AZA MIDINA AMPANDEHANANA tsy hitan'ny chauffeur

1. Strong3 ( 04/02/2015 06:52)
Tranga iray izay nampalahelo koa izy ity.

Tovolahy iray avy niasa ; andeha hamonjy fodiana no tra-pahavoazana tsy fidiny.
Raha teo amin'ny fiolanana efa hiditra ny arret bus iny, dia fanaon'ny mpanampy ny mpamily ny manotany ny mpandeha hoe: "misy mialave ôh!?"
_ misy miala hoy ny mpandeha;

Tsy tapitr'izay dia toa nampidina hafangainam-pandeha ny mpamily; tahaka ireny hijanona ireny.
rehefa hitan'ny mpanampy ny mpamily ilay fiara fa hijanona araka ny fidinan'ny hafangainampandehany dia nosokafany ny varavaran'ny taxibe aoriana izay misy azy.
Teo dia nilaza tamin'ny mpandeha izy hoe ao ary ilay miala ôh!
Noho izany antso izany dia nitsangana ny Tovolahy iray izay tonga amin'ny toerana ialany. Nanantona ny varavarana izy araka ny fomban'ny mpandeha rehetra , sy ny fanantenan'ny mpamily mpanampy hoe: manantona varavarana ary ilay miala ôh!
_ Teo indrindra no nitrangan'ny loza
_ Teo amorom-baravarana iny ilay tovolahy , andeha hidina izy no niroso mafimafy ilay taxibe , izy anefa efa NAMPIDINA TONGOTRA ILANY; ka tsy nahazona ny varavana intsony NY TANAN'ilay tovolahy fa latsaka avy hatrany tany ivelany.

Tany amin'ny arrêt ilay chauffeur vao nieritreritra hijanona , nefa ny olona alaina efa latsaka. ny mpanampy azy tsy nahatany fa gina fotsiny teo, fa ny mpandeha sisa tavela tao anaty bus no nioraka hoe AJANONY FA LATSAKA ERY ILAY OLONA ARY TSY TAFATSANGANA!
_ nihazakazaka namonjy teny avokoa ny olona
_ io ilay tovolahy fa tsy tafatsangana tokoa,
_ rehefa nanotaniana izy dia milaza fa FANINA . ka aleo hoy izy hipetraka aloha
_ rehefa nanotaniana izy hoe aiza no voa na marary anao. dia NY LOHANY (FARA-HATOKA) no notondroiny sy nolazainy.
_ rehefa nandrasana minitra fitsy dia tafatsangana izy ka NOTENENIN'NY MPANDEHA SY IZAY NANATRI-MASO ILAY mpamily mba HITONDRA AN'ITY MPANDEHA TRA-DOZA TAO AMINY ITY MBA HO ANY AMIN'NY TOERAM-PITSABOANA HAINGANA.

_ Rehefa tonga teo amin'ny CSBII andoharanofotsy dia noraisin'ny mpitsabo tsara tao , nadia nisy fivoriana aza ry zareo tao.
_ Teo ampandraisana azy , nanao fizahana iny anefa ny mpitsabo no nilaza te hisotro rano izy (ilay tovolahy naratra io)
_ rehefa nomena rano izy anefa dia niazakazaka nilaza fa te HANDOA ; teo dia TENA NANDOA TOKOA IZY. ___ NOHO IO TRANGA IO DIA "nilaza ILAY MPITSABO FA °°° TSY MAINTSY ENTINAREO MIAKATRA HAINGANA ANY AMIN'NY HJRA ITY OLONA ITY°°° fa FAMBARA RATSY IZY MANDOA IO"
__ teo dia tsy nangataka andro fa nampiakarina haingana tao anaty fiara ilay marary tra-doza
__ rehefa natao ny fikarakarana rehetra teny amin'ny urgence dia nafindra tao amin'ny rea izy; ary TEO NO NIANTSOAN'NY MPITSABO NY MPAMILY HOE : MISY HAVANY MANARAKA VE IZY ITY?
__ izahay nanaraka akaiky azy no nantsoin'ilay mpamily; dia hoy izaho tsy havany izahay fa olom-pantany fotsiny ihany ka tsy mahalala izay tena momba azy; teo no nanirahan'ny mpitsabo hoe: TADIAVO HAINGANA NY HAVANY FA RATSY IZY ITY SAO SAHIRANA EO NY MPAMILY

__ Tamin'ny 7ora hariva no nitranga ny loza, amin'ny 12ora alina izahay no lasa nitady ny tranon'ilay tovolahy izay misy ny havany. olona teny amin'ny manodidina noheverina ahalala andrizareo no notaomina . [ EO ILAY LESONA NOMEN'ILAY NAMANA TATSY AMIN'ILAY TRANGA TAO ANATY TAXI VILLE NO ILAINA MIANTRA]
FA LANY adin'ny iray sasany no nikarohana ny HAVANY FA TSY HITA MIHITSY.

FARANY DIA NIVERINA TANY AMIN'NY HJRA IZAHAY; tonga tany dia nasiaka ny mpitsabo. fa aiza le havany e?!
_ tsy hita adresse , tsy hita numero telephone sns...

_ Natao aloha ny fitsaboana tandrify azy, ary teo dia tapaka ny hevitrin'ny mpitsabo fa ampiakarina any amin'ny bloc operatoire izy HARAI-MASO AKAIKY sy mety ho didiana azy arakaraka izay valin'ny radio sy ny scanner.

Noho ny fitavozavozan'ny vola izay tsy fantatra hoe izay no andrasana handoha azy anefa dia tsy nety vita ny scanner; ny aretina niombo; ka NY ALATSINAINY tamin'ny 12ora atoandro dia namoy ny ainy ilay tovolahy.

____ NAMPALAHELO NY TRANGA. nefa izay no tsy azo nialana; fa dia nitranga tamin'ny ora tsy nampoizina.

NOHO IZANY DIA ATSIPY AMINTSIKA MPAMAKY eto ny fampitandremana mba mora hisoroana ny zavatra toa izany.
1/_ ATAOVY AZO ANTOKA FA HENON'NY CHAUFFEUR sy ny mpanampy azy ny FILAZANAO HOE : miala ianao
2/_ HAJAO ILAY HOE: TSY MIALA RAHA TSY TONGA AMIN'NY ARRET
3/_ HAJAO ILAY HOE: TSY MIDINA AMPANDEHANANA
4/_ RAHA MAHITA TRANGA TOA IZANY IANAO DIA MBA MANDRAISA ANDRAIKITRA HILAZA AMIN'NY MPIARA MANDEHA AMINAO MBA HITANDRINA FA TSY HIDINA AVY HATRANY
5/_ AZA SARAHINA AMINAO NY MOMBAMOMBA ANAO indrindra ny adresse sy ny laharam-pinday azahoana ny olona akaiky anao

LOZA TSY NAMPOIZINA ahafaty mihitsy raha izay tranga izay, nefa dia tany amin'ny akasarotana no voadona ka tsy nisy azo nialana tamin'ny fahafatesana. Hoy ny namana sasany atsy: "izay tampitr-andro no maty..."
Marina izany nefa azonao atao ny mandray fepetra na dia kely aza.
Ekana tsy azo lavina ny hoe MIVAVAKA mba tsy ho faty ao amin'ny ota, araka ny tenin'ireo kristiana nandray anjara tao ambadika tao :-)

Lava fa misaotra anao namaky, dia mirary soa hatrany tompoko.
novalian'i Strong3 ny 10/02/2015 08:51
2. booboo ( 05/02/2015 15:02)
Mampalahelo koa izany...

6/ raha avy nianjera ka lasa mafy ny hatoka tsy afaka mampidina ny saoka ohatra manao " ié " @ loha na maharary fotsiny aza, te hisotro rano ary mandoa dans les 2h tafaran'ny nianjerana, dia URGENCE any @ hopitaly malaky.
3. endriny ( 05/02/2015 17:47)
Atao ahoana fa izay no sitrak'Atra ho azy. Lalana efa voafaritra ho azy izay, saingy tampoka loatra.

Dia misaotra an'i Strong3 nikarakara sy nanaraka aloha. Atry ny fiadanana ange hmaly izay vitanao...
4. Strong3 ( 09/02/2015 11:49)

endriny:

Atao ahoana fa izay no sitrak'Atra ho azy. Lalana efa voafaritra ho azy izay, saingy tampoka loatra.

Dia misaotra an'i Strong3 nikarakara sy nanaraka aloha. Atry ny fiadanana ange hmaly izay vitanao...


:-) Misaotra azy nanome fitiavana
5. Sahia ( 10/02/2015 06:39)
Dia mankasitraka tokoa @ fandraisan andraikitra rehetra sy ny fampitàna ny zava-nisy, nefa mbola tsy azo lavina koa oe EFA IZAY NO VOASORATRA amin'ny fomba fahataperan'ny ain'io ranamana io, saingy tena azontsika raisina hatrany anefa ny toro hevitra rehetra nomen'i Strong3 teo, mrc e


Strong3:


endriny:

Atao ahoana fa izay no sitrak'Atra ho azy. Lalana efa voafaritra ho azy izay, saingy tampoka loatra.

Dia misaotra an'i Strong3 nikarakara sy nanaraka aloha. Atry ny fiadanana ange hmaly izay vitanao...


:-) Misaotra azy nanome fitiavana
6. Strong3 ( 10/02/2015 08:51)
Sarotra amin'ny manamanjo amin'ny andro fahavoazana ny miaky fa izao no lahatra...
Mora amin'ny tsy maratra ny manao teny fahampaherezana hoe vetivety io dia ho sitrana...

Alahatra tokoa isika olombelona, fa ny tranga mampiseho izany fandaharana izany no hamisavisan'ny sain'ny trampahavoazana hoe:
_ tsy rariny
_ rariny
Sns ...

ny gasy dia mora tohina satria olon'ny fo, ka raha tiana ilay olona dia heverina fa fahadisoana ny nahafaty olona
fa raha misy fahankahalana dia mametraka ho rariny mandrakariva izy ny amin'ny fahafatesan'ny olona iray

Amiko anefa , na tahaka ny ahoana na tahaka ny ahoana endriky ny fahafatesana dia mahaontsa mandrakariva ny mahita olona mandao ny tany

___ raha mandalo ao amin'ny morgue ianao dia ahita fa misy karazan'olona maty ao,
ao ny maty noho ny aretina
ao ny maty noho ny lozam-pifamohivoizana
ao ny maty noho ny fanafihan-jiolahy
ao ny maty noho ny maha jiolahy azy ka voatifitrin'ny mpitandro filaminana

tsy misy hanavahana anefa izy ireo rehefa mitandavana ao amin'ny tranom-paty , fa mahonena daholo.
raha mbola velona mantsy izy ireo dia afaka nanarina ny lalana nalehany ka ho afa ny fiafarany.

ohatrin'ny ahoana marina moa izany no eritreretin'ny olona ahafaty azy tsy hanomezana tsiny ny hafa na an'Atra?

ngamba toa ireny olona matory dia tsy mifoha ireny ve???

asa...?!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009