mampiady Imagination

21. rhaj0 ( 05/02/2015 11:35)
Strong3:
ny siansa dia miainga amin'ny andrana sy ny kisendrasendra ary ny fanakarana tratrin'ny saina. fa ny ampitso dia mandiso ny marina hitany omaly izy.

KOpy ianao... ny "marina" @ Siansa dia araka ny porofo voangona @ io andro io. Rahefa miha-mazava ny porofo (hafa) dia mivoatra ny Siansa dia miarina sy manarina.

ohatra hoe, rahefa nikirakira ny sain'olb ny @ fambolena ohatra, dia hoe, ndao tondrahana pestisida @ izay maty ny bibikely mihinana ny voly. Dia nitohy nikirakira ny sain'olb, dia hoe, ary maninona moa raha ilay voa afafy mihintsy no ovaina kely (ogm) ka asiana gene ary dia lasa tsy tian'ny bibikely ny vokatra e... etsetra.. dia mivoatra hatrany. Farany teo izao ny moka dia ovaina kely ny gene-ny @ izay tsy miteraka izy teo. Dia teo koa hoe, afaka manana parents ananki-3 ny zaza iray (samy mi-contribuer lhl 1 sy vhv 2 izy teo) anaovana kirakira in-vitro.

K'aiza ianao @ ireo kirakira ireo ry Strong3 ?? Aiza ilay "marina tokana" tsipihinao en majuscule io ambony io ??

Soa fa misy ny olona (siantista) izay TSY "mikatona" @ "marina tokana" (t@ 2000 taona lasa) ny sainy, fa ampiasaina mikirakira foana ilay sain'olb...

Fa dia mampirisika an'izay Ankizy mandalo eto... Aza akatona io varavaran-tsaina io fa mampitomany ahy... ndana tetezo ny internety dia hitaro ny fahalalanao, dia mba mi-contribuer-va akoriny azany... fa raha ireo sasany mifikitra amin-draha "tokana" t@ 2000 taona lasa no arahinao, dia ho very izao tontolo izao...
22. Strong3 ( 05/02/2015 12:42)
hihihi mahafinaritra ahy ny ilay resaka

indrisy mantsy ry rhaj0 ; raha ilay marina tamin'ny 2000taona lasa latsaka kely no fikiriko dia tazoniko mafy izany fa mihoatrany ny fahalalana rehetra ny nifankahitako tamin'io marina io

niainga tamin'ny masinina kalkilé goavana ny ordinatéra ka tonga finday azo tsindriana amin'ny hoditra izy ankehitriny. tena ezaka lehibe ny vitan'ny zanak'olombelona
raha nahita ny transistor ireo siantifika dia faly sy ravo fa azo ny lakilén'ny elektronika ... mamitolagaga izany fa na ny eny amin'ny tsy taka-maso aza todin'iny transistor kely tsy misy 1grama iny

fa inona tokoa moa no entin'ny finoana eo amin'ny fiainana maha olombelona nahoe filana amin'ny mahaolona?

___ fandaminana rafim-piarahamonina fotsiny tokoa ve izy ? araka ireo mba mandalina kely azy

____ toa mampanalavitra ny sain'izay mino Azy amin'izao fiainana sy tontolo hitamaso izao ny finoana ny baiboly rehefa tonga teo amin'ny vanimpotoana vaovao 2015 lasa izay

NY MARINA DIA TSIPIHIN'IO BAIBOLY IO FA MANOMANA NY FIAINANA ANY AKOHATRA; hita avy hatrany fa tsy avy amin'ny marina amin'ny tontolo n'ny siansa na ny athée izany resaka izany

tsy misy andrana na vokatra entin'ireo siansa hanomanana izany fiainana any akohatra izany angamba.

izany no midika fa tsy ho mirazotra mihitsy ny marin'ny baiboly sy ny marin'ny siasa.
__ Amin'ny mahaolona anefa dia afaka miaina izay vokatrin'ny siansa ny olombelona rehetra na mpino izy na tsy mpino.
___ fa ny tsy mpino dia tsy afaka miaina ny vokatrin'ny baiboly na dia mangetaheta aza, raha tsy efa miomana ny hino .
23. rhaj0 ( 05/02/2015 14:00)
Strong3:
NY MARINA DIA TSIPIHIN'IO BAIBOLY IO FA MANOMANA NY FIAINANA ANY AKOHATRA

kOpy aho e... eo hoe, ny Baiboly dia hitondra hazavana antsika @ fiainantsika (eto).. dia oainina fa revy t@ 2000 taona taloha tsy nahatakatra ny taona 2000, na siansa sy teknolozia izany, na koa sosiolozia firindran'ny fiaraha-monina.

Dia rahefa tsisy ambara eo, oainina mamikitra @ tsy hita fikirina, dia asosa indray hoe, hitondra fahazavana antsika @ ho fiainana any ANKORAHOTRA indray kay no tena izy...

Aiza ihany izy ity e ?... ny bus-tsainay tsisy mankany Ankorahotra fa etsy Behoririka zahay no mijanona.. :-)

24. rhaj0 ( 09/02/2015 04:19)
Strong3:
NY FINOANA DIA TSY MBA TOA IZANY, NY MARINA DIA TOKANA SY TSY MIOVA HATRANY AMIN'NY VOALOHANY KA HATRAMIN'NY FARANY.

Dia rahefa kofona zareo fa ... tsy mitombona intsony ny napetraky ny Finoana taloha dia ...
rhaj0:
Dia rahefa dominao izy hoe aiza ny lojikanao, dia anaovany dondrona-montotra-be fotsiny ianao hoe, satria "izay ilay izy"...
... TOKANA SY TSY MIOVA HATRANY AMIN'NY VOALOHANY KA HATRAMIN'NY FARANY
25. endriny ( 09/02/2015 06:31)

Aiza koa no hisy finoana tsy hiova izany? Izaho izao tamin'ny mbola kely nino hoe raha tsindromina amin'ny paingotra ny komio dia mivoaka rà araka ny notorian'ilay mopera taminay. Fa rehefa hitako amin'izay ny fomba fandroafan'ilay masera ny kaominio tao amin'ny sakikristy, rehefa nameno ilay fitoerana kominio ho amin'ny andro manaraka izy. Nisy latsaka aza dia nakifiny tamin'ny tongotra.. dia nivanaka fotsiny aho.

Dia tsy nino intsony aho fa hoe mandeha rà ny kominio raha tsindromina..
26. rhaj0 ( 09/02/2015 11:45)
Strong3:
NY FINOANA DIA TSY MBA TOA IZANY, NY MARINA DIA TOKANA SY TSY MIOVA HATRANY AMIN'NY VOALOHANY KA HATRAMIN'NY FARANY.

Dia nataonao majuscule ary averimberinao izany ity an...

ka hono ho'a.. ohatra.. ilay revin'i Noah sy ny sambo fiara ve k'lou tena mbola inoanao ao ihany ve ry Strong3 sa ahoana ?

27. Strong3 ( 09/02/2015 13:19)
Tokana; nampiseho ny fisiany Atra

Afaka atao ny nataon'i Noah raha toa ka voahiraka amin'izany ny olona iray na izaho :-)
28. rhaj0 ( 09/02/2015 13:41)
Ka tena MINO an'i Noah sy ny sambo fiarany izany i Gasy1zay satria NY MARINA DIA TOKANA SY TSY MIOVA HATRANY AMIN'NY VOALOHANY KA HATRAMIN'NY FARANY

Izay o ?

(hotry ny TSY mahasahy maneho mazava ny Finoany i Strong3 izany... fa maninona azany... :-)
29. Strong3 ( 09/02/2015 13:47)
nga???

MINO NY FISIAN'ATRA AHO KA HOE TSY SAHY AHOANA???

kkkkkkk
30. rhaj0 ( 09/02/2015 13:50)
Ary ny @ Noah ? MARINA DIA TOKANA SY TSY MIOVA ???
31. Strong3 ( 10/02/2015 06:56)
inona moa no hidiran'ny finoako amin'ny fisian'i tantaran'i Noah?

Voalohany, tsindrimandry nomena an'i lehilahin'Atra no nahalala ny fisiany.
faharoa, nilazana ny fitohizan'aina nisy teto ambonin'ny tany ny fisiany teo amin'ny tantara

Misy mamoroporona fa hoe nahita ny potik'ilay sabon'i Noah hono (mdr izany)

Fa amiko na nisy Noah na tsy nisy dia azoko LAZAINA MAZAVA ARAKA NY POROFO ETO ANTANAKO FA MISY ATRA

... niforona tamin'ny tsy nisy ve izao rehetra izao?

... raha mpamorona tsy nisy FAHEFANA TAO IZAY LAZAIN'NY BAIBOLY KOA momba an'Atra koa NO NAMORONA IZAO TTLO IZAO . dia taiza no nahitany ireo SINGA AHA-OLONA NY OLONA NA AHA-ZAVA-MANIRY NY ZAVAMANIRY... SNS ??

... amin'ny IMAGINATION-KO; Ilay Atra LAZAIN'NY BAIBOLY IHANY NO MARINA satria TSY HAY TOHAINA NY FILAZANY manambara hoe: TAMIN'NY TENINY NO NANAMBOARANA IZAO REHETRA IZAO
"tsy misy azo ialana io fanambarana io .... "
" ary tsy misy MPANORATRA NAHAVITA NA AHAVITA hilaza zavatra HAFA AKOHATR'IO mahakasika ny NIANDOHAN'IZAO TONTOLO IZAO..."

____ araka ny teniko amin'ireo athée mandrakariva hoe: raha TANTARA NOFORONINA NY BAIBOLY DIA ny MPANORATRA IO NO "LALIN-TSAINA INDRINDRA" hatrany ampiandohana ka ho mandrakizay. tsy hisy toa izay nanoratra io boky Tapitr-ohatra io

32. rhaj0 ( 10/02/2015 11:14)
Raha ny fahitako azy dia TSY mino ny tantaran'i Noah izany i Strong3... raha nino ve i Strong3 tsy efa nanitrikitrika tsy an-kenatra teto ? TSY mino i Strong3 ary dia io mihodikodina io :-)

Ka io mantsy izao no manazava tsara ilay loha-hevitra.. Ny imagination-n'i Noah no notantaraina tao @ Baiboly tao. Hoe nampiawaka tsi22 ny biby wehetra hono izy, dia nentiny navotany t@ safo-djano.

Koa na ny zazakely tokoany azany anie dia tsy mino izany resaka izany e... Raha hitantara io ianao, dia ho avy ny fanontaniana, ary ny dinaozaoro koa ve nampiarahany tao? T-rex sy R-rex ary S-rex? Ary i Spiderman sy Catwoman koa ?

Ny lehibe moa dia efa tonga saina, fa i Noah anie ka ilay mamolava nandry tamin-janany...

Dia tsy haiko hoe aiza sy @ inona no anaovan'i Strong3 @ majuscule ny hoe "raha TANTARA NOFORONINA NY BAIBOLY DIA ny MPANORATRA IO NO "LALIN-TSAINA INDRINDRA"
33. Strong3 ( 10/02/2015 12:40)

tsy mino ilay Noah hono izaho !!!
raha ivelan'ny baiboly izy dia tsy ninoako avy hatrany... ireo biby goavana dia tsy mba isan'ireo tafiditra an-tsambo raha izay no mahalasa saina an'i namana rhaj0. izany no tsy ahitantsika azy raha tsy taolana sisa
___

Dia tsy haiko hoe aiza sy @ inona no anaovan'i Strong3 @ majuscule ny hoe "raha TANTARA NOFORONINA NY BAIBOLY DIA ny MPANORATRA IO NO "LALIN-TSAINA INDRINDRA"

mba alefaso lavitra ny imagination-isé dia mora ny mandray izany e!!!
__
34. rhaj0 ( 10/02/2015 13:32)
Ka dia "mino an'i Noah" izany i Strong3.. alleluiha.... fa mbola TSY mahasahy manitrikitrika mazava ihany anefa k'lou izy fa miodikodina io ihany... fa dia maninona loatrany azany ... :-)

Inty ny nolazain'i Pat Robetson, olombe Kristiana manana ondry mpanaraka efa amina am-polon'ny millions rahefa niresaka Noah i Ken Ham.. efa noresahina betsaka taloha ito.. ohatra eto

"Pat Robertson to Ken Ham: 'Let's Be Real, Let's Not Make a Joke of Ourselves'
"Soyons réalistes, ne faisons pas une plaisanterie de nous-mêmes."

Loharano: http://www.christianpost.com/news/pat-robertson-to-ken-ham-lets-be-real-lets-not-make-a-joke-of-ourselves-114063/

Dia ny @ i Noah izay sekreteran'A.tra izany, araka ny finoan'i Strong3 azy ao, dia izao no voalaza ny aminy, ary ao anaty baiboly ao ihany izany..

Genesisy 9:21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy [Noa] ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.

Genesisy 19:32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika. 33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy...

Io dia mora tadidy ry Strong3 a... ilazao ny ankizy-NAO hoe, maka 19 fotsiny hoe ianao ao @ Genesisy, dia 3 sy 2 dia vita: makA "inspiration"...

35. Strong3 ( 12/02/2015 09:09)

hihihih ....

Kay ve eh!!!

neveriko hilaza inona ity ianao ry rhaj0 //

raha miezaka ny hitsirika ny imagination-nao amin'io "fisotroan'i Noah divay" io za dia te hilaza izao aminao:
__ Tsy nisy nilaza hoe fahotana tamin'io vanim-potoana io "izay nataon'i Noah"
... dia hoe: nahoana nefa izy no tezitra rehefa nalain'ny faralahy baraka tamin'ireo zanany roalahy faha?
__ NOHEVERINY FA TSY MANANA NY FANAHIN'ATRA ITY FARALAHY izay "MANAFY AVY HATRANY" raha mahita olona mitanjaka
__ Ny fisotroany divay dia endrikin'ny fifaliana velona ihany. (vakio tsra ny baiboly) ; fa ny tsy fahatongava-tsaina noho ny divay be lohatra nosotroina tsy hoisaina ho heloka. Mba ilazao verset izaho milaza fa fahotana ny misotro, TSY TOKONY HATAO no misy ao fa tsy fandrarana(na hoe didy) __ hoy i Paoly tamin'i Timoty :« Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika. » (1 Timoty 5:23)

__ manaraka izany; raha manaraka ny tantara isika dia tsy marina toa an'i Noah akory ny vady amanjanany
__ toa izany ihany TSY MARINA tahaka an'i lota akory ny vady amanjanany
VOA POROFO araka ny soratra masina izany. ka inona no TIANAO AHATONGAVANA AMIN'ITY HOE "mino ny fisian'i Noah ve za"
ka ao amin'ny Soratra natao ho Masina izy ka tsy hinoako ahoana??? __ tsy misy fisalasalana izany.
36. rhaj0 ( 12/02/2015 11:59)
okey dokey... onkey donkey... ny Kristiana sasany anefa TSY mino intsony an'i Noah

jereo ho'a ry Pat Robertson sy ny amina million-na mpino manaraka azy... sa dia tena "troupeau" marina ireo, hoz'i Strong3 azy izay?

fa i Strong3 izany no elita mahatakatra ny "tena izy" ao, nobitsihiny manokana tao? .. marina tokoany ho'a izany ... ao @ imagination-nao irery ao....
37. Strong3 ( 12/02/2015 12:52)
kkkkkk .... i pat robertson dia olona ohatrantsika sy ianao . tsy nieritreritra izy hoe hirona amin'ny tsy izy fa nisaina hiakatra hatrany.

Tsy mino an'i Noah hoe izy .... ataoko hoe "izay ilay izy rehefa tsy misy tonga saina ao amin'ny mambra ny fiangonany..." --troupeau--

ao amin'ny imagination-ko ao mety hoe ahy irery marina angamba nefa , tsy ahy irery . Fa misy olona toa ahy any ho any

inona moa no mahatonga io rahangahy io ho lasa manary ny finoana ny ampahan'ny baiboly?
__ tonga mpijery ny tontolo hita maso izy; miditra amin'ny fanjakan'ny nofo (hihihih... mety ahasimba ny sainao ny filazako izay ngamba)

hoditr'akondro no fiantso ny lhl lehibe tratran'io mahazo azy io... mety efa tonga saina izy fa tsy afaka miverina amin'ny teniny... loza izany anefa

38. endriny ( 12/02/2015 15:51)
Strong3: MBa hafa koa izany famintinana ataonao izany: "hoditr'akondro no fiantso ny lhl lehibe tratran'io mahazo azy io... mety efa tonga saina izy fa tsy afaka miverina amin'ny teniny... loza izany anefa"

Ahoana moa no iainanao ny any amin'ny fiainan-tsy hita, kanefa ianao aza mbola eto an-tany? Sa ianao manonofy? Dia ianao ve efa nahita izany Atra izany tao anaty nofy? DIa mba tantarao hoe raha tsy mahadiso ohatran'iza ny endriny?

Ho ahy ny olona mitory teny sy mpisintona ny olona hanaraka ny finoana ireny no ataoko hoe: "mpivarotra saka beloha, sy mpivarotra omby anaty ambiaty". MItanisa ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay kanefa mbola tsy nahita mihoatra an'Isotry sy Analakely.
39. Strong3 ( 13/02/2015 09:14)
ie io no izy ka... silifatra kely vao tonga saina nefa ny tena lhl lehibe fanta-bahoaka ka sarotra ny miverina amin'ny teny latsaka.

iza no nilaza fa miaina sahady izany?

finoana no hanatenana izany noho ireo famantarana mampihaiky milaza fa marina ny teny. fa ny mpampivavaka anareo taloha koa nge be téoria be fotsiny ko aiza ary ianareo no tsy hitsoaka andaharana amin'ny finoana an'Atra
ampiharina nge ny Soratra fa tsy hianarana fotsiny eh...
Iza moa r'ingahy no hivavaka amin'ny Atra tsy mihetsika tsy manao nainona na inona?
Fampiharana no nampiahiky ahy fa misy Izy. fa ny an'ny hafa no tsy fantatro ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918