Natalis

1. Tefigasy ( 08/12/2014 13:33)
Nisy tokantrano iray niharan'ny fahasahiranana ara-bola. Tamin'io fotoana io indrindra anefa no narary mafy ihany koa ilay renim-pianakaviana. Nandeha namonjy dokotera izy mivady ary nomen'i dokotera azy ny lisitry ny fanafody tokony hovidiana. Vao naharay ity taratasim-panafody ilay raim-pianakaviana dia vao maika nivaloharika tanteraka. Aiza no hahita vola, ny hohanina aza tsy misy, nefa raha tsy azo ireo fanafody ireo dia ho faty ity ramatoa. Nandeha nitaraina mafy tamin'ny mpiray vodirindrina taminy izy. Ilay ramatoa tompon-trano no nandray azy fa ilay ramose mbola tsy tao an-trano. Novalian'ity madama izy ireo hoe ho avy eo ny vadiko androany hariva fa aleo izy andrasana fa ato amiko tsy misy vola afaka tonga dia omena. Efa sasa-miandry sy tsindrin-daona ery ireto fianakaviana sahirana ary tsy tafatombina mihitsy. Tonga ihany ilay ramose, inona hoy ianao no nataon'ilay raim-pianakaviana sy ny zanany? Vao tazany avy lavitra dia efa nohazakazahiny sy notsenainy ary hita teny amin'ny endriny sahady ny hafaliana na dia mbola tsy nisy n'inon'inona akory aza satria fantany tsara fa io ramose io no hitondra famonjena ho azy.
Roa arivo taona lasa mahery izay; rehefa feno haizina ny tany, feno haratsiana ny olombelona satria nanohitra an'ilay mpahary azy, maty sy tafasaraka tanteraka tamin'ilay Andriamanitra; dia nisy zazakely iray nampidinina tety an-tany, nasaina nateraky ny vehivavy, tonga nofo na dia mpanjaka tany amin'izay nisy Azy aza. Mba haninona hoy ianao ?
Mba hitondra famonjena, hanala ny aizina mandrakotra sy manasaraka ny olombelona sy ny mpahary azy. Na dia maro aza mantsy ireo fomba nasaina nataon'ny olombelona mba hahazoany famonjena: nampahafantarina azy ny anaran'Andriamanitra, nasaina notandremany ny lalany, sns, dia tsy nisy voabata ho any amin'ny famonjena akory na iray aza.

Tonga nofo ilay mpahary, tonga olona Izy satria olombelona ilay hovonjeny fa tsy anjely na biby. Nanatona ny olombelona, niara-nonina tamin'ny olombelona ary izay ilay hoe krismasy: ny nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olona ary ny fiarahany monina amintsika isan'andro isan'andro.
Raha tsy nisy io tranga io, dia tsy nisy olona afaka novonjena teto na iray aza. Ny zava-misy anefa dia maro no manao tsinotsinona izany fahatongavan'ilay Teny ho tonga nofo izany. Maro ny nandà io zazakely io, ary tsy vitsy no nifofo ny ainy sahady raha vao teraka Izy. Anisan'ny lehibe tamin'ireny i Heroda tamin'ny fotoany, nampiasainy ny Magy mba ho fitaovana entiny hamonoana ilay zanak'Andriamanitra. Saingy rehefa nihaona tamin'ny mpamonjy ireto farany dia niova lalana izy ireo. Tsy Heroda ihany anefa fa mbola maro na dia hatramin'izao vanim-potoana hiainantsika izao aza no mikasa ny hamono, hikosoka tanteraka io fahatongavan'ilay Teny ho nofo io. Rehefa tsy matiny, satria tsy ho fatiny intsony ilay mpamonjy dia ezahiny fantarina ny manodidina ilay zazakely mba hanakendany izay mbola miraikiraiky sy tsy nahita Azy.
Ny magy raha nahita ny fahaterahan'ilay zazakely dia niova lalana, ny mpiandry ondry rehefa nampahafantarina sy nanatri-maso ilay fahaterahana dia feno fiderana.
Ho anao, raha mbola tsy nandalo sy niaina izany fahateraham-baovao tao Aminy izany ianao, dia mbola tsy hiaina sy hahita fifaliana miaraka Aminy ihany koa eo amin'ilay fahatongavany nofo mba hiaraka honina amin'ny olombelona ary mbola miray tetika amin'i Heroda foana. Mety mbola misy fifanarahana eo aminao sy Heroda satria mbola tsy hitanao ilay teraka ny ho mpamonjy. Anio, miteny aminao aho fa raha tena nihaona taminy ianao dia hiova lalana toa ny magy, feno fiderana tahaka ny mpiandry ondry ary hankalaza sy hiankohoka eo anatrehany miaraka amin'ireo olom-boavonjy amin'ny andro iray izay hametrahanao mba ho Azy hahatsiarovana izany fiainana ny fahatongavany izany mba ho fitsenana ilay olon-tiana.
Ho aminao anie ny Tompo
novalian'i hafahafa ny 16/12/2014 14:03
2. moustaraf ( 08/12/2014 16:10)
salama namana,
Averina aminao hatrany fa tsy ny messia teraka anie no ankalazaina amn Natalis fa i Mithra e! mba misokafa saina amn zay!
ianareo ve de ho zaza saina lava izao e!

Tsy hoe rehefa nankalazaina 2000 taona ny noel dia marina e!
Mody lazaina fa zazakely teraka nefa sampy goavana ao ambadika
3. moustaraf ( 08/12/2014 16:10)
salama namana,
Averina aminao hatrany fa tsy ny messia teraka anie no ankalazaina amn Natalis fa i Mithra e! mba misokafa saina amn zay!
ianareo ve de ho zaza saina lava izao e!

Tsy hoe rehefa nankalazaina 2000 taona ny noel dia marina e!
Mody lazaina fa zazakely teraka nefa sampy goavana ao ambadika
4. moustaraf ( 08/12/2014 16:10)
salama namana,
Averina aminao hatrany fa tsy ny messia teraka anie no ankalazaina amn Natalis fa i Mithra e! mba misokafa saina amn zay!
ianareo ve de ho zaza saina lava izao e!

Tsy hoe rehefa nankalazaina 2000 taona ny noel dia marina e!
Mody lazaina fa zazakely teraka nefa sampy goavana ao ambadika
5. rhaj0 ( 08/12/2014 16:22)
Avelao kosany izy mba hirevirevy ao ry Moustaraf a... Izaho aloha dia manatrika koa, ary mahafinaritra ahy ny mihaino ny hira atao ireo e.. Mampihomehy koa ny saynete ataon'ny ankizy.. in-1 mandeha izao aho nahita, hoe, teny @ araben'ny fahaleovan-tena hono rilerony miraoziraozy.. dia misy sipakely mandalo mpivavaka sady mivarotra harendrina izy teo, dia hotry ny hoe mibedy an-drizalahy sa naninona moa.. fa nahafatifaty ilay saynete e...

Aza mba puriste dia masiatsiaka @ izany eo ho'a fa marary fo @ izany eo... ny fiainana efa sarotra ...
6. bor2lais ( 08/12/2014 17:33)
Ka malahelo ange ry mousta (sy ny namany) fa tsy mba afaka mifaly sy midera Azy e ! :-)
7. hafahafa ( 09/12/2014 04:48)

moustaraf:

salama namana,
Averina aminao hatrany fa tsy ny messia teraka anie no ankalazaina amn Natalis fa i Mithra e! mba misokafa saina amn zay!
ianareo ve de ho zaza saina lava izao e!

Tsy hoe rehefa nankalazaina 2000 taona ny noel dia marina e!
Mody lazaina fa zazakely teraka nefa sampy goavana ao ambadika

Miarahaba namana e!
Zay nge no mahatonga ana milaza fa tsy mitovy le Andriamanitra ivavahana, diso ve ra manokatra ny fony ny tsirairay hidera sy hifaly e!
Fa nanareo izany DIA tsy maintsy andro inona iany vao midera sy mifaly, io ry namana tsy mifidy andro ny fankalazana sy fiderana ny Tompo a!
na andro inona na volana inona ny Essentiel dia enao mahatsapa tena fa tokony ho deraina ny Tompo satria tsy tongatonga oazy ary tsy mandende oazy ny fianana ety antany fa misy mpamorina dia lay Tompo Andriamanitra avo indrindra,
8. Tefigasy ( 09/12/2014 05:11)
moustaraf:

Averina aminao hatrany fa tsy ny messia teraka anie no ankalazaina amn Natalis fa i Mithra e! mba misokafa saina amn zay!
ianareo ve de ho zaza saina lava izao e!

Inona no hidiran'i mithra amin'ny Natalis ?
Maninona moa no mbola voabahan'i mithra ny masonao, ny sainao, ny fonao ? Satria mbola manana anjara toerana eo aminao izy, mbola nisy fifanarahana teo aminao sy i Heroda araka ny voalaza etsy ambony? Nefa ihany koa mety ho mariky ny fahalemena sy ny fahazazana izany, tahaka ireo olona mahita ny olon'afaka mihinana kisoa sy crevette, tsy voagejan'ny andro asabotsy...... Hoy indrindra i Paoly hoe : Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?
Izay no mbola hanamafisako ny teniko eo ambony fa raha efa niharan'izany fahateraham-baovao ao amin'i Kristy izany ny olona iray dia miova hatramin'ny fomba fijeriny ny manodidina azy, ka tsy ireny manodidina azy ireny no zava-dehibe sy ho atao vato misakana. Hoy hatrany i Paoly : "fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao , ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany" : ho an'ny olona efa tonga zanaka, izany hoe efa mpandova, dia tsy i mithra intsony no atao ho vato misakana tsy hampandroso, ny hanitsaka sy hamongotra an'ireny sampy ireny aza no atao, ka tsy ataoko hahagaga raha ny andron'ny 25 Desambra no noraisin'ny Kristianina hatrizay mba handevonana izany sampy efa tsinotsinona izany.
Tsy hamerina ny fampianarana mikasika ny krismasy eto intsony aho, isan-taona toa misy anio foana eto, apetraka foana izany saingy raha mbola jamba ny maso, tsy hahita mihitsy ny sasany ka aleo aloha hajanona ny amin'ity taona ity
Dia mirary krismasy feno hafaliana ho an'izay efa ao anatiny, moa maniry ny mba hidiran'ireo eny ivelany ihany koa fa mbola tsy tara. Tsy manery izay tsy te hiditra koa anefa
9. moustaraf ( 09/12/2014 06:25)
Salama e!
Izahay efa teo no niala ry namana a, rehefa nampahafantarina ny hevi petsin'ilay rain'ny lainga ao ambadik'ireo fety rehetra noforonina!

Aoka hazava fa "tsinontsinona tokoa ny sampy ho an'izay olon' ELohym izay nanao ny lanitra sy ny tany, ilay niankohofan'i Abrahama, Isak, Yakov, ary nanome ny teniny ny vahoakany, dia Yeshua meshyrha "
Fa tsy izay rehetra milaza ho mahay manonona toko sy andininy akory e...

Ny baiboly dia nomena mba ivavahana amin Adonay ELohym, ary Voarara ho an'ny olona izay mivavaka amiNy ny FANONONANA ANARANA SAMPY, SY NY FANKALAZANA IZAY METY HO FOMBAFOMBANY

10. Tefigasy ( 09/12/2014 06:37)
moustaraf:

Salama e!
Izahay efa teo no niala ry namana a,

Izahay tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana , fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy .
moustaraf:

Aoka hazava fa "tsinontsinona tokoa ny sampy ho an'izay olon' ELohym izay nanao ny lanitra sy ny tany, ilay niankohofan'i Abrahama, Isak, Yakov, ary nanome ny teniny ny vahoakany, dia Yeshua meshyrha "

Koa inona no mbola hiantsoantsoana an'i mithra isaky ny mihetsika eto ?
moustaraf:

Fa tsy izay rehetra milaza ho mahay manonona toko sy andininy akory e...

Ny mahay manonona toko sy andininy aza mbola betsaka ny ho sivanina , maika moa fa ireo tsy (...) aleo ihany tsy lazaiko f'andrao mahatonga tafintohinana eo amin'ny sasany na dia marina aza !
moustaraf:

Ny baiboly dia nomena mba ivavahana amin Adonay ELohym, ary Voarara ho an'ny olona izay mivavaka amiNy ny FANONONANA ANARANA SAMPY, SY NY FANKALAZANA IZAY METY HO FOMBAFOMBANY

Ngah moa mampiasa baiboly indray rangahy ? Toa hoe ilay amin'ny teny hebreo ihany anie no ampiasainareo e, ary toa tsy baiboly ny anaran'izy iny fa misy anarany amin'ny teny hebreo ihany koa. Ny baiboly efa amin'ny dikateny malagasy ! hihihihihihi
Dia mirary krismasy feno fifaliana hatrany ho anao ! (ampitiavana be hoy i bor2lais izay hhihihihihihi)
11. moustaraf ( 09/12/2014 08:29)
Salama namana,
1.Mba omeo toko sy andininy ao @ io baibolinao io izay milaza hoe: "ankalazao ny fahaterahan'ny Mpamonjy"

Sa ny anareo moa le hoe"malalaka ny lalana, ka azo atao daholo izay tiana hatao"
hita tokoa fa tsy ilay ELOHYM nanao ny lanitra sy ny tany no ivavahanareo e!

Miala tokoa izahay satria efa voalaza hoe:"Mialà aminy ianareo ry oloko, mba tsy hitambaranareo ota aminy"
Fa ianareo de ee ee! ny hazon-damosina no mihaino!

Ilay anarana boky dikan-teny napiasaiko ve no mapihomehy anao? nefa toa tsy mihomehy akory ianao rehefa manonona ny anarana dikan-teny : Atra, dieu, god, jesosy, sns...
12. rekinbelo ( 09/12/2014 08:58)
Salama namana,
Aza variana miady hevitra @ izany intsony ianareo eee, na natalis io na inona tsy amivao hevitra ny Ray namorona an'izao tontolo izao intsony mahakasika ny fitsarana ny fivavahana milaza azy ho kristianina izay mankalaza ireny fety paienne ireny
Ataovy izay nasain'ny Tompo ho ataonao de ataovy ho ampy ho anao izany, fa na anao inona isika efa voapetaky ny vy mahamay ny sainy olombelona eto @ izao tontolo izao ka tsy ho voafafatsika mihitsy ny zavatra rehetra napetraka teto.
Na Elohim, na Adonai na Atra , dia anarana bambaray fotsiny na ny olombelona aza nisy nambaran'I jesosy hoe adonai, koa noho izany avaho tsara ny Anarany izay atao hoe Jehovah Andriamanitra Tsitoha fa manjary mifangaro @ ireo toa lazaina fa Andriamanitra misy eto @ univers.
Mahereza namana
13. bor2lais ( 09/12/2014 09:20)
moustaraf:

1.Mba omeo toko sy andininy ao @ io baibolinao io izay milaza hoe: "ankalazao ny fahaterahan'ny Mpamonjy"

Tefigasy:

Ngah moa mampiasa baiboly indray rangahy ?

moustaraf:

2. ???

Tefigasy:

Tsy hamerina ny fampianarana mikasika ny krismasy eto intsony aho, isan-taona toa misy anio foana eto, apetraka foana izany saingy raha mbola jamba ny maso, tsy hahita mihitsy ny sasany ka aleo aloha hajanona ny amin'ity taona ity

Tefigasy:

Dia mirary krismasy feno fifaliana hatrany ho anao ! (ampitiavana be hoy i bor2lais izay hhihihihihihi)

:-)
14. moustaraf ( 09/12/2014 10:16)
Na mapianatra isan'andro aza ianao ka izany zavatra diso izany foana no averimberinao eto dia loooozanao irery e!
"Aza dia ho mpampianatra be ihany ....ho mafimafy kokoa ......"
15. bor2lais ( 09/12/2014 12:47)
"Une Parole rejetée est une Parole entendue !" :-)
16. moustaraf ( 10/12/2014 03:19)
Aiza le toko sy andininy o???

Tsy tahaka ny mahazatra indray izy ity, fa toa lasa mahantra verset ny namantsik e!
Avoahy mba iaraha mamaky! ianareo ndray ve no tsy hanana toko sy andininy ???
Miandry ny vahoaka malagasy!!!

2.Raha olom belona re dia "adoni " no filaza azy e ! Ilay nampisy kosa no "Adonay Elohym"
17. Tefigasy ( 10/12/2014 05:09)
moustaraf:

Aiza le toko sy andininy o???

Tsy tahaka ny mahazatra indray izy ity, fa toa lasa mahantra verset ny namantsik e!
Avoahy mba iaraha mamaky! ianareo ndray ve no tsy hanana toko sy andininy ???
Miandry ny vahoaka malagasy!!!

2.Raha olom belona re dia "adoni " no filaza azy e ! Ilay nampisy kosa no "Adonay Elohym"

Avereno hianarana ny lesona tamin'ny herintaona e, na ny talohan'izay ihany koa, rehefa tsy hitanao ato intsony dia anontanio an'i Jesosy raha mety hamaly anao Izy. Raha sanatria tsy mety izy dia amin'ny herintaona indray fa aleo aloha ianao hi-double eo amin'ity taona ity !
Izaho efa niteny hoe tsy handroso fampianaran mikasika ny krismasy intsony amin'ity taoan ity dia tazomiko ny teniko hatramin'ny farany.
Sopapa fotsiny ity: ao anaty baiboly feno verset, saingy toa tsy miady amin'ny piesinareo anie hoy aho ny baiboly e
18. bor2lais ( 10/12/2014 08:55)
Ialako tsiny amin'i Tefigasy fa tohizako kely fotsiny ilay tantara momba ny magy.

Misy "personnage" faha-3 ao amin'io tantara io (ankoatra ny magy sy Heroda), ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, izay tsy atoro amin'ny resaka Soratra Masina ary nahalala tsara ny faminaniana momba Ilay Zaza, isan'izany ny toerana nahaterahaNY.

Saingy toa tsy dia nanisy "sira" (hoy ny fitenenana) ny vaovao mahafaly nentin'ny magy izy ireo. Mety nihevitra angamba izy ireo fa ilay Noely nambaran'ny magy dia midika hoe "tsy misy Andriamanitra" (araka ny faminaniana nahavariana azy tao) !

Ny tiana ahatongavana dia izao : mbola "d'actualité" (hoy ny fitenenana) mandraka ankehitriny ireto personnage faha-3 ireto !

Izay angamba ilay hoe : "Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy" ! :-)
19. rhaj0 ( 10/12/2014 11:21)
bor2lais:
Misy "personnage" faha-3 ao amin'io tantara io ...

Miombon-kevitra tanteraka ee.... "tantara" fa tsy "Tantara".
20. bor2lais ( 16/12/2014 13:51)
Ny Noely : Andro malaza !

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso;
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa,
Mba hampiseho fihavanana,
Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
:,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,:

2. Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoka Azy koa,
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anio!
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…

Version Bessa


Version Mariah Carey
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077