SETELA

1. nilex ( 02/02/2015 13:47)
Azafady sao mba misy mahalala fifandraisana na phone ny SE.TE.LA (seheatra teolojika ho an'ny kaika) Ambatonakanga isika.Tena maika be fa hihiditra hianatra.
novalian'i endriny ny 10/02/2015 10:03
2. endriny ( 02/02/2015 14:20)
www.facebook.com/tranovatoambatonakanga ny fb misy azy dia ao angamba no tena tsara anontaniana raha tsy mahadiso a...

tsy mahadiso kamboko ny manontany, fa mamaly ry zareo a
3. nilex ( 03/02/2015 05:19)
misaotra betsaka anao e.Ny Tompo homba anao.
4. endriny ( 03/02/2015 15:35)
Tsy misy fisaorana fa mazotoa e...

Fa aoka aloha kely... maninona kay no asianao hoe "Ny Tompo anie homba anao"?
5. nilex ( 04/02/2015 08:34)
Hahaha,tsy dia misy inona fa mirary soa ho anao fotsiny aho.Efa zatra manao izany fotsiny aho ka.Fa tsy nahazo information mihintsy aho tamin'ilay rohy nomenao.Tsy maintsy hiezaka ho any aho angamba na dia repotry ny asa aza.Misaotra betsaka e
6. endriny ( 04/02/2015 14:46)
Mba antsoy aza ilay nomerao omeny amin'ny tranokalany e (020 22 222 75) dia toa afaka manontany koa amin'ny www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg/
7. bor2lais ( 05/02/2015 16:29)
nilex >

Ity ny adiresy sy telefona (efa somary ela ihany ka tsy fantatro raha mbola manakery na tsia) sao mahasoa :

Faculté de Théologie (FJKM) Ambatonakanga, B.P. 642, Place Rabetafika-Ambatonakanga 101 Antananarivo
Téléphone: +261 2 21214
8. nilex ( 09/02/2015 13:23)
Dia misaotra antsika rehetra fa dia efa tany mihintsy aho ka dia vita daholo ny zavatra rehetra e.Efa nianatra mihintsy aza aho.Misaotra indrindra o.
9. endriny ( 09/02/2015 15:06)

nilex:

Dia misaotra antsika rehetra fa dia efa tany mihintsy aho ka dia vita daholo ny zavatra rehetra e.Efa nianatra mihintsy aza aho.Misaotra indrindra o.


Dia mahita izay tadiavina ary mahazoa izay niriana e... Tsy ho solafa-mandeha ary tsy ho lavo mamindra... fa dia tongava hatramin'ny farany
10. nilex ( 10/02/2015 05:37)
dia misaotra amin'ny firariantsoa e.Tena tiako tokoa ilay zavatra fa dia maniry aho tsy ho azontsapona ka hahavita azy hatramin'ny farany e.
11. endriny ( 10/02/2015 10:03)
Mahafinaritra fa dia ho tabia sy ho reharehan'ny fianakavinao anie ianao. Dia mbola mamerina ny firariantsoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4641