"Je suis Charlie", ary ny kristiana?

1. leva2 ( 13/01/2015 15:55)
Miarahaba namana isany !

Niarahantsika nahita sy nanaraka ny zava-nisy mamohehitra tao Lafrantsa ka nahatonga ity resaka "Je suis Charlie" ity, ary hitantsika ny akon'izany nanerana izao tontolo izao.
Fa ankoatra izay, samy nahita koa isika hoe inona tsara no antony nahatonga ilay zava-nisy mamohehitra izay nambara ofisialy moa fa asa fampihorohoroana.

Ary ianao, amin'ny maha-kristiana anao, mba ahoana no hevitrao?
2. gasy1zay ( 13/01/2015 16:07)
Raha @ mahakristianina no anontanianao dia izay voasoratra ao @ baiboly ihany no tokony ho fototra, mikasika ireo mpamono dia voalaza hoe : Aza mamono olona, ary voalaza koa fa tsy ny manao meloka ihany no manota fa izay mankasitraka ota koa dia manota, izany hoe raha mankasitra famonoana olona ianao, izay fahotana, dia namany manota ihany koa.
Mikasika an'i Charlie indray dia voasoratra koa hoe : lozan'izay hiavian'ny fanafitohinana, na inona na inona antony nanaovan'ny fanankianana na fampiomehezana dia tsy ankasitrahan'ny baiboly ny manao izay hampatezitra ny hafa na hitarika ny hafa hanota ( hankalahala, hanao herisetra). Izay angamba no afaka ambara fa efa nisy sujet hafa nosokafan'ny namantsika atsy ambadika momba an'ito resaka ito.
3. rhaj0 ( 13/01/2015 16:12)
gasy1zay:
tsy ankasitrahan'ny baiboly ny manao izay hampatezitra ny hafa

Tena hotry ny TSY ho azonao mandrakizay mihintsy hoe, misy "ao @ baiboly" koa anie ka "mampatezitra ny hafa"... ary caricature no isan'ny mba hi-exprimer-ny ny frustration-ny.
4. gasy1zay ( 13/01/2015 16:27)
rhaj0 > fomba fijery kristianina no nanontanian'i leva2 dia novaliako araky ny baiboly ka, raha tsy mitovy ny hevitrao tsy maninona fa afaka mijoro ianao hanao je suis charlie fa tsy misy bedy eto ka.
5. rhaj0 ( 13/01/2015 17:00)
Ny fomba fijeriko ny .. "fijery kristiana" ve k'lou hors sujet sa tsia?
6. gasy1zay ( 13/01/2015 17:12)

rhaj0:

Ny fomba fijeriko ny .. "fijery kristiana" ve k'lou hors sujet sa tsia?


Ahoana ny hevitrao @ maha-kristianina anao, na ahoana ny hevitry ny kristianina momba io resaka io , raha ny fahazoko azy dia izay no tian'ny mpanoratra ho fantatra.

Raha kristianina ianao na mahalala ny hevitry ny kristianina dia tsy hors sujet fa raha tsy izany dia hors sujet fa saingy raha ny fahafantarako anao toa ohatrany hilaza ny fomba fijerinao ihany na HS na tsia :)
7. rhaj0 ( 13/01/2015 17:16)
ok ok... mety hanaovako caricature koa izany in-1 andro any :-)
8. endriny ( 13/01/2015 17:38)

leva2:


Ka aleo hazava aloha fa Atra no ambonin'ny rehetra amin'ny finoana.
Ary na ho an'ny silamo, na kristianina na hebreo dia izao no didy voalohany. Izaho no Atry ny Atra, ary aza manana Atra hafa afa tsy izaho.

2. Aza manonononom-poana ny anaran'Atra, ary aza maniratsira

Ka adala izay tsy saro-piaro amin'ny Andriamaniny...

Teto Madagasikara aza taloha be ireo nahafoy ny ainy toa izay manda na manompa ilay Atra nolazaina taminy...

Dia anjarako ny maminany...

Fa ny marina amin'ity dia filazana fotsiny hoe Ambony ra ny frantsay noho ny olona hafa, ka tsy vonovonoina fotsiny... Satrai ry zareo hono taranaky Jesosy e...
9. hery ( 14/01/2015 00:00)
Ny ahy indray dia tsy hivakiako loha satria tsy kristianina ry zareo (tsy katolika). Tsy nahita an'ireny mihitsy aho raha tsy ianareo no nampiseho azy ahy... izany hoe IANAREO ihany no nanome fanafintohinana ho ahy fa tsy Charlie Hebdo.

Raha tsisy nividy ny gazetiny dia tsy ho nisy nahita an'ireny fa ry zareo samy tsy mino ihany no nihomehy tao.

Ka ho ahy, tsy azo terena ho tia ny Andriamanitro na hanaja ny Andriamanitro ny olona tsy mpivavaka. Novonoiny tamin'ny Hazo fijaliana aza izy tamin'ny 2000 taona lasa fa tsy namaly ireo namono azy. Raha mpivavaka kosa no manaratsy an'Andriamanitra dia halahelo aho.
10. mpisotrtoaka ( 14/01/2015 05:15)
Marina ny an'i Hery ! Tano tsara ny anao ary ny hafa aza terena hanaraka ny lalanao !
11. booboo ( 14/01/2015 09:11)
@ maha-krisitiana ahy ? tsisy watsawatsa loatra fa manohy mividy sy mamaky Canard Enchaîné toy ny mahazatra, en rupture de stock sahady Charlie Hebdo aty aminay nefa hatrizay na ny misy ny toeran'io eo @ mpisy gazety ara tsy hain-dry vahoaka sasany akory...enfin bref, @ heriny alarobia indray angamba.
12. hery ( 14/01/2015 09:17)
Nahagaga ahy koa ilay hoe Charlie Hebdo en rupture de stock nefa natao 3 millions d'exemplaires (raha hatram'zay 60.000)

Sa misy sabotage?
13. booboo ( 14/01/2015 09:34)
Tsy haiko loatra fa efa hatr@ w-e no efa be nilahatra nanao resérvation n'ny Charlie Hebdo ho @ anio taty aminay
14. leva2 ( 14/01/2015 11:34)

aza adino koa fa tsy diso anjara amin'ny blasphème charlie hebdo ny kristiana!
15. booboo ( 14/01/2015 12:20)
Leva2 angaha isan'ny Fraternité Pie X ????
16. hery ( 14/01/2015 12:31)
leva2> Andriamanitra ihany no manasazy an'ireny raha misy tsy mety ny ataony :-)
17. bor2lais ( 14/01/2015 13:16)
Ny Kristiana tsy momba ny "loi du talion" ! :-)
18. rhaj0 ( 14/01/2015 13:44)
hery:
Ka ho ahy, tsy azo terena ho tia ny Andriamanitro na hanaja ny Andriamanitro ny olona tsy mpivavaka. Novonoiny tamin'ny Hazo fijaliana aza izy tamin'ny 2000 taona lasa fa tsy namaly ireo namono azy. Raha mpivavaka kosa no manaratsy an'Andriamanitra dia halahelo aho.

Tsindrohiko kely fotsiny ilay hoe "Andriamanitro" = Andriamanitr'i Hery...
Mitovy fa tsy sahala @ hiran'i Bessa @ ilay hoe "Ny Andriamanitra inoaKO..."

Izany hoe, ny fahazoako azy izany dia hoe, misy Andriamanitra samy hafa, samy manana ny azy...

Sa indray "tokana" Izy, fa samy manana ny "fijeriny" na "fahatsapany" Azy ?? Izany hoe, ohatra arak'i Bessa hoe, Izy dia Fitiavana, dia @ fijery hafa, Izy dia vindicatif... etsetra...
19. Fiffi ( 14/01/2015 14:05)
..... Charlie Hebdo: 20 ans de Unes à scandales....

raha zah manokana aloha dé tsy hamaky na hilahatra andeha hividy io hebdo io....

efa ireny ve ny zavatra niseho dé mbola manao fanahiniana ihany hamoaka io hebdo io ?

Ok aza...je suis à 100% am lé we liberté d'expression fa kosa avec modération ....tsy midika mintss we liberté d'expréssion de hanao tsinontsinona ny finoan'sasany satria ve we tsy kristiana ry zareo ?

dé mba mandray lesona avy eo fa tsy manao fanahiniana tahak'zao....

tohina mafy aloha rah zah am fanitana we misy hebdo mbola io ihany no natao gros titre eh...

na izany na tsy zany dé contre à 100% koh zah am famonoan'olona barbarisme tahaka io nitranga io...

(hic...ny lohahevitra valiana ry rhaJo fa tsy zay Andriamanitr'i anona sy ranona....)
20. bor2lais ( 14/01/2015 14:24)
Lohateny : "Je suis Charlie", ary ny kristiana?
Valiny : Jesoa Kristy ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555