Valin'ny fanontaniana ho an'ny Fiangonana Katolika

1. hery ( 10/12/2014 14:01)
Hitako mahavaly ny ankamaroan'ny fanontaniana ho an'ny Fiangonana Katolika ity video ity ka tiako hozaraina amintsika.
Azo valiana raha misy fanontaniana :-)



novalian'i rhaj0 ny 15/12/2014 21:41
2. gasy1zay ( 12/12/2014 16:38)
Miarahaba an'i hery ary mba saika hametraka fanontaniana anao ny tenako,

Ny fiangonana katolika moa dia mivavaka @ ireo olo-masina maro, nefa ao @ Apokalipsy dia niteny t@ Jaona/Joany ilay anjely raha niankohaka t@ tongotr'ilay anjely i Joany hoe :
"Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr'ilay anjely naneho izany tamiko, mba hiankohoka taminy; 9 nefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman'ny mpaminany rahalahinao, mbamin'izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy."

Raha mijery baiboly protestanta ianao dia izaho ny dikateny :

"Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ ny tongotr’ ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho"

Raha arahina ara-bakiteny ny voalaza eto dia tsy tokony hivavaka na hangatambavaka @ Anjely, olo-masina fa Andrimanitra irery ihany satria mpanompon'Andriamanitra koa izy ireny.
3. hery ( 14/12/2014 18:05)
Tonga dia tsy notohizako ny famakiana ilay fanontaniana satria diso. Indrindra ilay hoe "Ny katolika dia mivavaka amin'ny olomasina maro..."

Tsy mivavaka amin'ny olomasina na iray na maro ny katolika :-)

azonao ahitsy sy tohizana amin'izay ve ny fanontanianao?
4. Fiffi ( 14/12/2014 20:31)
Miarahaba,

aleo aloha jerena tena miadana ireo fanontaniana sy ny fanazavana fa oula....

na ilay fanontaniana voalohany sy ny fanazavana aza toa tena mampiheritreritra lalina dé lalina.

"Pouvez-vous prouver avec la Bible que la Bible est le seul canal par où nous parvient la révélation ?"

io ve zany dé samy manana ny fandraisany azy , sa miankina am finoan'tsirairay ?



5. gasy1zay ( 15/12/2014 14:35)

hery:

Tonga dia tsy notohizako ny famakiana ilay fanontaniana satria diso. Indrindra ilay hoe "Ny katolika dia mivavaka amin'ny olomasina maro..."

Tsy mivavaka amin'ny olomasina na iray na maro ny katolika :-)

azonao ahitsy sy tohizana amin'izay ve ny fanontanianao?


Ok, mety tsy azoko izany ny rôlen'ireo olomasina fa raha tsy misy vavaka adressena aminy izany dia tsy mitombina intsony ilay fanontaniana fa izaho no diso fandray fa io anjara toeran'ny olomasina io sisa no mba tiko ho fantarina. Misaotra e!
6. rhaj0 ( 15/12/2014 14:43)
hery:
Tsy mivavaka amin'ny olomasina na iray na maro ny katolika :-)

http://www.saint-joseph.org/fr/le-sanctuaire/saint-joseph/prieres
Souvenez-vous, ô très chaste époux de Marie, mon aimable Protecteur, saint Joseph, que l'on n'a jamais entendu dire que quelqu'un ait sollicité votre protection et imploré votre secours sans avoir été consolé; je viens avec confiance me présenter devant vous et me recommander à vous avec ferveur. Ne rejetez pas mes prières, père virginal du Rédempteur, mais écoutez-les avec bonté et daignez les exaucer. Amen.

Io izao rahefa ni-google aho hoe "prieres a sint joseph" dia io ilay prieres...

Ka i Hery katolika angamba izany no TSY manao prieres a saint joseph, fa ny olona toa manao ihany.. hitako mihintsy ry kebany mpivavaka aty fa tena ao.. ny kebany @ io ny dadaben'ny nenibeny ao daholo ary tena manana traikefa lalina ny @ io izy... (raha ny fahitako azy)

7. hery ( 15/12/2014 15:20)
Raha nihaino tsara ilay video ianareo dia mahita ny resaka momba ny Olomasina jereo ny minitra 1:29:09 les saints ; 1 :35:42 le culte des saints

Tsy misy olana mihitsy io vavaka napetrak'i rhaj0 io satria ny Katolika manao an'io vavaka io dia mahatsapa tsara fa tsy mitodika amin'Andriamanitra izy fa mangataka kosa an'i Md Josefa mba hampita ny vavaka any amin'Andriamanitra.

Mazava ho azy, ny tsy Katolika izay manao io vavaka io dia toa mahita hoe i Josefa no manana fahefana, fa ny Katolika kosa, izay efa miaina ao anatin'ny finoana ny zavatra vitan'ny olomasina, dia mahatsapa tsara na dia tsy tenenina aza hoe i Josefa dia miara-mivavaka aminy fotsiny. Mpiara-mivavaka izany i Josefa eto fa tsy mpanelanelana.
8. rhaj0 ( 15/12/2014 15:41)
https://www.google.ca/?gws_rd=ssl#q=do+catholic+pray+to+saints
google: do catholic pray to saints?
That's something the Catholic Church strongly encourages. In fact, the prayers of the Mass, the central act of Catholic worship, are directed to God and Jesus, not the saints. But this does not mean that we should not also ask our fellow Christians, including those in heaven, to pray with us.


Manja ilay spin... "with" fa tsy "to"...

(fa ny Katolika tsy parfait sahala @ Hery k'lou kosany mety mbola roboka ao... sa tena garantie fa tsisy mi-"pray to saints" zareo?... dia "mivaly" ny vavakany ?
ekena azany mba tsy ifandirana e...)
9. rhaj0 ( 15/12/2014 16:53)
hery:
Mpiara-mivavaka izany i Josefa eto fa tsy mpanelanelana..

O ry Hery: hotry ny Razana TSY miady vomanga izany i Josefa eo ?
10. Fiffi ( 15/12/2014 20:43)

rhaj0:


(fa ny Katolika tsy parfait sahala @ Hery k'lou kosany mety mbola roboka ao... sa tena garantie fa tsisy mi-"pray to saints" zareo?... dia "mivaly" ny vavakany ?
ekena azany mba tsy ifandirana e...)


mba possible ve we mba tsy simbaina lé dinika "Valin'ny fanontaniana ho an'ny Fiangonana Katolika" ?
11. rhaj0 ( 15/12/2014 21:41)
Fa tsy "lezitima" (zustifiE) angaha ny fanontaniako? mivavaka "miaraka" @ Masina SA mivavaka "@" Masina ?

manahy aho hoe, rahefa TSY mitovy @ antenainao ho hita ny eto dia lazainao fa "manimba" no dikan'izany... aiza re e... ary dia tena hotry ny lasa polisy eto koa izany ianao izany kouh... tsy ny resaka intsony no resahina fa ny mpiresaka :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1605