr'izao izao ny eritreritro?

24. endriny ( 10/02/2015 15:09)

RBNIR:

Faly misera namana,
Diso ny filazana fa ny Zanany tsy nahita Azy...
« Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va? » (Jao.8:57)
« Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jao.8:58)

Dia izay tokoa ve? Hoy izy: "izaho sy ny Ray dia iray ihany". Rehefa nanontaniana anefa izy hoe: "Ahoana ny fandaharam-potoan'Atra amin'ny faraandro? Rahoviana io?". Dia tsy hainy indray ilay zavatra kanefa hoy izy sy ny Ray iray ihany fa hoy izy: "Tsy haiko na ny ora na ny fotoana fa ny Ray no mahalala azy".

Tsy nisy nahita naoviana naoviana an'Atra fa izy ihany no hanambarana azy... mazava be toa ny masoandro lohataona izany resaka izany... Izany hoe ry Mosesy sy ry Abrahama izany ve koa mbola tsy nahita azy? Dia ahoana ary ilay nanoratra ny baiboly e?

RBNIR:

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Gen.1:26)

Andeha isika (manambara maro fa tsy tokana) hoy ny teny voasoratra eto.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...

Mba vereno vakiana hoe aza fady, dia jereo hoe aiza ny faingo no mipetraka sy ny teboka amam-paingo...

Dia hoy ianao hoe: "Andeha isika (manambara maro fa tsy tokana)", ianao izany ve te hiteny fa ny sasany tarehin-drajako?

Dia tohizana kely. Hoy ianao hoe: "Ary aoka izy hanjaka amin'ny..." Tsy hoe IZY IREO a, fa izy... Dia hoy aho aminao hoe: "Raha ilay ISIKA no asianao tsindry, kanefa ny vokatra iray IZY" Dia midika izany fa ny IZY sy ny ISIKA dia mitovy na mitovitovy, mba tsy hitenenako hoe samy sima...

Fa anontaniako ianao hoe: "Iza no efa tonga teto talohan'ny namoronana ny olona ary marina ny Genesisy e? Satria matoa manoratra ny namoronana dia satria nanatrika ny famoronana?", Ary oviana Atra no nitantara tamin'ny olona hoe izao no namoronako anareo?" Mba valio aza fady o...
25. rhaj0 ( 10/02/2015 15:56)

5laody:
Betsaka ny valiny ka!

-Mety hoe tsy mahay sary izy (sary ihany aloha no tena eritreretiko hoe tadiavinao,)
-Mety koa hoe ngezabe ilay sary dia tsy tafiditra eto.
-Mety koa hoe misy donées techniques be dia be dia sarotra ny mamoaka azy.
-ary farany mety hoe raha mandeha sens iray fotsiny dia tsy tiany. (raha manome aho dia manome ianao).

Dia raha ohatr'izao izao ny eritreritro?


Manja ilay representation kah... Raha io ny anao dia izay izany... Raha ilay manalokaloka fotisny ny an'i Strong3 dia izay koa izany.. Raha Ingahibe ny an'ny hafa dia izay koa izany.

Fa ny hitako mivoitra izany dia SAMY HAFA ilay Izy arakaraky ny "imagination"- an'ny tsirairay ao.

Ka TOKANA ihany azany ve Izy io sa tsia e ...

26. 5laody ( 10/02/2015 17:22)
Ary raha mba tianay ho fantatra ny ao amin'ny imagination'ny mpamorona lohahevitra?
27. rhaj0 ( 10/02/2015 18:00)
ha ha.. t@ izaho mbola kely.. dia mba alefa any am-piangonana ihany moa izany.. dia mandeha be ny imagination rahfea ao e...

Dia hoe tena sahala @ Spiderman hono Izy, fa kosa miankanjo fotsy...

Dia mihantona mikirazorazo @ ilay jiro etsy @ plafond, sahala @ Tarzan, hono izy... Dia misosa misidina eo ambony lohan'ny mpiangona.. dia mivanaka ireto olona: ao ny mi-aaaaaaahhh.. ao ny mi-ooooohhhh...

Fa Izy aloha tao @ imagination-ko tao dia tsy gilady na bokony, fa toa olona kely, sahala @ nain an'i Blanche-neige akoriny azany... ratsy tarehy kely... Dia indraidray izy mitaingina soavalikely, kely toa azy, dia mandehandeha etsy @ poutre etsy @ plafond..
28. Strong3 ( 11/02/2015 09:07)

rhaj0:


5laody:
Betsaka ny valiny ka!

-Mety hoe tsy mahay sary izy (sary ihany aloha no tena eritreretiko hoe tadiavinao,)
-Mety koa hoe ngezabe ilay sary dia tsy tafiditra eto.
-Mety koa hoe misy donées techniques be dia be dia sarotra ny mamoaka azy.
-ary farany mety hoe raha mandeha sens iray fotsiny dia tsy tiany. (raha manome aho dia manome ianao).

Dia raha ohatr'izao izao ny eritreritro?


Manja ilay representation kah... Raha io ny anao dia izay izany... Raha ilay manalokaloka fotisny ny an'i Strong3 dia izay koa izany.. Raha Ingahibe ny an'ny hafa dia izay koa izany.

Fa ny hitako mivoitra izany dia SAMY HAFA ilay Izy arakaraky ny "imagination"- an'ny tsirairay ao.

Ka TOKANA ihany azany ve Izy io sa tsia e ...




niahahaha ... miaky an'i rhaj0 za amin'ity imagination ity ka

manalokaloka ahoana koa ny Atra?

Mieloelo no filazan'ny baiboly azy Ezek 10 ; io ary mbola lazainy hoe ny voninahiny fa tsy izy mivantana. fa ny filazan'i Mosesy dia hoe MATY IZAY VELONA KA MAHITA NY TAVANY
« Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. » (Eksodosy 33:20)
« Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita. » (Eksodosy 33:23)

KA NY ATAO HOE mino izany ry sakaiza dia tsy mitady izay tsy tokony ho hita .

hoy ianao matetika; tapitra izany ny resaka satria manakombona ny fanitarantsaina ny finoana.

Asa ? ... raha tsy mino ianao dia mitohy ny resaka , fa raha mino ianao dia tapitra tokoa :-)
29. rhaj0 ( 11/02/2015 11:35)
Asa ianao Strong3, fa raha izaho k'lou dia manavy ny saiko raha tampina ny domy... tampina na hoe tampenana ny imagination-ko... fa ny soavaly tokoany kosa anie nefa tsy manavy rahefa ametrahana ny tampi-mason-tsoavaliny e...
30. Strong3 ( 12/02/2015 08:17)
raha mbola manankolazaina ianao rhaj0 dia midika amiko izay FA : "TSY MBOLA FENO NY FEPETRA MAHA MPINO KRISTIANA AHY"

___ :-) :-) ka ianao ihany no erany ry sakaiza rhaj0 mbola misy imagination-nao tianao aseho mba hanampim-bava ahy ve any????
kkkkkkkk
.... fa mafinaritra aloha miresaka aminareo na izany na tsy izany eh! __ tsy toa ny sasany MIHIDY TANTERAKA TSY AFAKA MISOKATRA AMIN'NY HAFA .
hoe rehefa tsy ity dia diso pouffff......
31. rhaj0 ( 12/02/2015 11:46)
tsy "hanisy tampi-bava" anao re ry Strong3 no ataoko eto fa ny hanampy anao hanilika ny "tampi-maso"-nao e... hi hi hi ,.. hotry ny poety indray aho izany androany :-)


vazivazy iny fa tsy hitanao ve ry Strong3 ho'a fa SAMY HAFA izao A.tra izao isaka ny imagination-n'ny tsirairay ? HAFA ny anao, HAFA ny an'olona.

Sa ny anao ihany no marina ? bien sur... ny anao ihany no marina ao @ imagination-nao ao.


Ito lohahevitra ito izao dia mbola afaka hitarina: Toa Ny Ahoana Ny Paradisa Ao @ Imagination-nao ao ?


Dia lasa indray samy mamoaka ny azy..

- in-1 mandeha ho'a, dia hozy ny radio, fa ny an'ny Kebekoa aty, dia izany paradisa izany, ao @ imagination collective-ny ao, dia toa saha lehibe-na tournesol sa margerity izy teo, ary misy eolien etsy @ fara-vodilanitra

- i Toriteny ho'a nilaza in-1 mandeha teto, fa tena mamirapiratra feno vatosoa sy volamena indray hono izao paradisa ao @ imagination-ny ao izao

- ny Papa Fransoa izao latsa-bava t@ ilay boaikely in-1 mandeha hoe, tonga hatrany paradisa koa hono ilay alikakelin'ilay boaikely..

- ny ahy izao izany paradisa izany dia hotry ny fandriana lehibe tsisy farany, fa hotry ny rahona no kidoro... fa tsisy miboridana ao am-pandriana ao an... dia ilay kidoro moa sahala @ barbe-a-papa, dia iny ihany hohanina


- ary mba ahoana azany izao paradisa izao ao @ imagination-nao ao e...

32. Strong3 ( 12/02/2015 12:36)
lol...

Mety hoe tsy te hanampim-bava ahy ianao fa te hanova ny fijeriko :-)

paradisa!

hahaha mahatsiaro namana iray ao amin'ny fb aho ; sao mba ianao aza izy iny

raha ilay boky kely misy fahateréna aloha no jerena dia Apok 21 sy 22
dia mazava eh... tanana tsy misy alina, tsy misy nôna, tsy misy paka fanahy (toan'i ...) hihi, tsy mangatsiaka, tsy misy filana sy faniriana intsony
Ny tanana volamana làlana mmm ... tsy mba te hoany ve ny toa an-dry rhaj0 eh???

eh...! izao nge no mba tiako lazaina eh

imagination hoy ianao; tsy izay te haka sary an-tsaina akory dia samy mandefa ny azy. Tokana ny marina.
Fa ny tsy fahalalana no mampizarazara ny imagination-olona. izay no tsy ahaizanao azy namana "rhaj0"
__ raha boky hafa no mitory paradisa dia HALATAHAKA AMIN'IZAY HITA AO AMIN'ILAY BOKY KELY MISY FAHATERENA IZANY.
mazava hoazy fa io ihany no mahalala sy mitory izany. donku; imagination diso avoko izay mihoatra izay lazain'io.
33. rhaj0 ( 12/02/2015 13:32)
Strong3:
tanana tsy misy alina, tsy misy nôna, tsy misy paka fanahy (toan'i ...) hihi, tsy mangatsiaka, tsy misy filana sy faniriana intsony
Ny tanana volamana làlana mmm ...

Dia ahoana.. tsisy lelekitrisitia ? tsisy Iphone3 ?
Ny tolabila ve Ferrari sa mbola toa ny saretin-dRaleva ? sa entina @ filanjana rehefa mamaky izany "làlana volamena" izany?
Dia ny zava-maneno moa toa mbola ilay anjomaran'i Radama ? sa mba tonga any ny piano-ko ? Dia inona ny sakafo ? dia iza no manasa lovia ? aiza no manary fako ? (ireo mantsy ny raharahako aty an-tany ka mba mitsinjotsinjo hoe ahoana rahefa any e...)

Sa izaho koa no tsy kOpy, fa tena tsisy an'ireo zavatra @ fiainana eto an-tany izany any @ "fiainan-tsi-hita" izany... tsisy n'inona atao fa dia miboretaka fotsiny dia voky ho azy.. mety intraveineuse ny fisakafoana... voky resaka ho azy ny sofina tantarain'i Evangeline... dia mankafia an'i Angèle sy ny anjomarany.. raha mafana loatra dia i Angeline indray no mikopakopaka... ho faly mihintsy izao i Rasoherina :-)
34. RBNIR ( 13/02/2015 05:29)
Strong3:

lol...
Mety hoe tsy te hanampim-bava ahy ianao fa te hanova ny fijeriko :-)

Faly misera namana,
Izay ilay fanamarihiko hoe Strong3 = bor2lais,
Ny Marina dia 1 ihany,
Ary tsy tokony hoe ny imaginationko na imaginationao na ny fihevitro na ny fihevitrao,
Fa raha "MINO" ianao dia nisy IRAY nateraka 2000 taona lasa izay mba hanambara ny MARINA.....
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Izay rehetra nolazainy no Marina....
Ary ny fomba fijery rehetra na imagination rehetra dia tokony hitovy amin'izay nolazainy...

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
35. Strong3 ( 13/02/2015 08:04)

rhaj0:

Strong3:
tanana tsy misy alina, tsy misy nôna, tsy misy paka fanahy (toan'i ...) hihi, tsy mangatsiaka, tsy misy filana sy faniriana intsony
Ny tanana volamana làlana mmm ...

Dia ahoana.. tsisy lelekitrisitia ? tsisy Iphone3 ?
Ny tolabila ve Ferrari sa mbola toa ny saretin-dRaleva ? sa entina @ filanjana rehefa mamaky izany "làlana volamena" izany?
Dia ny zava-maneno moa toa mbola ilay anjomaran'i Radama ? sa mba tonga any ny piano-ko ? Dia inona ny sakafo ? dia iza no manasa lovia ? aiza no manary fako ? (ireo mantsy ny raharahako aty an-tany ka mba mitsinjotsinjo hoe ahoana rahefa any e...)

Sa izaho koa no tsy kOpy, fa tena tsisy an'ireo zavatra @ fiainana eto an-tany izany any @ "fiainan-tsi-hita" izany... tsisy n'inona atao fa dia miboretaka fotsiny dia voky ho azy.. mety intraveineuse ny fisakafoana... voky resaka ho azy ny sofina tantarain'i Evangeline... dia mankafia an'i Angèle sy ny anjomarany.. raha mafana loatra dia i Angeline indray no mikopakopaka... ho faly mihintsy izao i Rasoherina :-)


hihihi dia tallanjona aho mahita ity imagination-nao ity rhaj0
izay ilay lazaiko hoe: ny hevitrin'ny teny no tena tsy azonareo sy ra endriny..

tsy misy nofo hiakatra any andanitra , efa voasoratra izany (izy aza efa niverina ho vovoka) . fiovana endrika hifanaraka amin'ny tena maha Atra an'Atra no hiseho ao.

raha ireo zavatra RESAHINAO IREO dia tsy hsy ho tafakatra any ary ny TSY FINOANAO koa dia tsy hotafakatra any ; fa hibahana tsy omby ny varavaran'ny lanitra ireo roa ireo . dia ho taraiky eo ianao. " moramora kokoa no hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny olona te hitondra ireo any ..."

___ misy mdr koa indraindray; tsy ny sainao irery no nampahiratina ka ahalala ny làlana makany; baiboly tokana , ary samy manana fahefa-mividy daholo ny olona... na dia efa tablette aza no ampiasain'ny sasany dia baiboly ihany no ao fa tsy misy FAHAMARINANA FANAMPINY HO ANAREO hihihih...!! ka aza dia misoratena toa lango ... fa hoy i Daniela : « [Teny farany] Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny fahalalana.[Heb. hivoivoy] » (Daniela 12:4)__ ARY IZAY HENDRY DIA HAMIRAPIRATRA
... sa ianareo irery no efa mamiratra??? hihihih... tsy mialona akory aho raha efa mamiratra ianareo , fa aoka HODERAIN'ANDRIAMANITRA TOA IZAY MIDERA TENA NA DERAIN'NY OLONA fantatrao angamba izay niteny izay

Mialatsiny fa somary kizitina kely ... lol

36. rhaj0 ( 13/02/2015 11:10)
Aahhh marina izany.. ny nofo sy ny taolana kay tavela ao ambany rangolahy, fa ilay fanahy no misosa miakatra any an-danitra sahala @ setroka. Fa dia izay kay izany ilay izy, hoz'i Strong3 : tsisy vava mihinana, tsisy sofina mihaino, tsisy maso mijery ary tsisy tanana mitendry piano intsony, tsisy ilay taova manana ny filAny intsony koa... okay.

Izaho nihevitra fa mitandahatra ireo tsy-mpanota atsy @ vavahadin'ny Imahamasina, ary manao melee akoriny azany.. Dia ireo mpanera manantena mba ampazahoana... Dia ireo mpanota indray moa dia voakipily atsy @ afobe, dia akipilipilin'Idemony ny nofo aman-taolany hirehitra tsara ao anaty la cheminee...

Dia inona indray anefa ilay lalana ankoso-bolamena raha izany.. hay ... sahala @ misy saxophone-be izany @ ilay lalana miakatra anhy iny, dia hotry ny hoe, ny "fanahy" izany hotry ny fofon'ainako, dia iny mifofofofo ao @ ilay sax iny, dia mivoaka @ ilay touches ananki-12 izy teo... okay


Dia inona anefa ilay vatosoa sy diamondra ? any ambony any ?

Dia ahoana koa ry Angele sy ry Angeline miankanjo fotsy mitaratra izany, dia hoe mitsoka anjomara ?


Aboahy eto hoe ilay "izay voasoratra dia voasoratra" fa hotry ny mamahan-dalitra sy mampandry adrisa koa ry Strong3 izany... ntss... manambaka zaza eto fotsiny..

37. Strong3 ( 13/02/2015 11:31)
hihihih... tsy natao ihinana fotsiny ny vava. ny sisa ambiny efa ilana mijery sy mihaino ihany.
fa ny orana angamba ry sakaiza no mety hiova hihihih

fampisehoana famirapiratana ihany ny vatosoa sy ny volamena fa tsy hoe mbola hitondra lapika indray isé hangady dia hamarotra any ...

nga dia tsy misy baiboly intsony ao antrano ao e?

vakio kely aloha hoa ny Apok 21-22 fa nareo nge tsy lazaina eh. ohatran'ny miresaka ambony hoditroka fotsiny isika fa tsy mahita ny ao anatiny
38. rhaj0 ( 13/02/2015 13:33)
[size=10]Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,20 ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin’ ny folo hyakinta, ny faharoa ambin’ ny folo ametysta.21 Ary ny vavahady roa ambin’ ny folo dia perila roa ambin’ ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.[/size]

Nanomboka namaky aho azany io.. (raha) tena marina ny anao fa rahef amaty aho, dia asaiko amelana lapika miaraka amiko.. ny an'i Mike Brandt gitara.. .gitara tokoany angaha afaka hazahoana an'ireo..


Tena serieux ry Strong3.. tena "mino" ara-baki-teny an'ireo ve ianao ?
39. Strong3 ( 16/02/2015 08:22)
sérié izany ra rhaj0 ah!...

mahavariana ahy io fiovana lehibe nentin'ny JC io; nahagaga ahy dia tsy nisy nilaza io fanjakan'ny lanitra io hatramin'ny fahagola.
fa ny mythe grika ihany no mitovitovy filazana amin'izy io.

ny egyptiana de mba nanana ny andriamaniny taloha'ny fisian'ny israely; fa ireo dia tsy nilaza fisiana lanitra , ary saika itovizan'ny atra rehetra eto antany izany.

nahoana ary no misy ity rohy teo amin'ny finoana grika sy jiosy ity? iza no naka tahaka?

amiko ny hery tsy hay tohainy no manambara fa marina ny filazany. tsy mahalasa saina anao ve ny tantara misy ao ami'nny Matio Mark lioka jaona?
ary nahoana no niainga teo amin'ny JC ny calendrier gregoriana?
sa personazy noforonina eran'ny tany israely sy grika sy erôpa manotolo ve izy io?

Tsy hitanao ve hoe tampo-pahaizana ny politika nentina nandemena ny sain'izao tontolo izao? indrindra rehefa tonga teny antanan'ireo papaly ny baiboly. Nieritreritra ve ianareo hoe tsy tonga taty mada ny filazantsara raha tsy ireo papaly mpamadika ny marina. izay entinareo hitorahambato ny baiboly ankehitriny.

Raha miafina ny filazantsara dia miafina hoan'izay tsy mahita lalana izany hihihi...
40. RBNIR ( 16/02/2015 09:47)
Strong3:

mahavariana ahy io fiovana lehibe nentin'ny JC io; nahagaga ahy dia tsy nisy nilaza io fanjakan'ny lanitra io hatramin'ny fahagola.

Faly misera namana,
Efa notoriana taloha ny fanjakan'ny lanitra fa saingy mety tsy voasoratra fotsiny tamin'ny antsipirihiny « Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. » (Lio.16:16)
, ny bokin'ny fiainana koa dia efa notoriana ela tamin'ny andron'i Mosesy...
« Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. » (Eks.32:33)

Samia ho tahin'ny Tompo namana..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5736